|
|
|
|

Entrée (1/2)1  alahasaty
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3 laharana fahadimy amin' ny volana malagasy izany. Zana-bintana trotroin' ny Asorotany izy; ary eo
4 am-pitotoam-bary (atsinananan' ny andry atsimo) no anjara toerany. Ny anarany dia nalaina avy tamin' ny
5 antokon' ny kintana ataon' ny Arabo hoe El-asad (Lion, Liona).
6 Andro mainty ny Alahasaty, ary vinta-mpamosavy sy andron' ody; ka ny zaza teraka vava-Alahasaty,
7 indrindra fa raha amin' ny misasakalina, dia atahorana ho tonga mpamosavy mpivoaka alina, na ho mpitana
8 ody mahery. Koa dia tsy maintsy nalàm-bintana ny zaza toy izany. Ny odifoana (karazan' ahitra)
9 no fanalam-paditra ny vintana Alahasaty, mba hahafoana izay ratsy, hahafoana izay tsy soa!
10 Ny mosavinkena koa no faditra Alahasaty, mba ho lasan' iny ny mosavy rehetra!
11 Ary rehefa afa-paditra ny zaza dia ampiambozonina volakizo (masombola tsy tapaka) sy vakamainty,
12 atao hoe tsiambohitrinimanana sy maizinkitro, ary dia asaina miompy akoho mainty.
13 Tsy mba fanaovan-javatra ny vava-Alahasaty, afa-tsy ny fanandratana ody ihany; koanefa ny vodi-Alahasaty
14 dia tsara ho fanantaran-javatra sy fampakarambady, fa vintan' ny maintimolaly io.
15 Ny vintana Alahasaty dia mifandratra amin' ny Adalo, fa miarina kosa eo amin' ny Adijady. [1.10]
16 
17 
18 
49 
111 
142 
143  [3.1]
144 volana aogositra (volana faha-5) [Taimoro] [1.78]
145 Anaran' ny volana fahadimy amin' ny volana malagasy merina, aorian' ny Asorotany ary alohan' ny Asombola, ka ny toerana omena azy ao an-trano dia amin' ny lafin-drindrina atsimo, ilany atsinanana
146 Fanandroana: Vinta-mpamosavy ny Alahasaty; vavany: raha tsy mpamosavy ny teraka misasakalina dia mpitana ody mahery; vodiny: tsara kosa, tratra antitra, ho maintimolaly [1.1]
Explications en anglais  147 the name of the fifth month of the Malagasy year. [Al. Al-asadu - Leo major.] [1.2]
Explications en français  148 nom d'un destin [1.3#20]
Exemples  149  Ny Adalo, ny alahasaty no mifandratra aminy. [2.857]
150  Tamy ny andro Alarobia 16 alahasaty 4 Janoary 1882. [2.59#89]
Vocabulaire  151  Temps 152  Croyances
Hypéronyme 
Co-hyponymes 
Proverbes  228  Proverbes contenant ce mot
Tableaux et planches  229  Mesure du temps

Entrée (2/2)230  alahasaty
Partie du discours  231  nom
Analogues  232  sikidy
Texte  233 

Mis à jour le 2025/11/20