| Entrée | 1 alahamady |
| Partie du discours | 2 nom |
| Explications en malgache |
3 reni-vintana lehibe sy ambony indrindra izany. Eo amin'ny zoro firarazana (avaratra atsinanana) no
4 anjara toerany; ary mibaby ny Alohotsy sy mitrotro ny Adalo izy. Alahamady no laharana voalohany 5 amin' ny volana malagasy. Ny anarany dia nalaina avy tamin' ny antokon-kintana, izay ataon' ny Arabo hoe 6 El-hamal (Bélier, Ondrilahy). 7 Natao ho andron' Andriana ny Alahamady; ary noheverina ho vintan' andro maha-mpanjaka. 8 Ralambo sy Andriamasinavalona ary Andrianampoinimerina ihany anefa no mpanjaka teraka tamin' ny 9 vava-Alahamady. Ary satria Ralambo no niandohan' ny fankalazana manetriketrika ilay Andro lehibem-pirenena 10 teto fahiny -- dia ny Fandroana -- ary Andrianampoinimerina kosa no mpanjaka tokana nahavory an' Imerina 11 manontolo, dia ny vava-Alahamady, vintan' izy telo lahy, sady natao ho andron' Andriana rahateo, no natokana 12 sy naraikitra hanaovana ny andro firavoravoana amin' ny Fandroana. 13 Rehefa nanjaka Ranavalona III (1883) dia novany ho 22 Novambra izany, satria io no fitsingerenan' ny andro 14 nahaterahany sy ny andro nisehoany voalohany tamin' ny ambanilanitra. Ary rehefa nakambana ho zanak' i Frantsa 15 kosa Madagaskara, dia nofoanana ny Fandroana faha-gasy, fa nisoloana ny Andro lehibem-pirenena (14 juillet) 16 izay iombonan' i Frantsa amin' ny zanany rehetra (Arrêté du 5 juin 1897). 17 Noho ny fiheverana ny Alahamady ho andro mahery loatra dia nofadirana ra izany mba tsy ho be ra latsaka 18 amin' ny tany sy ny fanjakana. Izany no tokony ho niandohan' ny famonoana biby amam-borona tamin' ny Fandroana. 19 Ny namono omby tamin' izany dia nolazain' ny ntaolo hoe mandranjo Alahamady, izany hoe: manala 20 faditra ny herin' ny vintan' andro Alahamady. 21 Ny lanitra dia natao hoe Alahamady, noho izy iandrandran' ny zavatra rehetra: ary ny 22 filoham-pianakaviana dia atoavin' ny ankohonany rehetra ho Alahamadim-panjakana. Ny olona hajaina 23 indrindra, raha misy fivoriana, dia asai-mipetraka eo amin' ny Alahamadin-tany. Amin' ny biby 24 amam-borona kosa dia atao hoe "Alahamady" ny karazana tsara soratra, toy ny akanga, ny omby mena tokam-bolo, 25 ary indrindra ny omby volavita. Ny akanga dia vorona tonga soratra, hampitahana ny hevitra samy hafa fiseho; 26 ny omby mena tokam-bolo dia natao hoe "omby malaza", hampahalaza ny fanjakana; ary ny omby volavita kosa 27 hahavitana ny fanjakana. Ny omby volavita dia omby mena ihany, saingy misy sada fotsy eo amin' ny 28 tampon-kandriny, sorony, trafony, tongokeliny sy tongobeny, tehezany sy nongom-bodiny, ary ny rambony dia 29 fotsy sasaka. Omby vitsy ihany no mety ho tena toy izany; ka rehefa tonga ny fotoana izay itadiavan' ny mpanjaka 30 omby volavita, dia mandefa iraka eran' ny tany izy hanangona izay omby hifidianana ny tena "volavita". 31 Izany no nahatonga ilay ohabolana hoe: "Mpiandry omby volavita, tsy tompony fa mpamerin-doha". 32 Ny vintana Alahamady dia mifandratra amin' ny Adimizana; fa ny mitanila eo amin' ny Asombola sy Alakarabo 33 no iandrianany sy iarenany. 34 Nisy koa fanao maintimolaly fahiny: rehefa tazana ny volana, nony efa vita ny Fandroana, izay natao tamin' ny 35 Alahamady, dia mitora-bolana ny olona rehetra. Alainy ny singan-kofehy landy, dia avorimboriny, fonosiny 36 taimboraka tamin' ny namonoana ny ombim-Pandroana, ka atorany mafy tandrifin' ny volana, sady arahiny teny hoe: 37 "Ataoko voa!". Rehefa vita izany dia manonona teny faniriana izy hoe: "Ho tratry ny Alahamady mitsingeringerina 38 anie aho, fa efa nitoraka anao!". Naman' ny ala faditra ihany koa angaha izany noho ny fiheverany ny Alahamady ho 39 "andro mahery". 40 Misy fitenenana momba ny Alahamady: "Boka mitoraka volana Alahamady: tsy mitady ny ho arivo tratry ny taona, 41 fa izay hahamando ny tratra ihany. Voazava eo ambony ny atao hoe: "mitoraka Alahamady". Ny hany fanirian' ny boka 42 mijaly dia ny mba ho voky hena amin' ny fandroana ihany, fa tsy mba maniry izay ho ela velona izy tsy akory. -- 43 "Boka niteraka Alahamady ka hitan' Andriamanitra ny tarehiny" (ny tarehin' ny zaza). Volana mahatsara vintana 44 ny Alahamady, sady taom-baovao; ka fahasoavan-dehibe azo avy amin' Andriamanitra ity zanaka ity dia mba 45 harovany tsy hiova amin' izao endriny izao anie izy! [1.10] 46
184 Anaran' ny volana voalohany amin' ny filaharan' ny volana malagasy merina alohan' ny Adaoro, ka ny toerana nomena azy ao an-trano dia eo amin' ny zorony avaratra atsinanana, izay antsoina koa hoe zorofirarazana 185 Fanandroana: Natao ho andron' Andriana ny Alahamady, ary noheverina ho vintan' andro maha-mpanjaka; ny vintan' Alahamady kosa, araka ny fanandroana dia toy izao: 186
187 188 |
|||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Explications en anglais |
189 the name of the first month in the Malagasy year, when the festival of the fandroana is observed. [Ar. Al-hamalu - Aries.]
[1.2] |
| Exemples |
190 Ary nony tamy ny andro Alahady 14 Martsa 1897 12 alahamady:
[2.59]
191 Ny tsinan'ny alahamady no andro voalohany tamin'ny Taonan'ny Ntaolo. [2.508#343] 192 Fa izaho mbola hiandry ny andro Zoma, izay vintan' alahamady tsy mahafoy Mpanjaka. [2.69#0] |
| Vocabulaire | 193 Temps 194 Croyances |
| Hypéronyme |
|
| Co-hyponymes |
|
| Proverbes | 270 Proverbes contenant ce mot |
| Citations | 271 Textes citant ce mot |
| Tableaux et planches |
272 Mesure du temps |
| Mis à jour le 2025/11/20 |
|