|
|
|
|

Entrée1  adizaoza
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3 
4 fahatelo amin' ny filaharan' ny volana malagasy. Ny anarany dia nalaina avy tamin' ny anaran' ny antokon-kintana
5 izay ataon' ny Arabo hoe El-djoûza (Gémaux). Zana-bintana eo avaratry ny Asorotany izy, ary eo
6 atsimon' ny Adaoro. Eo amin' ny Adizaoza no fitoeran' ny sinibe ao an-trano.
7 Ny Alakaosy no tonom-bintana mifandratra amin' ny Adizaoza, na dia zana-bintana baben' ny Asorotany aza izy,
8 indrindra ange fa ny vava-Adizaoza. Ny zaza teraka amin' izany, raha tsy alàm-bintana, dia hanjary miozanozana
9 sy sahazanina tsy mba mahatontosa izay zavatra ataony, hany ka ho mahantra fadiranovana no hiafarany.
10 Ny fanalana ny vintana Adizaoza dia ny sahozanina (valala voatango), tsy afa-mandady, tsy afa-mitsipika,
11 fa miozanozana foana eo am-pitoerany eo, dia manahaka ny sinibe tsy mba mihetsiketsika izany, fa
12 migobogoboka fotsiny rehefa voadona.
13 Ny vodi-Adizaoza dia azoazo kokoa noho ny vavany: ny vehivavy teraka amin' izany dia ho tsy maro anaka,
14 na dia malahelon-karena aza: fa ny lehilahy kosa no tsy dia mba hambinina loatra amin' ny fihariana.
15 Rahefa tsaratsara fototra kosa anefa ny olona, toy ny efa manana andevo an-trano, na efa mitahiry vola
16 an-kitapo, ka ta-hanao zavatra tian-kateza, dia ny Adizaoza -- indrindra fa vodi-Adizaoza -- no andro tsara
17 ho fanaovana sy fisantarana izany. Koa izay mikasa hampaka-bady, na hanorin-trano, na haka vohitra, ets.,
18 ary sendra mifandratra amin' ny vintany ireo andro tsara voalaza ho fanaovana izany, dia ny tonon' andro
19 Adizaoza no fidiny, fa eo no marin-toerana sy tsy mihetsiketsika tahaka ny sinibe, ka dia hateza
20 tokoa ny zavatra atao amin' izany. [1.10]
21 
22 
23 
24 
60 
122 
158 
159  [3.1]
160 Anaran' ny volana fahatelo amin' ny filaharan' ny ran' ny volana malagasy merina, aorian' ny Adaoro ary alohan' ny Asorotany, ka ny toerana nomen' ny Ntaolo azy dia eo amin' ny lafin-drindrina atsinanana, ilany atsimo. Isan' ny tononandro mahery indrindra ny Adizaoza, ka ny zaza teraka amin' izany raha tsy alam-bintana dia mihozangozana
161 Fanandroana: vavany, vodiny: raha vehivavy, maro anaka, fa malahelon-karena; raha lehilahy, malahelo [1.1]
Explications en anglais  162 the name of the third month of the Malagasy year. [Ar. Al-dsehauza'n -- Gemini.] [1.2]
Explications en français  163 Nom de la troisième lune et du troisième mois de l'année malgache [1.3]
Exemples  164  Ary nony Alakamisy 27 adizaoza, 30 July 1891. [2.59]
Vocabulaire  165  Temps 166  Croyances
Hypéronyme 
Co-hyponymes 
Tableaux et planches  242  Mesure du temps

Mis à jour le 2025/11/13