|
|
|
|

Entrée (1/2)1  mandia
Radical  2 dia
Partie du discours  3  verbe actif
Explications en malgache  4 Manitsaka, mandeha amin' ny...: Tsy hahazo mandia ny faritanin' Antananarivo io olona io mandritra ny dimy taona
5 Mamakivaky: Mandia taon-tsarotra izao tontolo izao fa saika misy korontana hatraiza hatraiza
6 Mandrefy amin' ny tongotra: Mandia ny lavan' ny trano Rabe
7 Mihatra: Mandia ny voalazako omaly fa indro tokoa àry famisy rivo-doza, hono, mananontanona ny morontsiraka atsinanana
8 Mivaly: Mandia ny fikelezanao aina fa afaka soa aman-tsara ianao
9 Mifanojo: Mandia ny hevitro lahy ny hevitrao!
10 Tanteraka, mifanaraka amin' ny...: Salama daholo ny mponina ao Mangarivotra, mandia tokoa lahy ny anaran' io tanàna io
11 Teny misy ifandraisany amin' ny Mandia: manitsaka,
12 mandeha, mizotra, mivikiviky, mijaingijaingy,
13 mijongijongy, mamikavika dia, mamilafila,
14 mamindrafindra, manevika, mananika,
15 miakatra, miorika, midina,
16 mivalana, manao hitsin-dalana, manao toratady,
17 manao dian' omby jamba, manara-drenirano, miraparapa,
18 miparapaingo, mivarina an-kady, mifatratra an-kady,
19 mianjera an-tevana, manao rebik' ondry, manao raban-tsahona,
20 manao fitandririnina, mijaikojaiko, mitsaitsaika,
21 mirodorodo, migodongodona, manao findrari-tsokina,
22 manao dia mianotra, mihemotra, miantsorona,
23 miantsoro-mianotra, mihazo, momba,
24 mandalo, manapaka, manitsy,
25 mamakivaky, manavatsava, mikatsakatsaka,
26 manivaka, mivily, misondrovaka,
27 mody mandry, mitampody, manao tampody fohy,
28 manao lavalina, mandry an-dalana, manorin-day,
29 manorindasy, miantsona, miondrana,
30 mita, miampita, midika, mitody [1.1]
Explications en anglais  31 to tread, to step; to measure with the foot, to fall in with one's plans, to coincide with, to follow, to hit on the same idea, to correspond [1.2]
32 to tread on; to go on a way [1.7]
Explications en français  33 Mesurer par pieds
34 Entrer dans, parcourir
35 fig. Etre payé de retour, se réaliser, s'accomplir, correspondre, coïncider: Vokatra ny varinareo ka mandia tokoa ny fikelezanareo aina (Vous avez une belle récolte de riz et votre travail est payé de retour) ~ Mandia ny voalazako omaly fa tonga hianao (Ce que j'ai dit hier se réalise car vous arrivez) ~ Mandia tokoa ny anarany (Le sens de son nom s'est réalisé tout-à-fait) ~ Mandia ny hevitro ny anao (Votre idée coïncide avec la mienne) [1.3]
36 parcourir, marcher sur [1.8]
Exemples  37  Tsy tongotro mandia alanana. [2.69#]
38  Tsy maintsy mandia ny tanin-drazako ialahy leiroa. [2.470]
39  Tsy tongotro mandia alanana, tsy tanako mandray joria; [1.406#]
Morphologie 
40  Présent :
41  Passé :
42  Futur :
43  Impératif :
Tous les mots composés  44  12 combinaisons de ce mot

Entrée (2/2)45  mandia
Partie du discours  46  verbe actif
Explications en malgache  47 manitsaka, manjo [Bara] [1.78]

Anagrammes  48 madañy, 49 madina, 50 manady, mañady, 51 manday, 52 mandia, 53 manida

Mis à jour le 2025/11/13