|
|
|
|

Entrée (1/3) 1  adijady
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3 laharana fahafolo amin' ny volana malagasy. Ny anarany dia nalaina avy amin' ny anaran' ny antokon-kintana izay ataon' ny Arabo hoe El-djadi (Chevreau).
4 Ny Adijady dia reni-vintana mitrotro ny Adalo sy mibaby ny Alakaosy. Eo anjorom-baravarankely (avaratra-andrefana) no filaharany.
5 Ny zaza teraka amin' ny vava-Adijady, hono, dia jadijadina, izany hoe, sady vitsy teny no jinijinina; nefa kosa izay teraka amin' ny vontony sy ny vodiny dia heverina ho tsara vintana ihany.
6 Ny Adijady dia andro mafy, tena mijadona tokoa; ka ny zavatra tian-ko mafy sy mateza indrindra no isantarana amin' izany. Io no tonon' andro tsara ho fampidiram-pananana, na andevo hovidiana, na biby hopiana, na vary hatao an-davaka, na vola hotehirizina an-kitapo. Io koa no tonom-bintana fangalana vohitra sy fanorenan-trano. Ny Adijady koa no heverina ho andro tsara hampakaram-bady, fa savihin' ny andro mafy ka tsy ho afaka hisara-belona: "Lamban' akoho" ny fanambadiana atao Adijady, "ka faty no isarahana."
7 Ny Asorotany no tonom-bintana mifandratra amin' ny Adijady, fa samy henjana ireo, ka tsy mahay miaraka; koa dia ny mitanila eo amin' ny Alahatsy sy ny Adizaoza no iarenany sy iandrianany.
8 Ny ranon' erika dia atao ho Adijady, fa mahamerika andro ny Adijady, ka be vaky siny ny mpantsaka, misy mirodona ny tokotany. Miantomboka mitomany ny tompon' ireo, ary mitohy amin' ny Adalo be ranomaso izany. [1.10]
9 Anaran' ny volana fahafolo amin' ny filaharan' ny volana malagasy merina, aorian' ny Alakaosy ary alohan' ny Adalo, ka ny toerana nomen' ny Ntaolo azy ao antrano dia eo amin' ny zorony avaratra andrefana (zorom-baravarankely). Ny Adijady dia andro mafy, tena mijadina mafy, ka ny zavatra tian-ko mafy sy mateza indrindra no isantarana amin' io
10 Fanandroana: vavany: alam-bintana fandrao dia mijadina loatra ka tsy miteny; vontony: tsara ihany; vodiny: tsara ihany [1.1]
Explications en anglais  11 The name of the tenth month in the Malagasy year. [Ar. Al-dschadiu - Capricorns.] [1.2]
Explications en français  12 Nom de la dixième lune et du dixième mois de l'année malgache [1.3]
Exemples  13  ny adijady amin' ny andrefana-avaratra, an-jorom-barava-ran-kely. [2.296#]
14  fa nony Asabotsy 28 Janoary, 11 adijady dia namely mafy ny rivotra; [2.59#226]
Vocabulaire  15  Temps 16  Croyances
Hypéronyme 
Co-hyponymes 
Proverbes  93  Proverbes contenant ce mot
Tableaux et planches  94  Mesure du temps
Illustrations 
95 

Entrée (2/3) 96  adijady
Partie du discours  97  nom
Explications en malgache  98 zana-pehintany 23°27'30" atsimon'ny fehibe [1.13]
Explications en français  99 tropique du Capricorne [1.13]
Vocabulaire  100  Géographie: (en général)
Analogues  101  asorotany, 102  zana
Illustrations 
103 

Entrée (3/3) 104  adijady
Partie du discours  105  nom
Explications en malgache  106 [Antemoro] latsa, fanalikalikana, ompa [1.78]

Anagrammes  adijady, 107 adijidà

Mis à jour le 2026/04/24