Index

Proverbes : voatavo

Proverbe 1Aleo homam-boatavo mahamay sa aleo adala havana? [2.415 #1050]
Traduction françaiseLequel est préférable : manger une citrouille brûlante ou avoir des parents insensés? [2.415 #1050]
Interprétation françaiseSe disait des parents qui créaient des ennuis par leur conduite. [2.415 #1050]

Proverbe 2Banga sendra voatavo: sendra ny antonona azy. [1.1]
Interprétation malgacheFifandrifian-javatra roa araka ny nahariana azy (masa-bary maito kitoza); na olona tsy mahay sendra raharaha mora antonona azy. [1.1]

Proverbe 3Boboka asian-tsoa toa voatavo menaka. [2.558 #904]
Nahoana hianao no boboka asian-tsoa, toy ny voatavo menaka ? [2.415 #5458, 2.653]
Nahoana no boboka asian-tsoa toa voatavo menaka ? [2.558 #2668]
Traduction françaisePourquoi êtes-vous saturé et dégoûté du bien qu' on vous fait, comme la calebasse où l' on conserve la graisse ? [2.415 #5458]

Proverbe 4Boka mangala-boatavo : any an-kandemponana vao mifampiandry. [2.558 #912]
Boka nangala-boatavo: an-kandemponana no mifampiandry. [2.165 #2314]

Proverbe 5Boka nangala-boatavo: hitondra roa, tsy mahazaka; hitondra iray, mimonomonona. [2.415 #1982, 2.653 #805]
Boka nangala-boatavo : hitondra roa tsy mahazaka, hitondra tokana mimonomonona. [2.558 #932]
Traduction françaiseLépreux qui a volé des citrouilles : en porter deux, il ne peut pas ; n' en porter qu' une seule, cela le fait murmurer. [2.415 #1982]

Proverbe 6Boka nangala-boatavo ka mifampitolona samy malama. [2.558 #933]
Boka nangala-boatavo : mifampitolona samy malama. [2.653 #806, 2.415]
Boka nangala-boatavo : mitolona samy malama. [2.415]
Traduction françaiseLépreux qui a volé une citrouille : ce sont deux lisses qui luttent. [2.415 #1983]
Interprétation françaiseSe disait des luttes d'habileté entre deux rusés. [2.415 #1983]

Proverbe 7Lokanga tsy atao ka hoe lehibe ny voatavo. [1.62]
Lokanga tsy atao ka lehibe ny voatavo. [1.1]
Interprétation malgacheAsaina mitendry lokanga voatavo dia mahita fialan-tsiny tsy hanaovana ka mody manao hoe lehibe loatra ny voatavon' io lokanga io ka tsy haiko na manahirana ahy ny mitendry azy. [1.62]
Milaza ho tsy mahavita zavatra iray niangaviana azy, kanefa te hoderaina indray ka miteniteny momba ny fanaovana an' io zavatra io. [1.1]
Tsy fahaizana na tsy fetezana hanao izay asaina hatao dia mody mamoron-kevitra haniniana an' izay zavatra asaina atao. [1.62]
Tsy manao ny tena ka mahay milaza erý hoe toy izao sy toy izao. [1.1]

Proverbe 8Ombalahy fohy tandroka no ao am-pahitra, ka ny voatavo fiterena no tsy misy ipetrahany. [2.558 #3404]

Proverbe 9Rangahy niaro voatavo : ny malemy indray va no harefarefako ? [2.415 #1849, 2.653 #2746]
Traduction françaiseVieux qui soigne ses citrouilles : comment négligerait-il ce qui est mou et convient à sa bouche édentée ? [2.415 #1849]
Interprétation françaiseSe disait des gens soignant bien leurs intérêts. [2.415 #1849]

Proverbe 10Sahala amin' ny voatavo : antitra vao avadiky ny sasany. [2.415 #1854]
Voatavo, ka antitra vao avadiky ny sasany. [2.558 #4998, 2.653 #3712]
Traduction françaiseC' est comme les citrouilles : quand elles sont vieilles, on les retourne. [2.415 #1854]
Interprétation françaiseSe disait des vieillards pour lesquels on n' avait pas de respect. [2.415 #1854]

Proverbe 11Tiako tahaky ny voatavo hianao : lena hianao haniko ; maina hianao ataoko zinga ; vaky hianao, ataoko toham-baliha hotendreko eroa amoron-dalana. [2.415 #5142]
Traduction françaiseJe vous aime comme la citrouille : fraîche je vous mange, sèche je fais de vous une tasse à puiser l' eau, cassée je fais de vous un chevalet de guitare pour jouer doucement au bord des routes. [2.415 #5142]
Interprétation françaiseParoles d' amoureux. [2.415 #5142]

Proverbe 12Toy ny voatavo : tsy ny tahony marefo no jerena fa ny voany makadiry. [2.558 #4382]

Proverbe 13Voatavo an-doha voanjo : manan-doha fa tsy manam-bava. [2.415 #3630, 2.558 #4996, 2.653 #3710]
Traduction françaiseCitrouilles au-dessus d' un champ d' arachides : elles ont des têtes mais pas de bouche pour en profiter. [2.415 #3630]
Interprétation françaiseSe disait des gens qui ne savaient pas parler. [2.415 #3630]

Proverbe 14Voatavo an-doha voanjo : volavolain-tsy maroroka. [2.415 #3782, 2.558 #4997, 2.653 #3711]
Traduction françaiseCitrouilles au-dessus d' une plantation d' arachides : elles sont bien soignées, mais n' ont pas une croissance belle et rapide. [2.415 #3782]
Interprétation françaiseSe disait de ce qui ne répond pas aux soins et dépenses. [2.415 #3782]

Proverbe 15Voatavo be ravina, fa poa-taho. [2.415 #6054]
Traduction françaiseLe fanfaron est comme la citrouille qui a beaucoup de feuilles, mais dont l' intérieur est vide. [2.415 #6054]

Proverbe 16Voatavo mahamay ka tsy hanin-jaza sarotra an-kanina. [2.558 #4999]

Proverbe 17Voatavo tsy mifandraka : ny loha ananana, fa ny vava hamely tsy misy. [2.415 #1546, 2.653 #3713]
Traduction françaiseCourges qui ne sont pas ouvertes avec un ciseau : elles ont une tête mais elles n' ont pas de bouche pour frapper. [2.415 #1546]
Interprétation françaiseSe disait des enfants qui n' ont pas atteint l'âge de raison, ou qui ne savent pas parler. [2.415 #1546]

Proverbe 18Zinga vifotsy sy zinga voatavo, ka samy mibobobobo amin' izay azony avy. [2.415 #871]
Zinga vifotsy sy zinga voatavo, ka samy mibobobobo amin' ny azy. [2.415 #871]
Zinga voatavo ka samy mibobobobo amin' ny azy. [2.558 #5103]
Traduction françaiseTasses qui servent à puiser l' eau : chacune fait glouglou en se remplissant d' eau, qu' elles soient des tasses en fer ou des calebasses. [2.415 #871]
Interprétation françaiseChacun doit être content de son sort. [2.415 #871]

Index