|
|
|
|

Entrée (1/2)1  adimizana
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3 laharana fahafito amin' ny volana malagasy. Ny anarany dia nalaina avy amin' ny anaran' ny
4 antokon-kintana, izay ataon' ny Arabo hoe El-mizân (Balance).
5 Ny Adimizana dia reni-vintana mitretro ny Alakarabo, ary mibaby ny Asombola.
6 Eo anjorom-baravarambe (atsimon-andrefana) no filaharany, ary mivoaka sy miditra
7 eo ny soa sy ny ratsy.
8 Isan' ny andro mahery ny Adimizana, ka ny ozona atao amin' ny olona vintan' Adimizana,
9 dia manjary mivadika ho soa azy; tsy maty vonoina izy, fa tahaka ny varavarambe,
10 ka na atositosika marain-tsy hariva aza dia tsy mankaiza fa mbola anton' ny trano eo ihany.
11 Ny olona izay manana vintana mifandratra amin' ny Adijady, raha ta-hanao zavatra
12 tian-ko mafy sy mateza, dia manao izany amin' ny vonton' Adimizana, indrindra
13 fa ny hampaka-bady. Saingy atahotahorana ihany amin' izay ny tsy ho marina am-panambadiana,
14 satria mivoha lava ny varavarambe (Adimizana); ka dia andevenana vatokilonjy ao ambany
15 tokonana, mba tsy hihetsiketsika tahaka iny vato nalevina iny ny mpanambady.
16 Ny kintana telonohorefy dia atao hoe Adimizana, noho ny filahatr' ireo kintana telo ireo,
17 izay hoatra ny tsara lanja mihitsy, sady manana ny endriky ny vovona-mizana :
18 misy fisasahany hampitoviana ny lanjan-javatra.
19 Ny Alahamady no tonom-bintana mifandratra amin' ny Adimizana; ary ny mitanila eo amin' ny Alohotsy
20 sy ny Adaoro kosa no iarenany sy iandrianany.
21 Ny zaza teraka Adimizana dia ampitahirizina mizana, ary tsy mba avela hitafy lamba tohi-loha.
22 Omby sada sy akoho maramara no manambina azy raha ompiany. [1.10]
23 
24 
25 
26 
62 
124 
160 
161  [3.1]
162 Anaran' ny volana fahafito amin' ny filaharan' ny volana malagasy merina, aorian' ny Asombola ary alohan' ny Alakarabo, ka ny toerana omena azy ao an-trano dia eo amin' ny zoron-trano atsimo andrefana (zorom-baravarambe). Andro mahery aoka izany ny Adimizana ka ny ozona atao amin' ny olona teraka Adimizana aza mivadika ho soa ho azy
163 Fanandroana: vavany: raha lehilahy, mpivarotra, mpandranto; raha vehivavy: tsy mitahiry mizana fa miala vintana; raha tsy mpanankarena dia maty kely izy; vontony: tsara, mpanankarena, tsy maty vonoina; vodiny: tsara, tratra antitra; raha tsy maty kely, raha tsy roa volo tsy maty [1.1]
Explications en anglais  164 The name of the seventh month in the Malagasy year. [Ar. Al-mizanu -- Libra.] [1.2]
Explications en français  165 Nom de la septième lune et du septième mois de l'année malgache [1.3]
Exemples  166  Tsy azo atao adimizana ny famadiahana fa ampiady; [1.381#]
167  Ary tamy ny andro Talata 15 adimizana, 19 Janoary. [2.59#]
168  Dia navoaky ny Mpanjaka tamy ny andro Alakamisy 5 adimizana 31 Janoary 1884. [2.59]
Vocabulaire  169  Temps 170  Croyances
Hypéronyme 
Co-hyponymes 
Tableaux et planches  246  Mesure du temps

Entrée (2/2)247  adimizana
Partie du discours  248  nom
Analogues  249  sikidy
Texte  250 

Anagrammes  251 adimizana, 252 amizany da

Mis à jour le 2025/11/17