|
|
|
|

Entrée (1/3)1  adijady
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3 laharana fahafolo amin' ny volana malagasy. Ny anarany dia nalaina avy amin' ny anaran' ny
4 antokon-kintana izay ataon' ny Arabo hoe El-djadi (Chevreau).
5 Ny Adijady dia reni-vintana mitrotro ny Adalo sy mibaby ny Alakaosy. Eo anjorom-baravarankely
6 (avaratra-andrefana) no filaharany.
7 Ny zaza teraka amin' ny vava-Adijady, hono, dia jadijadina, izany hoe, sady vitsy teny no jinijinina;
8 nefa kosa izay teraka amin' ny vontony sy ny vodiny dia heverina ho tsara vintana ihany.
9 Ny Adijady dia andro mafy, tena mijadona tokoa; ka ny zavatra tian-ko mafy sy mateza
10 indrindra no isantarana amin' izany. Io no tonon' andro tsara ho fampidiram-pananana, na andevo hovidiana,
11 na biby hopiana, na vary hatao an-davaka, na vola hotehirizina an-kitapo. Io koa no
12 tonom-bintana fangalana vohitra sy fanorenan-trano. Ny Adijady koa no heverina ho andro tsara
13 hampakaram-bady, fa savihin' ny andro mafy ka tsy ho afaka hisara-belona:
14 "Lamban' akoho" ny fanambadiana atao Adijady, "ka faty no isarahana."
15 Ny Asorotany no tonom-bintana mifandratra amin' ny Adijady, fa samy henjana ireo, ka tsy mahay
16 miaraka; koa dia ny mitanila eo amin' ny Alahatsy sy ny Adizaoza no iarenany sy iandrianany.
17 Ny ranon' erika dia atao ho Adijady, fa mahamerika andro ny Adijady, ka be vaky siny ny mpantsaka,
18 misy mirodona ny tokotany. Miantomboka mitomany ny tompon' ireo, ary mitohy amin' ny Adalo be ranomaso izany. [1.10]
19 
20 
21 
22 
58 
120 
156 
157  [3.1]
158 Anaran' ny volana fahafolo amin' ny filaharan' ny volana malagasy merina, aorian' ny Alakaosy ary alohan' ny Adalo, ka ny toerana nomen' ny Ntaolo azy ao antrano dia eo amin' ny zorony avaratra andrefana (zorom-baravarankely). Ny Adijady dia andro mafy, tena mijadina mafy, ka ny zavatra tian-ko mafy sy mateza indrindra no isantarana amin' io
159 Fanandroana: vavany: alam-bintana fandrao dia mijadina loatra ka tsy miteny; vontony: tsara ihany; vodiny: tsara ihany [1.1]
Explications en anglais  160 The name of the tenth month in the Malagasy year. [Ar. Al-dschadiu - Capricorns.] [1.2]
Explications en français  161 Nom de la dixième lune et du dixième mois de l'année malgache [1.3]
Exemples  162  ny adijady amin' ny andrefana-avaratra, an-jorom-barava-ran-kely. [2.296#]
163  fa nony Asabotsy 28 Janoary, 11 adijady dia namely mafy ny rivotra; [2.59]
Vocabulaire  164  Temps 165  Croyances
Hypéronyme 
Co-hyponymes 
Proverbes  241  Proverbes contenant ce mot
Tableaux et planches  242  Mesure du temps

Entrée (2/3)243  adijady
Partie du discours  244  nom
Explications en malgache  245 zana-pehintany 23°27'30" atsimon'ny fehibe [1.13]
Explications en français  246 tropique du Capricorne [1.13]
Vocabulaire  247  Géographie: (en général)
Analogues  248  asorotany, 249  zanapehintany
Illustrations 

Entrée (3/3)250  adijady
Partie du discours  251  nom
Explications en malgache  252 latsa, fanalikalikana, ompa [Taimoro] [1.78]

Anagrammes  253 adijady, 254 adijidà

Mis à jour le 2025/11/17