Index

Proverbes : laitra

Proverbe 1Akondro masak’ am-bata : samy mamonjy izay laitry nifiny. [1.147 #A31]

Proverbe 2Mahazaka telo olana tsy laitra tapahina. [2.974 #413]
Ny mahazaka telo olana saro-tapahina. [2.558 #3092]
Ny mahazaka telo olana tsy laitra tapahina. [2.415 #6242, 2.653 #2312]
Traduction française"Funiculus triplex difficile rumpitur", Eccles. 4, 12. [2.974 #413]
Une grosse corde composée de trois petites cordes tordues ensemble ne se rompt pas. [2.415 #6242]
Interprétation françaiseProverbe analogue au français : un triple lien ne rompt pas ; l' union fait la force. [2.415 #6242]

Proverbe 3Mamy ny homana, fy ny mitsako, fa ny maimbo rezatra no tsy laitra. [2.415 #2717]
Traduction françaiseIl est doux de manger, il est agréable de mâcher, mais avoir une mauvaise haleine parce qu' on a trop mangé n' est pas supportable. [2.415 #2717]
Interprétation françaiseOn aime à faire ce qu' on veut, mais le déshonneur qui vient à la suite est amer. [2.415 #2717]

Proverbe 4Ny anaovana lalan-driaka raha main' andro, ny fahavaratra no tsy toha ; ary ny amonoan-tena andavanandro, ny andro iray no tsy laitra. [2.415 #3133]
Traduction françaiseSi pendant la saison sèche on fait des travaux pour l' écoulement des eaux, c'est qu' il faut se garantir de la saison des pluies ; si on se tue de travail chaque jour, c'est qu' il y aura des jours de dépenses ou de disette. [2.415 #3133]
Interprétation françaiseIl faut être prévoyant. [2.415 #3133]

Proverbe 5Ny avonavona toy ny an' entan' anivona : ny vesany leo ihany, fa ny enjinenjiny no tsy laitra. [2.558 #2912]
Ny avonavona toy ny entana anivona : ny vesany leo ihany, fa ny enjinenjiny no tsy toha. [2.653]
Ny avonavona toy ny entan' anivona: ny vesany leo ihany, fa ny enjinenjiny no tsy toha. [1.1]
Interprétation malgache(maivana ny anivona ka ahazakana be na atao anentana lolohavina na lanjaina, saingy manonjanonja kosa ka mahasosotra): tsy mampaninona loatra ny fanambonian-tenan' ny mpiavonavona, fa ny fahitana ny fihetsiny miedinedina no mahaletra. [1.1]

Proverbe 6Tsy misy mafy tsy ho laitry ny zoto. [2.165]
Tsy misy mafy tsy laitran' ny zoto. [2.558, 1.1]
Tsy misy mafy tsy laitry ny zoto. [2.653 #3524, 2.974 #37]
Interprétation malgacheMora sy efa izay zavatra atao amin-joto, na dia izay sarotra indrindra aza. [1.1]
Tsy misy zava-tsarotra tsy vita rehefa misy ny faharisihaha sy ny herimpo. [1.1]
Traduction françaiseA cœur vaillant, rien d’impossible. [2.974 #37]
Avec de l' activité on vient à bout de tout. [2.165]

Proverbe 7Tsy misy mangidy hoatry ny sakay, hono, fa raha atao teny ierana dia mafanafana. [2.415]
Tsy misy mangidy hoatry ny sakay, hono, fa raha atao teny ierana dia mamy. [2.415]
Tsy misy mangidy noho ny sakay, fa raha teny ierana dia hanina. [2.165 #265]
Tsy misy mangidy ohatra ny sakay fa rehefa teny ierana laitra ihany. [1.1]
Tsy misy mangidy ohatra ny sakay fa rehefa teny ierana lany ihany. [1.1]
Tsy misy mangidy toy ny sakay; fa raha teny ierana, mafanafana. [2.653 #3533]
Tsy misy mangidy toy ny sakay fa rehefa teny ierana mamy. [1.1]
Interprétation malgacheEnti-milaza fa rehefa sitraka sy nifanarahana, dia maniary mora na dia sarotra sy manahirana aza. [1.1]
Na inona na inona hasarotan-javatra eo amin' ny fifampiraharahana, rehefa ifanarahana vita ihany. [1.1]
Na inona na inona zava-tsarotra, rehefa ifanarahana tonga mora. [1.1]
Traduction françaiseRien n' est plus cuisant que le piment, mais quand il y a union et entente, c' est doux à manger. [2.415 #4842]
Rien n' est plus piquant que le piment, mais si l' on s' accorde pour cela, on le mange quand même. [2.165 #265]
Interprétation françaiseLes peines sont adoucies en famille. [2.415 #4842]

Proverbe 8Voalavo manaiki-by, ka ny tsy laitra hanina no hanihaniny. [2.415 #2125]
Voalavo manaiki-by ka ny tsy laitran' ny nify no vazivazina. [1.1]
Voalavo manaiki--by ka ny tsy laitry ny nify no hanihanina. [1.3 #843]
Voalavo manaiki--by, ka ny tsy laitry ny nify no vazivazina. [2.415 #6333]
Voalavo nanaiki--by : ny tsy laitry ny nify avy no inanina. [2.558 #4977]
Voalavo nanaiki-by: ny tsy laitry ny nify avy no mba hanihanina. [2.653 #3695, 2.974]
Interprétation malgacheEnti-milaza ireo manandranandram-poana ka ny tsy azo atao no naikanaikana. [1.1]
Traduction françaiseCelui qui tente l' impossible est comme le rat qui veut ronger le fer et s' attaque à plus fort que lui. [2.415 #6333]
Rat qui ronge du fer : pourquoi s’attaquer à plus fort que ses dents ? [2.974 #291]
Tenter l' impossible, c' est faire comme le rat qui mord du fer : il veut manger ce qui ne peut pas être mangé. [2.415 #2125]
Interprétation françaiseSe disait de ceux qui voulaient l'impossible. [2.415 #2125]

Index