|
|
|
|

Entrée (1/3) 1  lany
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3 Ny rirany amin' ny an-kilany sy ny an-daniny, ny lafiny: Maroni-dany roa io, lelan' antsy io
4 Ny tendrony, ny tendrony farany: Mbola tsy miseho ihany ny lanin' ny tafika ~ Tsy hita lany ny ranomasina
5 Ilany: Ery an-dany andrefan' Ampamarinana no misy anay. [1.1]
Explications en français  6 le bout, l'extrémité d'une chose, un côté ou une partie par rapport à l'autre: Marani-dany roa io lela antsy io (Cette lame de couteau coupe des deux côtés, a deux tranchants) ~ Apetraho eo an-dany atsimon' ny farafara ireo kiraro ireo (Mettez ces souliers du côté sud du lit) Eo an-dany atsinanana ny kianja ny tranoko (Ma maison est du côté est de la place) [1.3]
Dérivés 
Noms :
Combinaisons  12  5 expressions, toponymes, phytonymes et autres avec le mot lany
Proverbes  13  Proverbes contenant ce mot

Entrée (2/3) 14  lany
Partie du discours  15  verbe passif
Explications en malgache  16 Tapitra, tsy misy intsony: Lany ny vary ao antsompitra
17 Very foana: Lany niandry anao teto ny androko
18 Simba, levona, hanin-javatra: Lanin' ny fositra itỳ voavahy
19 Ampiasaina: Ohatrinona ny vola laninao nanaovana itỳ trano itỳ
20 Tsy misy mijanona noho ny niasana taminy: Mahagaga raha lany sahady ilay pensilihazo novidiko ho anao
21 Baboina: Lanin' ny fanjakana ny hareny
22 Ekena, ankatoavina, azoazo, voafidy: Tsy lanin' ny be sy ny maro ny hevitrao / Lany ho solombavambahoaka Ramasaka
23 Raisina: Lany ho miaramila ny rahalahiko
24 Ekena, raisina: Tsy lany intsony ny vola toy itony
25 Atao mahita faisana, hanina: Raha misy tsy manaraka izany lalàna izany dia lanintsika
26 Tapaka: Lanin' ny mpitsara fa hohelohina folo taona izy [1.1]
Explications en anglais  27 consumed, devoured, spent, all gone; agreed upon [1.2]
Explications en français  28 dont il ne reste rien, épuisé, perdu, usé, mangé, consumé, confisqué, dépensé, employé
29 accepté, approuvé, qui plait, qui passe
30 réprouvé, rejeté, condamné [1.3]
Exemples  31  " Dia nosotroiny, hono, ny ron' akoho, ka lany. [2.293]
32  ny saran-dalana sy ny fotoana lany iaraha-mahalala rahateo. [2.470#183]
33  Nony tonga ny ririna, lany ny mangahazo sy latsakay. [2.472#38]
34  Haren-danim-bazo (Biens dépensés dans le libertinage) [2.415]
Morphologie 
35  Simple :
36  Préfixée :
37  Impératif :
Dérivés 
Verbes actifs :
Verbes passifs :
Verbes circonstanciels :
Noms :
Adjectifs :
Analogues  46  borona, 47  foan-tanana, 48  foana, 49  fongana, 50  goana, 51  jabolevona, 52  levona, 53  madiodio, 54  mafafa, 55  majifa, 56  makiky, 57  mangadihady, 58  mangaka, 59  ringana, 60  ringitra, 61  ritra, 62  tapitra, 63  tsy misy horaotina, 64  tsy misy miangana
Combinaisons  65  52 expressions, toponymes, phytonymes et autres avec le mot lany
Proverbes  66  Proverbes contenant ce mot

Entrée (3/3) 67  lany
Partie du discours  68  nom
Explications en malgache  69 Fofon' ny hazandrano: Maimbo lanin-trondro
70 Ny kiran' ny hazandrano izay manarona ny tenany
71 ilay zavatra maditidity amin' ny hoditry ny amalona [1.1]
Explications en anglais  72 a bad smell [1.7]
Explications en français  73 l'odeur du poisson, des caïmans, des canards; les écailles des poissons, la matière visqueuse qui se trouve sur la peau des anguilles [1.3]
74 mauvaise odeur [1.8]
Dérivés 
Adjectifs :

Anagrammes  lany, 76 lina

Mis à jour le 2026/04/21