Chapitres et versets citant Mosesy

  Exodus Fanafahana na Eksodosy Fanafahana na Eksaody L'Exode
...............
Eks 2.10 And the child grew, and she brought him unto Pharaoh' s daughter, and he became her son. And she called his name Moses: and she said, Because I drew him out of the water. Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nentiny tao amin' ny zanakavavin' i Farao izy, ka dia tonga zanany. Ary ny anarany nataony hoe Mosesy; fa hoy izy: Satria tamin' ny rano no nangalako azy. Nony efa lehibe ny zaza dia nentiny tany amin' ny zanakavavin' i Faraona, ka nataony toy ny zanany, sy nomeny anarana hoe Moizy, fa teo amin' ny rano no nanalako azy, hoy izy. Quand l' enfant eut grandi, elle le ramena à la fille de Pharaon qui le traita comme un fils et lui donna le nom de Moïse, car, disait-elle, " je l' ai tiré des eaux ".
Eks 2.11 And it came to pass in those days, when Moses was grown, that he went out unto his brethren, and looked on their burdens: and he spied an Egyptian smiting an Hebrew, one of his brethren. Ary tamin' izany andro izany, rehefa lehibe Mosesy, dia nivoaka nankany amin' ny rahalahiny izy ka nijery ny fanompoany mafy, ary nahita lehilahy Egyptiana nanavokavoka ny anankiray tamin' ny Hebreo rahalahiny. Tamin' izany andro izany efa lehibe Moizy, ka nivoaka nankany amin' ny rahalahiny; nahita ny asa mafy nataony izy, ary nisy Ejipsiana anankiray hitany nikapoka Hebrio anankiray tamin' ireo rahalahiny. Il advint, en ces jours-là, que Moïse, qui avait grandi, alla voir ses frères. Il vit les corvées auxquelles ils étaient astreints ; il vit aussi un Égyptien qui frappait un Hébreu, un de ses frères.
...............
Eks 2.14 And he said, Who made thee a prince and a judge over us? intendest thou to kill me, as thou killedst the Egyptian? And Moses feared, and said, Surely this thing is known. Fa hoy izy: Iza no nanendry an' ialahy ho mpanapaka sy mpitsara anay? Moa mikasa hamono ahy koa va ialahy, tahaka ny namonoan' ialahy ilay Egyptiana? Dia raiki-tahotra Mosesy ka nanao hoe: Hay! fantatr' olona izany! Fa hoy ny navalin-dralehilahy: Iza no nanangana an' ialahy ho lehibenay sy mpitsara anay? Sa tadiavin' ialahy hovonoina koa aho, tahaka ny namonoan' ialahy ilay Ejipsiana? Raiki-tahotra Moizy, ka hoy izy: Misy mahalala tokoa ilay zavatra. Celui-ci répondit : " Qui t' a constitué notre chef et notre juge ? Veux-tu me tuer comme tu as tué l'Égyptien ? " Moïse effrayé se dit : " Certainement l' affaire se sait. "
Eks 2.15 Now when Pharaoh heard this thing, he sought to slay Moses. But Moses fled from the face of Pharaoh, and dwelt in the land of Midian: and he sat down by a well. Ary rehefa ren' i Farao izany zavatra izany, dia nitady hamono an' i Mosesy izy. Fa Mosesy nandositra ny tavan' i Farao ka nonina tany amin' ny tany Midiana; ny nipetraka teo anilan' ny lavaka fantsakana izy. Nony ren' i Faraona ny zavatra nitranga dia notadiaviny hovonoina Moizy, saingy nandositra ny tànan' i Faraona izy, ka nankany amin' ny tany Madiana, dia nipetraka teo anilan' ny lavaka fantsakana. Pharaon entendit parler de cette affaire et chercha à tuer Moïse. Moïse s' enfuit loin de Pharaon ; il se rendit au pays de Madiân et s' assit auprès d' un puits.
...............
Eks 2.17 And the shepherds came and drove them away: but Moses stood up and helped them, and watered their flock. Ary avy kosa ny lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka azy; fa Mosesy nitsangana ka namonjy azy, dia nampisotro rano ny ondry aman' osiny. Kanjo tonga ny lehilahy mpiandry ondry ka nandroaka azy ireo. Fa nitsangana kosa Moizy niaro azy sy nampisotro rano ny biby fiompiny. Des bergers survinrent et les chassèrent. Moïse se leva, vint à leur secours et abreuva le petit bétail.
...............
Eks 2.21 And Moses was content to dwell with the man: and he gave Moses Zipporah his daughter. Ary sitrak' i Mosesy ny hitoetra tao amin-dralehilahy. Ary Zipora zananivavy dia nomeny ho vadin' i Mosesy. Ary nanaiky hitoetra tao amin-dralehilahy Moizy ka nomen' io ho vadiny Seforà zanany vavy. Moïse consentit à s'établir auprès de cet homme qui lui donna sa fille, Çippora.
Eks 2.22 And she bare him a son, and he called his name Gershom: for he said, I have been a stranger in a strange land. Dia niteraka zazalahy izy, ary ny anarany nataon-drainy hoe Gersoma; fa hoy izy: Efa vahiny atý amin' ny tanin' ny firenena hafa aho. Tera-dahy Seforà ka nataon' i Moizy hoe Gersama ny anarany, fa hoy izy: Vahiny aty an-tany hafa aho. Elle mit au monde un fils qu' il nomma Gershom car, dit-il, " je suis un immigré en terre étrangère ".
Eks 3.1 Now Moses kept the flock of Jethro his father in law, the priest of Midian: and he led the flock to the backside of the desert, and came to the mountain of God, even to Horeb. Ary Mosesy niandry ny ondry aman' osin' i Jetro rafozany, mpisorona tao Midiana, dia nitondra ny ondry aman' osy tany ankoatry ny efitra ka nankany Horeba, tendrombohitr' Andriamanitra. Ary Moizy niandry ny biby fiompin' i Jetrao, rafozany, mpisorona tao Madiana. Nentiny nankany ankoatry ny efitra ny biby, ka tonga tany amin' ny tendrombohitr' Andriamanitra, tany Horeba, izy. Moïse faisait paître le petit bétail de Jéthro, son beau-père, prêtre de Madiân ; il l' emmena par-delà le désert et parvint à la montagne de Dieu, l' Horeb.
Eks 3.2 And the angel of the Lord appeared unto him in a flame of fire out of the midst of a bush: and he looked, and, behold, the bush burned with fire, and the bush was not consumed. Ary Ilay Anjelin' i Jehovah niseho taminy teo anaty lelafo teo amin' ny roimemy anankiray; dia nijery izy, ka, indro, nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nahalevonana. Ny anjelin' ny Tompo niseho taminy, amin' ny endriky ny lelafo, teo afovoan' ny zava-maniry milobolobo. Hitan' i Moizy fa indro nirehitra avokoa ilay zava-maniry milobolobo, nefa tsy levona ilay zava-maniry milobolobo. L' Ange de Yahvé lui apparut, dans une flamme de feu, du milieu d' un buisson. Moïse regarda : le buisson était embrasé mais le buisson ne se consumait pas.
Eks 3.3 And Moses said, I will now turn aside, and see this great sight, why the bush is not burnt. Ary hoy Mosesy: Hivily kely aho ka hizaha io fahitana lehibe io, hahafantarako izay tsy ahalevonan' ny roimemy. Ka hoy Moizy: Ndeha hiolaka aho handinika io fahitana lehibe io, sy hizaha izay tsy mahalevona ny zava-maniry milobolobo. Moïse dit : " Je vais faire un détour pour voir cet étrange spectacle, et pourquoi le buisson ne se consume pas. "
Eks 3.4 And when the Lord saw that he turned aside to see, God called unto him out of the midst of the bush, and said, Moses, Moses. And he said, Here am I. Ary rehefa hitan' i Jehovah fa nivily hizaha izy, dia niantso azy tao afovoan' ny roimemy Andriamanitra ka nanao hoe: Ry Mosesy, ry Mosesy! Dia hoy izy: Inty aho. Hitan' ny Tompo fa niolaka hijery izy; dia niantso azy Andriamanitra teo afovoan' ny zava-maniry milobolobo, nanao hoe: Ry Moizy! ry Moizy! Ka hoy ny navaliny: Inty aho. Yahvé vit qu' il faisait un détour pour voir, et Dieu l' appela du milieu du buisson. " Moïse, Moïse ", dit-il, et il répondit : " Me voici. "
...............
Eks 3.6 Moreover he said, I am the God of thy father, the God of Abraham, the God of Isaac, and the God of Jacob. And Moses hid his face; for he was afraid to look upon God. Dia hoy koa Izy: Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr' i Abrahama sy Andriamanitr' Isaka ary Andriamanitr' i Jakoba. Dia nisaron-tava Mosesy, fa natahotra hijery an' Andriamanitra izy. Ary hoy koa izy: Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr' i Abrahama, Andriamanitr' Isaaka ary Andriamanitr' i Jakoba. Nosaronan' i Moizy ny tavany fa natahotra ny hijery an' Andriamanitra izy. Et il dit : " Je suis le Dieu de tes pères, le Dieu d' Abraham, le Dieu d' Isaac et le Dieu de Jacob. " Alors Moïse se voila la face, car il craignait de fixer son regard sur Dieu.
...............
Eks 3.11 And Moses said unto God, Who am I, that I should go unto Pharaoh, and that I should bring forth the children of Israel out of Egypt? Fa hoy Mosesy tamin' Andriamanitra: Iza moa aho no hankany amin' i Farao sy hitondra ny Zanak' Isiraely hivoaka avy any Egypta? Fa hoy Moizy tamin' Andriamanitra: Zinona moa aho no hankany amin' i Faraona sy hitondra ny zanak' Israely hivoaka avy any Ejipta? Moïse dit à Dieu : " Qui suis-je pour aller trouver Pharaon et faire sortir d'Égypte les Israélites ? "
...............
Eks 3.13 And Moses said unto God, Behold, when I come unto the children of Israel, and shall say unto them, The God of your fathers hath sent me unto you; and they shall say to me, What is his name? what shall I say unto them? Ary hoy Mosesy tamin' Andriamanitra: Indro, rehefa tonga any amin' ny Zanak' Isiraely aho ka manao aminy hoe: Andriamanitry ny razanareo no efa naniraka ahy ho atý aminareo, ary hanao amiko hoe kosa izy: Iza moa no anarany? dia ahoana no havaliko azy? Ary hoy Moizy tamin' Andriamanitra: Izao àry, dia ho any amin' ny zanak' Israely aho, ka hilaza aminy hoe: irahin' ny Andriamanitry ny razanareo aho ho aty aminareo. Raha manontany izay anarany izy, dia ahoana no havaliko azy ireo? Moïse dit à Dieu : " Voici, je vais trouver les Israélites et je leur dis : "Le Dieu de vos pères m' a envoyé vers vous. " Mais s' ils me disent : "Quel est son nom ?", que leur dirai-je ? "
Eks 3.14 And God said unto Moses, I Am That I Am: and he said, Thus shalt thou say unto the children of Israel, I AM hath sent me unto you. Ary hoy Andriamanitra tamin' i Mosesy: Izaho, Izay Izy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin' ny Zanak' Isiraely: Izaho Izay Izy no efa naniraka ahy ho atý aminareo. Hoy Andriamanitra tamin' i Moizy: Izaho no Ilay misy. Izany, hoy izy, no havalinao ny zanak' Israely: Ilay misy no maniraka ahy ho aty aminareo. Dieu dit à Moïse : " Je suis celui qui est. " Et il dit : " Voici ce que tu diras aux Israélites : "Je suis" m' a envoyé vers vous. "
Eks 3.15 And God said moreover unto Moses, Thus shalt thou say unto the children of Israel, the Lord God of your fathers, the God of Abraham, the God of Isaac, and the God of Jacob, hath sent me unto you: this is my name for ever, and this is my memorial unto all generations. Ary hoy koa Andriamanitra tamin' i Mosesy: Izao no holazainao amin' ny Zanak' Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr' i Abrahama sy Andriamanitr' i Isaka ary Andriamanitr' i Jakoba, no efa naniraka ahy ho atý aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin' ny taranaka fara mandimby. Dia hoy koa Andriamanitra tamin' i Moizy: Lazao amin' ny zanak' Israely hoe: Iaveh, Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr' i Abrahama, Andriamanitr' Isaaka, Andriamanitr' i Jakoba, no maniraka ahy ho aty aminareo. Fa izany no anarako mandrakizay; izany no hahatsiarovana ahy hatramin' ny taranaka fara mandimby. Dieu dit encore à Moïse : " Tu parleras ainsi aux Israélites : "Yahvé, le Dieu de vos pères, le Dieu d' Abraham, le Dieu d' Isaac et le Dieu de Jacob m' a envoyé vers vous. C' est mon nom pour toujours, c' est ainsi que l' on m' invoquera de génération en génération.
Eks 4.1 And Moses answered and said, But, behold, they will not believe me, nor hearken unto my voice: for they will say, The Lord hath not appeared unto thee. Ary namaly Mosesy ka nanao hoe: Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao Jehovah. Fa namaly Moizy ka nanao hoe: Tsy hino ahy izy ireo na hihaino ny feoko akory, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao Iaveh. Moïse reprit la parole et dit : " Et s' ils ne me croient pas et n'écoutent pas ma voix, mais me disent : Yahvé ne t' est pas apparu " ?
...............
Eks 4.3 And he said, Cast it on the ground. And he cast it on the ground, and it became a serpent; and Moses fled from before it. Ary hoy Izy: Atsipazo amin' ny tany iny. Dia natsipiny tamin' ny tany ka tonga menarana, dia nandositra azy Mosesy. Ary hoy Iaveh: Atsipazo amin' ny tany iny. Dia natsipiny tamin' ny tany, ka nanjary bibilava; ka vaky nandositra azy Moizy. Jette-le à terre ", lui dit Yahvé. Moïse le jeta à terre, le bâton se changea en serpent et Moïse fuit devant lui.
Eks 4.4 And the Lord said unto Moses, Put forth thine hand, and take it by the tail. And he put forth his hand, and caught it, and it became a rod in his hand: Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Ahinjiro ny tananao, ka raiso amin' ny rambony iny, dia naninjitra ny tànany izy ka nandray azy; dia tonga tehina teo an-tànany indray izy Fa hoy Iaveh tamin' i Moizy: Arosoy ny tànanao, ka raiso amin' ny rambony. Yahvé dit à Moïse : " Avance la main et prends-le par la queue. " Il avança la main, le prit, et dans sa main il redevint un bâton.
...............
Eks 4.10 And Moses said unto the Lord, O my Lord, I am not eloquent, neither heretofore, nor since thou hast spoken unto thy servant: but I am slow of speech, and of a slow tongue. Ary hoy Mosesy tamin' i Jehovah: Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin' izao itenenanao amin' ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho. Dia hoy Moizy tamin' ny Tompo: Indrisy! ry Tompo, olona mananosarotra ihany aho raha hiteny, ary hatramin' ny omaly sy afak' omaly no toy izany aho, ary na dia hatramin' izao hitenenanao amin' ny mpanomponao izao aza miambatrambatra ny vavako sy ny lelako. Moïse dit à Yahvé : " Excuse-moi, mon Seigneur, je ne suis pas doué pour la parole, ni d' hier ni d' avant-hier, ni même depuis que tu adresses la parole à ton serviteur, car ma bouche et ma langue sont pesantes. "
...............
Eks 4.13 And he said, O my Lord, send, I pray thee, by the hand of him whom thou wilt send. Fa hoy izy: Tompo ô! mifona aminao aho, iraho izay tianao hirahina. Hoy anefa Moizy: Indrisy! ry Tompo, ampitondray izay tianao hampitondraina azy re ny teninao. Moïse dit encore : " Excuse-moi, mon Seigneur, envoie, je te prie, qui tu voudras. "
Eks 4.14 And the anger of the Lord was kindled against Moses, and he said, Is not Aaron the Levite thy brother? I know that he can speak well. And also, behold, he cometh forth to meet thee: and when he seeth thee, he will be glad in his heart. Dia nirehitra tamin' i Mosesy ny fahatezeran' i Jehovah, ka hoy Izy: Tsy ao ihany va Arona Levita rahalahinao? fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy; koa rehefa mahita anao izy, dia ho faly ny fony. Dia nirehitra tamin' i Moizy ny fahatezeran' ny Tompo, ka hoy izy: Tsy eo va Aarona, rahalahinao, ilay Levita? Fantatro fa tsy hananosarotra izy raha hiteny. Ary indro tamy hitsena anao aza izy, ka ho faly ny fony rahefa mahita anao. La colère de Yahvé s' enflamma contre Moïse et il dit : " N' y a-t-il pas Aaron ton frère, le lévite ? Je sais qu' il parle bien, lui ; le voici qui vient à ta rencontre et à ta vue il se réjouira en son coeur.
...............
Eks 4.18 And Moses went and returned to Jethro his father in law, and said unto him, Let me go, I pray thee, and return unto my brethren which are in Egypt, and see whether they be yet alive. And Jethro said to Moses, Go in peace. Dia lasa nandeha Mosesy ka niverina ho any amin' i Jetro rafozany ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, aoka aho handeha hiverina ho any amin' ny rahalahiko, izay any Egypta, ka hizaha na mbola velona ihany izy, na tsia. Ary hoy Jetro tamin' i Mosesy: Mandehana soa aman-tsara. Dia lasa Moizy. Nony tafaverina tany amin' i Jetrao rafozany izy, dia hoy izy taminy: Masìna hianao, avelao kely aho hiverina ho any amin' ireo rahalahiko any Ejipta, mba hizaha raha mbola velona ihany izy. Ary hoy Jetrao tamin' i Moizy: Mandehana amim-piadanana. Moïse s' en alla et retourna vers Jéthro, son beau-père. Il lui dit : " Permets que je m' en aille et que je retourne vers mes frères qui sont en Égypte pour voir s' ils sont encore en vie. " Jéthro lui répondit : " Va en paix. "
Eks 4.19 And the Lord said unto Moses in Midian, Go, return into Egypt: for all the men are dead which sought thy life. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy tany Midiana: Mandehana miverina any Egypta, fa maty ny olona rehetra izay nitady ny ainao. Hoy Iaveh tamin' i Moizy, tany amin' ny tany Madiana: Mandehana miverina any Ejipta fa efa maty avokoa ireo nitady hamono aina anao. Yahvé dit à Moïse en Madiân : " Va, retourne en Égypte, car ils sont morts, tous ceux qui cherchaient à te faire périr. "
Eks 4.20 And Moses took his wife and his sons, and set them upon an ass, and he returned to the land of Egypt: and Moses took the rod of God in his hand. Dia nalain' i Mosesy ny vadiny sy ny zananilahy ka nampitaingeniny boriky, dia niverina ho any amin' ny tany Egypta izy; ary nentin' i Mosesy teny an-tànany ilay tehin' Andriamanitra. Dia nalain' i Moizy ny vady aman-janany, nampitaingeniny ampondra, ka niverina ho any an-tany Ejipta izy. Nataon' i Moizy an-tanany ny tehin' Andriamanitra. Moïse prit sa femme et son fils, les fit monter sur un âne et s' en retourna au pays d'Égypte. Moïse prit en main le bâton de Dieu.
Eks 4.21 And the Lord said unto Moses, When thou goest to return into Egypt, see that thou do all those wonders before Pharaoh, which I have put in thine hand: but I will harden his heart, that he shall not let the people go. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan' i Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Eny am-pandehanana hiverina ho any Ejipta, diniho an-tsaina ireo fahagagana rehetra napetrako eo am-pelatànanao ireo; hataonao eo anatrehan' i Faraona ireo. Fa izaho kosa hanamafy ny fony, ka tsy havelany handeha ny vahoaka. Yahvé dit à Moïse : " Tandis que tu retourneras en Égypte, vois les prodiges que j' ai mis en ton pouvoir : tu les accompliras devant Pharaon, mais moi, j' endurcirai son coeur et il ne laissera pas partir le peuple.
...............
Eks 4.24 And it came to pass by the way in the inn, that the Lord met him, and sought to kill him. Ary nony tany an-dalana tao amin' ny fandriam-bahiny izy, dia nitsena azy Jehovah ka nitady hamono azy. Teny an-dàlana, teo amin' ny toerana anankiray nandrian' i Moizy, tamy nitsena azy Iaveh, nitady hahafaty azy. Et ce fut en route, à la halte de la nuit, que Yahvé vint à sa rencontre et chercha à le faire mourir.
Eks 4.25 Then Zipporah took a sharp stone, and cut off the foreskin of her son, and cast it at his feet, and said, Surely a bloody husband art thou to me. Dia naka fiharatra vato Zipora ka namora ny zanany, ary izay nesoriny dia natsipiny teo anilan' ny tongony, ka hoy izy: Efa vady azoko amin' ny fandatsahan-drà ianao. Fa nalain' i Seforà ny fiharatra vato ka noforany ny zanany lahy, dia nakasiny ny tongotr' i Moizy ny nesoriny teo, nataony hoe: Vady tamin-drà ho ahy hianao. Çippora prit un silex, coupa le prépuce de son fils et elle en toucha ses pieds. Et elle dit : " Tu es pour moi un époux de sang. "
...............
Eks 4.27 And the Lord said to Aaron, Go into the wilderness to meet Moses. And he went, and met him in the mount of God, and kissed him. Ary hoy Jehovah tamin' i Arona: Mandehana hitsena an' i Mosesy any an-efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin' ny tendrombohitr' Andriamanitra, dia nanoroka azy. Ary Iaveh nilaza tamin' i Aarona hoe: Mandehana mitsena an' i Moizy any an' efitra. Dia niainga Aarona, ka nifanena tamin' i Moizy teo an-tendrombohitr' Andriamanitra ary nanoroka azy. Yahvé dit à Aaron : " Va à la rencontre de Moïse en direction du désert. " Il partit, le rencontra à la montagne de Dieu et l' embrassa.
Eks 4.28 And Moses told Aaron all the words of the Lord who had sent him, and all the signs which he had commanded him. Ary nambaran' i Mosesy tamin' i Arona izay teny rehetra efa nanirahan' i Jehovah azy sy izay famantarana rehetra efa nandidiany azy. Nampahalalain' i Moizy an' i Aarona avokoa ny teny nampitondrain' ny Tompo azy, sy ny famantarana rehetra nodidiny hataony. Moïse informa Aaron de toutes les paroles de Yahvé, qui l' avait envoyé, et de tous les signes qu' il lui avait ordonné d' accomplir.
Eks 4.29 And Moses and Aaron went and gathered together all the elders of the children of Israel: Dia lasa nandeha Mosesy sy Arona ka nanangona ny loholon' ny Zanak' Isiraely rehetra. Dia notohizan' i Moizy sy Aarona ny diany, ka namory ny loholona rehetra amin' ny zanak' Israely izy. Moïse partit avec Aaron et ils réunirent tous les anciens des Israélites.
Eks 4.30 And Aaron spake all the words which the Lord had spoken unto Moses, and did the signs in the sight of the people. Dia nolazain' i Arona ny teny rehetra izay efa nolazain' i Jehovah tamin' i Mosesy, sady nataony teo imason' ny olona ny famantarana. Ary nambaran' i Aarona avokoa ny teny nolazain' ny Tompo tamin' i Moizy, sady nataony teo imason' ny vahoaka ny famantarana; Aaron répéta toutes les paroles que Yahvé avait dites à Moïse ; il accomplit les signes aux yeux du peuple.
Eks 5.1 And afterward Moses and Aaron went in, and told Pharaoh, Thus saith the Lord God of Israel, Let my people go, that they may hold a feast unto me in the wilderness. Ary rehefa afaka izany, Mosesy sy Arona dia nankao amin' i Farao ka niteny taminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Alefaso ny oloko mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an-efitra. Rahefa izany, lasa nankao amin' i Faraona Moizy sy Aarona ka nanao taminy hoe: Izao no lazain' ny Tompo, Andriamanitr' Israely: Alefaso handeha ny vahoakako hanao fety fankalazana ahy, any an' efitra. Après cela, Moïse et Aaron vinrent trouver Pharaon et lui dirent : " Ainsi parle Yahvé, le Dieu d' Israël : laisse partir mon peuple, qu' il célèbre une fête pour moi dans le désert. "
...............
Eks 5.4 And the king of Egypt said unto them, Wherefore do ye, Moses and Aaron, let the people from their works? get you unto your burdens. Ary hoy ny mpanjakan' i Egypta taminy: Nahoana ianareo, ry Mosesy sy Arona, no manaketraka ny olona amin' ny asany? mandehana any amin' ny fanompoanareo mafy. Fa hoy ny mpanjakan' i Ejipta tamin' izy ireo: Nahoana hianareo, ry Moizy sy Aarona, no dia mandrebireby ny vahoaka tsy hanao ny asany? Mandehana mankany amin' ny fanompoanareo. Le roi d'Égypte leur dit : " Pourquoi, Moïse et Aaron, voulez-vous débaucher le peuple de ses travaux ? Retournez à vos corvées. "
...............
Eks 5.20 And they met Moses and Aaron, who stood in the way, as they came forth from Pharaoh: Ary izy ireo dia nihaona tamin' i Mosesy sy Arona, izay nijanona niandry azy, raha avy tany amin' i Farao izy; Ary izy nahita an' i Moizy sy Aarona, izay efa tao rahateo, miandry azy ireo hivoaka avy ao amin' i Faraona, Ayant quitté Pharaon, ils se heurtèrent à Moïse et à Aaron qui se tenaient devant eux.
...............
Eks 5.22 And Moses returned unto the Lord, and said, Lord, wherefore hast thou so evil entreated this people? why is it that thou hast sent me? Ary Mosesy niverina ho any amin' i Jehovah ka nanao hoe: Tompo ô, nahoana no nahatonga loza tamin' ity firenena ity Hianao? nahoana re no naniraka ahy Hianao? Niverina nankany amin' ny Tompo Moizy tamin' izay, ka nanao hoe: Tompo ô! nahoana hianao no dia nampidi-doza tamin' ity vahoaka? Nahoana aho no dia nirahinao? Moïse retourna vers Yahvé et lui dit : " Seigneur, pourquoi maltraites-tu ce peuple ? Pourquoi m' as-tu envoyé ?
Eks 6.1 Then the Lord said unto Moses, Now shalt thou see what I will do to Pharaoh: for with a strong hand shall he let them go, and with a strong hand shall he drive them out of his land. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Ankehitriny ho hitanao izay hataoko amin' i Farao; fa ny tanako mahery no handefasany azy, ary ny tanako mahery no handroahany azy amin' ny taniny. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Tsy ho ela akory dia ho hitanao izay afitsoko an' i Faraona, fa noho ny tànana mahery dia handefa ireo handeha izy; noho ny tànana mahery dia handroaka azy hiala amin' ny taniny. Yahvé dit alors à Moïse : " Maintenant, tu vas voir ce que je vais faire à Pharaon. Une main forte l' obligera à les laisser partir, une main forte l' obligera à les expulser de son pays.
Eks 6.2 And God spake unto Moses, and said unto him, I am the Lord: Ary Andriamanitra niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; Niteny tamin' i Moizy Andriamanitra nanao hoe: Izaho no Iaveh. Dieu parla à Moïse et lui dit : " Je suis Yahvé.
...............
Eks 6.9 And Moses spake so unto the children of Israel: but they hearkened not unto Moses for anguish of spirit, and for cruel bondage. Ary Mosesy nilaza izany tamin' ny Zanak' Isiraely; nefa izy tsy nihaino an' i Mosesy noho ny fahoriam-panahy sy ny fanompoana mafy. Dia nolazain' i Moizy tamin' ny zanak' Israely izany. Nefa tsy nihaino an' i Moizy akory ireo, fa ory ny fony, ary mafy ny fanompoana. Moïse parla ainsi aux Israélites mais ils n'écoutèrent pas Moïse car ils étaient à bout de souffle à cause de leur dure servitude.
Eks 6.10 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary Iaveh niteny tamin' i Moizy nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et lui dit :
...............
Eks 6.12 And Moses spake before the Lord, saying, Behold, the children of Israel have not hearkened unto me; how then shall Pharaoh hear me, who am of uncircumcised lips? Ary Mosesy niteny teo anatrehan' i Jehovah ka nanao hoe: Indro, ny Zanak' Isiraely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan' i Farao ahy, fa izaho tsy voafora molotra? Fa Moizy namaly teo anatrehan' ny Tompo hoe: Ny zanak' Israely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan' i Faraona ahy? izay izaho votsa vava iny? Mais Moïse prit la parole en présence de Yahvé et dit : " Les Israélites ne m' ont pas écouté, comment Pharaon m'écouterait-il, moi qui n' ai pas la parole facile ? "
Eks 6.13 And the Lord spake unto Moses and unto Aaron, and gave them a charge unto the children of Israel, and unto Pharaoh king of Egypt, to bring the children of Israel out of the land of Egypt. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy sy Arona ka nanome teny azy ho entiny ho any amin' ny Zanak' Isiraely sy ho amin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, mba hitondra ny Zanak' Isiraely hivoaka avy amin' ny tany Egypta. Dia niteny tamin' i Moizy sy Aarona Iaveh ary nanafatra azy ny amin' ny zanak' Israely, sy ny amin' i Faraona, mpanjakan' i Ejipta, momba ny famoahana ny zanak' Israely, hiala amin' ny tany Ejipta. Yahvé parla à Moïse et à Aaron et les envoya auprès de Pharaon, le roi d'Égypte, pour faire sortir les Israélites du pays d'Égypte.
