Index

Proverbes : iainana

Proverbe 1Aza atao hoatry ny kifafa : mipepipepy marain-tsy hariva, ka tsy hita izay rariny hiainana. [2.415 #753]
Aza atao ohatra ny kifafa: mipepipepy marain-tay hariva, ka tsy mahita izay rariny hiainana. [2.653]
Aza atao toy ny kifafa : mipepipepy marain-tsy hariva, nefa tsy mahita izay rariny iainana ihany. [2.558]
Traduction françaiseNe le traitez pas comme le balai : du matin au soir, il va à droite et à gauche, toujours occupé, sans jamais recevoir un témoignage de satisfaction, sans pouvoir jamais se reposer. [2.415 #753]
Interprétation françaiseIl ne faut pas accabler de travail les petits sans les encourager. [2.415 #753]

Proverbe 2Aza atao tsy mahita hiainana : raha misioka, atao hoe misiotsio-poana, nony tsy misioka indray, lazaina ho manary sioka. [2.558 #422]
Aza tsy hita hiainana: raha misioka, atao hoe : Misiotsio-poana; raha tsy misioka, atao hoe : Manary sioka. [2.415 #759, 2.653 #353]
Misioka, ataony hoe : " misiotsio-poana " ; tsy misioka ataony hoe : " manary sioka " . [2.415 #5815, 2.653 #1835]
Misioka ataony hoe : misiotsio-poana, tsy misioka indray ataony hoe manary sioka. [2.558 #2411]
Traduction françaiseNe soyez pas difficile au point de ne pas laisser de repos aux gens : si on siffle, vous dites qu' on siffle sans motif ; si on ne siffle pas, vous dites qu' on fait la sourde oreille. [2.415 #759]
Si vous sifflez, on dit que vous sifflez pour rien et que vous tuez le temps ; si vous ne sifflez pas, on dit que vous faites semblant de ne pas entendre le coup de sifflet pour ne pas répondre. [2.415 #5815]
Interprétation françaiseCe proverbe fait allusion à la manière malgache de s' appeler en sifflant ; il se disait des maîtres trop exigeants qui étaient toujours à gronder leurs inférieurs. [2.415 #759]
Les Malgaches sifflaient pour appeler. Le sens est : quoi qu'on fasse, on sera blâmé. [2.415 #5815]

Proverbe 3Aza manao tovolahy tia daka : ny andro hiainana mbola ho lava, fa ny tovon-karena ho lany. [2.415 #1559]
Aza manao tovolahy tia daka: ny andro hiainana mbola ho lava, fa ny tovon-kerena ho lany. [2.165 #1930]
Aza manao tovolahy tia daka : ny andro iainana mbola ho lava, ny tovon-karena ho.lany. [2.558 #599]
Traduction françaiseNe faites pas comme le jeune homme qui aime le jeu : il a encore de longs jours à vivre, mais ses biens seront vite épuis. [2.415 #1559]
Ne soyez pas comme un jeune homme qui aime le jeu: il a encore longtemps à vivre, mais sa fortune sera vite épuisée. [2.165]

Proverbe 4Tahaka ny katsaka: izay iainana misy ta-hanimba avokoa: maitso, hanin’ ondry; mibaby, ian-tsampazan’ ny alika; main-dambana, itomanian’ ny ankizy. [2.653 #2959]
Tahaka ny katsaka ka izay iainana misy te-hanimba : maitso hanin' ny ondry, mibaby iantsapazan' ny alika, main-dambana itomanian' ny ankizy. [2.558 #3976]
Tahaky ny katsaka : izay iainana misy ta-hanimba avokoa ; maitso, hanin' ny ondry ; mibaby, iantsampazan' ny alika ; main-dambana, itomanian' ny ankizy. [2.415 #5726]
Traduction françaiseC' est comme le maïs : il y a toujours à craindre pour sa vie : encore vert, il est brouté par les moutons ; quand il porte des épis, les chiens sautent après lui ; lorsqu' il est mûr, il excite la convoitise des enfants. [2.415 #5726]
Interprétation françaiseSe disait des pauvres gens qui sont toujours sur le qui-vive. [2.415 #5726]

Proverbe 5Tsy hita izay hiainana, fa hoatry ny tsindretra anaty tambiazina : mankamin' ny marivo, tsindrohin' ny vano ; mankamin' ny lalina, paohin' ny mamba. [2.415 #5833]
Tsy hita izay hiainana, fa ohatra ny tsindretra anaty tambiazina: mankamy ny marivo, tsindrohin’ ny vano; mankamy ny lalina, paohin’ ny mamba. [2.653]
Tsy hita izay hiainana, fa toy ny tsindretra anaty tambiazina : mankamin' ny marivo, tsindrohin' ny vano, mankamin' ny lalina, paohin' ny mamba. [2.558 #4496]
Traduction françaiseOn ne sait comment vivre, car on est comme les larves de libellules dans une eau ferrugineuse : si elles sont dans les endroits peu profonds, le héron les prend une à une avec le bec ; si elles sont dans les endroits profonds, le caïman les rafle. [2.415 #5833]

Index