|
|
|
|

Entrée (1/2)1  alakarabo
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3 laharana fahavalo amin' ny volana malagasy, ary zana-bintana ampofoin' ny Adimizana. Amin' ny lafin-drindrina
4 andrefana, avy eo avaratry ny zorom-baravarambe no anjara-toerany. Ny anarany dia nalaina avy tamin' ny antokon-kintana
5 izay ataon' ny Arabo hoe El-aqrab (Scorpion, maingoka). Ny tonon' andro Alakarabo dia androm-bokatra,
6 ka amin' izany no isantarana ny fambolena, indrindra fa ny zava-maniry mihantom-boa: akondro, vary, katsaka, ets.
7 Izany koa no mahatonga ny fanao amin' ny fisoronana akondro vokatra, isaky ny tsinam-bolana ny Alakarabo.
8 Ny mpanjaka Ranavalona II (1868-1883) dia teraka tamin' ny vava-Alakarabo; ka tamin' ny andro nanjakany
9 dia toa notadiaviny hafindra tamin' ny Alakarabo ny Fandroana; nefa tsy nety levona tao an-tsain' ny vahoaka
10 ny maha Asaramanitra. Ilay "Lalàn' ny Fanjakana" (Code des 305), izay notononin' ny olona hoe "Ny dimy venty sy telon-jato",
11 dia nokabariny tao Andohalo tamin' ny Talata 1 Alakarabo (29 mars 1881). Nikendry ny fitsingerenan' ny
12 tonon' andro nahaterahany izy tamin' io.
13 Ny nampahalaza ny Alakarabo indrindra dia izy natao ho fotoana fandatsahana miaramila tamin' ny andro
14 nanjakan' io Ranavalona II io, ka nahatonga ny fitenin' ny olona, sady natao an-kira hoe:
15 "Raha midona ny Alakarabo, zanak' iza no tsy ho miaramila?". Dia nisy ny antoko-miaramila nomena anarana hoe
16 "Alakarabo voalohany", "Alakarabo faharoa", ets, araka ny fotoana nandatsahana azy. Tato aoriana dia
17 nosoloana ny anarana hoe "Vôlantera" ny hoe Alakarabo; nefa tsy dia an-tsitrapo tsy akory no nilatsahana
18 ho miaramila tamin' izany.
19 Ny vintana Alakarabo dia miarina eo amin' ny Alahamady, fa mifandratra amin' ny Adaoro.
20 Ny faditra fanesoran-doza amin' ny vintan' Alakarabo dia ny mosavinkena sy ny hazo marary ila
21 (maina ny ila hazo); ary ny sorona enti-maniry ny fahasoavana amin' izany kosa dia ny akondro vokatra,
22 ny vatolalaka ary ny betaonàny (vary). [1.10]
23 
24 
25 
26 
62 
124 
160 
161  [3.1]
162 volana novambra (volana faha-8) [Taimoro] [1.78]
163 Anaran' ny volana fahavalo amin' ny filaharan' ny volana malagasy merina, aorian' ny Adimizana ary alohan' ny Alakaosy, ka ny toerana nomena azy tao antrano dia teo amin' ny lafindrindrina andrefana, ilany atsimo
164 Fanandroana: Tonon' andro tsara fa androm-boa ny alakarabo. Vavany, na vodiny: raha vehivavy, maro anaka; raha lehilahy, tratra antitra fa vokatra loatra [1.1]
Explications en anglais  165 the name of the eighth month of the Malagasy year. [Ar. Al-aqrabu - Scorpio; Heb. a'qrab.] [1.2]
Exemples  166  Ny varavaram-pasana no atodika any @' ny alakarabo. [1.381#]
167  N° 320 Tamy ny andro Alahady 20 alakarabo, 20 Desembra 1891. [2.59]
Vocabulaire  168  Temps 169  Croyances
Hypéronyme 
Co-hyponymes 
Proverbes  245  Proverbes contenant ce mot
Tableaux et planches  246  Mesure du temps

Entrée (2/2)247  alakarabo
Partie du discours  248  nom
Analogues  249  sikidy
Texte  250 

Mis à jour le 2025/11/17