...............
Eks 6.20 And Amram took him Jochebed his father' s sister to wife; and she bare him Aaron and Moses: and the years of the life of Amram were an hundred and thirty and seven years. Ary Amrama naka an' i Jokebeda anabavin-drainy ho vadiny, dia niteraka an' i Arona sy Mosesy taminy izy; ary ny andro niainan' i Amrama dia fito amby telo-polo amby zato taona. Amrama naka an' i Jokabeda anabavin-drainy ho vadiny, ka io no niteraka an' i Aarona sy Moizy taminy. Fito amby telo-polo amby zato taona no andro niainan' i Amrama. Amram épousa Yokébed, sa tante, qui lui donna Aaron et Moïse. Amram vécut cent trente-sept ans.
...............
Eks 6.26 These are that Aaron and Moses, to whom the Lord said, Bring out the children of Israel from the land of Egypt according to their armies. Ireo no Arona sy Mosesy, izay nilazan' i Jehovah hoe: Ento ny Zanak' Isiraely hivoaka avy any amin' ny tany Egypta araka ny antokony. Ireo no ilay Aarona sy ilay Moizy, izay nilazan' ny Tompo hoe: Ento mivoaka hiala amin' ny tany Ejipta ny zanak' Isarely, araka ny antokony avy. Ce sont eux, Aaron et Moïse, à qui Yahvé avait dit : " Faites sortir les Israélites du pays d'Égypte, selon leurs armées. "
Eks 6.27 These are they which spake to Pharaoh king of Egypt, to bring out the children of Israel from Egypt: these are that Moses and Aaron. Ireo no niteny tamin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, mba hitondra ny Zanak' Isiraely hivoaka avy any Egypta; ireo no Mosesy sy Arona. Ireo no niteny tamin' i Faraona mpanjakan' i Ejipta, mba hitondra ny zanak' Israely hivoaka avy any Ejipta; dia io Moizy io sy io Aarona io. Ce sont eux qui parlèrent à Pharaon, le roi d'Égypte, pour faire sortir d'Égypte les Israélites, - Moïse et Aaron.
Eks 6.28 And it came to pass on the day when the Lord spake unto Moses in the land of Egypt, Ary tamin' ny andro izay nitenenan' i Jehovah tamin' i Mosesy teo amin' ny tany Egypta, Raha niteny tamin' i Moizy Iaveh any amin' ny tany Ejipta, Or le jour où Yahvé parla à Moïse en terre d'Égypte,
Eks 6.29 That the Lord spake unto Moses, saying, I am the Lord: speak thou unto Pharaoh king of Egypt all that I say unto thee. dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Izaho no Jehovah; koa lazao amin' i Farao, mpanjakan' i Egypta, izay rehetra lazaiko aminao. dia izao no nolazain' ny Tompo tamin' i Moizy: Izaho no Iaveh: Lazao amin' i Faraona, mpanjakan' i Ejipta, izay rehetra lazaiko aminao. Yahvé dit à Moïse : " Je suis Yahvé. Dis à Pharaon, le roi d'Égypte, tout ce que moi je vais te dire. "
Eks 6.30 And Moses said before the Lord, Behold, I am of uncircumcised lips, and how shall Pharaoh hearken unto me? Ary Mosesy niteny teo anatrehan' i Jehovah ka nanao hoe: Indro, tsy voafora molotra aho, ka aiza no hihainoan' i Farao ahy! Ary izao no navalin' i Moizy teo anatrehan' ny Tompo: Indro fa votsa fiteny aho, ka ahoana ange no hihainoan' i Faraona ahy? Moïse dit en présence de Yahvé : " Je n' ai pas la parole facile, comment Pharaon m'écouterait-il ? "
Eks 7.1 And the Lord said unto Moses, See, I have made thee a god to Pharaoh: and Aaron thy brother shall be thy prophet. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Indro, efa nataoko andriamanitra ho an' i Farao ianao; ary Arona rahalahinao kosa ho mpaminaninao. Dia hoy Iaveh tamin' i Moizy: Indro hianao efa nataoko ho Andriamanitra eo imason' i Faraona, ary Aarona rahalahinao no ho mpaminaninao. Yahvé dit à Moïse : " Vois, j' ai fait de toi un dieu pour Pharaon, et Aaron, ton frère, sera ton prophète.
...............
Eks 7.6 And Moses and Aaron did as the Lord commanded them, so did they. Dia nataon' i Mosesy sy Arona izany: araka izay nandidian' i Jehovah azy no nataony. Dia nataon' i Moizy sy Aarona izay nandidian' ny Tompo azy; izany no nataony. Moïse et Aaron firent comme Yahvé leur avait ordonné.
Eks 7.7 And Moses was fourscore years old, and Aaron fourscore and three years old, when they spake unto Pharaoh. Ary efa valo-polo taona Mosesy, ary efa telo amby valo-polo taona kosa Arona, raha niteny tamin' i Farao izy mirahalahy. Efa valo-polo taona Moizy ary telo amby valo-polo taona Aarona, tamin' izy ireo niteny tamin' i Faraona. Moïse était âgé de quatre-vingts ans et Aaron de quatre-vingt-trois ans lorsqu' ils parlèrent à Pharaon.
Eks 7.8 And the Lord spake unto Moses and unto Aaron, saying, Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy sy Arona: Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy sy Aarona: Yahvé dit à Moïse et à Aaron :
...............
Eks 7.10 And Moses and Aaron went in unto Pharaoh, and they did so as the Lord had commanded: and Aaron cast down his rod before Pharaoh, and before his servants, and it became a serpent. Ary Mosesy sy Arona nankao amin' i Farao ka nanao araka izay efa nandidian' i Jehovah; dia natsipin' i Arona teo anatrehan' i Farao sy teo anatrehan' ny mpanompony ny tehiny, ka tonga menarana iny. Dia nankany amin' i Faraona Moizy sy Aarona, nataony avokoa izay nandidian' ny Tompo azy ireo. Natsipin' i Aarona ny tehiny teo anoloan' i Faraona sy ny mpanompony, ka nanjary bibilava. Moïse et Aaron allèrent trouver Pharaon et firent comme l' avait ordonné Yahvé. Aaron jeta son bâton devant Pharaon et ses serviteurs, et il se changea en serpent.
...............
Eks 7.13 And he hardened Pharaoh' s heart, that he hearkened not unto them; as the Lord had said. Dia nihamafy ny fon' i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain' i Jehovah. Ka nihamafy ny fon' i Faraona, fa tsy nihaino an' i Moizy sy Aarona izy, araka ny efa voalazan' ny Tompo rahateo. Cependant le coeur de Pharaon s' endurcit et il ne les écouta pas, comme l' avait prédit Yahvé.
Eks 7.14 And the Lord said unto Moses, Pharaoh' s heart is hardened, he refuseth to let the people go. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Efa mafy ny fon' i Farao, ka mandà tsy handefa ny olona izy. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Efa nihamafy ny fon' i Faraona ka mandà tsy handefa ny vahoaka. Yahvé dit à Moïse : " Le coeur de Pharaon s' est appesanti et il a refusé de laisser partir le peuple.
...............
Eks 7.19 And the Lord spake unto Moses, Say unto Aaron, Take thy rod, and stretch out thine hand upon the waters of Egypt, upon their streams, upon their rivers, and upon their ponds, and upon all their pools of water, that they may become blood; and that there may be blood throughout all the land of Egypt, both in vessels of wood, and in vessels of stone. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Lazao amin' i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka ahinjiro ambonin' ny ranon' i Egypta ny tananao, dia ambonin' ny sampan-dranony sy ambonin' ny lahin-dranony, sy ambonin' ny heniheniny, ary ambonin' ny kamoriny rehetra, mba ho tonga rà ireny; ary hisy rà eran' ny tany Egypta rehetra, na amin' ny fitoeran-drano hazo na amin' ny fitoeran-drano vato. Hoy Iaveh tamin' i Moizy: Lazao amin' i Aarona hoe: Raiso ny tehinao ary ahinjiro eo ambonin' ny ranon' i Ejipta ny tànanao, dia amin' ny reniranony, amin' ny lakan-dranony, amin' ny dobo aman-kamoriny rehetra. Hanjary rà ireny ka hisy rà amin' ny tany Ejipta manontolo, na amin' ny fasian-drano hazo, na amin' ny fasian-drano vato. Yahvé dit à Moïse : " Dis à Aaron : Prends ton bâton et étends la main sur les eaux d'Égypte - sur ses fleuves et sur ses canaux, sur ses marais et sur tous ses réservoirs d' eau - et elles se changeront en sang, et tout le pays d'Égypte sera plein de sang, même les arbres et les pierres. "
Eks 7.20 And Moses and Aaron did so, as the Lord commanded; and he lifted up the rod, and smote the waters that were in the river, in the sight of Pharaoh, and in the sight of his servants; and all the waters that were in the river were turned to blood. Ary nataon' i Mosesy sy Arona izany, araka izay nandidian' i Jehovah; dia nanainga ny tehina izy ka namely ny rano tao Neily teo imason' i Farao sy teo imason' ny mpanompony, dia tonga rà ny rano rehetra tao Neily; Dia nataon' i Moizy sy Aarona izay nandidian' ny Tompo azy. Naingain' i Aarona ny tehina, nokapohiny teo anatrehan' i Faraona sy ny mpanompony ny rano tamin' ny ony, ka nanjary rà avokoa ny rano rehetra tamin' ny ony; Moïse et Aaron firent comme l' avait ordonné Yahvé. Il leva son bâton et il frappa les eaux qui sont dans le Fleuve aux yeux de Pharaon et de ses serviteurs, et toutes les eaux qui sont dans le Fleuve se changèrent en sang.
...............
Eks 7.22 And the magicians of Egypt did so with their enchantments: and Pharaoh' s heart was hardened, neither did he hearken unto them; as the Lord had said. Ary ny ombiasy teo Egypta, dia mba nanao toy izany koa tamin' ny fankatovany; ka dia nihamafy ny fon' i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain' i Jehovah. Nahavita torak' izany tamin' ny fankatoavany ihany koa anefa ny mpanao odin' i Ejipta, ka nihamafy ny fon' i Faraona, fa tsy nihaino an' i Moizy sy Aarona izy, araka ny voalazan' ny Tompo rahateo. Mais les magiciens d'Égypte avec leurs sortilèges en firent autant ; le coeur de Pharaon s' endurcit et il ne les écouta pas, comme l' avait prédit Yahvé.
...............
Eks 7.25 And seven days were fulfilled, after that the Lord had smitten the river. Ary nisy hafitoana taorian' ny namelezan' i Jehovah an' i Neily. Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Mankanesa ao amin' i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy. Fa raha mandà ka tsy mandefa azy ianao, indro, Izaho hamely ny taninao rehetra amin' ny sahona; dia hisy sahona betsaka any Neily, ary hiakatra ireny ka hankao amin' ny tranonao sy ny trano fandrianao sy eny ambonin' ny farafaranao sy any amin' ny tranon' ny mpanomponao sy amin' ny vahoakanao ary eny amin' ny fanendasa-mofonao sy eny amin' ny vilia fanaova-mofonao. Dia ho aminao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra no hiakaran' ny sahona. Lasa ny andro fito taorian' ny namelezan' ny Tompo ny ony. Sept jours s'écoulèrent après que Yahvé eut frappé le Fleuve.
Eks 7.26 Dia hoy Iaveh tamin' i Moizy: Mankanesa ao amin' i Faraona, lazao aminy hoe: Izao no tenin' ny Tompo: Avelao handeha ny vahoakako hanompo ahy. Yahvé dit à Moïse : " Va trouver Pharaon et dis-lui : Ainsi parle Yahvé : "Laisse partir mon peuple, qu' il me serve. "
Eks 8.1 And the Lord spake unto Moses, Go unto Pharaoh, and say unto him, Thus saith the Lord, Let my people go, that they may serve me. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Lazao amin' i Arona hoe: Ahinjiro ny tananao mitana ny tehinao eny ambonin' ny sampan-drano ary eny ambonin ny lahin-drano sy ny heniheny, ka mampiakara ny sahona ho eny amin' ny tany Egypta. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Lazao amin' i Aarona hoe: Ahinjiro eo ambonin' ny renirano sy ny lakan-drano ary ny farihy ny tànanao mitana ny tehinao, ka ampiakaro ho eo amin' ny tany Ejipta ny sahona. Yahvé dit à Moïse : " Dis à Aaron : Étends ta main avec ton bâton sur les fleuves, les canaux et les marais, et fais monter les grenouilles sur la terre d'Égypte. "
...............
Eks 8.4 And the frogs shall come up both on thee, and upon thy people, and upon all thy servants. Ary Farao dia nampaka an' i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mangataha amin' i Jehovah hampialany ny sahona amiko sy amin' ny vahoakako; dia halefako ny olona mba hamono any zavatra hatao fanatitra ho an' i Jehovah. Ary Faraona nampaka an' i Moizy sy Aarona nilazany hoe: Mangataha amin' ny Tompo mba hanesorany ny sahona amiko sy amin' ny vahoakako, fa halefako handeha ny vahoaka, hanolorany sorona amin' ny Tompo. Pharaon appela Moïse et Aaron et dit : " Priez Yahvé de détourner les grenouilles de moi et de mon peuple, et je m' engage à laisser partir le peuple pour qu' il sacrifie à Yahvé. "
Eks 8.5 And the Lord spake unto Moses, Say unto Aaron, Stretch forth thine hand with thy rod over the streams, over the rivers, and over the ponds, and cause frogs to come up upon the land of Egypt. Ary hoy Mosesy tamin' i Farao: Aoka hiseho ny voninahitrao noho izay hataoko; rahoviana no hangatahako ho anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, hanesorana ny sahona aminao sy amin' ny tranonao, ka ho ao Neily ihany no hisy azy? Ka hoy Moizy tamin' i Faraona: Lazao amiko àry izay sitraponao: Ho amin' ny fotoana inona no hanaovako fivavahana ho anao sy ho an' ny mpanomponao amam-bahoakanao, mba hanalavitan' ny Tompo ny sahona aminao sy amin' ny tranonao, ka tsy hisiany intsony, afa-tsy ao amin' ny ony ihany. Dia hoy izy: Moïse dit à Pharaon : " A toi l' avantage !Pour quand dois-je prier pour toi, pour tes serviteurs et pour ton peuple, afin que les grenouilles soient supprimées de chez toi et de vos maisons pour ne rester que dans le Fleuve ? "
Eks 8.6 And Aaron stretched out his hand over the waters of Egypt; and the frogs came up, and covered the land of Egypt. Dia hoy izy: Rahampitso. Ary hoy kosa izy: Aoka àry dia ho araka ny teninao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka an' i Jehovah Andriamanitray. Ho amin' ny ampitso. Dia hoy Moizy: Aoka, fa ho tanteraka izany, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka an' ny Tompo, Andriamanitray. Il dit" Pour demain. " Moïse reprit : " Il en sera selon ta parole afin que tu saches qu' il n' y a personne comme Yahvé notre Dieu.
...............
Eks 8.8 Then Pharaoh called for Moses and Aaron, and said, Intreat the Lord, that he may take away the frogs from me, and from my people; and I will let the people go, that they may do sacrifice unto the Lord. Ary Mosesy sy Arona niala teo amin' i Farao; ary Mosesy nitaraina tamin' i Jehovah ny amin' ny sahona izay efa nataony tamin' i Farao. Nivoaka avy ao amin' i Faraona Moizy sy Aarona; ary Moizy nitaraina tamin' ny Tompo ny amin' ny sahona nameliny an' i Faraona. Moïse et Aaron sortirent de chez Pharaon, et Moïse cria vers Yahvé au sujet des grenouilles qu' il avait infligées à Pharaon.
Eks 8.9 And Moses said unto Pharaoh, Glory over me: when shall I intreat for thee, and for thy servants, and for thy people, to destroy the frogs from thee and thy houses, that they may remain in the river only? Dia nataon' i Jehovah araka ny tenin' i Mosesy, ka maty ny sahona teny amin' ny trano sy teny amin' ny tokotany ary tany an-tsaha. Ka notanterahin' ny Tompo ny hatak' i Moizy, fa maty avokoa ny sahona tany an-trano, sy teny an-tokotany, ary tany an-tsaha. Yahvé fit ce que demandait Moïse, et les grenouilles crevèrent dans les maisons, dans les cours et dans les champs.
...............
Eks 8.11 And the frogs shall depart from thee, and from thy houses, and from thy servants, and from thy people; they shall remain in the river only. Fa nony hitan' i Farao fa nisy hiainana, dia nanamafy ny fony izy ka tsy mba nihaino azy mirahalahy, dia araka izay efa nolazain' i Jehovah. Nony hitan' i Faraona anefa nisy hiainana dia nohamafisiny ny fony, ka tsy nihaino an' i Moizy sy Aarona izy, araka ny efa voalazan' ny Tompo. Pharaon vit qu' il y avait un répit ; il appesantit son coeur et il ne les écouta pas, comme l' avait prédit Yahvé.
Eks 8.12 And Moses and Aaron went out from Pharaoh: and Moses cried unto the Lord because of the frogs which he had brought against Pharaoh. Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Lazao amin' i Arona hoe; Ahinjiro ny tehinao, ka kapohy ny vovo-tany, dia ho tonga moka eran' ny tany Egypta rehetra izany. Dia hoy Iaveh tamin' i Moizy: Lazao an' i Aarona hoe: Ahinjiro ny tehinao, ka kapohy ny vovo-tany, fa hanjary moka eran' ny tany Ejipta ireny. Yahvé dit à Moïse : " Dis à Aaron : Étends ton bâton et frappe la poussière du sol, et elle se changera en moustiques dans tout le pays d'Égypte. "
...............
Eks 8.16 And the Lord said unto Moses, Say unto Aaron, Stretch out thy rod, and smite the dust of the land, that it may become lice throughout all the land of Egypt. Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Mifohaza maraina koa, ka mitsangàna eo anatrehan' i Farao (fa, indro, hivoaka ho any amin' ny rano izy), ka lazao aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Mifohaza maraina koa ka tongava eo anatrehan' i Faraona amin' ilay fotoana ivoahany ho any amoron-drano iny. Lazao aminy hoe: Izao no lazain' ny Tompo: Avelao handeha ny vahoakako hanompoany ahy. Yahvé dit à Moïse : " Lève-toi de bon matin et tiens-toi devant Pharaon quand il se rendra au bord de l' eau. Tu lui diras : Ainsi parle Yahvé : "Laisse partir mon peuple, qu' il me serve. "
...............
Eks 8.21 Else, if thou wilt not let my people go, behold, I will send swarms of flies upon thee, and upon thy servants, and upon thy people, and into thy houses: and the houses of the Egyptians shall be full of swarms of flies, and also the ground whereon they are. Ary Farao nampaka an' i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mandehana ianareo hamono zavatra hatao fanatitra ho an' Andriamanitrareo eto amin' ity tany ity. Nampanalain' i Faraona Moizy sy Aarona nilazany hoe: Mandehana hianareo manolotra sorona amin' ny Andriamanitrareo eto amin' ity tany ity. Pharaon appela Moïse et Aaron et leur dit : " Allez sacrifier à votre Dieu dans le pays. "
Eks 8.22 And I will sever in that day the land of Goshen, in which my people dwell, that no swarms of flies shall be there; to the end thou mayest know that I am the Lord in the midst of the earth. Fa hoy Mosesy: Tsy azo atao izany; fa izay fadin' ny Egyptiana no hovonoinay hatao fanatitra ho an' i Jehovah Andriamanitray; koa, indro, raha izay fadin' ny Egyptiana no vonoinay eo imasony hatao fanatitra, moa tsy hotorahany vato va izahay? Ka hoy Moizy: Tsy mety ny manao izany, fa zava-padin' ny Ejipsiana ny sorona atolotra amin' ny Tompo Andriamanitray; ka raha eo imason' i Ejipsiana izahay no hanao sorona ny zava-padiny, tsy sakoa ataony tora-bato? Moïse répondit : " Il ne convient pas d' agir ainsi, car nos sacrifices à Yahvé notre Dieu sont une abomination pour les Égyptiens. Si nous offrons sous les yeux des Égyptiens des sacrifices qu' ils abominent, ne nous lapideront-ils pas ?
...............
Eks 8.25 And Pharaoh called for Moses and for Aaron, and said, Go ye, sacrifice to your God in the land. Ary hoy Mosesy: Indro, izaho hiala eto aminao ka hangataka amin' i Jehovah mba hialan' ny lalitra amin' i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany rahampitso; fa aoka kosa tsy hamitaka intsony Farao ka tsy handefa ny olona hamono zavatra hatao fanatitra ho an i' Jehovah. Ary hoy Moizy: Indro hivoaka ato aminao aho, dia hangataka amin' ny Tompo, ka rahampitso ny lalibe dia hiala amin' i Faraona sy ny mpanompony ary ny vahoakany. Fa aoka kosa Faraona tsy hamitaka intsony, ka tsy hamela ny vahoaka handeha hanolotra sorona amin' ny Tompo. Moïse dit : " Dès que je serai sorti de chez toi, je prierai Yahvé. Demain les taons s'éloigneront de Pharaon, de ses serviteurs et de son peuple. Que Pharaon, toutefois, cesse de se moquer de nous en ne laissant pas le peuple partir pour sacrifier à Yahvé. "
Eks 8.26 And Moses said, It is not meet so to do; for we shall sacrifice the abomination of the Egyptians to the Lord our God: lo, shall we sacrifice the abomination of the Egyptians before their eyes, and will they not stone us? Ary Mosesy niala teo amin' i Farao ka nangataka tamin' i Jehovah Vao niala avy ao amin' i Faraona Moizy, dia nivavaka tamin' ny Tompo; Moïse sortit de chez Pharaon et pria Yahvé.
Eks 8.27 We will go three days' journey into the wilderness, and sacrifice to the Lord our God, as he shall command us. Ary Jehovah dia nanao araka ny tenin' i Mosesy ka nampiala ny lalitra betsaka tamin' i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany, ka tsy nisy niangana ireny na dia iray akory aza. ary notanterahin' ny Tompo ny tenin' i Moizy ka dia niala tamin' i Faraona sy ny mpanompony ary ny vahoakany ny lalibe ka tsy nisy tavela, na dia iray aza. Yahvé fit ce que demandait Moïse et les taons s'éloignèrent de Pharaon, de ses serviteurs et de son peuple ; il n' en resta plus un seul.
Eks 9.1 Then the Lord said unto Moses, Go in unto Pharaoh, and tell him, Thus saith the Lord God of the Hebrews, Let my people go, that they may serve me. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Mankanesa ao amin' i Farao ianao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Mankanesa ao amin' i Faraona ka lazao aminy hoe: Izao no lazain' ny Tompo, Andriamanitray ny Hebrio: Alefaso hanompo ahy ny vahoakako. Yahvé dit à Moïse : " Va trouver Pharaon et dis-lui : Ainsi parle Yahvé, le Dieu des Hébreux : "Laisse partir mon peuple, qu' il me serve. "
...............
Eks 9.8 And the Lord said unto Moses and unto Aaron, Take to you handfuls of ashes of the furnace, and let Moses sprinkle it toward the heaven in the sight of Pharaoh. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy sy Arona: Mangalà lavenona amin' ny tananao ao amin' ny lafaoro lehibe, ary aoka hatopin' i Mosesy miakatra manandrify ny lanitra eo imason' i Farao izany. Dia hoy Iaveh tamin' i Moizy sy Aarona: Mandraofa hianareo lavenona eran' ny tànanareo, eo amin' ny lafaoro lehibe, dia hataon' i Moizy savoan-danitra eo imason' i Faraona izany, Yahvé dit à Moïse et à Aaron : " Prenez plein vos mains de suie de fourneau et que Moïse la lance en l' air, sous les yeux de Pharaon.
...............
Eks 9.10 And they took ashes of the furnace, and stood before Pharaoh; and Moses sprinkled it up toward heaven; and it became a boil breaking forth with blains upon man, and upon beast. Dia naka lavenona tamin' ny lafaoro lehibe izy roa lahy ka nitsangana teo anatrehan' i Farao; dia natopin' i Mosesy niakatra nanandrify ny lanitra izany, ka dia tonga vay nipoipoitra tamin' ny olona sy tamin' ny biby fiompy. Koa nandraoka lavenona tao amin' ny lafaoro lehibe izy ireo, dia nankany anatrehan' i Faraona, ary nataon' i Moizy savoan-danitra ny lavenona, ka nahatonga boiboika, nipoipoitra ho vay tamin' ny olona sy ny biby. Ils prirent de la suie de fourneau et se tinrent devant Pharaon ; Moïse la lança en l' air et gens et bêtes furent couverts d' ulcères bourgeonnant en pustules.
Eks 9.11 And the magicians could not stand before Moses because of the boils; for the boil was upon the magicians, and upon all the Egyptians. Ary ny ombiasy tsy nahajanona teo anatrehan' i Mosesy noho ny vay; fa ny vay dia nahazo ny ombiasy mbamin' ny Egyptiana rehetra. Tsy afaka niseho teo anatrehan' i Moizy ny mpanao ody azon' ny vay; fa voan' ny vay ny mpanao ody sahala amin' ny Ejipsiana rehetra koa. Les magiciens ne purent se tenir devant Moïse à cause des ulcères, car les magiciens étaient couverts d' ulcères comme tous les Égyptiens.
Eks 9.12 And the Lord hardened the heart of Pharaoh, and he hearkened not unto them; as the Lord had spoken unto Moses. Nefa Jehovah dia nanamafy ny fon' i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain' i Jehovah tamin' i Mosesy. Nohamafisin' ny Tompo anefa ny fon' i Faraona ka tsy nihaino an' i Moizy sy Aarona Faraona, araka ny efa voalazan' ny Tompo tamin' i Moizy. Yahvé endurcit le coeur de Pharaon et il ne les écouta pas, comme l' avait prédit Yahvé à Moïse.
Eks 9.13 And the Lord said unto Moses, Rise up early in the morning, and stand before Pharaoh, and say unto him, Thus saith the Lord God of the Hebrews, Let my people go, that they may serve me. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Mifohaza maraina koa ianao dia mitsangana eo anatrehan' i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Mifohaza maraina koa hianao ka tongava any amin' i Faraona, dia lazao aminy hoe: Izao no lazain' ny Tompo, Andriamanitry ny Hebrio: Alefao handeha hanompo ahy ny vahoakako. Yahvé dit à Moïse : " Lève-toi de bon matin et tiens-toi devant Pharaon. Tu lui diras : Ainsi parle Yahvé, le Dieu des Hébreux : "Laisse partir mon peuple, qu' il me serve. "
...............
Eks 9.22 And the Lord said unto Moses, Stretch forth thine hand toward heaven, that there may be hail in all the land of Egypt, upon man, and upon beast, and upon every herb of the field, throughout the land of Egypt. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, dia hisy havandra hilatsaka amin' ny tany Egypta rehetra, dia amin' ny olona sy amin' ny biby fiompy ary amin' ny anana rehetra any an-tsaha eran' ny tany Egypta. Dia hoy Iaveh tamin' i Moizy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tànanao, hilatsahan' ny havandra eran' ny tany Ejipta rehetra, amin' ny olona sy ny biby ary ny ahitra rehetra any an-tsaha. Yahvé dit à Moïse : " Étends ta main vers le ciel et qu' il grêle dans tout le pays d'Égypte, sur les hommes et sur les bêtes, sur toute l' herbe des champs au pays d'Égypte. "
Eks 9.23 And Moses stretched forth his rod toward heaven: and the Lord sent thunder and hail, and the fire ran along upon the ground; and the Lord rained hail upon the land of Egypt. Dia nahinjitr' i Mosesy manandrify ny lanitra ny tehiny; ary Jehovah nanisy kotrokorana sy havandra, ary nisy afo nifanaretsadretsaka teny ambonin' ny tany; ary Jehovah nandatsaka havandra tamin' ny tany Egypta. Dia nahinjitr' i Moizy nanandrify ny lanitra ny tehiny, ka nalefan' ny Tompo ny kotro-baratra sy ny havandra, ary nivarina tamin' ny tany ny afo. Ary Iaveh nandatsaka havandra tamin' ny tany Ejipta. Moïse étendit son bâton vers le ciel, et Yahvé tonna et fit tomber la grêle. La foudre frappa le sol, et Yahvé fit tomber la grêle sur le pays d'Égypte.
