| Entrée (1/3) | 1 alakaosy |
| Partie du discours | 2 nom |
| Explications en malgache |
3
4 laharana fahasivy amin' ny volana malagasy izany, ary zana-bintana baben' ny Adijady. Amin' ny lafin-drindina 5 andrefana avy eo atsimon' ny zorom-baravarankely no anjara-toerany. Ny anarany dia nalaina avy tamin' ny antokon-kintana, 6 izay ataon' ny Arabo hoe El-qoûs (Sagittaire, na Mpitifitra amin' ny tsipika). 7 Ny vintana Alakaosy no heverina ho tonon' andro mahery indrindra, ka atahorana hanoto izay mitatao azy, toy ny zaza 8 manoto ray aman-dreny, mpanompo manoto tompo. Koanefa io tonon' andro io kosa no tsara hanaovana ny taozavatr' Andriana, 9 fa mety avokoa izay atao amin' izany. 10 Tsy azo velomina ny zaza teraka Alakaosy, fa manao kely manindao be: noho izany dia ahohoka izy ho faty raha 11 vao mena-vava. Toy izany no fanohoka zaza: asiana rano mafana norarahana toton-tsakamalao eo amin' ny sahafa, 12 dia raisin' ny mpanandro eo amin' ny hatony sy ny laferany ny zazakely, ka atohony amin' ny rano ny vavany sy ny orony. 13 Mikofonkofona sy mitsipatsipaka kely foana, dia izay. 14 Raha tsy zakan' ny ray aman-dreny ny hijery ny fiala ainan' ny zazany eo ambony sahafa, dia azo alàm-bintana eo 15 amin' ny vavahadim-pahitr' omby koa izy. Amin' io kosa dia misy mba ieren' ny fahafatesana ihany. 16 Rahefa hivoaka ny omby dia ampandrina eo am-bavahady ny zazakely halàm-bintana, ka raha sendra tsy voahitsaky ny omby 17 izy dia heverina ho afaka amin' izay ny herin' ny vintana, sady inoana ho tsara vintana indray aza. 18 Ny vatan' akondro atao tahaka ny lakan-kely koa dia azo enti-manala vintana ny zaza teraka Alakaosy. Ampandrina 19 ao anatin' ny lakana vatan' akondro ny zaza, dia asosa eny anaty rano, ka raha sendra tsy rendrika ny vatan' akondro 20 dia afaka ny herin' ny vintana. 21 Raha sendra zinjina anefa ny mpanandro, noho izy efa voasafosafon' ny fanomezana mavesabesatra, dia lazainy 22 fa mety ho resin' ny faditra sy ny sorona ihany ny herin' ny vintana Alakaosy. Ireto no zavatra ifadirana azy: 23 ahikisaka (kazazan' ahitra mitalapetraka amin' ny tany), tany mipararetra (tany avy amin' ny honahona), 24 volon-toloho (vorona iva fanidina), volon' akoho tsy hita reny (volon' akoho avy tamin' ny 25 fanarian-jezika). Ny fanao sorona kosa dia karazam-bakana atao hoe ombalahinandriamanitra sy 26 ondrilahy mivolon-osy ary omby sada mainty. Matetika ny zaza alàm-bintana amin' ny faditra sy ny sorona 27 toy izany no anapahana tonony iray na roa ny anankiray amin' ny rantsantanany. Ho fanampin' izany dia omena anarana 28 mandefidefitra izy, toe ny hoe: Itsimandresy, Itsimanosika, Itsimandratra, ets. 29 Amin' ny tsinam-bolan' ny Alakaosy no andro fanandratana ody sy sampy indrindra; ary amin' io dia manao sorona 30 araka izay noheveriny ho ankasitrahan' ny sampiny sy hampitombo hasina ny odiny avy ny mpitahiry izany. 31 Ny vehivavy mbola tokony hiteraka koa dia nifady nihinan-kanina tamin' ny andro nahatsinanan' ny Alakaosy, 32 mba hiaro azy tsy hiteraka Alakaosy, hono; ay nisy aza, hono, "nifady" toy ny fanao raha hanikin-jaza. 33 Ny Andriana miditra an-trano dia eo amin' ny Alakaosy no amelaran-tsihy hampandrosoana azy; ary ny farafara 34 komby ifanan' ny mpitera-bao dia alatsaka eo anelanelan' ny Alakaosy andro vokatra; eo no toerana akaikin' ny fatana 35 indrindra ka mafana tsara antonona ny mpifana. 36 Ny Adizaoza no vintana mifandratra amin' ny Alakaosy; fa ny Asorotany kosa no tadiaviny hiarenana sy hiandriana. [1.10] 37 38
176 Anaran' ny volana fahasivy amin' ny filaharan' ny volana malagasy merina, aorian' ny Alakarabo ary alohan' ny Adijady, ka ny toerana nomena azy tao an-trano fahiny dia eo amin' ny lafindrindrina andrefana, ilany avaratra. Ny vintana Alakaosy no noheverina ho mahery indrindra, atahorana hanoto izay mitatao azy: zaza manoto ray aman-dreny, mpanompo manoto tompo 177 Fanandroana: vavany: manoto ray aman-dreny, ka ahohoka; fa raha tsy ahohoka ka alambintana, dia tratra antitra, lasan-ko lehibe, mpanankarena [1.1] |
|||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Explications en anglais |
178 the name of the ninth month of the Malagasy year. [Ar. Al-qausu - Areus, and Sagittarius; Heb. goshet, and gashat.]
[1.2] |
| Exemples |
179 ny mifanambina azy kosa dia ny adimizana sy alakaosy.
[1.381#]
180 Tamy ny andro Zoma 28 alakaosy 6 Febroary 1891. [2.59#205] |
| Vocabulaire | 181 Temps 182 Croyances |
| Hypéronyme |
|
| Co-hyponymes |
|
| Proverbes | 258 Proverbes contenant ce mot |
| Tableaux et planches |
259 Mesure du temps |
| Entrée (2/3) | 260 alakaosy |
| Partie du discours | 261 nom |
| Analogues | 262 sikidy |
| Texte |
263 [CR]
|
| Entrée (3/3) | 264 alakaosy |
| Partie du discours | 265 nom |
| Explications en français |
266 nom d’une perle
[1.3] |
| Hypéronyme |
|
| Co-hyponymes |
|
| Anagrammes | 378 alakaosy, 379 alakasio |
| Mis à jour le 2025/11/13 |
|