Entrée la
Partie du discours   nom
Définition malgache   Fototeny milaza tsi-fanekena, fanoherana, fikirizana, tsy hanaiky, tsy hanao. (Rahefa asiana tovona hakambana aminy izy dia miova ho D ny L voalohany, araka ny efa voazava etsy ambony amin'ny hoe L = D). -- Indreto ny teny niaviany: Soehily la (tsy, tsia); Mag. enda (tsia), menda (mandà); Tir. enda (tsia); Maley enggan (mandà).
¶ Ny tovona voa sy tafa dia tsy mety aminy; tsy fanao ny hoe voalà sy tafalà na dia hita ao amin'ny diksionera sasany aza izany. Tovona: man, maha, mampan, mifan, mampifan, fan, mpan. [Ravelojaona 1937]
   Fandavana [Antesaka] [Rakotosaona 1972]
   Mandà, miodina [Bara] [Rakotosaona 1972]
   Tsy fetezana hanao, tohitra [Rajemisa 1985]
Traduction anglaise   Root of the following [compare to Swahili la, meaning no]: voala, lavina, mandà, mandandà, mafy la [Richardson 1885]
Traduction française   Refus, reniement, renoncement, rejet, négation [Abinal 1888]
   Refus [Rajaonarimanana 1995]
   Qu'on refuse, qu'on nie, qu'on rejette [Hallanger 1974]
   Action de nier, de refuser [Rajaonarimanana 1996]
Traduction italienne   Rigettare. Nandà ny zanany ma [...]
¶ Rifiutare. Nanda ny fanomezana ny ol [...]
¶ Negare. Manda ny marina ianao: t [...] [texte complet dans Profita 1969]
Dérivés  
Composés  
Proverbes  

Entrée la
Partie du discours   conjonction [liste]
Traduction française   Si [Tanala] [Beaujard 1998]

Entrée la
Partie du discours   article [liste]
Définition malgache   Teny tanindrana mitovy amin'ny merina hoe DA na DIA. Ohatra: la tsara! : tsara! da tsara! : tsara dia tsara! la maro eke! : dia marobe re izy izany! [Ravelojaona 1937]
   Teny tanindrana mitovy amin'ny merina hoe EFA. Ohatra: La maty va? : efa maty va? La tonga omale ia : efa tonga omaly izy. [Ravelojaona 1937]

Entrée la-
Partie du discours   préfixe [Mots avec la-]
Définition malgache   Ny mpanondro anaram-bavy tokana amin'ny teny frantsay hoe LA no nakambany Malagasy amin'ny anarana tondroiny nony nogasiny ilay teny frantsay, toy ny hoe: latabatra (la table), lasoa (la soie), lasopy (la soupe), lapoely (la poêle), labiera (la bière), labozia (la bougie), ets. ets. [Ravelojaona 1937]

Entrée la
Partie du discours   adjectif
Définition malgache   Tonta (fiasana), mihintsana (volo) [Antesaka] [Rakotosaona 1972]

Entrée
Partie du discours   adverbe
Traduction malgache   Ao, etsy, eroa erý, izany, izay. Mettez là ce livre: apetraho ao (etsy, eroa) ity boky ity. Il était là tout à l'heure: vao haingana izy no tao. De là au village il y a deux cents pas: hatrao ka hatramy ny tanàna dia misy roan-jato mandingina. [Malzac 1926]
Définition française   any, tany, ho any: là, à une certaine distance, pas visible
¶ àny ho àny: quelque part là-bas; bientôt. [Hallanger 1974]
   ao, tao, ho ao: là (pas visible) [Hallanger 1974]
   eroa, teroa, ho eroa: là bien loin, visible [Hallanger 1974]
   indry: voilà! là! [Hallanger 1974]
   injao: là! (tout près) [Hallanger 1974]

Entrée
Partie du discours   adverbe
   eo (a vista); ao (non a vista); ary (lontano) [Profita 1969]

Entrée la
Partie du discours   article
   ny [Profita 1969]

Entrée la
Partie du discours   nom (symbole)
Traduction malgache   Ny feo fahenina amin' ireo ambaratongam- [...] [texte complet dans Rajemisa 1985]
   Laharana faha-6 avy ambany amin-ireo litera renisoratra valo natao solom-peo amin'ny solfa, dia ireto izany (atomboka avy ambany): DO, RE, MI, FA, SOL, LA, SI, DO. [Ravelojaona 1937]
Vocabulaire  
Illustrations  

Entrée La
Partie du discours   nom (symbole)
Traduction malgache   Singa mivaingana, faha-57 amin'ny firaketan'i Mendeleiev. [3.1]
Traduction anglaise   Lanthanum. [3.1]
Traduction française   Lanthane. [3.1]
Vocabulaire  

Entrée LA
Partie du discours   nom (symbole)
Traduction malgache   Fanafohezan-tenin' i Los Angeles (adika hoe ny anjely rehetra): tanàna lehibe ao amin'ny faritanin'i Etazonia. [3.1]
   Fanafohezan-tenin' i Louisiana: fanjakana amin'ny ireto fanjakana dimam-polo ireto ao amin'ny faritanin'i Etazonia. [3.1]
Vocabulaire  
Illustrations  

Mis à jour le 2010/08/31
Formulaire pour nous envoyer des commentaires