...............
Eks 9.27 And Pharaoh sent, and called for Moses and Aaron, and said unto them, I have sinned this time: the Lord is righteous, and I and my people are wicked. Dia naniraka Farao nampaka an' i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: Efa nanota aho tamin' izao, ka Jehovah no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka. Nampiantso an' i Moizy sy Aarona Faraona ka nanao taminy hoe: Nanota aho tamin' ity indray maka ity; Iaveh no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka. Pharaon fit appeler Moïse et Aaron et leur dit : " Cette fois, j' ai péché ; c' est Yahvé qui est juste, moi et mon peuple, nous sommes coupables.
...............
Eks 9.29 And Moses said unto him, As soon as I am gone out of the city, I will spread abroad my hands unto the Lord; and the thunder shall cease, neither shall there be any more hail; that thou mayest know how that the earth is the Lord' s. Ary hoy Mosesy taminy: Raha vao mivoaka amin' ny tanàna aho, dia hamelatra ny tanako amin' i Jehovah; koa dia hitsahatra ny kotrokorana, ary ny havandra dia tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an' i Jehovah ny tany. Hoy Moizy taminy: Vao mivoaka ny tanàna aho dia hanandratra ny tànako amin' ny Tompo, ka ny kotrok' orana hitsahatra, ny havandra tsy hisy intsony, mba hahafantaranao fa an' ny Tompo ny tany. Moïse lui dit : " Quand je sortirai de la ville, j'étendrai les mains vers Yahvé, le tonnerre cessera et il n' y aura plus de grêle, afin que tu saches que la terre est à Yahvé.
...............
Eks 9.33 And Moses went out of the city from Pharaoh, and spread abroad his hands unto the Lord: and the thunders and hail ceased, and the rain was not poured upon the earth. Ary Mosesy niala teo amin' i Farao ka nankeo ivelan' ny tanàna, dia namelatra ny tànany tamin' i Jehovah, ka dia nitsahatra ny kotrokorana sy ny havandra, ary tsy nisy ranonorana nilatsaka tamin' ny tany intsony. Niala avy ao amin' i Faraona ary nivoaka ny tanàna Moizy, dia nanandratra ny tànany tany amin' ny Tompo, ka ny kotrok' orana sy ny havandra nitsahatra, ary ny ranonorana nijanona tsy nilatsaka tamin' ny tany intsony. Moïse sortit de chez Pharaon et de la ville ; il étendit les mains vers Yahvé ; le tonnerre et la grêle cessèrent, et la pluie ne se déversa plus sur la terre.
...............
Eks 9.35 And the heart of Pharaoh was hardened, neither would he let the children of Israel go; as the Lord had spoken by Moses. Dia nihamafy ny fon' i Farao ka tsy mba nandefa ny Zanak' Isiraely izy, araka izay efa nampilazain' i Jehovah an' i Mosesy. Nihadonto ny fon' i Faraona ka tsy nalefany handeha ny zanak' Israely, araka ny efa voalazan' ny Tompo tamin' ny vavan' i Moizy. Le coeur de Pharaon s' endurcit et il ne laissa pas partir les Israélites, comme Yahvé l' avait prédit par Moïse.
Eks 10.1 And the Lord said unto Moses, Go in unto Pharaoh: for I have hardened his heart, and the heart of his servants, that I might shew these my signs before him: Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Mankanesa ao amin' i Farao; fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon' ny mpanompony, mba hanehoako izao famantarako izao eo aminy; Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Mankanesa any amin' i Faraona, fa efa nahadonto ny fony sy ny fon' ny mpanompony aho, hanaovako ny famantarako eo afovoany, Yahvé dit à Moïse : " Va trouver Pharaon car c' est moi qui ai appesanti son coeur et le coeur de ses serviteurs afin d' opérer mes signes au milieu d' eux,
...............
Eks 10.3 And Moses and Aaron came in unto Pharaoh, and said unto him, Thus saith the Lord God of the Hebrews, How long wilt thou refuse to humble thyself before me? let my people go, that they may serve me. Ary Mosesy sy Arona dia nankao amin' i Farao ka nanao taminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? alefaso ny oloko mba hanompo Ahy. Dia nankany amin' i Faraona Moizy sy Aarona ka nanao taminy hoe: Izao no lazain' ny Tompo, Andriamanitry ny Hebrio: Mandra-pahoviana no handavanao tsy hietry eo anatrehako? Alefaso ny vahoakako hanompo ahy. Moïse et Aaron allèrent trouver Pharaon et lui dirent : " Ainsi parle Yahvé le Dieu des Hébreux : Jusqu'à quand refuseras-tu de t' humilier devant moi ? Laisse partir mon peuple, qu' il me serve.
...............
Eks 10.6 And they shall fill thy houses, and the houses of all thy servants, and the houses of all the Egyptians; which neither thy fathers, nor thy fathers' fathers have seen, since the day that they were upon the earth unto this day. And he turned himself, and went out from Pharaoh. dia hameno ny tranonao sy ny tranon' ny mpanomponao rehetra ary ny tranon' ny Egyptiana rehetra ireny; ary tsy mbola hitan' ny rainao na ny raibenao izay toy izay hatr' izay andro niainany tetý ambonin' ny tany ka mandraka androany. Dia nihodina izy ka niala teo amin' i Farao. ho hipoka azy avokoa ny tranonao sy ny tranom-panomponao, ary ny an' ny Ejipsiana rehetra. Tsy mbola nisy nahita loza toy izany na ny rainao na ny raibenao, hatrizay nisiany tety ambonin' ny tany, ka mandrak' ankehitriny. Dia lasa Moizy, ka niala teo amin' i Faraona. Elles rempliront tes maisons, les maisons de tous tes serviteurs et les maisons de tous les Égyptiens, ce que tes pères et les pères de tes pères n' ont jamais vu, depuis le jour où ils sont venus sur terre, jusqu'à ce jour. " Puis il se retourna et sortit de chez Pharaon.
...............
Eks 10.8 And Moses and Aaron were brought again unto Pharaoh: and he said unto them, Go, serve the Lord your God: but who are they that shall go? Dia nisy nampiverina an' i Mosesy sy Arona hankao amin' i Farao indray: ary hoy izy taminy: Mandehana, manompo an' i Jehovah Andriamanitrareo; nefa iza avy moa no handeha? Dia nasaina niverina ho eo amin' i Faraona Moizy sy Aarona, ka hoy izy taminy: Mandehana àry, manompoa an' ny Tompo Andriamanitrareo. Iza avy moa no tsy maintsy mankany? On fit revenir Moïse et Aaron auprès de Pharaon qui leur dit : " Allez servir Yahvé votre Dieu, mais qui sont ceux qui vont s' en aller ? "
Eks 10.9 And Moses said, We will go with our young and with our old, with our sons and with our daughters, with our flocks and with our herds will we go; for we must hold a feast unto the Lord. Ary hoy Mosesy: Ny tanora sy ny antitra aminay ho entinay handeha, ary ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy sy ny ondry aman' osinay ary ny ombinay ho entinay handeha; fa hisy andro firavoravoanay ho an' i Jehovah. Ary hoy ny navalin' i Moizy: Hankany avokoa izahay omban' ny ankizy sy ny antidahy, ny zanakay lahy aman-janakay vavy, ny ondry sy ny ombinay, fa fety fankalazana an' ny Tompo izany ho anay. Moïse répondit : " Nous emmènerons nos jeunes gens et nos vieillards, nous emmènerons nos fils et nos filles, notre petit et notre gros bétail, car c' est pour nous une fête de Yahvé. "
...............
Eks 10.12 And the Lord said unto Moses, Stretch out thine hand over the land of Egypt for the locusts, that they may come up upon the land of Egypt, and eat every herb of the land, even all that the hail hath left. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Ahinjiro ambonin' ny tany Egypta ny tananao hihavian' ny valala, dia hiakatra ho eto amin' ny tany Egypta ireny, ary dia hihinana ny zava-maniry amin' ny tany, dia izay rehetra sisan' ny havandra. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Ahinjiro eo ambonin' ny tany Ejipta ny tànanao ny amin' ny valala; aoka hiakarany ny tany Ejipta; aoka handevona ny ahitra rehetra amin' ny tany izy, izay sisan-kavandra rehetra. Yahvé dit à Moïse : " Étends ta main sur le pays d'Égypte pour que viennent les sauterelles ; qu' elles montent sur le pays d'Égypte et qu' elles dévorent toute l' herbe du pays, tout ce qu' a épargné la grêle. "
Eks 10.13 And Moses stretched forth his rod over the land of Egypt, and the Lord brought an east wind upon the land all that day, and all that night; and when it was morning, the east wind brought the locusts. Dia nahinjitr' i Mosesy tambonin' ny tany Egypta ny tehiny, ary Jehovah nitondra rivotra avy any atsinanana hankany amin' ny tany mandritra iny andro sy iny alina iny; ary nony maraina dia nitondra ny valala ny rivotra avy any atsinanana. Dia nahinjitr' i Moizy teo ambonin' ny tany Ejipta ny tehiny, ka nandefa rivotra avy any atsinanana Iaveh hifofofofo amin' ny tany iny tontolo andro iny, sy iny tontolo alina iny. Nony maraina, indro tongan' ny rivotra avy any atsinanana ny valala. Moïse étendit son bâton sur le pays d'Égypte, et Yahvé fit lever sur le pays un vent d' est qui souffla tout ce jour-là et toute la nuit. Le matin venu, le vent d' est avait apporté les sauterelles.
...............
Eks 10.16 Then Pharaoh called for Moses and Aaron in haste; and he said, I have sinned against the Lord your God, and against you. Ary Farao dia nampaka an' i Mosesy sy Arona faingana ka nanao hoe: Efa nanota tamin' i Jehovah Andriamanitrareo sy taminareo aho. Koa nampanalain' i Faraona faingana Moizy sy Aarona nilazany hoe: Efa nanota tamin' ny Tompo Andriamanitrareo sy taminareo aho. Pharaon se hâta d' appeler Moïse et Aaron et dit : " J' ai péché contre Yahvé votre Dieu et contre vous.
...............
Eks 10.18 And he went out from Pharaoh, and intreated the Lord. Dia niala teo amin' i Farao izy ka nangataka tamin' i Jehovah. Niala avy ao amin' i Faraona Moizy, dia nangataka tamin' ny Tompo, Moïse sortit de chez Pharaon et pria Yahvé.
...............
Eks 10.21 And the Lord said unto Moses, Stretch out thine hand toward heaven, that there may be darkness over the land of Egypt, even darkness which may be felt. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina amin' ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tànanao, hisian' ny aizim-pito amin' ny tany Ejipta, sady aizina azo tsapain-tànana. Yahvé dit à Moïse : " Étends ta main vers le ciel et que des ténèbres palpables recouvrent le pays d'Égypte. "
Eks 10.22 And Moses stretched forth his hand toward heaven; and there was a thick darkness in all the land of Egypt three days: Dia nahinjitr' i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tànany; dia nisy aizim-pito eran' ny tany Egypta rehetra hateloana, Dia nahinjitr' i Moizy nanandrify ny lanitra ny tànany, ka nisy aizim-pito ny tany Ejipta tontolo, nandritra ny hateloana. Moïse étendit la main vers le ciel et il y eut d'épaisses ténèbres sur tout le pays d'Égypte pendant trois jours.
...............
Eks 10.24 And Pharaoh called unto Moses, and said, Go ye, serve the Lord; only let your flocks and your herds be stayed: let your little ones also go with you. Ary Farao dia nampaka an' i Mosesy ka nanao hoe: Mandehana ianareo, manompoa an' i Jehovah; fa ny ondry aman' osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka havelanareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa. Koa nampaka an' i Moizy Faraona nilazany hoe: Mandehana hianareo, manompoa an' ny Tompo, ka ny ondry sy ny ombinareo ihany no hijanona; fa na dia ny zanakareo madinika aza mahazo mandeha miaraka aminareo koa. Pharaon appela Moïse et lui dit : " Allez servir Yahvé, mais votre petit et votre gros bétail devra rester ici. Même vos femmes et vos enfants pourront aller avec vous. "
Eks 10.25 And Moses said, Thou must give us also sacrifices and burnt offerings, that we may sacrifice unto the Lord our God. Ary hoy Mosesy: Hianao no hanolotra eto an-tananay izay fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà haterinay ho an' i Jehovah Andriamanitray; Fa hoy Moizy: Tsy maintsy atolotrao eo an-tànanay izay hataonay sorona sy sorona dorana amin' ny Tompo Andriamanitray. Moïse dit : " Tu dois toi-même mettre à notre disposition des sacrifices et des holocaustes pour que nous les offrions à Yahvé notre Dieu.
...............
Eks 10.28 And Pharaoh said unto him, Get thee from me, take heed to thyself, see my face no more; for in that day thou seest my face thou shalt die. Ary hoy Farao taminy: Mialà amiko; koa mitandrema, fa aoka tsy hahita ny tavako intsony ianao; fa amin' izay andro hahitanao ny tavako dia ho faty ianao. Fa hoy Faraona tamin' i Moizy: Mialà amiko eto. Ary tandremo fandrao mitranga aty anatrehako aty intsony, fa izay andro hitranganao aty anatrehako dia ho faty hianao. Pharaon dit à Moïse : " Hors d' ici !Prends garde à toi !ne te présente plus devant moi, car le jour où tu te présenteras devant moi, tu mourras. "
Eks 10.29 And Moses said, Thou hast spoken well, I will see thy face again no more. Ary hoy Mosesy: Marina izay nolazainao; fa tsy hahita ny tavanao intsony aho. Voalazanao, hoy Moizy, tsy hitranga aty anatrehanao intsony tokoa aho. Et Moïse dit : " Tu l' as dit, je ne reviendrai plus me présenter devant toi.
Eks 11.1 And the Lord said unto Moses, Yet will I bring one plague more upon Pharaoh, and upon Egypt; afterwards he will let you go hence: when he shall let you go, he shall surely thrust you out hence altogether. Fa Jehovah nilaza tamin' i Mosesy, hoe: Mbola hahatonga loza iray koa amin' i Farao sy Egypta Aho; ary rehefa afaka izany, dia handefa anareo hiala atý izy; ary rehefa handefa anareo rehetra izy, dia handroaka anareo fatratra hiala atý. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Loza iray sisa hameliko an' i Faraona sy Ejipta, fa rahefa afaka izany, dia halefany hiala aty hianareo; ary rahefa handefa anareo tokoa izy, dia horoahiny aza hianareo hiala aty. Yahvé dit à Moïse : " Je vais encore envoyer une plaie à Pharaon et à l'Égypte, après quoi il vous renverra d' ici. Quand il vous renverra, ce sera fini, et même, il vous expulsera d' ici.
...............
Eks 11.3 And the Lord gave the people favour in the sight of the Egyptians. Moreover the man Moses was very great in the land of Egypt, in the sight of Pharaoh' s servants, and in the sight of the people. Dia nataon' i Jehovah nahita fitia teo imason' ny Egyptiana ny olona. Ary Mosesy dia lehilahy malaza indrindra teo amin' ny tany Egypta, dia teo imason' ny mpanompon' i Farao sy teo imason' ny vahoaka. Dia nataon' ny Tompo nahita fitia teo imason' ny Ejipsiana ny vahoaka; ary Moizy aza dia tonga nanan-kaja indrindra tany an-tany Ejipta, na tamin' ny mpanompon' i Faraona na tamin' ny vahoaka. Yahvé fit que le peuple trouvât grâce aux yeux des Égyptiens. Moïse lui-même était un très grand personnage au pays d'Égypte, aux yeux des serviteurs de Pharaon et aux yeux du peuple.
Eks 11.4 And Moses said, Thus saith the Lord, About midnight will I go out into the midst of Egypt: Ary hoy Mosesy: Izao no lazain' i Jehovah: Rehefa tokony ho mamatonalina Izaho hivoaka hankeo afovoan' i Egypta, Hoy Moizy: Izao no lazain' ny Tompo: Rahefa misasaka ny alina dia handalo hamaky an' i Ejipta aho, Alors Moïse dit : " Ainsi parle Yahvé : Vers le milieu de la nuit je parcourrai l'Égypte,
...............
Eks 11.8 And all these thy servants shall come down unto me, and bow down themselves unto me, saying, Get thee out, and all the people that follow thee: and after that I will go out. And he went out from Pharaoh in a great anger. Ary hidina ho ao amiko ireo mpanomponao rehetra ireo dia hiankohoka eo anatrehako ka hanao hoe: Mandehana ianao sy ny olona rehetra izay manaraka anao; ary rehefa afaka izany, dia vao handeha aho. Dia niala teo amin' i Farao tamin' ny fahatezerana mirehitra Mosesy. Izay ny mpanomponao rehetra etoana dia hidina hankany amiko sy hiankohoka eo anatrehako, ka hanao hoe: Mandehana any avokoa, hianao sy ny vahoaka rehetra manaraka anao. Ary izay koa aho vao handeha. Dia tamim-pahatezerana mirehitra no nivoahan' i Moizy avy ao amin' i Faraona. Alors tous tes serviteurs que voici viendront me trouver et se prosterneront devant moi en disant : "Va-t' en, toi et tout le peuple qui marche à ta suite ! " Après quoi je partirai. " Et, enflammé de colère, il sortit de chez Pharaon.
Eks 11.9 And the Lord said unto Moses, Pharaoh shall not hearken unto you; that my wonders may be multiplied in the land of Egypt. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Tsy hihaino anareo Farao, mba hitomboan' ny fahagagana izay hataoko eto amin' ny tany Egypta. Hoy Iaveh tamin' i Moizy nanao hoe: Tsy hihaino anareo Faraona mba hahamaro ny fahagagana hataoko amin' ny tany Ejipta. Yahvé dit à Moïse : " Pharaon ne vous écoutera pas, afin que se multiplient mes prodiges au pays d'Égypte. "
Eks 11.10 And Moses and Aaron did all these wonders before Pharaoh: and the Lord hardened Pharaoh' s heart, so that he would not let the children of Israel go out of his land. Ary Mosesy sy Arona nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo amin' i Farao; nefa Jehovah nanamafy ny fon' i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak' Isiraely hiala tamin' ny taniny izy. Nanao ireo fahagagana rehetra ireo teo anatrehan' i Faraona Moizy sy Aarona ary nohamafisin' ny Tompo ny fon' i Faraona, ka tsy navelany hiala amin' ny taniny ny zanak' Israely. Moïse et Aaron accomplirent tous ces prodiges devant Pharaon ; mais Yahvé endurcit le coeur de Pharaon et il ne laissa pas les Israélites partir de son pays.
Eks 12.1 And the Lord spake unto Moses and Aaron in the land of Egypt saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy sy Arona teo amin' ny tany Egypta ka nanao hoe: Izao no nolazain' ny Tompo tamin' i Moizy sy Aarona any amin' ny tany Ejipta: Yahvé dit à Moïse et à Aaron au pays d'Égypte :
...............
Eks 12.21 Then Moses called for all the elders of Israel, and said unto them, Draw out and take you a lamb according to your families, and kill the passover. Dia nampanalain' i Mosesy ny loholon' ny Isiraely rehetra, ka hoy izy taminy: Mandehana ianareo ka makà ondry ho anareo araka ny fokom-pirenenareo avy, ka vonoy ny Paska. Dia novorin' i Moizy ny loholona rehetra amin' Israely, ka nilazany hoe: Mifidiana sy makà zanak' ondry iray ho an' ny fianakavianareo, ka vonoy ny Paka. Moïse convoqua tous les anciens d' Israël et leur dit : " Allez vous procurer du petit bétail pour vos familles et immolez la pâque.
...............
Eks 12.28 And the children of Israel went away, and did as the Lord had commanded Moses and Aaron, so did they. Ary dia nandeha ny Zanak' Isiraely ka nanao izany; araka izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy sy Arona no nataony. Ary lasa nandeha ny zanak' Israely ary nanatanteraka izay nandidian' ny Tompo an' i Moizy sy Aarona; izany no nataony. Les Israélites s' en allèrent et firent ce que Yahvé avait ordonné à Moïse et à Aaron.
...............
Eks 12.31 And he called for Moses and Aaron by night, and said, Rise up, and get you forth from among my people, both ye and the children of Israel; and go, serve the Lord, as ye have said. Dia nampaka an' i Mosesy sy Arona izy, raha mbola alina, ka nanao hoe: Mitsangàna, mialà eto amin' ny vahoakako ianareo sy ny Zanak' Isiraely, ary mandehana ka manompoa an' i Jehovah araka ny nolazainareo. Mbola alina dia nampaka an' i Moizy sy Aarona Faraona ka nanao taminy hoe: Mandehana miala eto amin' ny vahoakako hianareo sy ny zanak' Israely; mandehana manompo an' ny Tompo araka ny voalazanareo. Pharaon appela Moïse et Aaron pendant la nuit et leur dit : " Levez-vous et sortez du milieu de mon peuple, vous et les Israélites, et allez servir Yahvé comme vous l' avez demandé.
...............
Eks 12.35 And the children of Israel did according to the word of Moses; and they borrowed of the Egyptians jewels of silver, and jewels of gold, and raiment: Ary ny Zanak' Isiraely nanao araka ny tenin' i Mosesy ka nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana tamin' ny Egyptiana. Nanao araka ny voalazan' i Moizy taminy ny zanak' Israely, fa nangataka fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fitafiana tamin' ny Ejipsiana izy ireo. Les Israélites firent ce qu' avait dit Moïse et demandèrent aux Égyptiens des objets d' argent, des objets d' or et des vêtements.
...............
Eks 12.43 And the Lord said unto Moses and Aaron, This is the ordinance of the passover: There shall no stranger eat thereof: Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy sy Arona: Izao no lalàn' ny Paska: Tsy hisy olona hafa firenena hihinana azy. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy sy Aarona: Izao no didy momba ny Paka: Ny olon-kafa firenena tsy hisy hihinana azy. Yahvé dit à Moïse et à Aaron : " Voici le rituel de la pâque : aucun étranger n' en mangera.
...............
Eks 12.50 Thus did all the children of Israel; as the Lord commanded Moses and Aaron, so did they. Dia nataon' ny Zanak' Isiraely rehetra izany: araka izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy sy Arona no nataony. Dia nataon' ny zanak' Israely rehetra izay nandidian' ny Tompo an' i Moizy sy Aarona; izany no nataony. Tous les Israélites firent comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse et à Aaron.
Eks 13.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary Iaveh niteny tamin' i Moizy ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et lui dit :
...............
Eks 13.3 And Moses said unto the people, Remember this day, in which ye came out from Egypt, out of the house of bondage; for by strength of hand the Lord brought you out from this place: there shall no leavened bread be eaten. Dia hoy Mosesy tamin' ny olona: Tsarovy izao andro izao, izay nivoahanareo avy tany Egypta, tamin' ny trano nahandevozana, fa tamin' ny tanana mahery no nitondran' i Jehovah anareo nivoaka avy tany; koa aza misy mihinana izay misy masirasira. Dia hoy Moizy tamin' ny vahoaka: Tsarovinareo ny andro nivoahanareo tany Ejipta, tamin' ny trano fanandevozana, fa tamin' ny herin' ny tànany no namoahan' ny Tompo anareo tany. Tsy hatao mihina-mofo misy lalivay. Moïse dit au peuple : " Souvenez-vous de ce jour, celui où vous êtes sortis d'Égypte, de la maison de servitude, car c' est par la force de sa main que Yahvé vous en a fait sortir, et l' on ne mangera pas de pain levé.
...............
Eks 13.19 And Moses took the bones of Joseph with him: for he had straitly sworn the children of Israel, saying, God will surely visit you; and ye shall carry up my bones away hence with you. Ary nentin' i Mosesy niaraka taminy ny taolan' i Josefa, satria Josefa efa nampianiana dia nampianiana ny Zanak' Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala atý miaraka aminareo ianareo. Ary nentin' i Moizy niaraka taminy ny taolam-balon' i Josefa, araka ny nampianianan' i Josefa ny zanak' Israely hoe: Hovangian' Andriamanitra hianareo, ka ento lavitra miaraka aminareo hiala aty ny taolam-baloko. Moïse emporta les ossements de Joseph avec lui, car celui-ci avait adjuré les Israélites en disant : " Oui, Dieu vous visitera, et alors vous emporterez d' ici mes ossements avec vous. "
Eks 14.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary Iaveh niteny tamin' i Moizy ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et lui dit :
...............
Eks 14.11 And they said unto Moses, Because there were no graves in Egypt, hast thou taken us away to die in the wilderness? wherefore hast thou dealt thus with us, to carry us forth out of Egypt? Ary hoy koa izy tamin' i Mosesy: Moa tsy nisy fasana va tany Egypta, no nentinao ho faty atý an-efitra izahay? Nahoana no nanao izany taminay ianao ka nitondra anay nivoaka avy tany Egypta? Ary nanao tamin' i Moizy hoe: Tsy misy fasana va tany Ejipta, no dia nentinao ho faty aty an' efitra izahay? Ahoana izao nataonao taminay izao ka navoakanao tany Ejipta? Ils dirent à Moïse : " Manquait-il de tombeaux en Égypte, que tu nous aies menés mourir dans le désert ? Que nous as-tu fait en nous faisant sortir d'Égypte ?
...............
Eks 14.13 And Moses said unto the people, Fear ye not, stand still, and see the salvation of the Lord, which he will shew to you to day: for the Egyptians whom ye have seen to day, ye shall see them again no more for ever. Ary hoy Mosesy tamin' ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen' i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. Fa hoy kosa Moizy tamin' ny vahoaka: Aza matahotra fa mipetraha tsara eo ka zahao ny famonjena hataon' ny Tompo aminareo anio; fa ireo Ejipsiana hitanareo anio ireo tsy ho hitanareo intsony mandrakizay. Moïse dit au peuple : " Ne craignez pas !Tenez ferme et vous verrez ce que Yahvé va faire pour vous sauver aujourd' hui, car les Égyptiens que vous voyez aujourd' hui, vous ne les reverrez plus jamais;
...............
Eks 14.15 And the Lord said unto Moses, Wherefore criest thou unto me? speak unto the children of Israel, that they go forward: Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Nahoana no mitaraina amiko ianao? lazao amin' ny Zanak' Isiraely mba handroso. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Nahoana no mitaraina amiko hianao? Ilazao ny zanak' Israely mba hiainga. Yahvé dit à Moïse : " Pourquoi cries-tu vers moi ? Dis aux Israélites de repartir.
...............
Eks 14.21 And Moses stretched out his hand over the sea; and the Lord caused the sea to go back by a strong east wind all that night, and made the sea dry land, and the waters were divided. Dia nahinjitr' i Mosesy teo ambonin' ny ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan' i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano. Nony nahinjitr' i Moizy teo ambonin' ny ranomasina ny tànany dia nohemorin' ny Tompo ny ranomasina tamin' ny rivotra nifofofofo mafy avy any atsinanana nandritra ny alina, ka nataony tonga maina ny ranomasina fa nisaraka roa ny rano. Moïse étendit la main sur la mer, et Yahvé refoula la mer toute la nuit par un fort vent d' est ; il la mit à sec et toutes les eaux se fendirent.
...............
Eks 14.26 And the Lord said unto Moses, Stretch out thine hand over the sea, that the waters may come again upon the Egyptians, upon their chariots, and upon their horsemen. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Ahinjiro eo ambonin' ny ranomasina ny tananao, mba hikatonan' ny rano amin' ny Egyptiana mbamin' ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoa valiny. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Ahinjiro eo ambonin' ny ranomasina ny tànanao, hikatonan' ny rano amin' ny Ejipsiana sy ny kalesy amam-pitaingin-tsoavaliny. Yahvé dit à Moïse : " Étends ta main sur la mer, que les eaux refluent sur les Égyptiens, sur leurs chars et sur leurs cavaliers. "
Eks 14.27 And Moses stretched forth his hand over the sea, and the sea returned to his strength when the morning appeared; and the Egyptians fled against it; and the Lord overthrew the Egyptians in the midst of the sea. Dia nahinjitr' i Mosesy teo ambonin' ny ranomasina ny tànany, ka nikatona ho tahaka ny teo ny ranomasina, rehefa nadiva ho maraina ny andro; ary ny Egyptiana nandositra, kanjo nitsena ny rano ihany izy, dia narian' i Jehovah teo afovoan' ny ranomasina ny Egyptiana. Dia nahinjitr' i Moizy teo ambonin' ny ranomasina ny tànany, ka vao nangirana ny andro dia nody tamin' ny toerany andavanandro ny ranomasina. Nandositra ny Ejipsiana ka tojo azy, ka dia navarin' ny Tompo tao anaty ranomasina ny Ejipsiana. Moïse étendit la main sur la mer et, au point du jour, la mer rentra dans son lit. Les Égyptiens en fuyant la rencontrèrent, et Yahvé culbuta les Égyptiens au milieu de la mer.
