| Entrée (1/2) | 1 alohotsy |
| Partie du discours | 2 nom |
| Explications en malgache |
3 laharana faha-12 amin' ny volana malagasy izany, ary zana-bintana baben' ny Alahamady. Ny anarany dia nalaina avy
4 tamin' ny antokon-kintana, izay ataon' ny Arabo El-hoût (Poissons, Hazandrano). 5 Amin' ny lafin-drindrina avaratra avy eo atsinanana ny andry no anjara-toerany. Eo no fametrahana ny lovia aman-tsotro; 6 noho izany no anaovana ny tonon' andro Alohotsy ho andro maivana, tsy mba mahamarim-ponenana. 7 Raha hanorin-trano sy hampaka-bady dia tsara ihany ny Alohotsy, satria andro maivana tsy mahafarofy; kanefa tsy maintsy 8 isoronana vato velona (vatokaranana) sy harahara, na famaho (samy karazan-kazo mafy ireo); izay alevina 9 eo atsinanan' ny andry avaratra (Alohotsy), mba ho mafy tsy hifindrafindra fonenana na hihetsiketsika. 10 Ny volana Alohotsy dia zanaka miandra ny reniny (Alahamady), ka dia atao hoe volam-padina. 11 Amin' ny andro ahatsinanan' ny volana sy ny ampitson' io (vava-Alohotsy sy vodi-Alohotsy) dia tsy misy 12 manao taozavatra na inona na inona. Ao anatin' ny volana Alohotsy manontolo dia tandremana mafy mba tsy 13 hokasihin-java-maranitra ny ankizimadinika, sao maratra amin' ny volam-padina, ka tsy mety sitrana; 14 koa mandritra izany iray volana izany dia tsy hetezana ny volon' ny ankizy, ary tsy alana ny hohony. 15 Raha sendra misy maratra tsi-fidiny ao anatin' ny volana Alohotsy, dia hosorana ranon-ivin-aketalahy 16 (valala) ny vava-fery fa izany natao ho faditra sy fanafody hany mahasitrana azy. 17 Tsy misy faty azo aseho ao anatin' ny Alohotsy volam-padina, satria efa miandrandra ny Asaramanitra amin' izany; 18 koa izay maty ao anatin' io volana io dia alevina mangingina tsy otronin' olo-maro. 19 Ny vintana Alohotsy dia mifandratra amin' ny Asombola fa miarina eo amin' ny Adimizana. 20 Araka ny fanazavana natao tary aloha dia ny tonon' andro mifampisompirana eo amin' ny anjara-toerany avy, 21 eo amin' ny lafin-drindrina efatra, no atao hoe mifandratra. 22 Ny mahatonga ny fiheverana izany dia avy amin' ny volana miratra. Ny andro rehetra anatin' ny volana iray 23 mantsy dia zarazaraina ho tonon' andro (jours astrologiques) samy hafa; ka ny reni-vintana efatra dia samy mitondro 24 tonon' andro telo avy, izay atao hoe vavany sy vontony ary vodiny; ny zana-bintana kosa dia samy mitondra roa avy, 25 izay atao hoe vavany sy vodiny. Koa ny tonon' andro amin' ny ahatsinanan' ny Alohotsy dia atao hoe 26 vava-Alohotsy, ary ny ampitson' io dia vodi-Alahotsy; ny andro faha-3, 4, 5 dia vava-Alahamady sy 27 vonto-Alahamady ary vodi-Alahamady; ny faha-6,7 dia vava-Adaora sy vodi-Adaoro; ny faha-8, 9 dia 28 vava-Adizaoza sy vodi-Adizaoza; ny faha-10, 11, 12 dia vava-Asorotany sy vonto-Asorotany ary vodi-Asorotany; 29 ary ny faha-13, 14 dia vava-Alahasaty sy vodi-Alahasaty. Eo no feno-manana ny volana; fa rahefa mandray ny 30 vava-Asombola dia miantomboka miratra ny volana Alohotsy, ka atao mifandratra amin' ny vintana Alohotsy izany. 31 Azo fantarina toy izany, avy amin' ny tonon' andro tsirairay ao anatin' ny volana iray, izay mifandratra amin' ilay 32 vintana, araka ny volana hitsahina. 33 Ny faditra analana ny vintana Alohotsy dia akofam-bary, ny tany mitoetra ila-hoho (mivava efa hirodana), 34 ny tsy mahatohan-tena (kifafa). Ary ny sorona fitadiavana ny soa amin' ny vintana Alohotsy kosa dia ny harentsimaty, 35 ny lambotsimarofy (samy karazam-bakana ireo), ary ny fatotraharahara (fantaka). [1.10] 36 37
175 Anaran' ny volana faharoa ambin' ny folo amin' ny filaharan' ny volana malagasy merina, manarakaraka ny Adalo ary mialoha ny Alahamady, izay miverina indray. Ny toerana nomen' ny Ntaolo ny alohotsy dia eo amin' ny lafin-drindrina avaratra, ilany atsinanana 176 Fanandroana: vavany: tsy marimponenana, mifindrafindra; vodiny: maivana tsy farofy, tsara ihany na dia hotsohotso izay aza [1.1] |
|||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||||
| Explications en anglais |
177 the name of the twelfth month in the Malagasy year. Called also volam-padina. It used to be considered an unlucky month, when diseases were supposed to be more frequent, and wounds incurable. During this month the sakalava do not change their residence; they abstain from all rough work in which they might be hurt; and when the moon is full, chiefs retire to their houses and give up all business. During the last five days of the month the Hova formerly avoided shedding blood of any kind. [Ar. al-hutu - Pisces.]
[1.2] |
| Exemples |
178 Ary nony tamy ny andro Alahady 4 alohotsy 1857.
[2.59]
|
| Vocabulaire | 179 Temps 180 Croyances |
| Hypéronyme |
|
| Co-hyponymes |
|
| Tous les mots composés | 256 manao vintana alohotsy |
| Proverbes | 257 Proverbes contenant ce mot |
| Tableaux et planches |
258 Mesure du temps |
| Entrée (2/2) | 259 alohotsy |
| Partie du discours | 260 nom |
| Analogues | 261 sikidy |
| Texte |
262 [CR]
|
| Mis à jour le 2025/11/13 |
|