| Index | 
 | ||||||||||||||||||||
| Proverbes : mitranga | |||||||||||||||||||||
| Proverbe 1 | Fandiorano ratsy, ka miseho tsy valahara, milentika tsy vaky atatra. [2.415 #3002] Fandiorano ratsy, ka mitranga tsy menatra, misitrika tsy valahara. [2.415 #3002] Toy ny fandiorano ny ratsy: koa miseho, tsy menatra olona; misitrika, tsy valahara. [2.165] Toy ny fandiorano ny ratsy : miseho tsy vaky afero, misitrika tsy valahara. [2.558 #4276] Toy ny fandiorano ratsy : koa miseho, tsy menatra olona; misitrika, tsy valahara. [2.653] | ||||||||||||||||||||
| Traduction française | Le méchant est comme le gyrin: quand il se montre, il n' a pas honte; et quand il disparaît, il ne rougit pas.  [2.165] Vilain gyrin nageur : il se montre impudemment, il plonge effrontément. [2.415 #3002] | ||||||||||||||||||||
| Interprétation française | Se disait des gens qui ne savent pas rougir. [2.415 #3002] | ||||||||||||||||||||
| Proverbe 2 | Hosy be rano : izay mitranga loha voasolatra. [2.558 #96] | ||||||||||||||||||||
| Proverbe 3 | Lolompon-kovalahy, tsy miseho tsy ratsy tany. [2.165 #295] Lolompon-kovalahy : tsy miseho tsy tany ratsy. [2.415 #6400] Lolompon-kovalahy, tsy mitranga tsy ratsy tany. [2.558 #135] | ||||||||||||||||||||
| Traduction française | La rancune d' un Hova: elle ne se montre que quand les temps sont mauvais.  [2.165] Rancune d' un Hova : elle ne paraît que dans les temps mauvais. [2.415 #6400] | ||||||||||||||||||||
| Interprétation française | C' est-à-dire lorsque la vengeance est facile.  [2.415 #6400] Il est plus facile alors de se venger. [2.165] | ||||||||||||||||||||
| Proverbe 4 | Manao filohan' | ||||||||||||||||||||
| Proverbe 5 | Mitranga matetika, hoatry ny fifandiran' ny mpivady.  [2.415 #1303] Mitranga matetika ohatra ny fifandiran' ny mpivady. [2.165] | ||||||||||||||||||||
| Traduction française | Qui se produit souvent, comme les disputes entre époux.  [2.415 #1303] Qui se produit souvent, comme les querelles, disputes) entre époux. [2.165] | ||||||||||||||||||||
| Proverbe 6 | Mitranga mihemotra toa lelon-jaza. [1.1 #735] | ||||||||||||||||||||
| Interprétation malgache | Enti-milaza ny olona miovaova hevitra ka mbetika marisika hanao zavatra iray, mbetika indray tapa-kevitra tsy hanao. [1.1 #735] | ||||||||||||||||||||
| Proverbe 7 | Tsy misy mateza milevina hoatry ny voalavo ; fa raha mitranga izy, dia hanin' ny saka.  [2.415 #6258] Tsy misy mateza milevina ohatra ny voalavo; fa raha mitranga izy, dia hanin' ny saka. [2.165] Tsy misy mateza milevina ohatra ny voalavo, fa raha mitranga lanin' ny saka. [2.558] | ||||||||||||||||||||
| Traduction française | Aucun animal ne reste aussi longtemps enterré qu' un rat, mais quand il sort de son trou, il est pourtant mangé par le chat.  [2.165] Il n' y a pas d' animal qui reste enterré comme un rat, mais lorsqu' il sort de son trou, il est mangé par le chat. [2.415 #6258] | ||||||||||||||||||||
| Index | 
 | ||||||||||||||||||||
|   |