...............
Eks 14.31 And Israel saw that great work which the Lord did upon the Egyptians: and the people feared the Lord, and believed the Lord, and his servant Moses. Ary rehefa hitan' ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon' ny tànan' i Jehovah tamin' ny Egyptiana, dia natahotra an' i Jehovah ny olona ka nino an' i Jehovah sy Mosesy mpanompony. Hitan' Israely ny tànana maherin' ny Tompo nasehony tamin' ny namelezany ny Ejipsiana, ka natahotra an' ny Tompo ny vahoaka, ary nino an' ny Tompo sy Moizy mpanompony. Israël vit la prouesse accomplie par Yahvé contre les Égyptiens. Le peuple craignit Yahvé, il crut en Yahvé et en Moïse son serviteur.
Eks 15.1 Then sang Moses and the children of Israel this song unto the Lord, and spake, saying, I will sing unto the Lord, for he hath triumphed gloriously: the horse and his rider hath he thrown into the sea. Ary Mosesy sy ny Zanak' Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an' i Jehovah ka nanao hoe: Hihira ho an' i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin' ny ranomasina. Tamin' izany Moizy sy ny zanak' Israely nanao izao hira izao tamin' ny Tompo. Hoy izy: Hihira ho an' ny Tompo aho, fa efa naneho ny voninahiny izy; Nariany any an-dranomasina ny soavaly amam-pitaingina azy. Alors Moïse et les Israélites chantèrent pour Yahvé le chant que voici : " Je chante pour Yahvé car il s' est couvert de gloire, il a jeté à la mer cheval et cavalier.
...............
Eks 15.22 So Moses brought Israel from the Red sea, and they went out into the wilderness of Shur; and they went three days in the wilderness, and found no water. Ary Mosesy nitondra ny Isiraely nifindra avy teo amoron' ny Ranomasina Mena, dia nandroso ho any amin' ny efitra Sora izy; ary nandeha hateloana tany an-efitra izy fa tsy nahita rano. Dia nasain' i Moizy niainga avy ao amin' ny ranomasina Mena Israely. Nandroso nankany amin' ny efitra Sora, ary hateloana izy nandeha tsy nahita rano tamin' io efitra io. Moïse fit partir Israël de la mer des Roseaux. Ils se dirigèrent vers le désert de Shur et marchèrent trois jours dans le désert sans trouver d' eau.
...............
Eks 15.24 And the people murmured against Moses, saying, What shall we drink? Dia nimonomonona tamin' i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Inona no hosotroinay? Nimonomonona tamin' i Moizy ny vahoaka, nanao hoe: Inona no hosotroinay. Le peuple murmura contre Moïse en disant : " Qu' allons-nous boire ? "
Eks 15.25 And he cried unto the Lord; and the Lord shewed him a tree, which when he had cast into the waters, the waters were made sweet: there he made for them a statute and an ordinance, and there he proved them, Ary dia nitaraina tamin' i Jehovah izy, ka dia nanehoan' i Jehovah hazo anankiray, ary rehefa natsipiny tao anatin' ny rano izany, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan' i Jehovah lalàna sy fitsipika ho azy, ary tao no nizaha ny toetra azy, Moizy nitaraina tamin' ny Tompo, ka notoroan' ny Tompo hazo izy, dia natsipiny tao anaty rano io, dia tonga mamy ny rano. Tao no nanomezan' ny Tompo ny fitsipika aman-dalàna ny vahoaka sy nizahany toetra azy. Moïse cria vers Yahvé, et Yahvé lui montra un morceau de bois. Moïse le jeta dans l' eau, et l' eau devint douce. C' est là qu' il leur fixa un statut et un droit ;c' est là qu' il les mit à l'épreuve.
...............
Eks 16.2 And the whole congregation of the children of Israel murmured against Moses and Aaron in the wilderness: Dia nimonomonona tamin' i Mosesy sy Arona tany an-efitra ny fiangonana, dia ny Zanak' Isiraely rehetra, Nimonomonona tamin' i Moizy sy Aarona tao an' efitra ny fiangonan' ny zanak' Israely rehetra. Toute la communauté des Israélites se mit à murmurer contre Moïse et Aaron dans le désert.
...............
Eks 16.4 Then said the Lord unto Moses, Behold, I will rain bread from heaven for you; and the people shall go out and gather a certain rate every day, that I may prove them, whether they will walk in my law, or no. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Indro, Izaho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo; dia hivoaka ny olona ka hanangona izay sahaza hohaniny isan' andro, hizahako toetra azy, na handeha manaraka ny lalako izy, na tsia. Dia hoy Iaveh tamin' i Moizy: Indro aho handatsaka mofo avy any an-danitra ho anareo. Hivoaka ny olona ka isan' andro dia hanangona izay sahaza hohaniny amin' ny indray andro, mba hizahako toetra azy, na handeha araka ny lalàko izy ireo na tsia. Yahvé dit à Moïse : " Je vais faire pleuvoir pour vous du pain du haut du ciel. Les gens sortiront et recueilleront chaque jour leur ration du jour ; je veux ainsi les mettre à l'épreuve pour voir s' ils marcheront selon ma loi ou non.
...............
Eks 16.6 And Moses and Aaron said unto all the children of Israel, At even, then ye shall know that the Lord hath brought you out from the land of Egypt: Ary hoy Mosesy sy Arona tamin' ny Zanak' Isiraely rehetra: Anio hariva dia ho fantatrareo fa Jehovah no nitondra anareo nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta; Koa hoy Moizy sy Aarona tamin' ny zanak' Israely rehetra: Ho fantatrareo anio hariva, fa Iaveh no namoaka anareo tany Ejipta, Moïse et Aaron dirent à toute la communauté des Israélites : " Ce soir vous saurez que c' est Yahvé qui vous a fait sortir du pays d'Égypte
...............
Eks 16.8 And Moses said, This shall be, when the Lord shall give you in the evening flesh to eat, and in the morning bread to the full; for that the Lord heareth your murmurings which ye murmur against him: and what are we? your murmurings are not against us, but against the Lord. Ary hoy koa Mosesy; Ho hitanareo izany, raha homen' i Jehovah hena hohanina ianareo anio hariva, ary mofo hahavoky rahampitso maraina; fa efa ren' i Jehovah ny fimonomononanareo, izay nimonomononanareo taminy; fa izahay moa no inona? Tsy izahay no imonomononanareo, fa Jehovah. Hoy koa Moizy: Ho hitanareo izany amin' ny hanomezan' ny Tompo anareo hena hohanina anio hariva, ary mofo hahavoky raha maraina; satria ren' ny Tompo ny nimonomononanareo taminy. Fa ny aminay izahay moa no inona? tsy izahay no iharanan' ny fimonomononanareo fa Iaveh ihany. Moïse dit : " Yahvé vous donnera ce soir de la viande à manger et, au matin, du pain à satiété, car Yahvé a entendu vos murmures contre lui. Nous, que sommes-nous ? Ce n' est pas contre nous que vont vos murmures, mais contre Yahvé. "
Eks 16.9 And Moses spake unto Aaron, Say unto all the congregation of the children of Israel, Come near before the Lord: for he hath heard your murmurings. Ary hoy Mosesy tamin' i Arona: Lazao amin' ny fiangonana, dia ny Zanak' Isiraely rehetra, hoe: Manatòna eo anatrehan' i Jehovah; fa efa reny ny fimonomononanareo. Ary hoy Moizy tamin' i Aarona: Lazao amin' ny fiangonan' ny zanak' Israely rehetra hoe: Manatòna eo anatrehan' ny Tompo hianareo, fa efa reny ny fimonomononanareo. Moïse dit à Aaron : " Dis à toute la communauté des Israélites : Approchez-vous devant Yahvé, car il a entendu vos murmures. "
...............
Eks 16.11 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Dia hoy Iaveh tamin' i Moizy: Yahvé parla à Moïse et lui dit :
...............
Eks 16.15 And when the children of Israel saw it, they said one to another, It is manna: for they wist not what it was. And Moses said unto them, This is the bread which the Lord hath given you to eat. Ary rehefa hitan' ny Zanak' Isiraely izany, dia nifanontany hoe izy: Inona itony? satria tsy fantany ireny. Dia hoy Mosesy taminy: Itony no mofo izay nomen' i Jehovah ho fihinanareo. Nahita ireny ny zanak' Israely dia nifanontany hoe: Inona itony? satria tsy fantany. Hoy Moizy tamin' izy ireo: Itony no mofo omen' ny Tompo ho fihinanareo. Lorsque les Israélites virent cela, ils se dirent l' un à l' autre : " Qu' est-ce cela ? " car ils ne savaient pas ce que c'était. Moïse leur dit : " Cela, c' est le pain que Yahvé vous a donné à manger.
...............
Eks 16.19 And Moses said, Let no man leave of it till the morning. Ary hoy Mosesy taminy: Aza misy mamela sisa ho tra-maraina. Nilazan' i Moizy izy ireo nataony hoe: Aza misy mamela ho tra-maraina. Moïse leur dit : " Que personne n' en mette en réserve jusqu' au lendemain. "
Eks 16.20 Notwithstanding they hearkened not unto Moses; but some of them left of it until the morning, and it bred worms, and stank: and Moses was wroth with them. Kanefa tsy mba nanaraka ny tenin' i Mosesy izy, fa namela sisa ho tra-maraina ihany ny olona sasany, dia niteraka olitra izany ka maimbo; ary dia tezitra tamin' ny olona Mosesy. Nefa tsy nihaino an' i Moizy izy fa nisy namela ho tra-maraina, ka sady niloak' olitra izany no maimbo. Tezitra tamin' izy ireo Moizy. Certains n'écoutèrent pas Moïse et en mirent en réserve jusqu' au lendemain, mais les vers s' y mirent et cela devint infect. Moïse s' irrita contre eux.
...............
Eks 16.22 And it came to pass, that on the sixth day they gathered twice as much bread, two omers for one man: and all the rulers of the congregation came and told Moses. Ary nony tamin' ny andro fahenina dia nanangona avy sasaka noho ny isan' andro ny olona, dia indroan' ny vata omera ho an' ny isan-olona avy; dia avy ny lohan' ny fiangonana ka nanambara tamin' i Mosesy. Tamin' ny andro fahenina nanangona indroa toraky ny fihinany izy ireo, roa gomora isan' olona. Nanatona an' i Moizy ny filohan' ny vahoaka rehetra nanambara izany taminy ka nilazany hoe: Or le sixième jour, ils recueillirent le double de pain, deux gomor par personne, et tous les chefs de la communauté vinrent l' annoncer à Moïse.
Eks 16.23 And he said unto them, This is that which the Lord hath said, To morrow is the rest of the holy sabbath unto the Lord: bake that which ye will bake to day, and seethe that ye will seethe; and that which remaineth over lay up for you to be kept until the morning. Ary hoy Mosesy taminy: Izao no lazain' i Jehovah: Rahampitso dia tena andro fitsaharana masina ho an' i Jehovah; koa manendasa izay hendasinareo, ary mahandroa izay handrahoinareo, ary izay sisa rehetra dia avelao ho anareo, hotehirizina ho tra-maraina. Izany no nasain' ny Tompo hatao, andro fitsaharana rahampitso, andro sabata, voatokana ho an' ny Tompo; ka endaso amin' ny lafaoro izay hendasinareo, andrahoy izay handrahoinareo, ary tahirizo ny sisa rehetra, avelao ho ampitso maraina. Il leur dit : " Voici ce qu' a dit Yahvé : Demain est un jour de repos complet, un saint sabbat pour Yahvé. Cuisez ce que vous voulez cuire, faites bouillir ce que vous voulez faire bouillir, et tout le surplus, mettez-le en réserve jusqu'à demain. "
Eks 16.24 And they laid it up till the morning, as Moses bade: and it did not stink, neither was there any worm therein. Dia namela izany ho tra-maraina izy, araka izay nandidian' i Mosesy; ary tsy mba maimbo na niteraka olitra izany. Dia navelan' izy ireo notahiriziny ho tra-maraina izay sisa, araka ny tenin' i Moizy, nefa tsy maimbo na niloak' olitra. Ils le mirent en réserve jusqu' au lendemain, comme Moïse l' avait ordonné ; ce ne fut pas infect et il n' y eut pas de vers dedans.
Eks 16.25 And Moses said, Eat that to day; for to day is a sabbath unto the Lord: to day ye shall not find it in the field. Ary hoy Mosesy: Hano ireny anio, fa Sabata ho an' i Jehovah anio, ka anio no tsy hahitanareo azy any an-tsaha. Ary hoy Moizy: Hano anio izay, fa andro sabata fankalazana an' ny Tompo, ka anio hianareo tsy hahita eny an-tsaha. Moïse dit : " Mangez-le aujourd' hui, car ce jour est un sabbat pour Yahvé ; aujourd' hui vous n' en trouveriez pas dans les champs.
...............
Eks 16.28 And the Lord said unto Moses, How long refuse ye to keep my commandments and my laws? Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko? Ka hoy Iaveh tamin' i Moizy: Mandra-pahoviana no handavanareo tsy hitandrina ny didiko sy ny lalàko? Yahvé dit à Moïse : " Jusqu'à quand refuserez-vous d'écouter mes commandements et mes lois ?
...............
Eks 16.32 And Moses said, This is the thing which the Lord commandeth, Fill an omer of it to be kept for your generations; that they may see the bread wherewith I have fed you in the wilderness, when I brought you forth from the land of Egypt. Ary hoy Mosesy: Izao no teny izay nandidian' i Jehovah: Analao eran' ny vata omera izy hotehirizina hatramin' ny taranakareo fara mandimby, mba ho hitany ny mofo izay nampihinaniko anareo tany an-efitra, raha nitondra anareo nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta Aho. Hoy Moizy: Izao no didin' ny Tompo: Fenoy izany ny gomora iray, ka tehirizo ho an' ny taranakareo, mba hahitany ny mofo namelomako anareo taty an' efitra raha namoaka anareo avy any amin' ny tany Ejipta aho. Moïse dit : " Voici ce qu' a ordonné Yahvé : Remplissez-en un gomor et préservez-le pour vos descendants, afin qu' ils voient le pain dont je vous ai nourris dans le désert, quand je vous ai fait sortir du pays d'Égypte. "
Eks 16.33 And Moses said unto Aaron, Take a pot, and put an omer full of manna therein, and lay it up before the Lord, to be kept for your generations. Ary hoy Mosesy tamin' i Arona: Makà vilany, ka asio mana eran' ny vata omera eo anatiny, dia apetraho eo anatrehan' i Jehovah mba hotehirizina hatramin' ny taranakareo fara mandimby. Ary hoy Moizy tamin' i Aarona: Makà kapoaka iray, asio mana iray gomora, ka apetraho eo anatrehan' ny Tompo hotehirizina ho an' ny taranakareo. Moïse dit à Aaron : " Prends un vase, mets-y un plein gomor de manne et place-le devant Yahvé afin de le préserver pour vos générations. "
Eks 16.34 As the Lord commanded Moses, so Aaron laid it up before the Testimony, to be kept. Ary araka izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy no nametrahan' i Arona izany teo anatrehan' ny Vavolombelona mba hotehirizina. Dia napetrak' i Aarona teo anatrehan' ny Vavolombelona izany, mba hotehirizina, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse, Aaron le plaça devant le Témoignage, pour qu' il y soit préservé.
...............
Eks 17.2 Wherefore the people did chide with Moses, and said, Give us water that we may drink. And Moses said unto them, Why chide ye with me? wherefore do ye tempt the Lord? Dia nila ady tamin' i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Omeo rano izahay mba hosotroinay. Fa hoy Mosesy taminy: Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy an' i Jehovah ianareo? Ka nila kisa tamin' i Moizy ny vahoaka, nanao hoe: Omeo rano izahay, hosotroinay. Fa hoy Moizy namaly azy ireo: Nahoana no dia mila kisa amiko hianareo? Nahoana no dia maka fanahy an' ny Tompo hianareo? Celui-ci s' en prit à Moïse ; ils dirent : " Donne-nous de l' eau, que nous buvions !" Moïse leur dit : " Pourquoi vous en prenez-vous à moi ? Pourquoi mettez-vous Yahvé à l'épreuve ? "
Eks 17.3 And the people thirsted there for water; and the people murmured against Moses, and said, Wherefore is this that thou hast brought us up out of Egypt, to kill us and our children and our cattle with thirst? Ary nangetaheta teo ny olona, dia nimonomonona tamin' i Mosesy izy ka nanao hoe: Nahoana ianao no nitondra anay niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta anay sy ny zanakay ary ny bibinay? Teo ihany anefa ny vahoaka main' ny hetaheta, ka nimonomonona tamin' i Moizy nanao hoe: Ahoana no nampiakaranao anay hiala tany Ejipta, hahafatin' ny hetaheta anay sy ny zanakay mbamin' ny bibinay? Le peuple y souffrit de la soif, le peuple murmura contre Moïse et dit : " Pourquoi nous as-tu fait monter d'Égypte ? Est-ce pour me faire mourir de soif, moi, mes enfants et mes bêtes ? "
Eks 17.4 And Moses cried unto the Lord, saying, What shall I do unto this people? they be almost ready to stone me. Ary Mosesy nitaraina tamin' i Jehovah ka nanao hoe: Ahoana no hataoko amin' ireto olona ireto? fa mila hitora-bato ahy izy. Dia nitaraina tamin' ny Tompo Moizy nanao hoe: Inona no hataoko ho an' ity vahoaka ity, fa kely foana sisa tsy hitorahany vato ahy? Moïse cria vers Yahvé en disant : " Que ferai-je pour ce peuple ? Encore un peu et ils me lapideront. "
Eks 17.5 And the Lord said unto Moses, Go on before the people, and take with thee of the elders of Israel; and thy rod, wherewith thou smotest the river, take in thine hand, and go. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Mandrosoa eo alohan' ny olona, ary itondray hiaraka aminao ny loholon' ny Isiraely; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an' i Neily, dia ento eny an-tananao, ka mandehana. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Mialohà ny vahoaka ka ento hiaraka aminao ny loholon' Israely, ataovy an-tànanao koa ny tehinao nikapohanao ny ony, dia mandehana. Yahvé dit à Moïse : " Passe en tête du peuple et prends avec toi quelques anciens d' Israël ; prends en main ton bâton, celui dont tu as frappé le Fleuve, et va.
Eks 17.6 Behold, I will stand before thee there upon the rock in Horeb; and thou shalt smite the rock, and there shall come water out of it, that the people may drink. And Moses did so in the sight of the elders of Israel. Ary, indro, hijanona eo anatrehanao eo ambonin' ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny harambato ianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin' ny olona. Dia nanao izany Mosesy teo imason' ny loholon' ny Isiraely. Fa indro aho hitsangana eo anoloanao ao amin' ilay vatolampy izay any Horeba; hikapoka ny vatolampy hianao, dia hivoaka rano ary hisotro ny vahoaka. Nataon' i Moizy teo anatrehan' ny loholon' Israely izany, Voici que je vais me tenir devant toi, là sur le rocher -en Horeb-, tu frapperas le rocher, l' eau en sortira et le peuple boira. " C' est ce que fit Moïse, aux yeux des anciens d' Israël.
...............
Eks 17.8 Then came Amalek, and fought with Israel in Rephidim. Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin' ny Isiraely tao Refidima. Amaleka nandroso hanafika an' Israely tao Rafidima, ka hoy Moizy tamin' i Josoe: Les Amalécites survinrent et combattirent contre Israël à Rephidim.
Eks 17.9 And Moses said unto Joshua, Choose us out men, and go out, fight with Amalek: to morrow I will stand on the top of the hill with the rod of God in mine hand. Dia hoy Mosesy tamin' i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin' ny Amalekita; rahampitso dia hijoro eo an-tampon' ny havoana aho ka hitana ny tehin' Andriamanitra etý an-tanako. Mifantena lehilahy hianao dia handeha hiady amin' i Amaleka; izaho kosa rahampitso hijoro eo an-tampon' ny havoana, mitana ny tehin' Andriamanitra ao an-tànako. Moïse dit alors à Josué : " Choisis-toi des hommes et demain, sors combattre Amaleq ; moi, je me tiendrai au sommet de la colline, le bâton de Dieu à la main. "
Eks 17.10 So Joshua did as Moses had said to him, and fought with Amalek: and Moses, Aaron, and Hur went up to the top of the hill. Ary Josoa dia nanao araka izay efa nolazain' i Mosesy taminy, ka niady tamin' ny Amalekita izy; ary Mosesy sy Arona sy Hora kosa niakatra ho ao an-tampon' ny havoana. Dia nataon' i Josoe izay nandidian' i Moizy azy, dia niady amin' i Amaleka izy; fa Moizy sy Aarona ary Hora kosa niakatra tany an-tampon' ny havoana. Josué fit ce que lui avait dit Moïse, il sortit pour combattre Amaleq, et Moïse, Aaron et Hur montèrent au sommet de la colline.
Eks 17.11 And it came to pass, when Moses held up his hand, that Israel prevailed: and when he let down his hand, Amalek prevailed. Ary raha nasandratr' i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita. Raha nasandratr' i Moizy ny tànany dia Israely no nahery; fa raha nitambotsotra kosa ny tànany, Amaleka no nahomby. Lorsque Moïse tenait ses mains levées, Israël l' emportait, et quand il les laissait retomber, Amaleq l' emportait.
Eks 17.12 But Moses hands were heavy; and they took a stone, and put it under him, and he sat thereon; and Aaron and Hur stayed up his hands, the one on the one side, and the other on the other side; and his hands were steady until the going down of the sun. Fa efa vizana ny tanan' i Mosesy; ka dia naka vato izy roa lahy, ka nataony teo ambanin' i Mosesy hipetrahany; ary Arona sy Hora dia nanohana ny tànany, ka ny iray tamin' ny anila, ary ny iray kosa tamin' ny anila; dia naharitra tsy nidina intsony ny tànany mandra-pahafatin' ny masoandro. Nony efa vizana ny tànan' i Moizy, naka vato izy ireo, nataony teo ambaniny, dia nipetrahany, ary Aarona sy Hora kosa nanohana ny tànany avy eo ankilany avy, ka tsy niketraka intsony ny tànany mandra-pilentiky ny masoandro. Comme les mains de Moïse s' alourdissaient, ils prirent une pierre et la mirent sous lui. Il s' assit dessus tandis qu' Aaron et Hur lui soutenaient les mains, l' un d' un côté, l' autre de l' autre. Ainsi ses mains restèrent-elles fermes jusqu' au coucher du soleil.
...............
Eks 17.14 And the Lord said unto Moses, Write this for a memorial in a book, and rehearse it in the ears of Joshua: for I will utterly put out the remembrance of Amalek from under heaven. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Soraty eo amin' ny boky izany ho fahatsiarovana, ka ambarao amin' i Josoa; fa hofoanako tokoa ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eny ambanin' ny lanitra. Ka hoy Iaveh tamin' i Moizy: Soraty izany ho fahatsiarovana amin' ny boky; ary ambarao amin' i Josoa fa hofoanako eo ambanin' ny lanitra ny fahatsiarovana an' i Amaleka. Yahvé dit alors à Moïse : " Écris cela dans un livre pour en garder le souvenir, et déclare à Josué que j' effacerai la mémoire d' Amaleq de dessous les cieux. "
Eks 17.15 And Moses built an altar, and called the name of it Jehovahnissi: Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisi. Dia nanorina otely Moizy, ka nomeny anarana hoe: Iaveh-Nesi. Puis Moïse bâtit un autel qu' il nomma Yahvé-Nissi
Eks 18.1 When Jethro, the priest of Midian, Moses' father in law, heard of all that God had done for Moses, and for Israel his people, and that the Lord had brought Israel out of Egypt; Ary efa ren' i Jetro, mpisorona tao Midiana, rafozan' i Mosesy, izay rehetra nataon' Andriamanitra ho an' i Mosesy sy ny Isiraely olony, dia ny nitondran' i Jehovah ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta. Ren' i Jetrao, mpisorona ao Madiana, rafozan' i Moizy, ny soa rehetra nataon' Andriamanitra tamin' i Moizy sy Israely vahoakany, ny namoahan' ny Tompo an' Israely tany Ejipta. Jéthro, prêtre de Madiân, beau-père de Moïse, entendit raconter tout ce que Dieu avait fait pour Moïse et pour Israël son peuple : comment Yahvé avait fait sortir Israël d'Égypte.
Eks 18.2 Then Jethro, Moses' father in law, took Zipporah, Moses' wife, after he had sent her back, Dia nentin' i Jetro, rafozan' i Mosesy, Zipora, vadin' i Mosesy, rehefa nampivereniny izy, Nentin' i Jetrao rafozan' i Moizy, Seforà, vadin' i Moizy, izay efa nampodiny, Jéthro, le beau-père de Moïse, prit Çippora, la femme de Moïse, après qu' il l' eut renvoyée,
Eks 18.3 And her two sons; of which the name of the one was Gershom; for he said, I have been an alien in a strange land: ary ny zanany mirahalahy: Gersoma no anaran' ny anankiray, fa hoy izy: Efa vahiny atý amin' ny tanin' ny firenena hafa aho; mbamin' ny zanak' i Seforà roa lahy; ny iray natao hoe: Gersama; fa hoy Moizy: vahiny aty an-tany hafa aho, ainsi que ses deux fils. L' un s' appelait Gershom car, avait-il dit, " Je suis un immigré en terre étrangère ",
...............
Eks 18.5 And Jethro, Moses' father in law, came with his sons and his wife unto Moses into the wilderness, where he encamped at the mount of God: Dia tonga Jetro, rafozan' i Mosesy, nitondra ny vady aman-janak' i Mosesy hankany aminy tany an-efitra, izay nitobiany teo anilan' ny tendrombohitr' Andriamanitra: Jetrao rafozan' i Moizy niaraka tamin' ny zanak' i Moizy sy ny vadiny, dia tonga nanatona azy tany an' efitra nitobiany, tany an-tendrombohitr' Andriamanitra; Jéthro, le beau-père de Moïse, vint trouver Moïse avec ses fils et sa femme au désert où il campait, à la montagne de Dieu.
Eks 18.6 And he said unto Moses, I thy father in law Jethro am come unto thee, and thy wife, and her two sons with her. dia nampilaza tamin' i Mosesy izy ka nanao hoe: Izaho Jetro rafozanao avy hamangy anao, ary ny vadinao mbamin' ny zanany roa lahy koa. ka nampilaza tamin' i Moizy hoe: Tonga aty aminao aho, izaho Jetrao rafozanao mbamin' ny vadiano sy ny zanany roalahy miaraka aminy. L' on dit à Moïse : " Voici ton beau-père Jéthro qui vient vers toi, accompagné de ta femme avec ses deux fils. "
Eks 18.7 And Moses went out to meet his father in law, and did obeisance, and kissed him; and they asked each other of their welfare; and they came into the tent. Ary Mosesy nivoaka hitsena ny rafozany, dia niankohoka sady nanoroka azy; ary nifampiarahaba izy mianaka, dia niditra tao an-day. Dia nivoaka hitsena ny rafozany Moizy; ka niankohoka sy nanoroka azy; ary rahefa nifanontany ny toe-pahasalamany avy izy aloha dia niditra tao an-dain' i Moizy. Moïse sortit à la rencontre de son beau-père, se prosterna devant lui, l' embrassa et, s'étant mutuellement interrogés sur leur santé, ils se rendirent à la tente.
Eks 18.8 And Moses told his father in law all that the Lord had done unto Pharaoh and to the Egyptians for Israel' s sake, and all the travail that had come upon them by the way, and how the Lord delivered them. Ary nambaran' i Mosesy tamin' ny rafozany izay rehetra efa nataon' i Jehovah tamin' i Farao sy tamin' ny Egyptiana noho ny amin' ny Isiraely, mbamin' ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana, sy ny namonjen' i Jehovah azy. Notantarain' i Moizy tamin' ny rafozany avokoa ny nataon' ny Tompo tamin' i Faraona sy ny Ejipsiana, noho ny amin' Israely; ny fahoriana rehetra nanjò azy teny an-dàlana, ary ny namonjen' ny Tompo azy. Moïse raconta à son beau-père tout ce que Yahvé avait fait à Pharaon et aux Égyptiens à cause d' Israël, ainsi que toutes les tribulations qu' ils avaient rencontrées en chemin, et dont Yahvé les avait délivrés.
