Index

Proverbes : mosary

Proverbe Aza malaina fa ny mosary indray maraina aza tsy efa fotsiny. [Rinara 1974 #472]
Aza malaina manao zavatra; fa ny mosary indray maraina tsy efa foana. [Houlder 1895 #680]
Ny mosary indray maraina aza tsy efa foana. [Rinara 1974 #3155]
Ny mosary indray maraina tsy efa foana. [Cousins 1871 #2353]
Traduction française Ne soyez pas paresseux; car quand la famine règne il est difficile de trouver à manger, même pour une seule matinée. [Houlder 1895]

Proverbe Fahavalo tsy miohatra ny mosary. [Rinara 1974]

Proverbe Manàna vary tsy ho tojo mosary, mahazoa vola ho lavitry ny henatra. [Rinara 1974 #1978]

Proverbe Nahoana no misao-bady voky, ka mampaka-bady noana ? ny mosary ho an' olona, ka alain-ko an-tena. [Veyrières 1913 #1384, Cousins 1871 #2055]
Nahoana no misao-bady voky ka mampakatra ny noana: ny mosary ho an' olona ka alain-ko an-tena ? [Rinara 1974]
Traduction française Pourquoi vous séparer d' une épouse déjà rassasiée et satisfaite, pour en épouser une nouvelle qui sera forcément affamée et pleine de désirs ? la famine est pour d' autres, et vous la prenez pour vous. [Veyrières 1913 #1384]
Interprétation française Maxime pour prêcher la fidélité conjugale. [Veyrières 1913 #1384]

Proverbe Tsy manam-pahavalo aho : ny mosary no fahavaloko ; ny rano koa no rafiko. [Veyrières 1913 #402]
Traduction française Je n' ai pas d' ennemis : la famine et les inondations, voilà les ennemis qu' il me faut combattre. [Veyrières 1913 #402]
Interprétation française Paroles du roi Andrianampoinimerina à ses sujets pour les exciter à travailler les rizières et à construire des digues. [Veyrières 1913 #402]

Index