<-
->

Sal 41:1 Blessed is he that considereth the poor: the Lord will deliver him in time of trouble. Ho an' ny mpiventy hira. Salamo nataon' i Davida. Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy azy amin' ny andro fahoriana. Ho an' ny mpampianatra hira. Salamon' i Davida. Du maître de chant. Psaume. De David.
Sal 41:2 The Lord will preserve him, and keep him alive; and he shall be blessed upon the earth: and thou wilt not deliver him unto the will of his enemies. Jehovah hitandrina sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho sambatra ambonin' ny tany izy, ary tsy mba hatolotrao amin' ny sitrapon' ny fahavalony. Sambatra ny miahy ny mahantra, fa hovonjen' ny Tompo amin' ny andro fahoriana izy. Heureux qui pense au pauvre et au faible au jour de malheur, Yahvé le délivre;
Sal 41:3 The Lord will strengthen him upon the bed of languishing: thou wilt make all his bed in his sickness. Jehovah hanohana azy eo ambonin' ny farafara hitsaboana azy. Ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao. Harovan' ny Tompo sy hovelominy izy; dia ho sambatra ambonin' ny tany, ary tsy mba hatolotrao amin' ny sitra-pon' ny fahavalony. Yahvé le garde, il lui rend vie et bonheur sur terre oh! ne le livre pas à l' appétit de ses ennemis!
Sal 41:4 I said, Lord, be merciful unto me: heal my soul; for I have sinned against thee. Hoy izaho: Jehovah ô, mamindrà fo amiko; sitrano ny fanahiko, fa efa nanota taminao aho. Iaveh hamonjy azy eo am-parafara fijaliany; havadikao avokoa ny fandriany rehetra eo am-paharariany. Yahvé le soutient sur son lit de douleur; tu refais tout entière la couche où il languit.
Sal 41:5 Mine enemies speak evil of me, When shall he die, and his name perish? Ny fahavaloko maniry ahy ho simba ka manao hoe: Rahoviana no ho faty izy, ka ho very ny anarany? Hoy aho: Mamindrà fo amiko, ry Iaveh! sitrano ny fanahiko, fa nanota taminao aho. Moi, j' ai dit : "Pitié pour moi, Yahvé! guéris mon âme, car j' ai péché contre toi!"
Sal 41:6 And if he come to see me, he speaketh vanity: his heart gathereth iniquity to itself; when he goeth abroad, he telleth it. Ary raha avy mamangy, izy dia miteny zava-poana; ny fony mamory faharatsiana ho an' ny tenany; mivoaka eny ivelany izy ka milazalaza. Fa ny fahavaloko kosa manonona fanozonana ahy: Rahoviana no ho faty io? Rahoviana no ho very ny anaran' io? Parlant de moi, mes ennemis me malmènent "Quand va-t-il mourir et son nom périr?"
Sal 41:7 All that hate me whisper together against me: against me do they devise my hurt. Mitakoritsika ahy izay rehetra mankahala ahy; misaina hanisy ratsy ahy izy. Nony mba misy mamangy ahy, lainga no hany avoakany, faharatsiana no angonin' ny fony; nony mivoaka avy eo indray izy dia miteny eny ivelany. Vient-on me voir, on dit des paroles en l' air, le coeur plein de malice, on déblatère au-dehors.
Sal 41:8 An evil disease, say they, cleaveth fast unto him: and now that he lieth he shall rise up no more. Tena zava-dratsy, hoy izy, no aidina aminy; ary raha mandry izy dia tsy hitsangana intsony. Mitakoritsika mamely ahy avokoa ny fahavaloko, Misaina hanisy ratsy ahy izy ireo. Tous à l' envi, mes haïsseurs chuchotent contre moi, ils supputent contre moi le malheur qui est sur moi
Sal 41:9 Yea, mine own familiar friend, in whom I trusted, which did eat of my bread, hath lifted up his heel against me. Eny, ny sakaizako, izay maha-toky ahy sady nihinana ny haniko, no nanangana ny ombelahin-tongony hamely ahy. Loza tsy azo odiana, hoy izy, no nanjo azy, indro izy milamaka, dia tsy hiarina intsony. "C' est une plaie d' enfer qui gagne en lui, maintenant qu' il s' est couché, il n' aura plus de lever."
Sal 41:10 But thou, O Lord, be merciful unto me, and raise me up, that I may requite them. Fa ianao kosa Jehovah ô, mamindrà fo amiko, ka atsangano aho mba hamaliako azy. Na dia izay olona sakaizako aza, izay nitokiako sy nihinana ny haniko, dia nanangana ny ombalahin-tongony hamely ahy. Même le confident sur qui je faisais fond et qui mangeait mon pain, se hausse à mes dépens.
Sal 41:11 By this I know that thou favourest me, because mine enemy doth not triumph over me. Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy Hianao, dia ny tsy anakoran' ny fahavaloko ahy. Fa hianao, ry Iaveh, mamindra fo amiko, areno aho, dia hamaly azy ireo araka ny tandrifin' azy. Mais toi, Yahvé, pitié pour moi, fais-moi lever, je les paierai de leur dû, ces gens
Sal 41:12 And as for me, thou upholdest me in mine integrity, and settest me before thy face for ever. Ary ny amiko, dia manohana ahy amin' ny fahitsiako Hianao, ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay. Ny hahafantarako fa tia ahy hianao, dia raha tsy resin' ny fahavaloko aho. par là, je connaîtrai que tu es mon ami, si l' ennemi ne lance plus contre moi son cri;
Sal 41:13 Blessed be the Lord God of Israel from everlasting, and to everlasting. Amen, and Amen. Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin' ny taloha indrindra ka mandrakizay. Amena dia Amena. Noho ny tsy fananako tsiny dia nanohana ahy hianao, ary nampitoetra ahy mandrakizay eo anatrehanao. et moi, que tu soutiens, je resterai indemne, tu m' auras à jamais établi devant ta face.
Sal 41:14 Isaorana anie Iaveh Andriamanitr' Israely, amin' ny taona mandrakizay rehetra! Amena! Amena! Béni soit Yahvé, le Dieu d' Israël, depuis toujours jusqu'à toujours. Amen! Amen!

<-
->