...............
Eks 18.12 And Jethro, Moses' father in law, took a burnt offering and sacrifices for God: and Aaron came, and all the elders of Israel, to eat bread with Moses' father in law before God. Ary Jetro, rafozan' i Mosesy, nitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an' Andriamanitra; dia nankao Arona sy ny loholon' ny Isiraely rehetra hiara-mihinan-kanina amin' ny rafozan' i Mosesy teo anatrehan' Andriamanitra. Dia nanolotra sorona dorana sy fanatitra tamin' Andriamanitra Jetrao, rafozan' i Moizy. Ary Aarona mbamin' ny loholon' Israely rehetra dia tonga niara-nisakafo tamin' ny rafozan' i Moizy avokoa teo anatrehan' Andriamanitra. Jéthro, le beau-père de Moïse, offrit à Dieu un holocauste et des sacrifices. Aaron et tous les anciens d' Israël vinrent manger avec le beau-père de Moïse en présence de Dieu.
Eks 18.13 And it came to pass on the morrow, that Moses sat to judge the people: and the people stood by Moses from the morning unto the evening. Ary nony maraina dia nipetraka hitsara ny olona Mosesy; ka dia nijanona teo anatrehan' i Mosesy ny olona hatramin' ny maraina ka hatramin' ny hariva. Nony ampitso nipetraka hitsara ny vahoaka Moizy, ka nitsangana teo anatrehany, hatramin' ny maraina ka hatramin' ny hariva, ny vahoaka. Le lendemain, Moïse s' assit pour rendre la justice au peuple, tandis que le peuple demeurait debout auprès de lui du matin au soir.
Eks 18.14 And when Moses' father in law saw all that he did to the people, he said, What is this thing that thou doest to the people? why sittest thou thyself alone, and all the people stand by thee from morning unto even? Ary rehefa hitan' ny rafozan' i Mosesy izay rehetra nataony tamin' ny olona, dia hoy izy: Inona izao zavatra ataonao amin' ny olona izao? Nahoana no ianao irery ihany no mipetraka, fa ny olona rehetra kosa mitsangana eo anatrehanao hatramin' ny maraina ka hatramin' ny hariva? Nony nahita izay rehetra nataon' i Moizy tamin' ny vahoaka ity rafozany, dia nanao hoe: Inona ity ataonao amin' ireo olona ireo? Nahoana no hianao irery no mipetraka hitsara, ary ny olona rehetra mitsangana eo anatrehanao hatramin' ny maraina ka hatramin' ny hariva? Le beau-père de Moïse, voyant tout ce qu' il faisait pour le peuple, lui dit : " Comment t' y prends-tu pour traiter seul les affaires du peuple ? Pourquoi sièges-tu seul alors que tout le peuple se tient auprès de toi du matin au soir ? "
Eks 18.15 And Moses said unto his father in law, Because the people come unto me to enquire of God: Ary hoy Mosesy tamin' ny rafozany: Satria mankaty amiko ny olona hanontany amin' Andriamanitra. Ary hoy Moizy tamin' ny rafozany: Ka inona moa fa manatona ahy ny olona hanontany hevitra amin' Andriamanitra. Moïse dit à son beau-père : " C' est que le peuple vient à moi pour consulter Dieu.
...............
Eks 18.17 And Moses' father in law said unto him, The thing that thou doest is not good. Ary hoy ny rafozan' i Mosesy taminy; Tsy tsara izao zavatra ataonao izao. Fa hoy ny rafozan' i Moizy taminy: Tsy tsara izao ataonao izao. Le beau-père de Moïse lui dit : " Tu t' y prends mal !
...............
Eks 18.24 So Moses hearkened to the voice of his father in law, and did all that he had said. Dia neken' i Mosesy ny tenin' ny rafozany, ka nataony avokoa izay rehetra efa nolazainy. Neken' i Moizy ny tenin-drafozany ary nataony avokoa izay nolazainy; Moïse suivit le conseil de son beau-père et fit tout ce qu' il lui avait dit.
Eks 18.25 And Moses chose able men out of all Israel, and made them heads over the people, rulers of thousands, rulers of hundreds, rulers of fifties, and rulers of tens. Dia nofidin' i Mosesy izay lehilahy mahay tamin' ny Isiraely rehetra ka nataony lohan' ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo. fa nifidy izay lehilahy mahay tamin' Israely rehetra izy, ka notendreny teo amin' ny vahoaka ireo ho tompon' arivo sy tompon-jato, ary mpifehy dimam-polo amam-pifehy folo. Moïse choisit dans tout Israël des hommes capables, et il les mit chefs du peuple : chefs de milliers, chefs de centaines, chefs de cinquantaines et chefs de dizaines.
Eks 18.26 And they judged the people at all seasons: the hard causes they brought unto Moses, but every small matter they judged themselves. Dia nitsara ny olona mandrakariva ireo; koa ny ady sarotra ihany no nentiny tao amin' i Mosesy, fa ny ady madinika rehetra kosa dia notsarainy ihany. Dia ireo no nitsara ny vahoaka mandrakariva; ny raharaha lehibe nentiny teo anatrehan' i Moizy; ny raharaha madinika notapahan' izy ireo ihany. Et ils jugeaient le peuple en tout temps. Toute affaire importante, ils la déféraient à Moïse, et toute affaire mineure, ils la jugeaient eux-mêmes.
Eks 18.27 And Moses let his father in law depart; and he went his way into his own land. Ary Mosesy namoaka ny rafozany; ka dia lasa nody any amin' ny taniny izy. Nanao veloma ny rafozany Moizy, dia lasa nody any amin' ny taniny Jetrao. Puis Moïse laissa repartir son beau-père qui reprit le chemin de son pays.
...............
Eks 19.3 And Moses went up unto God, and the Lord called unto him out of the mountain, saying, Thus shalt thou say to the house of Jacob, and tell the children of Israel; Ary Mosesy niakatra ho ao amin' Andriamanitra, dia niantso azy Jehovah tao an-tendrombohitra ka nanao hoe: Izao no holazainao amin' ny taranak' i Jakoba sy hambaranao amin' ny Zanak' Isiraely: Niakatra ho ao amin' Andriamanitra Moizy, dia nantsoin' ny Tompo tao an-tampon-tendrombohitra izy, ka nilazany hoe: Izao no holazainao amin' ny taranak' i Jakoba sy hambaranao amin' ny zanak' Israely: Moïse alors monta vers Dieu. Yahvé l' appela de la montagne et lui dit : " Tu parleras ainsi à la maison de Jacob, tu déclareras aux Israélites :
...............
Eks 19.7 And Moses came and called for the elders of the people, and laid before their faces all these words which the Lord commanded him. Dia nandeha Mosesy ka nampaka ny loholon' ny vahoaka, dia nalahany teo anatrehany ireo teny rehetra ireo, izay nandidian' i Jehovah azy. Tonga Moizy dia niantso ny loholon' ny vahoaka; noborahiny teo anatrehan' izy ireo avokoa ireo teny ireo, araka ny nandidian' ny Tompo azy. Moïse alla et convoqua les anciens du peuple et leur exposa tout ce que Yahvé lui avait ordonné,
Eks 19.8 And all the people answered together, and said, All that the Lord hath spoken we will do. And Moses returned the words of the people unto the Lord. Dia namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain' i Jehovah dia hataonay. Ary dia nentin' i Mosesy tao amin' i Jehovah kosa ny tenin' ny olona. Ka indray namaly ny vahoaka rehetra nanao hoe: Hataonay avokoa izay rehetra voalazan' ny Tompo. Dia lasa Moizy nitondra ny tenin' ny vahoaka tany amin' ny Tompo, et le peuple entier, d' un commun accord, répondit : " Tout ce que Yahvé a dit, nous le ferons. " Moïse rapporta à Yahvé les paroles du peuple.
Eks 19.9 And the Lord said unto Moses, Lo, I come unto thee in a thick cloud, that the people may hear when I speak with thee, and believe thee for ever. And Moses told the words of the people unto the Lord. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin' ny rahona maizina, mba ho ren' ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran' i Mosesy tamin' i Jehovah ny tenin' ny olona. ka hoy Iaveh tamin' i Moizy: Indro fa hankeo aminao ao anatin' ny rahona matevina aho, mba ho ren' ny olona rahefa miteny aminao aho, dia hinoany anao mandrakariva koa. Ary nolazain' i Moizy tamin' ny Tompo ny tenin' ny vahoaka. Yahvé dit à Moïse : " Je vais venir à toi dans l'épaisseur de la nuée, afin que le peuple entende quand je parlerai avec toi et croie en toi pour toujours. " Et Moïse rapporta à Yahvé les paroles du peuple.
Eks 19.10 And the Lord said unto Moses, Go unto the people, and sanctify them to day and to morrow, and let them wash their clothes, Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Mandehana ho eny amin' ny olona, ka manamasina azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy: Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Mandehana mankany amin' ny vahoaka, ka hamasino izy anio sy ampitso, ary asaovy sasàny ny fitafiany. Yahvé dit à Moïse : " Va trouver le peuple et fais-le se sanctifier aujourd' hui et demain ; qu' ils lavent leurs vêtements
...............
Eks 19.14 And Moses went down from the mount unto the people, and sanctified the people; and they washed their clothes. Dia nidina avy tao amin' ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin' ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany. Dia nidina avy any an-tendrombohitra Moizy nankeo amin' ny vahoaka ka nanamasina azy, ary nanasa ny fitafiany izy ireo. Moïse descendit de la montagne et vint trouver le peuple qu' il fit se sanctifier, et ils lavèrent leurs vêtements.
...............
Eks 19.17 And Moses brought forth the people out of the camp to meet with God; and they stood at the nether part of the mount. Ary Mosesy nitondra ny olona nivoaka avy teo an-toby mba hihaona amin' Andriamanitra; dia nijanona teo am-bodin' ny tendrombohitra izy. Nentin' i Moizy nivoaka ny toby ny vahoaka, handeha hihaona amin' Andriamanitra; dia teo am-pototry ny tendrombohitra izy ireo no nijanona. Moïse fit sortir le peuple du camp, à la rencontre de Dieu, et ils se tinrent au bas de la montagne.
...............
Eks 19.19 And when the voice of the trumpet sounded long, and waxed louder and louder, Moses spake, and God answered him by a voice. Ary rehefa notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy. Nihamafy nihamafy ihany ny feon' anjomara. Ary niteny Moizy, ka namaly feo azy Andriamanitra. Le son de trompe allait en s' amplifiant ; Moïse parlait et Dieu lui répondait dans le tonnerre.
Eks 19.20 And the Lord came down upon mount Sinai, on the top of the mount: and the Lord called Moses up to the top of the mount; and Moses went up. Ary Jehovah nidina nankeo an-tendrombohitra Sinay, dia teo an-tampon' ny tendrombohitra; ary Jehovah niantso an' i Mosesy hankeo an-tampon' ny tendrombohitra; dia niakatra Mosesy. Nidina Iaveh nankeo an-tendrombohitra Sinaia, dia teo an-tampon' ny tendrombohitra izany; ary Iaveh niantso an' i Moizy ho ao an-tampon' ny tendrombohitra, dia niakatra Moizy. Yahvé descendit sur la montagne du Sinaï, au sommet de la montagne. Yahvé appela Moïse au sommet de la montagne et Moïse monta.
Eks 19.21 And the Lord said unto Moses, Go down, charge the people, lest they break through unto the Lord to gaze, and many of them perish. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Midìna, ka pepero ny olona, fandrao hisisika hankao amin' i Jehovah izy mba hijery ka hahafatesana maro. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Midìna ka rarao mafy ny vahoaka tsy hihoatra ny faritra hankaty amin' ny Tompo mba hijery, fandrao hahafatesana maro izy. Yahvé dit à Moïse : " Descends et avertis le peuple de ne pas franchir les limites pour venir voir Yahvé, car beaucoup d' entre eux périraient.
...............
Eks 19.23 And Moses said unto the Lord, The people cannot come up to mount Sinai: for thou chargedst us, saying, Set bounds about the mount, and sanctify it. Ary hoy Mosesy tamin' i Jehovah: Tsy mahazo miakatra ho eto amin' ny tendrombohitra Sinay ny olona; fa Hianao nandidy anay ka nanao hoe: Fefeo ny tendrombohitra, ka hamasino izy. Dia hoy Moizy tamin Íaveh: Tsy hahazo miakatra ny tendrombohitra Sinaia ny vahoaka, satria efa voararanao mafy izahay nilazanao hoe: Asio faritra manodidina ny tendrombohitra, ka hamasino izy. Moïse dit à Yahvé : " Le peuple ne peut pas gravir la montagne du Sinaï puisque toi-même tu nous as avertis : délimite la montagne et déclare-la sacrée. "
...............
Eks 19.25 So Moses went down unto the people, and spake unto them. Ary Mosesy dia nidina nankeny amin' ny olona ka niteny taminy. Dia nidina nankeo amin' ny vahoaka Moizy, nilaza izany. Moïse descendit alors vers le peuple et lui dit:
...............
Eks 20.19 And they said unto Moses, Speak thou with us, and we will hear: but let not God speak with us, lest we die. Dia hoy izy tamin' i Mosesy: Aoka ihany ianao no hiteny aminay, dia hihaino izahay; fa aza Andriamanitra no miteny aminay, fandrao maty izahay. Ary hoy izy tamin' i Moizy: Hianao ihany no aoka hiteny aminay dia hohenoinay; fa aoka tsy ho Andriamanitra no hiteny aminay, fandrao dia maty izahay. Ils dirent à Moïse : " Parle-nous, toi, et nous t'écouterons ; mais que Dieu ne nous parle pas, car alors c' est la mort. "
Eks 20.20 And Moses said unto the people, Fear not: for God is come to prove you, and that his fear may be before your faces, that ye sin not. Dia hoy Mosesy tamin' ny olona: Aza matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hizaha toetra anareo, ary mba ho eo anatrehan' ny tavanareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo. Fa hoy Moizy tamin' ny vahoaka: Aza matahotra hianareo fa ny hizaha toetra anareo no nahatongavan' Andriamanitra, ka ho eo aminareo ny fahatahorana azy, mba tsy hanotanareo. Moïse dit au peuple : " Ne craignez pas. C' est pour vous mettre à l'épreuve que Dieu est venu, pour que sa crainte vous demeure présente et que vous ne péchiez pas. "
Eks 20.21 And the people stood afar off, and Moses drew near unto the thick darkness where God was. Dia nijanona teny lavitra eny ny olona, fa Mosesy kosa nanakaiky ny aizim-pito, izay nitoeran' Andriamanitra. Dia nijanona teny lavitra eny ihany ny vahoaka, fa Moizy no nanatona ny rahona izay nisy an' Andriamanitra. Le peuple se tint à distance et Moïse s' approcha de la nuée obscure où était Dieu.
Eks 20.22 And the Lord said unto Moses, Thus thou shalt say unto the children of Israel, Ye have seen that I have talked with you from heaven. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Izao no lazaonao amin' ny Zanak' Isiraely: Hianareo efa nahita fa tany an-danitra no nitenenako taminareo. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Hilaza amin' ny zanak' Israely hianao hanao hoe: Efa nahita hianareo izay, fa niteny taminareo aho tany an-danitra. Yahvé dit à Moïse : " Tu parleras ainsi aux Israélites : Vous avez vu vous-mêmes comment je vous ai parlé du haut du ciel.
Eks 24.1 And he said unto Moses, Come up unto the Lord, thou, and Aaron, Nadab, and Abihu, and seventy of the elders of Israel; and worship ye afar off. Ary hoy Izy tamin' i Mosesy: Miakara ao amin' i Jehovah ianao sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy amin' ny loholon' ny Isiraely; ka miankohofa eny lavitra eny ianareo; Ary hoy Andriamanitra tamin' i Moizy: Miakara aty amin' ny Tompo hianao sy Aarona. Nadaba sy Abio, ary loholona fito-polo amin' Israely, ka mbola lavitra dia miankohofa. Il dit à Moïse : " Montez vers Yahvé, toi, Aaron, Nadab, Abihu et soixante-dix des anciens d' Israël, et vous vous prosternerez à distance.
Eks 24.2 And Moses alone shall come near the Lord: but they shall not come nigh; neither shall the people go up with him. nefa Mosesy ihany no hanakaiky an' i Jehovah, fa ireo tsy mba hanakaiky; ary ny olona tsy hiakatra homba azy. Moizy irery no hanakaiky an' ny Tompo, fa ireo hafa tsy hanakaiky; ary ny vahoaka tsy hiara-miakatra aminy. Moïse s' approchera seul de Yahvé. Eux n' approcheront pas et le peuple ne montera pas avec lui. "
Eks 24.3 And Moses came and told the people all the words of the Lord, and all the judgments: and all the people answered with one voice, and said, All the words which the Lord hath said will we do. Dia tonga Mosesy ka nanambara tamin' ny olona ny teny rehetra izay nataon' i Jehovah sy ny fitsipika rehetra. Ary namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Ny teny rehetra izay nolazain' i Jehovah dia hataonay. Dia tonga Moizy, nitondra tamin' ny vahoaka ny tenin' ny Tompo rehetra sy ny lalàna rehetra, ka indray niredona ny vahoaka ka namaly hoe: Izay teny rehetra voalazan' ny Tompo dia hotanterahinay avokoa. Moïse vint rapporter au peuple toutes les paroles de Yahvé et toutes les lois, et tout le peuple répondit d' une seule voix ; ils dirent : " Toutes les paroles que Yahvé a prononcées, nous les mettrons en pratique. "
Eks 24.4 And Moses wrote all the words of the Lord, and rose up early in the morning, and builded an altar under the hill, and twelve pillars, according to the twelve tribes of Israel. Ary Mosesy nanoratra ny teny rehetra nataon' i Jehovah, dia nifoha maraina koa ka nanorina alitara teo am-bodin' ny tendrombohitra sy tsangam-bato roa ambin' ny folo, araka ny firenen' Isiraely roa ambin' ny folo. Nosoratan' i Moizy avokoa ny tenin' ny Tompo. Dia nifoha maraina koa izy, nanorina otely teo am-pototry ny tendrombohitra sy nanangana tsangam-bato roa ambin' ny folo ho an' ny fokon' Israely roa ambin' ny folo. Moïse mit par écrit toutes les paroles de Yahvé puis, se levant de bon matin, il bâtit un autel au bas de la montagne et douze stèles pour les douze tribus d' Israël.
...............
Eks 24.6 And Moses took half of the blood, and put it in basons; and half of the blood he sprinkled on the altar. Ary nalain' i Mosesy ny antsasaky ny rà ka nataony teo anaty lovia, ary ny antsasaky ny rà kosa natopiny teo amin' ny alitara. nalain' i Moizy ny antsasaky ny rà nataony teo amin' ny tany, ary ny antsasany nararany teo ambony otely. Moïse prit la moitié du sang et la mit dans des bassins, et l' autre moitié du sang, il la répandit sur l' autel.
...............
Eks 24.8 And Moses took the blood, and sprinkled it on the people, and said, Behold the blood of the covenant, which the Lord hath made with you concerning all these words. Ary nalain' i Mosesy ny rà ka natopiny tamin' ny olona, dia hoy izy: Indro ny ran' ny fanekena izay nataon' i Jehovah taminareo ny amin' izany teny rehetra izany. Dia nalain' i Moizy ny rà, nafafiny tamin' ny vahoaka sy nolazainy hoe: Ity no ràn' ny fanekena nataon' ny Tompo taminareo momba izany teny rehetra izany. Moïse, ayant pris le sang, le répandit sur le peuple et dit : " Ceci est le sang de l' Alliance que Yahvé a conclue avec vous moyennant toutes ces clauses. "
Eks 24.9 Then went up Moses, and Aaron, Nadab, and Abihu, and seventy of the elders of Israel: Dia niakatra Mosesy sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy tamin' ny loholon' ny Isiraely. Niakatra Moizy, nomban' i Aarona sy Nadaba ary Abio mbamin' ny fito-polo lahy tamin' ny loholon' Israely, Moïse monta, ainsi qu' Aaron, Nadab, Abihu et soixante-dix des anciens d' Israël.
...............
Eks 24.12 And the Lord said unto Moses, Come up to me into the mount, and be there: and I will give thee tables of stone, and a law, and commandments which I have written; that thou mayest teach them. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Miakara eto amiko eto an-tendrombohitra ka mitoera eto, dia homeko anao ny vato fisaka izay misy ny lalàna sy ny didy, izay nosoratako hampianarina azy. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Miakara aty amiko eto an-tendrombohitra ka mijanòna eo, fa homeko anao ny vato fisaka, ny didy aman-dalàna nosoratako hampianarina azy ireo. Yahvé dit à Moïse : " Monte vers moi sur la montagne et demeure là, que je te donne les tables de pierre - la loi et le commandement - que j' ai écrites pour leur instruction. "
Eks 24.13 And Moses rose up, and his minister Joshua: and Moses went up into the mount of God. Dia niainga Mosesy sy Josoa mpanompony; ary Mosesy dia niakatra tao an-tendrombohitr' Andriamanitra. Dia niainga Moizy nomban' i Josoe mpanompony, nandroso nankeo an-tendrombohitr' Andriamanitra. Moïse se leva, ainsi que Josué son serviteur, et ils montèrent à la montagne de Dieu.
...............
Eks 24.15 And Moses went up into the mount, and a cloud covered the mount. Dia niakatra tao amin' ny tendrombohitra Mosesy, ary ny rahona nanarona ny tendrombohitra. Niakatra tao an-tendrombohitra Moizy, ary nosaronan' ny rahona ny tendrombohitra. Puis Moïse monta sur la montagne. La nuée couvrit la montagne.
Eks 24.16 And the glory of the Lord abode upon mount Sinai, and the cloud covered it six days: and the seventh day he called unto Moses out of the midst of the cloud. Ary ny voninahitr' i Jehovah nitoetra teo ambonin' ny tendrombohitra Sinay, ary ny rahona nanarona azy henemana; dia niantso an' i Mosesy tamin' ny andro fahafito teo afovoan' ny rahona Izy. Nipetraka teo an-tendrombohitra Sinaia ny voninahitry ny Tompo ka saron' ny rahona io nandritra ny henemana. Tamin' ny andro fahafito dia nantsoin' ny Tompo Moizy, tao anatin' ny rahona. La gloire de Yahvé s'établit sur le mont Sinaï, et la nuée le couvrit pendant six jours. Le septième jour, Yahvé appela Moïse du milieu de la nuée.
...............
Eks 24.18 And Moses went into the midst of the cloud, and gat him up into the mount: and Moses was in the mount forty days and forty nights. Dia niditra tao afovoan' ny rahona Mosesy ka niakatra tao amin' ny tendrombohitra; ary nitoetra tao amin' ny tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina Mosesy. Niditra tao anatin' ny rahona Moizy, dia niakatra tao an-tendrombohitra, ka nijanona teo an-tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina Moizy. Moïse entra dans la nuée et monta sur la montagne. Et Moïse demeura sur la montagne quarante jours et quarante nuits.
Eks 25.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Dia niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et lui dit :
...............
Eks 30.11 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe; Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et lui dit :
...............
Eks 30.17 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy koa Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et lui dit :
...............
Eks 30.22 Moreover the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Hoy koa Iaveh tamin' i Moizy: Yahvé parla à Moïse et lui dit :
...............
Eks 30.34 And the Lord said unto Moses, Take unto thee sweet spices, stacte, and onycha, and galbanum; these sweet spices with pure frankincense: of each shall there be a like weight: Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Makà zava-manitra ho anao, dia natafa sy sekeleta sy helbena ary lebona madio; samy hamboarina manokana ireo. Hoy Iaveh tamin' i Moizy: Makà zava-manitra, ditin-kazo, ongila mani-pofona, galbanoma, zava-manitra sy emboka tsy mifaho zavatra hafa, izany rehetra izany ampitovio fatra. Yahvé dit à Moïse : " Prends des aromates : storax, onyx, galbanum, aromates et pur encens, chacun en quantité égale
Eks 31.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary Iaveh niteny tamin' i Moizy nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et lui dit :
...............
Eks 31.12 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé dit à Moïse :
...............
Eks 31.18 And he gave unto Moses, when he had made an end of communing with him upon mount Sinai, two tables of testimony, tables of stone, written with the finger of God. Ary rehefa vita ny teny nataony tamin' i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-tànan' Andriamanitra. Nony tapitra niteny tamin' i Moizy Iaveh, tany an-tendrombohitra Sinaia dia natolony azy ny takelaka roan' ny vavolombelona, takelaka vato nosoratan' ny rantsan-tànan' Andriamanitra. Quand Il eut fini de parler avec Moïse sur le mont Sinaï, Il lui remit les deux tables du Témoignage, tables de pierre écrites du doigt de Dieu.
Eks 32.1 And when the people saw that Moses delayed to come down out of the mount, the people gathered themselves together unto Aaron, and said unto him, Up, make us gods, which shall go before us; for as for this Moses, the man that brought us up out of the land of Egypt, we wot not what is become of him. Ary rehefa hitan' ny olona fa efa ela ka tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany Mosesy, dia niangona ho eo amin' i Arona izy ka nanao taminy hoe: Mitsangana, ka anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin' ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy, Nony hitan' ny vahoaka fa efa naharitra ela Moizy nefa tsy mbola nidina avy tany an-tendrombohitra, dia nivory teo amin' i Aarona izy, ka nanao taminy hoe: Ndeha anaovy andriamanitra hialoha làlana anay izahay. Fa raha ny amin' iny Moizy iny, ilay lehilahy nitondra anay niakatra avy tany amin' ny tany Ejipta, tsy fantatray na naninona izy na naninona. Quand le peuple vit que Moïse tardait à descendre de la montagne, le peuple s' assembla auprès d' Aaron et lui dit : " Allons, fais-nous un dieu qui aille devant nous, car ce Moïse, l' homme qui nous a fait monter du pays d'Égypte, nous ne savons pas ce qui lui est arrivé. "
...............
Eks 32.7 And the Lord said unto Moses, Go, get thee down; for thy people, which thou broughtest out of the land of Egypt, have corrupted themselves: Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Mandehana midina ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao niakatra avy tany amin' ny tany Egypta. Dia hoy Iaveh tamin' i Moizy: Mandehana midina hianao fa nanao ratsy be vava ilay vahoakanao nentinao niakatra avy any amin' ny tany Ejipta. Yahvé dit alors à Moïse : " Allons !descends, car ton peuple que tu as fait monter du pays d'Égypte s' est perverti.
...............
Eks 32.9 And the Lord said unto Moses, I have seen this people, and, behold, it is a stiffnecked people: Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Efa hitako io firenena io, fa, indro, firenena mafy hatoka izy. Hoy Iaveh tamin' i Moizy: Hitako fa vahoaka mafy hatoka io vahoaka io. Yahvé dit à Moïse : " J' ai vu ce peuple : c' est un peuple à la nuque raide.
...............
Eks 32.11 And Moses besought the Lord his God, and said, Lord, why doth thy wrath wax hot against thy people, which thou hast brought forth out of the land of Egypt with great power, and with a mighty hand? Fa Mosesy nifona tamin' i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, nahoana ny fahatezeranao no mirehitra amin' ny olonao, izay nentinao nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta tamin' ny hery lehibe sy ny tanana mahery? Nifona tamin' ny Tompo Andriamaniny anefa Moizy ka nanao hoe: Nahoana ny fahatezeranao, Iaveh ô, no dia hirehitra amin' ny vahoakanao, izay navoakanao avy any amin' ny tany Ejipta, tamim-pahefana lehibe aman-tànana mahery? Moïse s' efforça d' apaiser Yahvé son Dieu et dit : " Pourquoi, Yahvé, ta colère s' enflammerait-elle contre ton peuple que tu as fait sortir d'Égypte par ta grande force et ta main puissante ?
...............
Eks 32.15 And Moses turned, and went down from the mount, and the two tables of the testimony were in his hand: the tables were written on both their sides; on the one side and on the other were they written. Ary Mosesy nihodina ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-tànany; ny vato fisaka nosoratana teo amin' ny lafiny roa: dia teo anatrehany sy teo ambadika no nisy ny soratra. Ary Moizy niverina nidina avy any an-tendrombohitra; nitondra teny an-tànany ny takelaka roan' ny vavolombelona, takelaka voasoratra tamin' ny lafiny roa: voasoratra tamin' ny lafiny iray sy tamin' ny lafiny iray koa. Moïse se retourna et descendit de la montagne avec, en main, les deux tables du Témoignage, tables écrites des deux côtés, écrites sur l' une et l' autre face.
...............
