<-
->

Sal 115:1 Not unto us, O Lord, not unto us, but unto thy name give glory, for thy mercy, and for thy truth' s sake. Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra, Fa ny anaranao ihany, Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao. Tsy izahay, ry Iaveh, tsy izahay, fa ny anaranao no omeo ny voninahitra, noho ny famindram-ponao, sy noho ny fahamarinanao. Non pas à nous, Yahvé, non pas à nous, mais à ton nom rapporte la gloire, pour ton amour et pour ta vérité!
Sal 115:2 Wherefore should the heathen say, Where is now their God? Nahoana ny jentilisa no manao hoe: Aiza izay Andriamaniny? Ahoana no ilazan' ny firenena hoe: Aiza ary ny Andriamanitr' izy ireo? Que les païens ne disent : "Où est leur Dieu?"
Sal 115:3 But our God is in the heavens: he hath done whatsoever he hath pleased. Nefa any an-danitra Andriamanitsika; Efa nanao izay sitrapony rehetra Izy. Any an-danitra ny Andriamanitsika; izay tiany hatao, vitany avokoa. Notre Dieu, il est dans les cieux, tout ce qui lui plaît, il le fait.
Sal 115:4 Their idols are silver and gold, the work of men' s hands. Volafotsy sy volamena ny sampin' ireny, Asan' ny tanan' olona: Ny sampin' izy ireo dia volafotsy sy volamena, asan-tanan' olombelona. Leurs idoles, or et argent, une oeuvre de main d' homme!
Sal 115:5 They have mouths, but they speak not: eyes have they, but they see not: Manam-bava izy. fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita; Manam-bava fa tsy miteny izy, mana-maso fa tsy mahita izy, Elles ont une bouche et ne parlent pas, elles ont des yeux et ne voient pas,
Sal 115:6 They have ears, but they hear not: noses have they, but they smell not: Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Manana orona izy, fa tsy manimbolo: manan-tsofina fa tsy mahare, manan' orona fa tsy manimbolo, elles ont des oreilles et n' entendent pas, elles ont un nez et ne sentent pas.
Sal 115:7 They have hands, but they handle not: feet have they, but they walk not: neither speak they through their throat. Manan-tanana izy, fa tsy mandray; Manan-tongotra izy, fa tsy mandeha; Ary tsy mahaloa-peo ny tendany. manan-tanana fa tsy mandray, manan-tongotra fa tsy mamindra. Ny tendany tsy amoahany feo akory. Leurs mains, mais elles ne touchent point, leurs pieds, mais ils ne marchent point, de leur gosier, pas un murmure!
Sal 115:8 They that make them are like unto them; so is every one that trusteth in them. Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy. Hanahaka azy anie izay nanao azy mbamin' izay rehetra mitody aminy! Comme elles, seront ceux qui les firent, quiconque met en elles sa foi.
Sal 115:9 O Israel, trust thou in the Lord: he is their help and their shield. Ry Isiraely ô, matokia an' i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy. Ry Israely ô, apetraho amin' ny Tompo ny fitokianao! Izy no vonjiny sy ampingan' izy ireo. Maison d' Israël, mets ta foi en Yahvé, lui, leur secours et bouclier!
Sal 115:10 O house of Aaron, trust in the Lord: he is their help and their shield. Ry taranak' i Arona ô, matokia an' i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy. Ry taranak' i Aarona, apetraho amin' ny Tompo ny fitokianao! Izy no vonjiny sy ampingan' izy ireo. Maison d' Aaron, mets ta foi en Yahvé, lui, leur secours et bouclier!
Sal 115:11 Ye that fear the Lord, trust in the Lord: he is their help and their shield. Hianareo izay matahotra an' i Jehovah, matokia an' i Jehovah; Heriny sy ampingany Izy. Hianareo matahotra an' ny Tompo, apetraho amin' ny Tompo ny fitokianareo! Izy no vonjiny sy ampingan' izy ireo. Ceux qui craignent Yahvé, ayez foi en Yahvé, lui, leur secours et bouclier!
Sal 115:12 The Lord hath been mindful of us: he will bless us; he will bless the house of Israel; he will bless the house of Aaron. Jehovah mahatsiaro ka mitahy antsika; Hitahy ny taranak' i Isiraely Izy; Hitahy ny taranak' i Arona Izy; Efa nahatsiaro antsika Iaveh, ka hitahy! Hitahy ny taranak' Israely izy, hitahy ny taranak' i Aarona izy, Yahvé se souvient de nous, il bénira, il bénira la maison d' Israël, il bénira la maison d' Aaron,
Sal 115:13 He will bless them that fear the Lord, both small and great. Hotahiny izay matahotra an' i Jehovah, Na ny kely na ny lehibe. hitahy izay matahotra an' ny Tompo izy, na ny kely, na ny lehibe. il bénira ceux qui craignent Yahvé, les petits avec les grands.
Sal 115:14 The Lord shall increase you more and more, you and your children. Jehovah anie hampitombo anareo, Dia ianareo mbamin' ny zanakareo. Hampitomboin' ny Tompo anie ny fanambinany anareo, dia hianareo sy ny zanakareo! Que Yahvé vous fasse croître, vous et vos enfants!
Sal 115:15 Ye are blessed of the Lord which made heaven and earth. Hitahy anareo anie Jehovah, Mpanao ny lanitra sy ny tany. Hitahy anareo anie Iaveh, izay nanao ny lanitra sy ny tany! Bénis soyez-vous de Yahvé qui a fait le ciel et la terre!
Sal 115:16 The heaven, even the heavens, are the Lord' s: but the earth hath he given to the children of men. Ny lanitra dia an' i Jehovah: fa ny tany nomeny ho an' ny zanak' olombelona. Ny lanitra dia lanitry ny Tompo, fa ny tany kosa nomeny ny zanak' olombelona. Le ciel, c' est le ciel de Yahvé, la terre, il l' a donnée aux fils d' Adam.
Sal 115:17 The dead praise not the Lord, neither any that go down into silence. Ny maty tsy mba hidera an' i Jehovah. Na izay midina any amin' ny mangingina; Tsy ny maty no midera an' ny Tompo dia ireo midina ho any amin' ny toerana fahanginana, Non, les morts ne louent point Yahvé, ni tous ceux qui descendent au Silence;
Sal 115:18 But we will bless the Lord from this time forth and for evermore. Praise the Lord. Fa izahay hisaotra an' i Jehovah Hatramin' izao ka ho mandrakizay. Haleloia. fa isika, dia isika no hisaotra an' ny Tompo hatramin' izao ka ho mandrakizay. Aleloia! mais nous, les vivants, nous bénissons Yahvé dès maintenant et à jamais.

<-
->