Entrée doka
Partie du discours nom
Définition malgache Fanindrahindrana olona amin' ny fiderana azy; robo, fiderana olona, izay kendrena hamalifaliana azy, indraindray omban' ny fanantenana hahazo soa avy aminy: Tia doka loatra io mpitondra io ka manjary fatra-pisolelaka ny olona entiny. [Rajemisa 1985]
Définition anglaise praise, flattery [Hallanger 1973]
Définition française flatterie [Hallanger 1974, Rajaonarimanana 1995]
 adulation [Hallanger 1974]
 vanterie [Rajaonarimanana 1995]
Exemples 
1hianao tsy lany doka, izaho tsy lany rehaka; [Dahle: Angano, page 230]
2Nisy marina koa mantsy ny tenin' izy ireo fa tsy doka fotsiny akory. [Randriamiadanarivo: Sikajy, page 22]
Dérivations 
Citations 
Analogie  dokam-barotra ~ mitady doka ~ tia doka

Entrée doka
Partie du discours nom
Définition malgache Karazan-javamaneno miendrika tehina vita amin' ny volotsangana, saingy olona iray ihany no mitondra azy, dia ny lehilahy mpitarika ny dihy amin' ny lanonan-dehibe toy ny famadihana; atontona anin' ny tany lzy mba hidoboka ary asiana korintsana eo an-tendrony [Rajemisa 1985]
Vocabulaire 

Entrée doka
Partie du discours adjectif
Définition malgache  [Taimoro] irery, tsy manao inona [Rakotosaona 1972]
Synonymes doko

Entrée doka
Partie du discours nom
Définition malgache Fandoahana na fandavahana vato iray mba hahazoana manapoaka azy. [Rajemisa 1985]
Dérivations 

Entrée doka
Partie du discours nom
Définition française  [Tankarana] sorte de bambou. [David 1952 (takila D)]

2017/04/02