Eks 32.17 And when Joshua heard the noise of the people as they shouted, he said unto Moses, There is a noise of war in the camp. Ary rehefa ren' i Josoa ny fitabataban' ny olona izay nihorakoraka, dia hoy izy tamin' i Mosesy: Misy tabataban' ady atsy an-toby. Nony nandre ny tabataban' ny vahoaka nihorakoraka Josoe dia nilaza tamin' i Moizy hoe: Finanananàna toy ny any an' ady izany any amin' ny toby izany. Josué entendit le bruit du peuple qui poussait des cris et il dit à Moïse : " Il y a un bruit de bataille dans le camp !"
Eks 32.18 And he said, It is not the voice of them that shout for mastery, neither is it the voice of them that cry for being overcome: but the noise of them that sing do I hear. Fa hoy kosa izy: Tsy feo fihobian' ny mahery na feo fitomanian' ny resy no reko, fa feon' ny mihira. Fa hoy ny navalin' i Moizy: Tsy mba feo fihobian' ny mpandresy na feo fibabababan' ny resy izany fa feon' olona mihira no reko. Mais il dit :" Ce n' est pas le bruit de chants de victoire, ce n' est pas le bruit de chants de défaite, c' est le bruit de chants alternés que j' entends. "
Eks 32.19 And it came to pass, as soon as he came nigh unto the camp, that he saw the calf, and the dancing: and Moses' anger waxed hot, and he cast the tables out of his hands, and brake them beneath the mount. Ary raha nanakaiky ny toby izy, dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; ary nirehitra ny fahatezeran' i Mosesy, dia natontany ny vato fisaka teny an-tànany ka novakivakiny teo am-bodin' ny tendrombohitra. Nony mby teo akaikin' ny toby izy, dia nahita ny zanak' omby sy ny dihy, ka nirehitra ny fahatezeran' i Moizy, nazerany ny takelaka teny an-tànany, sady novakivakiany teo am-bodin' ny tendrombohitra. Et voici qu' en approchant du camp il aperçut le veau et des choeurs de danse. Moïse s' enflamma de colère ; il jeta de sa main les tables et les brisa au pied de la montagne.
...............
Eks 32.21 And Moses said unto Aaron, What did this people unto thee, that thou hast brought so great a sin upon them? Ary hoy Mosesy tamin' i Arona: Inona no nataon' ity firenena ity taminao, no nitondranao heloka lehibe taminy? Dia hoy Moizy tamin' i Aarona: Fa nataon' ity vahoaka ity ahoana hianao no dia notsindrianao heloka bevava toy izao izy? Moïse dit à Aaron : " Que t' a fait ce peuple pour l' avoir chargé d' un si grand péché ? "
...............
Eks 32.23 For they said unto me, Make us gods, which shall go before us: for as for this Moses, the man that brought us up out of the land of Egypt, we wot not what is become of him. ary hoy izy tamiko: Manaova andriamanitra ho antsika, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin' ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy. Izao no nolazain' izy ireo tamiko: Anaovy andriamanitra izahay hialoha làlana anay, fa raha ny amin' iny Moizy iny, ilay lehilahy nitondra anay niakatra avy tany amin' ny tany Ejipta, tsy fantatray na naninona izy na naninona. Ils m' ont dit : "Fais-nous un dieu qui aille devant nous, car ce Moïse, l' homme qui nous a fait monter du pays d'Égypte, nous ne savons pas ce qui lui est arrivé. "
...............
Eks 32.25 And when Moses saw that the people were naked; (for Aaron had made them naked unto their shame among their enemies:) Ary rehefa hitan' i Mosesy fa natondraka hanaram-po amin' izay tsy mety ny olona, satria efa natondrak' i Arona ho fanakorana eo amin' ny fahavalony izy, Dia hitan' i Moizy fa nanarana tsy voafehy intsony ny vahoaka satria nampanaranin' i Aarona tsy voafehiny, ka efa namela azy ho zary fihomehezan' ny fahavalony izy. Moïse vit que le peuple s'était déchaîné - car Aaron les avait abandonnés à la honte parmi leurs adversaires -
Eks 32.26 Then Moses stood in the gate of the camp, and said, Who is on the Lord' s side? let him come unto me. And all the sons of Levi gathered themselves together unto him. dia nijanona teo amin' ny vavahadin' ny toby Mosesy ka nanao hoe: Izay rehetra an' i Jehovah mankanesa etý amiko. Ary ny taranak' i Levy rehetra niangona teo aminy. Ka dia nijanona teo am-bavahadin' ny toby Moizy, nanao hoe: Mbà tonga aty amiko izay momba an' ny Tompo. Ary ny zanak' i Levì rehetra nivory nankeo aminy. Ka hoy izy tamin' ireo: et Moïse se tint à la porte du camp et dit : " Qui est pour Yahvé, à moi !" Tous les fils de Lévi se groupèrent autour de lui.
...............
Eks 32.28 And the children of Levi did according to the word of Moses: and there fell of the people that day about three thousand men. Dia nanao araka ny tenin' i Mosesy ny taranak' i Levy; ary nahafatesana tokony ho telo arivo lahy ny olona tamin' izany andro izany. Notanterahin' ny zanak' i Levì ny didin' i Moizy, ka nahafatesana sahabo ho telo arivo ny lehilahy tamin' ny vahoaka androtr' izay. Les fils de Lévi firent ce que Moïse avait dit, et du peuple, il tomba ce jour-là environ trois mille hommes.
Eks 32.29 For Moses had said, Consecrate yourselves today to the Lord, even every man upon his son, and upon his brother; that he may bestow upon you a blessing this day. Fa Mosesy efa nilaza hoe: Manokàna ny tenanareo ho an' i Jehovah ianareo anio; eny, samia mamono ny zanany sy ny rahalahiny avy, mba hahazoanareo fitahiana anio. Dia hoy Moizy: Samia manokan-tena amin' ny Tompo hianareo anio, fa efa samy namely ny zanany aman-drahalahiny avy, mba hanomezany tso-drano anareo anio. Moïse dit : " Vous vous êtes aujourd' hui conféré l' investiture pour Yahvé, qui au prix de son fils, qui au prix de son frère, de sorte qu' il vous donne aujourd' hui la bénédiction.
Eks 32.30 And it came to pass on the morrow, that Moses said unto the people, Ye have sinned a great sin: and now I will go up unto the Lord; peradventure I shall make an atonement for your sin. Ary nony maraina dia hoy Mosesy tamin' ny olona: Efa nanao fahotana lehibe ianareo; ary ankehitriny, dia hiakatra ho amin' i Jehovah aho, fa angamba hahazo manao fanavotana ny amin' ny fahotanareo. Nony ampitso, hoy Moizy tamin' ny vahoaka: Efa nahavita heloka bevava hianareo, ka ankehitriny ndeha hiakatra ho any amin' ny Tompo aho, fa angamba hahazo famelana ny fahotanareo aho. Le lendemain, Moïse dit au peuple : " Vous avez commis, vous, un grand péché. Je m' en vais maintenant monter vers Yahvé. Peut-être pourrai-je expier votre péché !"
Eks 32.31 And Moses returned unto the Lord, and said, Oh, this people have sinned a great sin, and have made them gods of gold. Ary Mosesy dia niverina ho ao amin' i Jehovah ka nanao hoe: Indrisy! efa nanao fahotana lehibe ity firenena ity ka efa nanao andriamani-bolamena ho azy. Dia niverina nankany amin' ny Tompo Moizy, ka nanao hoe: Indrisy, efa nahavita heloka bevava io vahoaka io, fa efa nanao andriamanitra volamena ho azy izy ireo. Moïse retourna donc vers Yahvé et dit : " Hélas, ce peuple a commis un grand péché. Ils se sont fabriqué un dieu en or.
...............
Eks 32.33 And the Lord said unto Moses, Whosoever hath sinned against me, him will I blot out of my book. Fa hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Na iza na iza nanota tamiko, dia hovonoiko ny anarany eo amin' ny bokiko. Fa hoy Iaveh tamin' i Moizy: Izay nanota tamiko no hovonoiko anarana amin' ny bokiko. Yahvé dit à Moïse : " Celui qui a péché contre moi, c' est lui que j' effacerai de mon livre.
Eks 33.1 And the Lord said unto Moses, Depart, and go up hence, thou and the people which thou hast brought up out of the land of Egypt, unto the land which I sware unto Abraham, to Isaac, and to Jacob, saying, Unto thy seed will I give it: Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy hoe: Mandehana miakatra hiala atý ianao sy ny firenena izay nentinao niakatra avy tany amin' ny tany Egypta, ho amin' ny tany izay nianianako tamin' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Ny taranakao no homeko azy. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Mandehana, miaingà avy eto, hianao sy ny vahoaka nentinao niakatra avy any amin' ny tany Ejipta, ho any amin' ny tany efa nampanantenaiko tamim-pianianana an' i Abrahama sy Isaaka ary Jakoba nataoko hoe: Homeko ny taranakao io. Yahvé dit à Moïse : " Va, monte d' ici, toi et le peuple que tu as fait monter du pays d'Égypte, vers la terre dont j' ai dit par serment à Abraham, Isaac et Jacob que je la donnerais à leur descendance.
...............
Eks 33.5 For the Lord had said unto Moses, Say unto the children of Israel, Ye are a stiffnecked people: I will come up into the midst of thee in a moment, and consume thee: therefore now put off thy ornaments from thee, that I may know what to do unto thee. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Lazao amin' ny Zanak' Isiraely hoe: Hianareo dia olona mafy hatoka; koa raha hiara-miakatra aminao Aho, na dia indray mipi-maso aza, dia handringana anao Aho; koa ankehitriny, esory ny firavakao hiala aminao, mba ho fantatro izay hataoko aminao. Ka hoy Iaveh tamin' i Moizy: Lazao amin' ny zanak' Israely hoe: Vahoaka mafy hatoka hianareo, ka raha miakatra aho eo afovoanareo, na dia indray mipi-maso aza, dia holevoniko hianareo, koa apetraho amin' izao ny fihaingoanareo, dia ho fantatro izay hataoko. Alors Yahvé dit à Moïse : " Dis aux Israélites : Vous êtes un peuple à la nuque raide, si je montais au milieu de toi, ne fût-ce qu' un moment, je t' exterminerais. Et maintenant, dépouille-toi de tes parures, que je sache comment te traiter. "
...............
Eks 33.7 And Moses took the tabernacle, and pitched it without the camp, afar off from the camp, and called it the Tabernacle of the congregation. And it came to pass, that every one which sought the Lord went out unto the tabernacle of the congregation, which was without the camp. Ary fanaon' i Mosesy ny maka ny lay ka manorina azy eo ivelan' ny toby lavidavitra, ary ny anarany dia nataony hoe Ny trano-lay fihaonana. Ary izay rehetra nitady an' i Jehovah dia nivoaka ho eny amin' ny trano-lay fihaonana izay teo ivelan' ny toby. Nalain' i Moizy ny trano lay, naoriny eo ivelan' ny toby, lavidavitra ihany, nataony hoe: ny trano lay fihaonana no anarany; ary na zovy na zovy nitady an' ny Tompo dia nankeo amin' ny trano lay fihaonana teo ivelan' ny toby. Moïse prenait la Tente et la plantait pour lui hors du camp, loin du camp. Il la nomma Tente du Rendez-vous, et quiconque avait à consulter Yahvé sortait vers la Tente du Rendez-vous qui se trouvait hors du camp.
Eks 33.8 And it came to pass, when Moses went out unto the tabernacle, that all the people rose up, and stood every man at his tent door, and looked after Moses, until he was gone into the tabernacle. Ary raha nivoaka ho eo amin' ny lay Mosesy, dia nitsangana ny olona rehetra, ka samy nijanona teo anoloan' ny varavaran' ny lainy avy, dia nitazana an' i Mosesy mandra-pahatongany ao amin' ny lay. Nony injay miainga Moizy ho ao an-trano lay fihaonana, ny vahoaka rehetra kosa samy mitsangana eo am-baravaran' ny lay manara-maso an' i Moizy mandra-pidiny ao an-trano lay. Chaque fois que Moïse sortait vers la Tente, tout le peuple se levait, chacun se postait à l' entrée de sa tente, et suivait Moïse du regard jusqu'à ce qu' il entrât dans la Tente.
Eks 33.9 And it came to pass, as Moses entered into the tabernacle, the cloudy pillar descended, and stood at the door of the tabernacle, and the Lord talked with Moses. Ary raha niditra tao amin' ny lay Mosesy, dia nidina ny andri-rahona ka nijanona teo anoloan' ny varavaran' ny lay, ary Jehovah dia niresaka tamin' i Mosesy. Raha vao tafiditra ao an-day Moizy, ny andry rahona midina mijanona eo anoloan' ny trano lay, ary Iaveh miresaka amin' i Moizy. Chaque fois que Moïse entrait dans la Tente, la colonne de nuée descendait, se tenait à l' entrée de la Tente et Il parlait avec Moïse.
...............
Eks 33.11 And the Lord spake unto Moses face to face, as a man speaketh unto his friend. And he turned again into the camp: but his servant Joshua, the son of Nun, a young man, departed not out of the tabernacle. Ary Jehovah niteny nifanatrika tamin' i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin' ny sakaizany. Ary niverina nankeo amin' ny toby izy; fa ny mpanompony, dia Josoa zatovo, zanak' i Nona, tsy niala tamin' ny lay. Ary Iaveh miresaka mifanatrika amin' i Moizy, mova tsy ny olona miresaka amin' ny sakaizany. Rahefa izany dia miverina mankany an-toby Moizy, fa Josoe zanak' i Nona, ilay zatovolahy mpanompony, tsy mba niala tao afovoan' ny trano lay. Yahvé parlait à Moïse face à face, comme un homme parle à son ami, puis il rentrait au camp, mais son serviteur Josué, fils de Nûn, un jeune homme, ne quittait pas l' intérieur de la Tente.
Eks 33.12 And Moses said unto the Lord, See, thou sayest unto me, Bring up this people: and thou hast not let me know whom thou wilt send with me. Yet thou hast said, I know thee by name, and thou hast also found grace in my sight. Ary hoy Mosesy tamin' i Jehovah: Indro fa Hianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity firenena ity, ary Hianao tsy mbola nampahafantatra ahy izay hirahinao hiaraka amiko; kanefa Hianao efa nilaza hoe: Mahalala anao tokoa Aho, ary efa nahita fitia eo imasoko koa ianao. Ary hoy Moizy tamin' ny Tompo: Hianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity vahoaka ity, kanefa izay hirahinao hiaraka amiko mbola tsy lazainao amiko. Nilaza anefa hianao nanao hoe: Fantatro amin' ny anaranao hianao, efa nahita fitia teo imasoko hianao; Moïse dit à Yahvé : " Vois, tu me dis : "Fais monter ce peuple", et tu ne me fais pas connaître qui tu enverras avec moi. Tu avais pourtant dit : "Je te connais par ton nom et tu as trouvé grâce à mes yeux. "
...............
Eks 33.15 And he said unto him, If thy presence go not with me, carry us not up hence. Fa hoy Mosesy taminy: Raha tsy handeha ny Tavanao, dia aza mitondra anay hiakatra hiala atý. Ka hoy Moizy: Raha tsy handeha ny tavanao dia aza mampiala anay eto. Et il dit : " Si tu ne viens pas toi-même, ne nous fais pas monter d' ici ;
...............
Eks 33.17 And the Lord said unto Moses, I will do this thing also that thou hast spoken: for thou hast found grace in my sight, and I know thee by name. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Izao zavatra nolazainao izao dia hataoko koa; fa nahita fitia eo imasoko ianao, ary mahalala anao tokoa Aho. Dia hoy Iaveh tamin' i Moizy: Hataoko indray koa izao zavatra angatahinao izao, satria efa nahita fitia teo imasoko hianao, sady fantatro amin' ny anaranao hianao. Yahvé dit à Moïse : " Cette chose que tu as dite, je la ferai encore parce que tu as trouvé grâce à mes yeux et que je te connais par ton nom.
Eks 33.18 And he said, I beseech thee, shew me thy glory. Ary hoy Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho. Ary hoy Moizy: Mba ataovy mahita ny voninahitrao aho. Ka hoy ny navalin' ny Tompo: Il lui dit : " Fais-moi de grâce voir ta gloire. "
Eks 34.1 And the Lord said unto Moses, Hew thee two tables of stone like unto the first: and I will write upon these tables the words that were in the first tables, which thou brakest. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Manamboara ho anao vato fisaka roa tahaka ilay teo, dia hosoratako amin' ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin' ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao; Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Manaova takelaka vato roa tahaka ireo voalohany ka hanoratako ny teny izay efa teo amin' ireo takelaka voalohany notorotoroinao. Yahvé dit à Moïse : " Taille deux tables de pierre semblables aux premières, monte vers moi sur la montagne, et j'écrirai sur les tables les paroles qui étaient sur les premières tables que tu as brisées.
...............
Eks 34.4 And he hewed two tables of stone like unto the first; and Moses rose up early in the morning, and went up unto mount Sinai, as the Lord had commanded him, and took in his hand the two tables of stone. Dia nanamboatra vato fisaka roa tahaka ilay teo Mosesy, ary nifoha maraina koa izy ka niakatra tao amin' ny tendrombohitra Sinay, araka izay nandidian' i Jehovah azy; ary nentiny teny an-tànany ny vato fisaka roa. Dia nipaika takelaka vato roa tahaka ireo voalohany Moizy; ka nifoha maraina koa, niakatra ny tendrombohitra Sinaia, araka ny nandidian' ny Tompo azy; nentiny teny an-tànany ny takelaka vato roa. Il tailla donc deux tables de pierre, semblables aux premières, et, s'étant levé de bon matin, Moïse monta sur le mont Sinaï, comme Yahvé le lui avait ordonné, et il prit dans sa main les deux tables de pierre.
...............
Eks 34.8 And Moses made haste, and bowed his head toward the earth, and worshipped. Ary Mosesy dia niondrika faingana tamin' ny tany ka niankohoka; Niondrika tamin' ny tany niaraka tamin' izay Moizy, dia niankohoka, Aussitôt Moïse tomba à genoux sur le sol et se prosterna,
...............
Eks 34.27 And the Lord said unto Moses, Write thou these words: for after the tenor of these words I have made a covenant with thee and with Israel. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Soraty ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin' ny Isiraely. Dia hoy Iaveh tamin' i Moizy: Soratinao ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no anaovako fanekena aminao sy amin' Israely. Yahvé dit à Moïse : " Mets par écrit ces paroles car selon ces clauses, j' ai conclu mon alliance avec toi et avec Israël. "
Eks 34.28 And he was there with the Lord forty days and forty nights; he did neither eat bread, nor drink water. And he wrote upon the tables the words of the covenant, the ten commandments. Dia teo amin' i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina izy sady, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan' i Jehovah tamin' ny vato fisaka ny tenin' ny fanekena, dia ny Didy Folo. Efapolo andro sy efapolo alina Moizy no tao amin' ny Tompo tao; tsy nihina-mofo na nisotro rano akory. Ary nosoratan' ny Tompo tamin' ireo takelaka ny tenin' ny fanekem-pihavanana dia ny teny folo. Moïse demeura là, avec Yahvé, quarante jours et quarante nuits. Il ne mangea ni ne but, et il écrivit sur les tables les paroles de l' alliance, les dix paroles.
Eks 34.29 And it came to pass, when Moses came down from mount Sinai with the two tables of testimony in Moses' hand, when he came down from the mount, that Moses wist not that the skin of his face shone while he talked with him. Ary Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary teny an-tànany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin' izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany ho namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy. Nidina avy any an-tendrombohitra Sinaia Moizy, ary Moizy nitondra ny takelaka roan' ny vavolombelona teny an-tànany nony nidina avy any an-tendrombohitra; ary tsy fantatr' i Moizy fa tonga mpandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavany, nandritra ny niresahany tamin' ny Tompo. Lorsque Moïse redescendit de la montagne du Sinaï, les deux tables du Témoignage étaient dans la main de Moïse quand il descendit de la montagne, et Moïse ne savait pas que la peau de son visage rayonnait parce qu' il avait parlé avec lui.
Eks 34.30 And when Aaron and all the children of Israel saw Moses, behold, the skin of his face shone; and they were afraid to come nigh him. Ary nony hitan' i Arona sy ny Zanak' Isiraely rehetra Mosesy, ka, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany, dia natahotra azy izy. Aarona sy ny zanak' Israely rehetra nahita an' i Moizy ka indro nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavany dia natahotra ny hanatona azy izy ireo. Aaron et tous les Israélites virent Moïse, et voici que la peau de son visage rayonnait, et ils avaient peur de l' approcher.
Eks 34.31 And Moses called unto them; and Aaron and all the rulers of the congregation returned unto him: and Moses talked with them. Ary Mosesy niantso azy, dia niverina Arona sy ny lohan' ny fiangonana rehetra ho eo aminy; ary Mosesy niteny taminy. Nantsoin' i Moizy ireo, ka nanatona azy Aarona sy ny loholona rehetra amin' ny fiangonana ka niresaka tamin' ireo izy. Moïse les appela ; Aaron et tous les chefs de la communauté revinrent alors vers lui, et Moïse leur parla.
Eks 34.32 And afterward all the children of Israel came nigh: and he gave them in commandment all that the Lord had spoken with him in mount Sinai. Ary rehefa afaka izany, dia nanakaiky koa ny Zanak' Isiraely rehetra; ary Mosesy nandidy azy araka izay rehetra nolazain' i Jehovah taminy tao amin' ny tendrombohitra Sinay. Vao izay vao nanatona koa ny zanak' Israely rehetra, ka nomeny azy ny didy rehetra noraisiny tamin' ny Tompo tany an-tendrombohitra Sinaia. Ensuite tous les Israélites s' approchèrent, et il leur ordonna tout ce dont Yahvé avait parlé sur le mont Sinaï.
Eks 34.33 And till Moses had done speaking with them, he put a vail on his face. Ary rehefa vita ny teny nataon' i Mosesy taminy, dia nasiany fisalobonana ny tavany. Nony avy niteny Moizy dia nosaronany voaly ny tarehiny. Quand Moïse eut fini de leur parler, il mit un voile sur son visage.
Eks 34.34 But when Moses went in before the Lord to speak with him, he took the vail off, until he came out. And he came out, and spake unto the children of Israel that which he was commanded. Ary raha niditra teo anatrehan' i Jehovah Mosesy hiteny aminy, dia nanaisotra ny fisalobonana izy mandra-pivoakany. Dia nivoaka izy ka nilaza tamin' ny Zanak' Isiraely izay efa nandidiana azy. Raha niditra eo anatrehan' ny Tompo Moizy hiresaka aminy dia nesoriny ny voaly, mandra-pivoakany. Rahefa izany dia nivoaka izy ary nanambara tamin' ny zanak' Israely ny didy azony. Lorsque Moïse entrait devant Yahvé pour parler avec lui, il ôtait le voile jusqu'à sa sortie. En sortant, il disait aux Israélites ce qui lui avait été ordonné,
Eks 34.35 And the children of Israel saw the face of Moses, that the skin of Moses' face shone: and Moses put the vail upon his face again, until he went in to speak with him. Ary hitan' ny Zanak' Isiraely ny tavan' i Mosesy, fa, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany; dia nasaron' i Mosesy ny tavany indray ny fisalobonana mandra-pidiny hiteny aminy indray. Hitan' ny zanak' Israely ny tarehin' i Moizy, fa nandefa tsirim-pahazavana ny hodi-tavan' i Moizy, ka dia saronan' i Moizy voaly indray ny tarehiny mandra-pidiny hiresaka amin' ny Tompo. et les Israélites voyaient le visage de Moïse rayonner. Puis Moïse remettait le voile sur son visage, jusqu'à ce qu' il entrât pour parler avec lui.
Eks 35.1 And Moses gathered all the congregation of the children of Israel together, and said unto them, These are the words which the Lord hath commanded, that ye should do them. Ary Mosesy dia namory ny fiangonana, dia ny Zanak' Isiraely rehetra, ka nanao taminy hoe: Izao no teny nandidian' i Jehovah hatao: Ary novorin' i Moizy ny fiangonan' Israely rehetra ka nilazany hoe: Izao no zavatra nodidian' ny Tompo hatao: Moïse assembla toute la communauté des Israélites et leur dit : " Voici ce que Yahvé a ordonné de faire :
...............
Eks 35.4 And Moses spake unto all the congregation of the children of Israel, saying, This is the thing which the Lord commanded, saying, Ary Mosesy niteny tamin' ny fiangonana, dia ny Zanak' Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian' i Jehovah: Niteny tamin' ny fiangonan' ny zanak' Israely rehetra Moizy ka nanao hoe: Izao no nodidian' ny Tompo hatao: Moïse dit à toute la communauté des Israélites : " Voici ce qu' a ordonné Yahvé.
...............
Eks 35.20 And all the congregation of the children of Israel departed from the presence of Moses. Dia niala teo anatrehan' i Mosesy ny fiangonana, dia ny Zanak' Isiraely rehetra. Nony nirava avy eo anatrehan' i Moizy ny fiangonan' ny zanak' Israely rehetra, Alors toute la communauté des Israélites se retira de la présence de Moïse.
...............
Eks 35.29 The children of Israel brought a willing offering unto the Lord, every man and woman, whose heart made them willing to bring for all manner of work, which the Lord had commanded to be made by the hand of Moses. Ary ny Zanak' Isiraely nitondra fanatitra sitra-po ho an' i Jehovah: dia ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay namporisihin' ny fony hitondra izay hanaovana ny zavatra rehetra nandidian' i Jehovah an' i Mosesy hatao. Ny zanak' Israely rehetra na lahy na vavy izay voatariky ny fo mazoto mba hanana anjara amin' ny asa rehetra nandidian' ny Tompo tamin' ny vavan' i Moizy hatao, dia samy nitondra fanatitra an-tsitra-po ho an' ny Tompo. Tous les Israélites, hommes et femmes, que leur coeur incitait à contribuer à l' ensemble de l' ouvrage que Yahvé, par l' intermédiaire de Moïse, avait ordonné d' exécuter, apportèrent une offrande à Yahvé.
Eks 35.30 And Moses said unto the children of Israel, See, the Lord hath called by name Bezaleel the son of Uri, the son of Hur, of the tribe of Judah; Ary hoy Mosesy tamin' ny Zanak' Isiraely: Indro, efa notononin' i Jehovah anarana Bezalila, zanak' i Ory, zanak' i Hora, avy amin' ny firenen' i Joda, Ary hoy Moizy tamin' ny zanak' Israely: Aoka ho fantatrareo fa Beseleela, zanak' i Ori, zanak' i Hora, amin' ny fokon' i Jodà, no efa nofidin' ny Tompo. Moïse dit aux Israélites : " Voyez, Yahvé a désigné nommément Beçaléel, fils de Uri, fils de Hur, de la tribu de Juda.
...............
Eks 36.2 And Moses called Bezaleel and Aholiab, and every wise hearted man, in whose heart the Lord had put wisdom, even every one whose heart stirred him up to come unto the work to do it: Ary Mosesy dia nampaka an' i Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nasian' i Jehovah fahendrena tao am-pony, dia izay rehetra nampahazotoin' ny fony hankeo amin' ny asa hanao azy. Dia nampanalain' i Moizy Beseleela sy Ooliaba ary ny olo-mahay rehetra, izay norotsahan' ny Tompo fahaizana ny fony, mbamin' izay rehetra notaomin' ny fony amin' izany asa izany mba hahavita azy. Moïse appela donc Beçaléel, Oholiab et tous les hommes habiles à qui Yahvé avait donné l' habileté, tous ceux que leur coeur portait à s' appliquer à l' ouvrage pour le faire.
Eks 36.3 And they received of Moses all the offering, which the children of Israel had brought for the work of the service of the sanctuary, to make it withal. And they brought yet unto him free offerings every morning. Ary izy ireo dia nandray tamin' i Mosesy ny fanatitra rehetra izay efa nentin' ny Zanak' Isiraely hanaovana ny asa amin' ny fanompoana ao amin' ny fitoerana masina. Ary ny olona mbola nitondra fanatitra sitra-po isa-maraina ihany ho eo amin' i Mosesy. Noraisin' izy ireo teo anoloan' i Moizy ny fanatitra rehetra naterin' ny zanak' Israely hanaovana ny taozavatra momba ny fanompoana ao amin' ny fitoerana masina; ary isa-maraina tsy tapaka ny olona nitondra ny fanatitra an-tsitra-po teo amin' i Moizy. Ils reçurent de Moïse tout ce que les Israélites avaient apporté en contribution pour exécuter le travail d'édification du sanctuaire. Comme ils continuaient d' apporter, chaque matin, leurs offrandes,
...............
