|
|
|
|

Index

Proverbes : boka

Proverbe 1Boka milomano : tafita vao ana. (tsy misy hiakarana ny morona). [2.558 #61]
Boka milomano: tafita vao maty. [2.415 #1969, 2.653 #794]
Boka milomano: tafita vao rendrika. [1.1]
Boka nilomano ka tafita vao rendrika. [2.558 #942]
Boka nilomano: tafita vao maty. [2.165 #2036]
Lomano-boka: tafita vao rendrika. [1.1]
Tafita vao rendrika toy ny lomano-boka. [2.558 #3968]
Interprétation malgacheEnti-milaza olona izay nikezaka sy nifofotra mafy mba hahavita zavatra, nefa efa akaikin' ny ho tonga amin' izay nokendrena vao tsy mahomby (na marary na maty na voan' ny sampona tsy azo anoarana). [1.1]
Enti-milaza zavatra na raharaha mby efa ho vita vao simba na tsy tanteraka, toy ny lomanom-boka izay misosa tsara hatrany, fa rehefa tonga eny amorona vao tsy tafita satria tay afa-mamikitra ny tanany. [1.1]
Traduction françaiseLépreux qui nage: il arrive à l'autre bord pour mourir. [2.415 #1969]
Un lépreux nageant (pour traverser une rivière): il meurt après avoir atteint l' autre bord. [2.165]
Interprétation françaiseParce qu' il ne parvient pas à monter la berge escarpée, manquant de doigts pour saisir les herbes qui lui aideraient à grimper. [2.165]
Se disait des malheureux: le lépreux ne peut pas s'accrocher au rivage pour monter. [2.415 #1969]

Proverbe 2Boka mivaro-tantely : ny zavatra amidy mamy ihany, fa ny tenany mivarotra no mahaloiloy. [2.415 #1976, 2.653]
Boka mivaro-tantely: ny zavatra amidy mamy ihany, fa ny tenan' ny mpivarotra no mampahaloiloy. [2.165 #2025]
Boka mivaro-tantely : ny zavatra amidy mba soa ihany fa ny tenan' izy mpivarotra no mankaloiloy. [2.558]
Tantely an-tànam-boka, ka na soa aza afa-boninahitra (mankaloiloy). [2.558 #4077]
Traduction françaiseLépreux qui vend du miel : ce qu' il vend est doux, mais le marchand donne la nausée. [2.415 #1976]
Un lépreux vendant du miel: ce qu' il vend est bien doux, mais c' est le vendeur qui vous dégoûte. [2.165]
Interprétation françaiseLe don n' est pas tout, il y a manière de donner. [2.415 #1976]

Proverbe 3Hoatry ny tantely an-tanam-boka. [2.415 #2000]
Traduction françaiseComme le miel dans la main d'un lépreux. [2.415 #2000]
Interprétation françaiseSe disait des choses qui jurent ensemble. [2.415 #2000]

Proverbe 4Lomano-boka, ka izay idonan' ny loha no iakarana. [2.558 #136]

Proverbe 5Lomano-boka : ny midina azoazo ihany, fa ny miakatra no ady mafana. [2.558 #137]

Index