Proverbes : aomby

Proverbe275 Amaraina hamono aomby , iniany miady voro-tanty . [Samson 1965 #A38]

Proverbe323 Amboa nihorok’ aomby : tsy fitiavana fa fangaronana ny atiny. [Samson 1965 #A54]

Proverbe618 Antsiñary maty aomby tokana : tonga antoetr' androny. [Houlder 1895]
Tsiniary maty aomby tokana : nody an-toetr’ androny. [Samson 1965 #T146]
Interprétation malgache Ilay mahantra (antsinahary) maty omby tokana (hany nananana): ka nody amin' ny toetrany taloha. [Houlder 1895]

Proverbe743 Atin’ aomby mibaby afo. [Samson 1965]

Proverbe1782 Dian’ aombin’ a mpirahalahy : vaky fa tsy mitriatra . [Samson 1965 #D3]

Proverbe2141 Fizahan’ aomby sima : midanàka ombam-bava ; mizaha omban-tadiny . [Samson 1965 #F32]

Proverbe2324 Havok’ aomby : anatiny tsy voan’ ny menany . [Samson 1965 #H17]

Proverbe2496 Hozatr’ aomby ny faka : izay maharirotra tompony . [Samson 1965 #H27]

Proverbe2950 Kotokely nangalatr’ aomby : ny tanany an-tady , ny masony an-droranga. [Samson 1965]

Proverbe3183 Lohan' aomby roa tsy omby vilany raika. [Samson 1965 #L43]

Proverbe3389 Malemy maditra karaha hozatr’ aomby . [Samson 1965 #M72]

Proverbe3768 Mangala aomby revo : fangola an-tanana. [Samson 1965 #M57]

Proverbe3953 Maty foana karaha aomby nangalan-doza . [Samson 1965 #M97]

Proverbe3956 Maty mahareny karaha tadinin’ aomby . [Samson 1965 #M95]

Proverbe3989 Matoy vary vondrik’ aomby : omana ny naniny. [Samson 1965 #M94]

Proverbe4186 Mihenjain-piaka karaha aomby sira. [Samson 1965 #M148]

Proverbe4378 Mitan-tadin’ aomby mandrorona : moran' ny mpizaha . [Samson 1965]

Proverbe4622 Mpanombidy mahita aomby revo : maladia kiso. [Samson 1965 #M140]
Mpanombidy nahita aomby revo : maladia kiso. [Houlder 1895]
Interprétation malgache Mpamono omby nahita omby diso ny namany: ka ento faingana ny antsy. [Houlder 1895]

Proverbe5616 Ny trebitrebiky ny rano ka re fa ny aomby nihanana tsy hita. [Samson 1965 #N14]
Ny trebitrebiky ñy rano ka reñiko, fa ñy aomby nihanañ' alina tsy hitako. [Houlder 1895]
Interprétation malgache Ny fikobakobaky ny rano dia reko, fa raha ny omby nita tamin' ny alina, tsy hitako. [Houlder 1895]

Proverbe6295 Rasa aomby ny faty : samy mandiny ny anjarany . [Samson 1965 #R41]

Proverbe6703 Tadinin’ aomby : amorisana vao maneva . [Samson 1965 #T4]

Proverbe6704 Tadinin’ aomby maty mahare. [Samson 1965 #T3]

Proverbe6705 Tadinin’ aomby : taloha nomby afara. [Samson 1965 #T5]

Proverbe6783 Takila vaky voatsidian’ aomby : vaky misaraka tsy miharo koa. [Samson 1965 #T16]

Proverbe6792 Taloha nomby afara karaha tadiñin' aomby . [Houlder 1895]
Interprétation malgache Aloha tonga aoriana toy ny sofin' omby (milaza ny fanaovana marika amin' ny sofiny). + Ny sofin' ny omby dia isan' ny tafavoaka aloha miaraka amin' ny lohany raha vao teraka ny omby ; nefa izy indray no mila fanamboarana atý aoriana rehefa tapahin' ny tompony araka izay marika tiany. Raha ampitahaina indray ny sofiny sy ny tandrony; dia ny tandrony izay vao nitsimoka taty aoriana indray no miohatra azy, fa izy tsy mitombo hoatrinona akory. Hany ka taloha tonga aoriana izy. [Houlder 1895]

Proverbe6834 Tandrok’ aomby tsy tokana . [Samson 1965 #T31]

Proverbe7229 Tolon’ aomby an-tsavoka : tsy azoazoko tsara . [Samson 1965 #T84]

Proverbe7267 Tonga tsy tonga karaha aomby nakarin-jaza . [Samson 1965 #T95]

Proverbe8365 Voronkontsy : miambi-draha tsy an-teña . [Houlder 1895]
Voronkontsy miambina aomby miambina raha tsy an-tena. [Samson 1965 #V102]
Interprétation malgache Vorompotsy: miambin-javatra tsy an' ny tena. [Houlder 1895]

Proverbe8396 Zanak’ aomby masiaka tsy matahotra an-dreniny . [Samson 1965 #Z8]

Index