Eks 36.5 And they spake unto Moses, saying, The people bring much more than enough for the service of the work, which the Lord commanded to make. ka niteny tamin' i Mosesy hoe: Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin' ny asa nandidian' i Jehovah hatao. ka tonga teo amin' i Moizy nilaza hoe: Tafahoatra noho izay ilaina ny zavatra aterin' ny olona hahavitana ny asa nodidian' ny Tompo hatao. et dirent à Moïse : " Le peuple apporte plus qu' il n' en faut pour le travail que Yahvé a ordonné de faire. "
Eks 36.6 And Moses gave commandment, and they caused it to be proclaimed throughout the camp, saying, Let neither man nor woman make any more work for the offering of the sanctuary. So the people were restrained from bringing. Dia nandidy Mosesy ka nandefa teny eran' ny toby rehetra nanao hoe: Aza misy manao zavatra intsony hatao fanatitra ho amin' ny fitoerana masina ianareo, na lahy na vavy. Dia izany no nampitsaharana ny olona tsy hanatitra intsony; Ka dia nandefa teny Moizy, ka nokabarina tao an-toby ny hoe: Aza misy olona, na lahy na vavy, misahirana intsony amin' ny zavatra haterina ho an' ny fitoerana masina; notohanana ny olona tsy hanatitra intsony, Moïse donna un ordre et l' on fit passer dans le camp une proclamation : " Que personne, homme ou femme, ne fasse plus quoi que ce soit pour la contribution du sanctuaire ", et l' on empêcha le peuple de rien apporter.
...............
Eks 38.21 This is the sum of the tabernacle, even of the tabernacle of testimony, as it was counted, according to the commandment of Moses, for the service of the Levites, by the hand of Ithamar, son to Aaron the priest. Ary izao no isan' ny zavatra nomba ny tabernakely, dia ny tabernakelin' ny Vavolombelona, izay nisaina araka ny didin' i Mosesy; natao fanompoan' ny Levita, fehin' Itamara, zanak' i Arona mpisorona, ny nanisa azy. Ary izao no isan' ny zavatra nanaovana ny Fonenana, dia ny Fonenan' ny vavolombelona; ny Levita, notaritin' Itamara, zanak' i Aarona, mpisorona, no nanao ny fanisana, araka ny teny azony tamin' i Moizy. Voici les comptes de la Demeure - la Demeure du Témoignage - établis sur l' ordre de Moïse, travail des Lévites, par l' intermédiaire d' Itamar, fils d' Aaron, le prêtre.
Eks 38.22 And Bezaleel the son Uri, the son of Hur, of the tribe of Judah, made all that the Lord commanded Moses. Ary Bezalila, zanak' i Ory, zanak' i Hora, avy amin' ny firenen' i Joda, nanao izay rehetra nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Ny nanao izay rehetra nandidian' ny Tompo an' i Moizy dia Beseleela, zanak' i Orì, zanak' i Hora, amin' ny fokon' i Jodà; Beçaléel, fils de Uri, fils de Hur, de la tribu de Juda, fit tout ce que Yahvé avait ordonné à Moïse,
Eks 39.1 And of the blue, and purple, and scarlet, they made cloths of service, to do service in the holy place, and made the holy garments for Aaron; as the Lord commanded Moses. Ary tamin' ny manga sy ny volomparasy ary ny mena no nanaovany ny fitafiana makarakara, hanaovana fanompoam-pivavahana ao amin' ny fitoerana masina, ary nanao ny fitafiana masina ho an' i Arona izy, dia araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Natao tamin' ny jaky volomparasy, sy jaky mangatrakatraka, ary lamba mena antitra ny fanamiana enti-manao ny fombam-pivavahana ao amin' ny fitoerana masina, mbamin' ny fanamiana masina ho an' i Aarona, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Avec la pourpre violette et écarlate et le cramoisi, ils firent les vêtements liturgiques pour officier dans le sanctuaire. Ils firent les vêtements sacrés destinés à Aaron, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
...............
Eks 39.5 And the curious girdle of his ephod, that was upon it, was of the same, according to the work thereof; of gold, blue, and purple, and scarlet, and fine twined linen; as the Lord commanded Moses. Ary ny fehin-kibo momba ny efoda, izay teo amboniny, dia niray taminy sady nitovy tarehy taminy, ka nataony volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, dia araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Ny fehin-kibo tambonin' ny efoda famehezana azy dia iray aminy, mitovy tenona aminy, natao tamin' ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra ary rongony mihasina, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. L'écharpe qui était dessus pour l' attacher faisait corps avec lui et était de même travail. Elle était d' or, de pourpre violette et écarlate, de cramoisi et de fin lin retors, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
...............
Eks 39.7 And he put them on the shoulders of the ephod, that they should be stones for a memorial to the children of Israel; as the Lord commanded Moses. Ary nataony teo amin' ny soroky ny efoda ny vato, ho vato fahatsiarovana ho an' ny Zanak' Isiraely, dia araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. dia natao teo ambonin' ny soroky ny efoda ireo, ho vato fahatsiarovana ho an' ny zanak' Israely, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Ils placèrent sur les épaulettes de l'éphod les pierres comme mémorial des Israélites, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
...............
Eks 39.21 And they did bind the breastplate by his rings unto the rings of the ephod with a lace of blue, that it might be above the curious girdle of the ephod, and that the breastplate might not be loosed from the ephod; as the Lord commanded Moses. Ary kofehy manga no namehezany ny vava volan' ny saron-tratra tamin' ny vava volan' ny efoda, mba ho eo ambonin' ny fehin-kibo momba ny efoda ny saron-tratra ka tsy ho afaka eo, dia araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Dia nafehiny tamin' ny ribà jaky volomparasy amin' ny masom-bolan' ny efoda ny masom-bolan' ny saron-tratra, mba ho eo ambonin' ny fehin-kibon' ny efoda ny saron-tratra, ary tsy ho afa-miala eo amin' ny efoda ny saron-tratra, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Ils lièrent le pectoral par ses anneaux aux anneaux de l'éphod avec un cordon de pourpre violette, afin que le pectoral soit au-dessus de l'écharpe de l'éphod et ne puisse se séparer de l'éphod, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
...............
Eks 39.26 A bell and a pomegranate, a bell and a pomegranate, round about the hem of the robe to minister in; as the Lord commanded Moses. dia famohamandry sy sarin' ampongaben-danitra mifanelanelana manodidina eo amin' ny moron-tongotry ny akanjo ivelany, ho entiny manao ny fanompoam-pivavahana, dia araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. lakolosy kely iray dia apongabendanitra iray, lakolosy kely iray dia apongabendanitra iray, amin' ny moron-tongotry ny akanjo lava manodidina, mba hanaovana ny fanompoam-pivavahana, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. une clochette une grenade, une clochette une grenade, tout autour de l' ourlet du manteau à porter pour officier, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
...............
Eks 39.29 And a girdle of fine twined linen, and blue, and purple, and scarlet, of needlework; as the Lord commanded Moses. Ary ny fehin-kibo nataony rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena, asan' ny mahay tenona samy hafa soratra, dia araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. ary fehin-kibo rongony mihasina, natao tamin' ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, tenon-damasy, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. les ceintures brochées de fin lin retors, de pourpre violette et écarlate et de cramoisi, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
...............
Eks 39.31 And they tied unto it a lace of blue, to fasten it on high upon the mitre; as the Lord commanded Moses. Ary nasiany kofehy manga hamehezany azy amin' ny hamama eo ambony, dia araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Ribà jaky volomparasy no namehezana azy hametrahana azy amin' ny hamama avy ao ambony, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Ils mirent dessus un cordon de pourpre violette, pour le mettre sur le turban, en haut, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
Eks 39.32 Thus was all the work of the tabernacle of the tent of the congregation finished: and the children of Israel did according to all that the Lord commanded Moses, so did they. Ary vita ny asa rehetra tamin' ny tabernakelin' ny trano-lay fihaonana; fa ny Zanak' Isiraely efa nanao araka izay rehetra nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Dia vita ny zavatra rehetra momba ny Fonenana, ny trano lay fihaonana; sady tanteraky ny zanak' Israely araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy avokoa. Izany no nataony. Ainsi furent achevés tous les travaux de la Demeure, de la Tente du Rendez-vous ; en tout les Israélites avaient fait comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
Eks 39.33 And they brought the tabernacle unto Moses, the tent, and all his furniture, his taches, his boards, his bars, and his pillars, and his sockets, Dia nentiny teo amin' i Mosesy ny tabernakely; dia ny lay sy ny fanaka rehetra nomba azy, ary ny farangony sy ny zana-kazony ary ny barany sy ny andriny ary ny faladiany, Natolotra an' i Moizy ny Fonenana, ny trano lay mbamin' ny fanaka rehetra momba azy, ny jaigrafiny, ny hazo fisany, ny barany; ny andriny, ny faladiany; Ils apportèrent à Moïse la Demeure, la Tente et tous ses accessoires, ses agrafes, ses cadres, ses traverses, ses colonnes et ses socles ;
...............
Eks 39.42 According to all that the Lord commanded Moses, so the children of Israel made all the work. Araka izay rehetra efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy, dia toy izany no nanaovan' ny Zanak' Isiraely ny asa rehetra. Vitan' ny zanak' Israely izany asa rehetra izany, araka izay rehetra nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Les Israélites avaient fait tous les travaux comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
Eks 39.43 And Moses did look upon all the work, and, behold, they had done it as the Lord had commanded, even so had they done it: and Moses blessed them. Ary nizaha ny asa rehetra Mosesy, ka, indro, efa nataony araka izay nandidian' i Jehovah; dia nisaotra azy Mosesy. Nodinihin' i Moizy ny zava-nataony rehetra, ka hitany fa tanterany tokoa, vitany araka ny nandidian' ny Tompo. Ka dia nitso-drano azy ireo Moizy. Moïse vit tout l' ouvrage : ils l' avaient fait comme Yahvé l' avait ordonné. Et Moïse les bénit.
Eks 40.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary Iaveh niteny tamin' i Moizy ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et lui dit :
...............
Eks 40.16 Thus did Moses: according to all that the Lord commanded him, so did he. Dia nataon' i Mosesy izany: araka izay rehetra efa nandidian' i Jehovah azy no nataony. Dia nataon' i Moizy izay rehetra nandidian' ny Tompo azy, dia vitany arak' izany. Moïse le fit. Il fit tout comme Yahvé l' avait ordonné.
...............
Eks 40.18 And Moses reared up the tabernacle, and fastened his sockets, and set up the boards thereof, and put in the bars thereof, and reared up his pillars. Ary Mosesy nanangana ny tabernakely, dia nametraka ny faladiany sy nanangana ny zana-kazony, ary nampiditra ny barany sy nanangana ny andriny. Natsangan' i Moizy ny Fonenana; naoriny ny faladiany, nalahany ny hazo fisany mbamin' ny barany, dia natsangany ny andriny. Moïse dressa la Demeure ; il mit ses socles, plaça ses cadres, mit ses traverses et dressa ses colonnes.
Eks 40.19 And he spread abroad the tent over the tabernacle, and put the covering of the tent above upon it; as the Lord commanded Moses. Ary namelatra ny lay teo ambonin' ny tabernakely izy, ary ny firakotry ny lay nataony teo amboniny, dia araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Novelariny ny lay teo ambonin' ny Fonenana, ary nataony teo ambony ny firakotry ny lay, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Il étendit la tente pour la Demeure et plaça dessus la couverture de la tente, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
...............
Eks 40.21 And he brought the ark into the tabernacle, and set up the vail of the covering, and covered the ark of the testimony; as the Lord commanded Moses. Ary ny fiara dia nampidiriny tao amin' ny tabernakely, ka nahantony ny efitra lamba fanakonana hanakona ny fiaran' ny Vavolombelona, dia araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Nentiny tao anatin' ny Fonenana ny fiara, dia nahantony ny efitra lamba faneferana nanakonany ny fiaran' ny vavolombelona, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Il introduisit l' arche dans la Demeure et plaça le rideau du voile ; il voila ainsi l' arche du Témoignage, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
...............
Eks 40.23 And he set the bread in order upon it before the Lord; as the Lord had commanded Moses. Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan' i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. dia nalahany eo amboniny, tao anatrehan' ny Tompo ny mofo, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. et il disposa avec ordre le pain devant Yahvé, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
...............
Eks 40.25 And he lighted the lamps before the Lord; as the Lord commanded Moses. Ary nampirehitra ny jiro teo anatrehan' i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. dia nametrahany ny lalampy, teo anatrehan' ny Tompo, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. et monta les lampes devant Yahvé, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
...............
Eks 40.27 And he burnt sweet incense thereon; as the Lord commanded Moses. ary nandoro ditin-kazo mani-pofona teo izy, dia araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. dia nandoroany emboka, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. et fit fumer dessus l' encens aromatique, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
...............
Eks 40.29 And he put the altar of burnt offering by the door of the tabernacle of the tent of the congregation, and offered upon it the burnt offering and the meat offering; as the Lord commanded Moses. ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia napetrany teo anoloan' ny varavaran' ny tabernakelin' ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Nataony teo amin' ny fidirana amin' ny Fonenana, amin' ny trano lay fihaonana, ny otely fanaovan-tsorona dorana, dia nanolorany ny sorona dorana sy ny fanatitra araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. L' autel des holocaustes, il le plaça à l' entrée de la Demeure, de la Tente du Rendez-vous, et offrit dessus l' holocauste et l' oblation, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
...............
Eks 40.31 And Moses and Aaron and his sons washed their hands and their feet thereat: Ary teo no nanasan' i Mosesy sy Arona ary ny zanany ny tongony aman-tànany. ary nanasa ny tànany sy ny tongony teo Moizy sy Aarona mbamin' ny zanany. avec laquelle Moïse, Aaron et ses fils se lavaient les mains et les pieds.
Eks 40.32 When they went into the tent of the congregation, and when they came near unto the altar, they washed; as the Lord commanded Moses. Raha niditra tao amin' ny trano-lay fihaonana izy, ary raha nanakaiky ny alitara, dia nisasa izy, dia araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Rahefa hiditra ao an-trano lay fihaonana sy hanatona ny otely izy ireo, dia nisasa, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Quand ils entraient dans la Tente du Rendez-vous ou qu' ils s' approchaient de l' autel, ils se lavaient, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
Eks 40.33 And he reared up the court round about the tabernacle and the altar, and set up the hanging of the court gate. So Moses finished the work. Ary natsangany koa ny kianja manodidina ny tabernakely sy ny alitara; ary ny vavahady lamba dia nataony teo amin' ny vavahadin' ny kianja. Dia vitan' i Mosesy ny asa rehetra. Ary nanangana ny kianja manodidina ny Fonenana sy ny otely izy, sy nanantona ny lamba amin' ny vavahadin' ny kianja. Toy izany no nahavitan' i Moizy izany raharaha izany. Il dressa le parvis autour de la Demeure et de l' autel, et il mit le voile à la porte du parvis. Ainsi Moïse termina les travaux.
...............
Eks 40.35 And Moses was not able to enter into the tent of the congregation, because the cloud abode thereon, and the glory of the Lord filled the tabernacle. Ary Mosesy tsy nahazo niditra tao amin' ny trano-lay fihaonana, satria ny rahona nitoetra teo amboniny, ary ny voninahitr' i Jehovah nameno ny tabernakely. Ka tsy afa-niditra intsony tao an-trano lay fihaonana Moizy, fa nijanona teo amboniny ny rahona, ary nameno ny Fonenana ny voninahitry ny Tompo. Moïse ne put entrer dans la Tente du Rendez-vous, car la nuée demeurait sur elle, et la gloire de Yahvé emplissait la Demeure.

  Leviticus Fisoronana na Levitikosy Fisoronana na Levitika Le Lévitique
Lev 1.1 And the Lord called unto Moses, and spake unto him out of the tabernacle of the congregation, saying, Ary Jehovah niantso an' i Mosesy ka niteny taminy tao amin' ny trano-lay fihaonana hoe: Ary Iaveh niantso an' i Moizy ka niteny taminy tao amin' ny trano lay fihaonana, nanao hoe: Yahvé appela Moïse et, de la Tente du Rendez-vous, lui parla et lui dit :
Lev 4.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary Iaveh niteny tamin' i Moizy nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Lev 5.14 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Lev 5.19 It is a trespass offering: he hath certainly trespassed against the Lord. dia fanati-panonerana izany, fa efa meloka tamin' i Jehovah tokoa izy. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Raha misy olona manota, satria manao izay mahadiso amin' i Jehovah, fa mandainga amin' ny namany ny amin' izay nampitehirizina azy, na amin' ny zavatra notanany ho tsatòka, na amin' izay nalainy an-keriny, na ota nampahory ny namany, na nahita izay zavatra very ka mandainga amin' izany sady mianian-tsy tò ny amin' izay mety ho fahotan' ny olona, satria nanota izy ka meloka, dia hanonitra izay nalainy an-keriny, na izay tamin' ny fampahoriana, na izay nampitehirizina azy, na izay zavatra very hitany, na izay rehetra nianianany tsy tò; dia hanonitra toraka izany izy sady hanampy azy koa ho tonga avy fahenina, ka homeny ilay tompon-javatra amin' ny andro anaterany ny fanati-panonerany izany. Ary ny fanati-panonerana ho entiny ho an' i Jehovah dia ondrilahy tsy misy kilema, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin' ny mpisorona. Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy eo anatrehan' i Jehovah, dia havela ny helony na inona na inona no fahadisoana nataony. Sorona fanonerana izany; tena meloka teo anatrehan' ny Tompo izany olona izany. C' est un sacrifice de réparation, cet homme était certainement responsable envers Yahvé.
Lev 5.20 Ary Iaveh niteny tamin' i Moizy nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Lev 6.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Lev 6.12 And the fire upon the altar shall be burning in it; it shall not be put out: and the priest shall burn wood on it every morning, and lay the burnt offering in order upon it; and he shall burn thereon the fat of the peace offerings. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et lui dit :
...............
Lev 6.17 It shall not be baken with leaven. I have given it unto them for their portion of my offerings made by fire; it is most holy, as is the sin offering, and as the trespass offering. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Lev 7.22 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Lev 7.28 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Lev 7.38 Which the Lord commanded Moses in mount Sinai, in the day that he commanded the children of Israel to offer their oblations unto the Lord, in the wilderness of Sinai. izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy tao amin' ny tendrombohitra Sinay, tamin' ny andro izay nandidiany ny Zanak' Isiraely hanatitra ny fanatiny ho an' i Jehovah, tany an-efitr' i Sinay. izay nandidian' ny Tompo an' i Moizy tany an-tendrombohitra Sinaia, tamin' ny andro nandidiany ny zanak' Israely hanatitra ny fanatiny amin' ny Tompo tany an' efitra Sinaia. C' est ce que Yahvé à ordonné à Moïse sur le mont Sinaï le jour où il ordonna aux Israélites de présenter leurs offrandes à Yahvé dans le désert du Sinaï.
Lev 8.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Lev 8.4 And Moses did as the Lord commanded him; and the assembly was gathered together unto the door of the tabernacle of the congregation. Ary Mosesy nanao araka izay nandidian' i Jehovah azy; dia vory teo anoloan' ny varavaran' ny trano-lay fihaonana ny fiangonana. Dia nataon' i Moizy izay nandidian' ny Tompo azy, ka vory teo anoloan' ny varavaran' ny trano lay fihaonana ny fiangonana, Moïse suivit les ordres de Yahvé, la communauté se réunit à l' entrée de la Tente du Rendez-vous,
Lev 8.5 And Moses said unto the congregation, This is the thing which the Lord commanded to be done. Ary hoy Mosesy tamin' ny fiangonana: Izao atao izao no raharaha izay nandidian' i Jehovah. dia hoy Moizy tamin' ny fiangonana: Izao no nasain' ny Tompo hatao: et Moïse lui dit : " Voici ce que Yahvé a ordonné de faire. "
Lev 8.6 And Moses brought Aaron and his sons, and washed them with water. Ary Arona sy ny zanany dia nentin' i Mosesy nanatona ka nampandroiny tamin' ny rano. Nasain' i Moizy nanatona Aarona sy ny zanany, ka nodioviny tamin' ny rano. Il fit approcher Aaron et ses fils et les lava dans l' eau.
...............
Lev 8.9 And he put the mitre upon his head; also upon the mitre, even upon his forefront, did he put the golden plate, the holy crown; as the Lord commanded Moses. Ary ny hamama dia nataony teo an-dohany; ary ny takela-bolamena, ilay diadema masina, dia nataony teo anoloana amin' ny hamama, araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. nasatrony ny lohany ny hamama, dia nataony teo anoloan' ny hamama ny takela-bolamena, ilay diadema masina, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Sur la tête il lui mit le turban, et sur le devant du turban la fleur d' or ; c' est le signe de sainte consécration tel que Yahvé le prescrivit à Moïse.
Lev 8.10 And Moses took the anointing oil, and anointed the tabernacle and all that was therein, and sanctified them. Ary nalain' i Mosesy ny diloilo fanosorana dia nohosorany ny tabernakely sy izay rehetra tao ka nohamasininy. Ary nalain' i Moizy ny diloilo fanosorana dia nohosorany ny Fonenana mbamin' izay rehetra tao anatiny, ka nohamasininy. Moïse prit alors l' huile d' onction, il oignit pour les consacrer la Demeure et tout ce qui s' y trouvait.
...............
Lev 8.13 And Moses brought Aaron' s sons, and put coats upon them, and girded them with girdles, and put bonnets upon them; as the Lord commanded Moses. Ary dia nentin' i Mosesy nanatona koa ny zanak' i Arona ka nampiakanjoiny akanjo lava, ary nasiany fehin-kibo, dia nampisatrohiny, araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Nasain' i Moizy nanatona koa ireo zanak' i Aarona dia nampiakanjoiny ny toniky, nohetràny fehin-kibo, ary nafatony teo aminy ny mitra, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Moïse fit alors approcher les fils d' Aaron, qu' il revêtit de tuniques, auxquels il passa des ceintures et fixa des calottes, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
...............
Lev 8.15 And he slew it; and Moses took the blood, and put it upon the horns of the altar round about with his finger, and purified the altar, and poured the blood at the bottom of the altar, and sanctified it, to make reconciliation upon it. Dia novonoiny ny, ary nalain' i Mosesy ny rà, ka notentenany tamin' ny fanondrony ny tandroky ny alitara teo amin' ny zorony efatra nanadiovany azy; ary ny rà sisa dia naidiny teo ambodin' ny alitara, ka nahamasina azy, mba hanao fanavotana ho azy. Namono azy Moizy dia naka tamin' ny rà ka notentenany manodidina tamin' ny rantsan-tànany ny tandroky ny otely ary nanadio ny otely izy, naidiny teo an-tongotry ny otely ny rà ary nanamasina azy izy, nanao ny fanonerana ao aminy. et Moïse l' immola. Il prit alors le sang, avec son doigt il en déposa sur les cornes du pourtour de l' autel pour ôter le péché de celui-ci. Puis il versa le sang à la base de l' autel, qu' il consacra en faisant sur lui le rite d' expiation.
Lev 8.16 And he took all the fat that was upon the inwards, and the caul above the liver, and the two kidneys, and their fat, and Moses burned it upon the altar. Dia nalainy ny saboran-tsinainy rehetra sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany mbamin' ny fonom-boany, ka nodoran' i Mosesy ho fofona teo ambonin' ny alitara ireo. Manaraka izany nalainy avokoa ny sabora, ny saron-tsinainy, ny saron' atiny, ary ny voany roa mbamin' ny sabora momba azy ka nodorany hanetona teo ambonin' ny otely. Il prit ensuite toute la graisse qui enveloppe les entrailles, la masse de graisse qui part du foie, les deux rognons et leur graisse, et il les fit fumer à l' autel.
Lev 8.17 But the bullock, and his hide, his flesh, and his dung, he burnt with fire without the camp; as the Lord commanded Moses. Fa ny hoditry ny vantotr' ombilahy sy ny henany ary ny tain-drorohany kosa dia nodorany tamin' ny afo teny ivelan' ny toby, araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Fa ny tenan' ny ombalahy kosa, ny hodiny, ny nofony, ary ny tain-drorohany, dia nodorany tany ivelan' ny toby, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Quant à la peau du taureau, sa chair et sa fiente, il les brûla hors du camp comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
...............
Lev 8.19 And he killed it; and Moses sprinkled the blood upon the altar round about. Dia novonoina iny; ary Mosesy nanipy ny rà manodidina tamin' ny lafin' ny alitara. Dia novonoina izy, ary Moizy nanidina ny ràny manodidina tamin' ny otely. et Moïse l' immola. Il en fit couler le sang sur le pourtour de l' autel.
Lev 8.20 And he cut the ram into pieces; and Moses burnt the head, and the pieces, and the fat. Ary norasainy tsara ny ondrilahy; dia nodoran' i Mosesy ho fofona ny lohany sy ireo voarasa ireo ary ny saborany. Rahefa izany norasainy ho voatetika ny ondralahy, dia nodoran' i Moizy hanetona ny lohany mbamin' ny tetiny ary ny saborany. Puis il dépeça le bélier en quartiers et fit fumer la tête, les quartiers et la graisse.
Lev 8.21 And he washed the inwards and the legs in water; and Moses burnt the whole ram upon the altar: it was a burnt sacrifice for a sweet savour, and an offering made by fire unto the Lord; as the Lord commanded Moses. Ary ny taovany sy ny tongony nosasany tamin' ny rano; dia nodoran' i Mosesy ho fofona teo ambonin' ny alitara ny tenan' ny ondrilahy; fanatitra dorana izany ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah, araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Nosasana tamin' ny rano ny tsinainy aman-tongony, dia nataon' i Moizy indray mandotra hanetona ny ondralahy manontolo; sorona dorana ho hanitra ankasitrahana izany, sorona atao amin' ny afo ho an' ny Tompo, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Il lava dans l' eau les entrailles et les pattes et fit fumer à l' autel le bélier tout entier. C'était un holocauste en parfum d' apaisement, un mets consumé pour Yahvé, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
...............
Lev 8.23 And he slew it; and Moses took of the blood of it, and put it upon the tip of Aaron' s right ear, and upon the thumb of his right hand, and upon the great toe of his right foot. Dia novonoiny iny; ary nangalan' i Mosesy ny rà ka, natentiny teo amin' ny tendron' ny ravin-tsofin' i Arona ankavanana sy tamin' ny ankihiben-tànany ankavanana ary tamin' ny ankihiben-tongony ankavanana. izay vao namono azy Moizy, dia naka tamin' ny rany, nanentenany ny tendron-dravin-tsofin' i Aarona ankavanana, ny ankiben-tànany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana. et Moïse l' immola. Il en prit du sang qu' il déposa sur le lobe de l' oreille droite d' Aaron, sur le pouce de sa main droite et sur le gros orteil de son pied droit.
Lev 8.24 And he brought Aaron' s sons, and Moses put of the blood upon the tip of their right ear, and upon the thumbs of their right hands, and upon the great toes of their right feet: and Moses sprinkled the blood upon the altar round about. Ary nentiny nanatona koa ny zanak' i Arona, ka notentenan' i Mosesy ny rà ny tendron' ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia natopin' i Mosesy manodidina tamin' ny lafin' ny alitara. Nampanatoniny koa ny zanak' i Aarona, dia notentenany rà ny tendron-dravin-tsofin' izy ireo ankavanana, ny ankiben-tànany havanana, ary ny ankiben-tongony havanana, vao naidiny manodidina amin' ny otely ny rà. Puis il fit approcher les fils d' Aaron et déposa de ce sang sur le lobe de leur oreille droite, sur le pouce de leur main droite et sur le gros orteil de leur pied droit. Moïse fit ensuite couler le sang sur le pourtour de l' autel ;
...............
Lev 8.28 And Moses took them from off their hands, and burnt them on the altar upon the burnt offering: they were consecrations for a sweet savour: it is an offering made by fire unto the Lord. Dia nalain' i Mosesy tamin' ny tànany indray ireo ka nodorany ho fofona teo ambonin' ny alitara niaraka tamin' ny fanatitra dorana; fanati-panokanana ireo ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah. Dia nesorin' i Moizy avy teo an-tànany indray ireo ka nodorany hanetona eo ambonin' ny otely teo ambonin' ny sorona dorana, fa sorona fanokanana izany, ho hanitra ankasitrahana, sorona atao amin' ny afo ho an' ny Tompo. Moïse les reprit alors de leurs mains et les fit fumer à l' autel en plus de l' holocauste. C'était le sacrifice d' investiture en parfum d' apaisement, un mets consumé pour Yahvé.
