<-
->

Sal 96:1 O sing unto the Lord a new song: sing unto the Lord, all the earth. Mihira fihiram-baovao ho an' i Jehovah; Mihirà ho an' i Jehovah ry tany rehetra. Mihirà fihiram-baovao ho an' ny Tompo! Mihirà ho an' ny Tompo hianareo monina amin' ny tany rehetra. Chantez à Yahvé un chant nouveau! Chantez à Yahvé, toute la terre!
Sal 96:2 Sing unto the Lord, bless his name; shew forth his salvation from day to day. Mihirà ho an' i Jehovah, misaora ny anarany; Lazao isan' andro isan' andro ny famonjeny mahafaly. Mihirà ho an' ny Tompo, misaora ny anarany. Lazao isan' andro ny famonjeny, Chantez à Yahvé, bénissez son nom! Proclamez jour après jour son salut,
Sal 96:3 Declare his glory among the heathen, his wonders among all people. Ambarao any amin' ny jentilisa ny voninahiny Ary any amin' ny firenena rehetra ny fahagagana ataony. ambarao amin' ny firenena ny voninahiny, ary amin' ny firenena rehetra ny fahagagany. racontez aux païens sa gloire, à tous les peuples ses merveilles!
Sal 96:4 For the Lord is great, and greatly to be praised: he is to be feared above all gods. Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, Sady mahatahotra, fa ambonin' ny Andriamanitra rehetra. Fa lehibe Iaveh sy mendrika ny fiderana rehetra, mahatahotra mihoatra noho izay andriamanitra rehetra izy, Grand, Yahvé, et louable hautement, redoutable, lui, par-dessus tous les dieux!
Sal 96:5 For all the gods of the nations are idols: but the Lord made the heavens. Fa ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona; Fa Jehovah no nanao ny lanitra. fa tsinontsinona avokoa ny andriamanitry ny firenena. Fa Iaveh no nanao ny lanitra. Néant, tous les dieux des nations. C' est Yahvé qui fit les cieux;
Sal 96:6 Honour and majesty are before him: strength and beauty are in his sanctuary. Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany; Hery sy fahatsaran-tarehy no ao amin' ny fitoerany masina. Manoloana azy ny famirapiratana amam-pahalehibiazana; ao amin' ny fitoerany masina ny hery amam-piandrianana. devant lui, splendeur et majesté, dans son sanctuaire, puissance et beauté.
Sal 96:7 Give unto the Lord, O ye kindreds of the people, give unto the Lord glory and strength. Ry firenena, manomeza an' i Jehovah, Eny, manomeza voninahitra sy hery ho an i Jehovah. Manomeza an' ny Tompo, ry fokom-pirenena rehetra, manomeza voninahitra amam-pahefana an' ny Tompo. Rapportez à Yahvé, familles des peuples, rapportez à Yahvé gloire et puissance,
Sal 96:8 Give unto the Lord the glory due unto his name: bring an offering, and come into his courts. Manomeza an' i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany. Omeo an' ny Tompo ny voninahitra mendrika ny anarany. Mitondra ny fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany. rapportez à Yahvé la gloire de son nom. Présentez l' oblation, entrez en ses parvis,
Sal 96:9 O worship the Lord in the beauty of holiness: fear before him, all the earth. Miankohofa eo anatrehan' i Jehovah amin' ny fihaingoana masina; Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra. Miankohofa eo anatrehan' ny Tompo amin' ny fanamiana masina, mangovita eo anatrehany hianareo monina amin' ny tany rehetra! adorez Yahvé dans son éclat de sainteté. Tremblez devant lui, toute la terre.
Sal 96:10 Say among the heathen that the Lord reigneth: the world also shall be established that it shall not be moved: he shall judge the people righteously. Lazao any amin' ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka; Ary izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika; Hitsara ny olona amin' ny fahamarinana Izy. Lazao eo amin' ny firenena hoe: ny Tompo no mpanjaka; ka hitoetra sy tsy hietsiketsika izao tontolo izao; hitsara ny vahoaka araka ny rariny izy, Dites chez les païens : "Yahvé règne." Le monde est stable, point ne bronchera. Sur les peuples il prononce avec droiture.
Sal 96:11 Let the heavens rejoice, and let the earth be glad; let the sea roar, and the fulness thereof. Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravoravo ny tany; Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy. Aoka hifaly ny lanitra, sy hiravoravo ny tany. Aoka hisebiseby ny ranomasina mbamin' izay rehetra ao aminy; Joie au ciel! exulte la terre! Que gronde la mer, et sa plénitude!
Sal 96:12 Let the field be joyful, and all that is therein: then shall all the trees of the wood rejoice Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra eo aminy; Dia hihoby amin' izay ny hazo rehetra any an' ala aoka ho miramirana ny saha mbamin' izay rehetra ao aminy, aoka hihoby ny hazo rehetra any an' ala, Que jubile la campagne, et tout son fruit, que tous les arbres des forêts crient de joie,
Sal 96:13 Before the Lord: for he cometh, for he cometh to judge the earth: he shall judge the world with righteousness, and the people with his truth. Eo anatrehan' i Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy Ary ny firenena amin' ny fahamarinany. eo anatrehan' ny Tompo fa avy izy. Avy hitsara ny tany izy; hitsara izao tontolo izao araka ny rariny izy, ary ny firenena, araka ny fahamarinany. à la face de Yahvé, car il vient, car il vient pour juger la terre; il jugera le monde en justice et les peuples en sa vérité.

<-
->