Lev 8.29 And Moses took the breast, and waved it for a wave offering before the Lord: for of the ram of consecration it was Moses' part; as the Lord commanded Moses. Dia nalain' i Mosesy koa ny tratran' ondry ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan' i Jehovah; anjaran' i Mosesy avy amin' ny ondrilahy fanokanana izany, araka izay efa nandidian' i Jehovah azy. Dia nalain' i Moizy ny tratran' ny ondralahy fanokanana, ka nahevahevany ho fanatitra eo anatrehan' ny Tompo; io no anjaran' i Moizy araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Moïse prit aussi la poitrine et fit le geste de présentation devant Yahvé. Ce fut la part du bélier d' investiture qui revint à Moïse, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
Lev 8.30 And Moses took of the anointing oil, and of the blood which was upon the altar, and sprinkled it upon Aaron, and upon his garments, and upon his sons, and upon his sons' garments with him; and sanctified Aaron, and his garments, and his sons, and his sons' garments with him. Ary nangalan' i Mosesy ny diloilo fanosorana sy ny rà izay teo ambonin' ny alitara ka nafafiny tamin' i Arona sy tamin' ny fitafiany ary tamin' ny zanany sy tamin' ny fitafian' ny zanany koa; dia nanamasina an' i Arona sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian' ny zanany koa Izy. Dia nakan' i Moizy ny diloilo fanosorana sy ny rà teo ambonin' ny otely, nafafiny tamin' i Aarona sy tamin' ny fanamiany, ary tamin' ireo zanak' i Aarona sy tamin' ny fanamiany, ka nohamasininy avokoa Aarona sy ny fanamiany, ary koa ny zanany sy ny fanamiany. Moïse prit ensuite de l' huile d' onction et du sang qui était sur l' autel ; il en aspergea Aaron et ses vêtements ainsi que ses fils et leurs vêtements. Il consacra par là Aaron et ses vêtements ainsi que ses fils et leurs vêtements.
Lev 8.31 And Moses said unto Aaron and to his sons, Boil the flesh at the door of the tabernacle of the congregation: and there eat it with the bread that is in the basket of consecrations, as I commanded, saying, Aaron and his sons shall eat it. Ary hoy Mosesy tamin' i Arona sy ny zanany: Andrahoy eo anoloan' ny varavaran' ny trano-lay fihaonana ny hena; ary eo no hihinananareo azy mbamin' ny mofo izay eo amin' ny haron' ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako hoe: Arona sy ny zanany no hihinana azy. Ary hoy Moizy tamin' i Aarona sy ny zanany: Andrahoy eo anoloan' ny varavaran' ny trano lay fihaonana ny hena, fa eo no hihinananareo azy, miaraka amin' ny mofo ao anaty sobika fanokanana, araka ny nandidiako hoe: Aarona sy ny zanany no hihinana azy. Moïse dit alors à Aaron et à ses fils : " Faites cuire la viande à l' entrée de la Tente du Rendez-vous ; vous la mangerez là, ainsi que le pain déposé dans la corbeille du sacrifice d' investiture, comme je l' ai ordonné en disant : "Aaron et ses fils le mangeront. "
...............
Lev 8.36 So Aaron and his sons did all things which the Lord commanded by the hand of Moses. Dia nataon' i Arona sy ny zanany izay rehetra efa nandidian' i Jehovah ka nampilazainy an' i Mosesy. Dia nataon' i Aarona sy ny zanany ny zavatra rehetra nandidian' ny Tompo tamin' ny alàlan' i Moizy. Aaron et ses fils firent tout ce que Yahvé avait ordonné par l' intermédiaire de Moïse.
Lev 9.1 And it came to pass on the eighth day, that Moses called Aaron and his sons, and the elders of Israel; Ary tamin' ny andro fahavalo Mosesy dia nampaka an' i Arona sy ny zanany ary ny loholon' ny Isiraely. Nony mby amin' ny andro fahavalo, nampanalain' i Moizy Aarona sy ny zanany ary ny loholon' Israely, Au huitième jour Moïse convoqua Aaron, ses fils et les anciens d' Israël ;
...............
Lev 9.5 And they brought that which Moses commanded before the tabernacle of the congregation: and all the congregation drew near and stood before the Lord. Dia nitondra izay nandidian' i Mosesy azy ho eo anoloan' ny trano-lay fihaonana izy; ary ny fiangonana rehetra nanatona ka nijanona teo anatrehan' i Jehovah. Dia nentin' izy ireo, ho eo anoloan' ny trano lay fihaonana izay rehetra nandidian' i Moizy azy, ary nanatona avokoa ny fiangonana rehetra ka nijanona teo anatrehan' ny Tompo. Ils amenèrent devant la Tente du Rendez-vous ce qu' avait commandé Moïse, puis toute la communauté s' approcha et se tint devant Yahvé.
Lev 9.6 And Moses said, This is the thing which the Lord commanded that ye should do: and the glory of the Lord shall appear unto you. Ary hoy Mosesy: Izao no zavatra izay nandidian' i Jehovah, koa ataovinareo, dia hiseho aminareo ny voninahitr' i Jehovah. Ary hoy Moizy: Ataovy izay andidian' ny Tompo anareo, ka hiseho aminareo ny voninahitry ny Tompo. Moïse dit : " Voici ce que Yahvé vous a ordonné de faire pour que sa gloire vous apparaisse. "
Lev 9.7 And Moses said unto Aaron, Go unto the altar, and offer thy sin offering, and thy burnt offering, and make an atonement for thyself, and for the people: and offer the offering of the people, and make an atonement for them; as the Lord commanded. Ary hoy Mosesy tamin' i Arona: Manatona ny alitara, dia manatera ny fanatitrao noho ny ota sy ny fanatitra odoranao ka manaova fanavotana ho an' ny tenanao sy ho an' ny olona; dia manatera ny fanatitry ny olona ka manaova fanavotana ho azy, araka izay nandidian' i Jehovah. Dia hoy Moizy tamin' i Aarona: Manatòna ny otely ka atolory ny sorona noho ny ota sy ny sorona dorana, ka manaova ny fanonerana ho an' ny tenanao sy ho an' ny vahoaka; atolory koa ny fanatitry ny vahoaka, ary manaova ny fanonerana ho azy araka ny nandidian' ny Tompo. Moïse alors s' adressa à Aaron : " Approche-toi de l' autel, offre ton sacrifice pour le péché et ton holocauste, et fais ainsi le rite d' expiation pour toi et pour ta maison. Présente alors l' offrande du peuple et fais pour lui le rite d' expiation comme l' a ordonné Yahvé. "
...............
Lev 9.10 But the fat, and the kidneys, and the caul above the liver of the sin offering, he burnt upon the altar; as the Lord commanded Moses. fa ny saborany sy ny voany roa ary ny ila-atiny lehibe avy tamin' ny fanatitra noho ny ota dia nodorany ho fofona teo ambonin' ny alitara, araka izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy; Nodorany hanetona eo ambonin' ny otely ny saborany, ny voany, ny saron' atiny, tamin' ny sorona noho ny ota, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. La graisse du sacrifice pour le péché, les rognons et la masse de graisse qui part du foie, il les fit fumer à l' autel comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse ;
...............
Lev 9.21 And the breasts and the right shoulder Aaron waved for a wave offering before the Lord; as Moses commanded. fa ny tratrany sy ny sorony ankavanana kosa dia nahevahevan' i Arona ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan' i Jehovah, araka izay nandidian' i Mosesy. Rahefa izany dia nahevahevan' i Aarona teo anatrehan' ny Tompo ny tratran' ireo amam-peny havanana, ho fanatitra ahevaheva, araka ny nandidian' i Moizy. Avec les poitrines et la cuisse droite Aaron fit le geste de présentation devant Yahvé, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
...............
Lev 9.23 And Moses and Aaron went into the tabernacle of the congregation, and came out, and blessed the people: and the glory of the Lord appeared unto all the people. Ary Mosesy sy Arona niditra tao amin' ny trano-lay fihaonana, dia nivoaka ka nitso-drano ny olona; ary ny voninahitr' i Jehovah niseho tamin' ny olona rehetra. Niditra tao an-trano lay fihaonana Moizy sy Aarona; nony nivoaka avy ao izy ireo, dia nitso-drano ny vahoaka. Ary niseho tamin' ny vahoaka rehetra ny voninahitry ny Tompo. avec Moïse il entra dans la Tente du Rendez-vous. Puis ils en sortirent tous deux pour bénir le peuple. La gloire de Yahvé apparut à tout le peuple,
...............
Lev 10.3 Then Moses said unto Aaron, This is it that the Lord spake, saying, I will be sanctified in them that come nigh me, and before all the people I will be glorified. And Aaron held his peace. Dia hoy Mosesy tamin' i Arona: Izany dia ilay nolazain' i Jehovah hoe: Amin' izay akaiky Ahy no hisehoako ho masina, ary eo anatrehan' ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina Arona. Dia hoy Moizy tamin' i Aarona: Efa voalazan' ny Tompo izany tamin' izy nanao hoe: Hohamasinina aho ao amin' izay manakaiky ahy, ary homem-boninahitra eo anatrehan' ny vahoaka rehetra. Sina Aarona. Moïse dit alors à Aaron : " C' est là ce que Yahvé avait déclaré par ces mots : En mes proches je montre ma sainteté, et devant tout le peuple je montre ma gloire. "Aaron resta muet.
Lev 10.4 And Moses called Mishael and Elzaphan, the sons of Uzziel the uncle of Aaron, and said unto them, Come near, carry your brethren from before the sanctuary out of the camp. Ary Mosesy dia nampaka an' i Misaela sy Elzafana, zanak' i Oziela, rahalahin-drain' i Arona, ka nanao taminy hoe: Manatòna, ka ento ny rahalahinareo hiala eo anoloan' ny fitoerana masina ho eny ivelan' ny toby. Ary Moizy niantso an' i Misaela sy Elisafona, zanak' i Oziela, rahalahin-drain' i Aarona, nilaza tamin' ireo hoe: Manatòna hianareo ka ento ny rahalahinareo hanalavitra ny fitoerana masina, any ivelan' ny toby. Moïse appela Mishaèl et Élçaphân, fils d' Uzziel oncle d' Aaron, et leur dit : " Approchez et emportez vos frères loin du sanctuaire, hors du camp. "
Lev 10.5 So they went near, and carried them in their coats out of the camp; as Moses had said. Dia nanatona izy roa lahy ka nitondra azy, mbola miakanjo ny akanjo lavany ihany, ho eny ivelan' ny toby, araka izay efa nolazain' i Mosesy. Dia nanatona ireo ka nitondra azy mbola miakanjo ny tonikiny, nankany ivelan' ny toby, araka ny nandidian' i Moizy azy. Ils s' approchèrent et les emportèrent dans leurs propres tuniques, hors du camp, comme Moïse l' avait dit.
Lev 10.6 And Moses said unto Aaron, and unto Eleazar and unto Ithamar, his sons, Uncover not your heads, neither rend your clothes; lest ye die, and lest wrath come upon all the people: but let your brethren, the whole house of Israel, bewail the burning which the Lord hath kindled. Ary hoy Mosesy tamin' i Arona ary tamin' i Eleazara sy Itamara, zananilahy: Aza mirakaraka volo, na mandriatra ny akanjonareo, fandrao mba maty koa ianareo, sady hisy fahatezerana hahatratra ny olona rehetra; fa aoka ny rahalahinareo, dia ny taranak' Isiraely rehetra, no hitomany noho ny fahamaizana izay narehitr' i Jehovah. Hoy Moizy tamin' i Aarona sy Eleazara ary Itamara: Aza avalenareo hirakaraka foana ny volon-dohanareo, ary aza triarinareo ny fanamianareo, fandrao dia maty hianareo, ary ho tratry ny hatezeran' ny Tompo ny fiangonana rehetra. Ny rahalahinareo sy ny taranak' Israely rehetra no aoka hitomany noho izao fandoroana narehitry ny Tompo izao. Moïse dit à Aaron et à ses fils, Éléazar et Itamar : " Ne déliez point vos cheveux et ne déchirez point vos vêtements, vous ne mourrez pas. C' est contre la communauté tout entière qu' Il s' est irrité, c' est toute la maison d' Israël qui pleurera vos frères, ces victimes du feu de Yahvé.
Lev 10.7 And ye shall not go out from the door of the tabernacle of the congregation, lest ye die: for the anointing oil of the Lord is upon you. And they did according to the word of Moses. Ary aza miala eo anoloan' ny varavaran' ny trano-lay fihaonana, fandrao maty ianareo; fa efa mby aminareo ny diloilo fanosoran' i Jehovah. Dia nanao araka ny tenin' i Mosesy izy. Fa hianareo kosa aza mivoaka ny varavaran' ny trano lay fihaonana akory, fandrao dia maty hianareo, satria efa mby ao aminareo ny diloilo fanosoran' ny Tompo. Dia nataon' izy ireo izay nolazain' i Moizy. Ne quittez pas l' entrée de la Tente du Rendez-vous de peur que vous ne mouriez, vous avez en effet sur vous l' huile de l' onction de Yahvé. " Ils se conformèrent aux paroles de Moïse.
...............
Lev 10.11 And that ye may teach the children of Israel all the statutes which the Lord hath spoken unto them by the hand of Moses. ary mba hampianarinareo ny Zanak' Isiraely ny didy rehetra izay nasain' i Jehovah holazain' i Mosesy taminy. ary mba hahaizanareo mampianatra ny zanak' Israely ny lalàna rehetra nomen' ny Tompo azy ireo, tamin' ny alàlan' i Moizy. et quand vous faites connaître aux Israélites n' importe lequel des décrets que Yahvé a édictés pour vous par l' intermédiaire de Moïse. "
Lev 10.12 And Moses spake unto Aaron, and unto Eleazar and unto Ithamar, his sons that were left, Take the meat offering that remaineth of the offerings of the Lord made by fire, and eat it without leaven beside the altar: for it is most holy: Ary hoy Mosesy tamin' i Arona ary tamin' i Eleazara sy Itamara zananilahy sisa: Alao ny fanatitra hohanina izay sisa amin' ny fanatitra natao tamin' ny afo ho an' i Jehovah, ka hano eo anilan' ny alitara izany, nefa aza asiana masirasira; fa masina dia masina izany. Dia hoy Moizy tamin' i Aarona sy tamin' ireo zanak' i Aarona, roa lahy sisa, Eleazara sy Itamara: Alao ny fanatitra sisa avy amin' ny sorona natao tamin' ny afo ho an' ny Tompo, ka hano tsy misy lalivay, eo akaikin' ny otely, fa zava-masina dia masina izany. Moïse dit à Aaron et à ses fils survivants, Éléazar et Itamar : " Prenez l' oblation qui reste des mets de Yahvé. Mangez-en les azymes à côté de l' autel, car c' est chose très sainte.
...............
Lev 10.16 And Moses diligently sought the goat of the sin offering, and, behold, it was burnt: and he was angry with Eleazar and Ithamar, the sons of Aaron which were left alive, saying, Ary Mosesy nitady fatratra ny osilahy izay natao fanatitra noho ny ota, kanjo efa voadotra izany; dia tezitra tamin' ny zanak' i Arona sisa izy, dia tamin' i Eleazara sy Itamara, ka hoy izy: Ary Moizy nanadina ny amin' ny osilahy natao sorona noho ny ota, ka indro efa voadotra izany; ka tezitra tamin' i Eleazara sy Itamara hany sisa zanakalahin' i Aarona izy, sy nanao tamin' izy ireo hoe: Moïse s' enquit alors du bouc offert en sacrifice pour le péché : voilà qu' on l' avait brûlé ! Il s' irrita contre Éléazar et Itamar, les fils survivants d' Aaron :
...............
Lev 10.19 And Aaron said unto Moses, Behold, this day have they offered their sin offering and their burnt offering before the Lord; and such things have befallen me: and if I had eaten the sin offering to day, should it have been accepted in the sight of the Lord? Ary Arona niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Indro, androany no nanaterany ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany teo anatrehan' i Jehovah, ary efa azon' izao manjo izao aho; koa raha tàhiny nihinana ny fanatitra noho ny ota androany aho, moa ho tsara teo imason' i Jehovah va izany? Fa hoy Aarona tamin' i Moizy: Izy ireo androany dia efa nanatitra ny sorony noho ny ota sy ny sorony dorana, teo anatrehan' ny Tompo; fa izaho kosa, noho ny nanjò ahy, moa ho nankasitrahana teo imason' ny Tompo aho, raha nihinana ny sorona noho ny ota androany? Aaron dit à Moïse : " Voici qu' ils ont offert aujourd' hui leur sacrifice pour le péché et leur holocauste devant Yahvé ! Qu' il se fût agi de moi, si j' avais mangé aujourd' hui de la victime pour le péché, cela eût-il paru bon à Yahvé ? "
Lev 10.20 And when Moses heard that, he was content. Ary raha ren' i Mosesy izany, dia nankasitrahany. Nony nandre izany teny izany Moizy dia nankasitraka izany. Moïse entendit, et cela lui parut bon.
Lev 11.1 And the Lord spake unto Moses and to Aaron, saying unto them, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: Ary niteny tamin' i Moizy sy Aarona Iaveh nanao tamin' izy ireo hoe: Yahvé parla à Moïse et à Aaron, et leur dit :
Lev 12.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary Iaveh niteny tamin' i Moizy nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Lev 13.1 And the Lord spake unto Moses and Aaron, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et à Aaron, et dit :
Lev 14.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Lev 14.33 And the Lord spake unto Moses and unto Aaron, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy sy Aarona Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et à Aaron et dit :
Lev 15.1 And the Lord spake unto Moses and to Aaron, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy sy Aarona Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et à Aaron, et dit :
Lev 16.1 And the Lord spake unto Moses after the death of the two sons of Aaron, when they offered before the Lord, and died; Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy, rehefa maty izy roa lahy zanak' i Arona, tamin' izy nanatona teo anatrehan' i Jehovah ka maty; Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh taorian' ny nahafatesan' ireo zanak' i Aarona roa lahy, izay novonoina tamin' izy nanatona ny tavan' ny Tompo. Yahvé parla à Moïse après la mort des deux fils d' Aaron qui périrent en se présentant devant Yahvé.
Lev 16.2 And the Lord said unto Moses, Speak unto Aaron thy brother, that he come not at all times into the holy place within the vail before the mercy seat, which is upon the ark; that he die not: for I will appear in the cloud upon the mercy seat. dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Lazao amin' i Arona rahalahinao mba tsy hiditra mandrakariva ao amin' ny fitoerana masina izy; dia ao anatin' ny efitra lamba, eo anoloan' ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo ambonin' ny fiara, mba tsy hahafaty azy; fa hiseho eo amin' ny rahona eo ambonin' ny rakotra fanaovam-panatovana Aho. Hoy Iaveh tamin' i Moizy: Ilazao Aarona rahalahinao, mba tsy hiditra lalandava ao amin' ny fitoerana masina, anatin' ny efitra lamba, eo anoloan' ny fanaovam-panavotana izay eo ambonin' ny fiara, sao ho faty izy, satria miseho ao amin' ny rahona eo ambonin' ny fanaovam-panavotana aho. Yahvé dit à Moïse : Parle à Aaron ton frère : qu' il n' entre pas à n' importe quel moment dans le sanctuaire derrière le rideau, en face du propitiatoire qui se trouve sur l' arche. Il pourrait mourir, car j' apparais au-dessus du propitiatoire dans une nuée.
...............
Lev 16.34 And this shall be an everlasting statute unto you, to make an atonement for the children of Israel for all their sins once a year. And he did as the Lord commanded Moses. Ary ho lalàna mandrakizay ho anareo izany, hanaovana fanavotana ho an' ny Zanak' Isiraely indray mandeha isan-taona hahafahany amin' ny fahotany rehetra. Dia nataon' i Arona araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Lalàna tsy tapaka ho anareo izao: hatao indray mandeha isan-taona ny fanonerana ho an' ny zanak' Israely noho ny fahotany. Dia nataon' ny olona izay nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Cela sera pour vous une loi perpétuelle ; une fois par an se fera sur les Israélites le rite d' expiation pour tous leurs péchés. Et l' on fit comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
Lev 17.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Lev 18.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Lev 19.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary Iaveh niteny tamin' i Moizy nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Lev 20.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Lev 21.1 And the Lord said unto Moses, Speak unto the priests the sons of Aaron, and say unto them, There shall none be defiled for the dead among his people: Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin' ireo mpisorona, zanak' i Arona, hoe: Aoka ianareo tsy hisy hiditra am-paty eo amin' ny fireneny, Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Mitenena amin' ny mpisorona zanak' i Aarona ka lazao azy ireo hoe: Aza misy mandoto tena raha misy maty eo amin' ny fireneny, Yahvé dit à Moïse : Parle aux prêtres, fils d' Aaron ; tu leur diras : Aucun d' eux ne se rendra impur près du cadavre de l' un des siens,
...............
Lev 21.16 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Lev 21.24 And Moses told it unto Aaron, and to his sons, and unto all the children of Israel. Ary Mosesy dia nilaza izany tamin' i Arona sy ny zanany ary ny Zanak' Isiraely rehetra. Dia nolazain' i Moizy izany tamin' i Aarona sy ny zanany ary ny zanak' Israely rehetra. Et Moïse le dit à Aaron, à ses fils et à tous les Israélites.
Lev 22.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy, ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Lev 22.17 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Lev 22.26 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Yahvé parla à Moïse et dit :
Lev 23.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Lev 23.9 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Lev 23.23 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Lev 23.26 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Lev 23.33 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary Iaveh niteny tamin' i Moizy nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Lev 23.44 And Moses declared unto the children of Israel the feasts of the Lord. Ary Mosesy dia nilaza tamin' ny Zanak' Isiraely ny fotoam-pivavahana voatendrin' i Jehovah. Dia nampahalalain' i Moizy ny zanak' Israely ny fetin' ny Tompo. Et Moïse décrivit aux Israélites les solennités de Yahvé.
Lev 24.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Lev 24.11 And the Israelitish woman' s son blasphemed the name of the Lord, and cursed. And they brought him unto Moses: (and his mother' s name was Shelomith, the daughter of Dibri, of the tribe of Dan:) Ary niteny ratsy ny Anarana ilay zanaky ny vehivavy Isiraelita ka nanozona dia nentina tany amin' i Mosesy izy (Sebomita no anaran-dreniny, zanakavavin' i Dibry avy tamin' ny firenen' i Dana izy); Ny zanakalahin' ny vehivavy Israelita nanevateva ny Anarana masina sady nanozona; ary ny anaran-dreniny dia Salomita, zanak' i Dabrì, avy amin' ny fokon' i Dana; Or le fils de l' Israélite blasphéma le Nom et le maudit. On le conduisit alors à Moïse le nom de la mère était Shelomit, fille de Dibri, de la tribu de Dan.
...............
Lev 24.13 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Dia niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Lev 24.23 And Moses spake to the children of Israel, that they should bring forth him that had cursed out of the camp, and stone him with stones. And the children of Israel did as the Lord commanded Moses. Ary Mosesy niteny tamin' ny Zanak' Isiraely, dia navoakany teny ivelan' ny toby ilay nanozona ka notorahany vato. Ary ny Zanak' Isiraely dia nanao araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Nony voalazan' i Moizy tamin' ny zanak' Israely izany, dia navoakan' izy ireo ilay mpanevateva, ka notorahany vato. Notanterahin' ny zanak' Israely ny didy nomen' ny Tompo an' i Moizy. Moïse ayant ainsi parlé aux Israélites, ils firent sortir du camp celui qui avait prononcé la malédiction et ils le lapidèrent. Ils accomplirent ainsi ce que Yahvé avait ordonné à Moïse.
Lev 25.1 And the Lord spake unto Moses in mount Sinai, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay ka nanao hoe: Ary Iaveh niteny tamin' i Moizy tany an-tendrombohitra Sinaia nanao hoe: Yahvé parla à Moïse sur le mont Sinaï ; il dit :
...............
Lev 26.46 These are the statutes and judgments and laws, which the Lord made between him and the children of Israel in mount Sinai by the hand of Moses. lreo no didy sy fitsipika ary lalàna izay nataon' i Jehovah ho aminy sy amin' ny Zanak Isiraely, teo an-tendrombohitra Sinay ka nampilazainy an' i Mosesy. Ireo no didy amam-pitsipika ary lalàna nataon' ny Tompo ho fifaneken' ny tenany sy ny zanak' Israely tao an-tendrombohitra Sinaia, tamin' ny alalan' i Moizy. Tels sont les décrets, les coutumes et les lois qu'établit Yahvé, entre lui et les Israélites, sur le mont Sinaï, par l' intermédiaire de Moïse.
Lev 27.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary Iaveh niteny tamin' i Moizy nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Lev 27.34 These are the commandments, which the Lord commanded Moses for the children of Israel in mount Sinai. Ireo no didy izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy ho amin' ny Zanak' Isiraely teo an-tendrombohitra Sinay. Ireo no didy nomen' ny Tompo an' i Moizy ho an' ny zanak' Israely, tao an-tendrombohitra Sinaia. Tels sont les ordres que Yahvé donna à Moïse sur le mont Sinaï à l' intention des Israélites.

  Numbers Fanisana na Nomery Fanisana Les Nombres
Nom / Fan 1.1 And the Lord spake unto Moses in the wilderness of Sinai, in the tabernacle of the congregation, on the first day of the second month, in the second year after they were come out of the land of Egypt, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy tany an-efitr' i Sinay, tao amin' ny trano-lay fihaonana tamin' ny andro voalohany tamin' ny volana faharoa, tamin' ny taona faharoa taorian' ny nivoahany avy tany amin' ny tany Egypta, ka nanao hoe: Tany an' efitra Sinaia, tao amin' ny trano lay fihaonana, tamin' ny andro voalohan' ny volana faharoa, taona faharoa taorian' ny nivoahana tany amin' ny tany Ejipta, dia niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse, au désert du Sinaï, dans la Tente du Rendez-vous, le premier jour du second mois, la deuxième année après la sortie du pays d'Égypte. Il dit :
...............
Nom / Fan 1.17 And Moses and Aaron took these men which are expressed by their names: Ary Mosesy sy Arona naka ireo olona voatonona anarana ireo, Nalain' i Moizy sy Aarona ireo olona izay efa voantendry amin' ny anarany avy, Moïse et Aaron prirent ces hommes qui avaient été désignés par leur nom
...............
Nom / Fan 1.19 As the Lord commanded Moses, so he numbered them in the wilderness of Sinai. Araka izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy no nandaminany azy tany an-efitr' Sinay. Araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy dia nataony ny fanisana tany an' efitra Sinaia. Comme Yahvé le lui avait ordonné, Moïse les enregistra dans le désert du Sinaï
...............
Nom / Fan 1.44 These are those that were numbered, which Moses and Aaron numbered, and the princes of Israel, being twelve men: each one was for the house of his fathers. Ireo no voalamin' i Mosesy sy Arona ary ny roa ambin' ny folo lahy lehibe amin' ny Isiraely, izay samy lohan' ny fianakaviany avy. Ireo no voaisa nisain' i Moizy sy Aarona, mbamin' izy roa ambin' ny folo lahy, filohany amin' Israely, lehilahy iray avy isam-pokony. Tels furent ceux que recensèrent Moïse, Aaron et les princes d' Israël, au nombre de douze, un pour chacune de leurs familles.
...............
Nom / Fan 1.48 For the Lord had spoken unto Moses, saying, Fa Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Nom / Fan 1.54 And the children of Israel did according to all that the Lord commanded Moses, so did they. Dia nataon' ny Zanak' Isiraely izany; araka izay rehetra efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy no nataony. Dia notanterahin' ny zanak' Israely avokoa izay rehetra nandidian' ny Tompo an' i Moizy; nataony izany. Les Israélites se conformèrent en tout point à ce que Yahvé avait ordonné à Moïse. C' est ainsi qu' ils firent.
Nom / Fan 2.1 And the Lord spake unto Moses and unto Aaron, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et à Aaron et dit :
...............
Nom / Fan 2.33 But the Levites were not numbered among the children of Israel; as the Lord commanded Moses. Fa ny Levita dia tsy mba niaraka nalamina tamin' ny Zanak' Isiraely, araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Tsy anisan' ny voaisa niaraka tamin' ny zanak' Israely ny levita, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Mais, comme Yahvé l' avait commandé à Moïse, les Lévites ne furent pas recensés avec les Israélites.
Nom / Fan 2.34 And the children of Israel did according to all that the Lord commanded Moses: so they pitched by their standards, and so they set forward, every one after their families, according to the house of their fathers. Ary ny Zanak' Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy. Notanterahin' ny zanak' Israely avokoa izay rehetra nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Toy izany no nitobiany samy araka ny fanevany avy. Toy izany no nilaharany teo am-pandehanana araka ny fianakaviany avy sy ny fokom-pianakaviany avy. Les Israélites se conformèrent en tout point à ce que Yahvé avait ordonné à Moïse. C' est ainsi qu' ils campèrent, répartis par étendards. C' est ainsi qu' ils levèrent le camp, chacun dans son clan, chacun avec sa famille.
Nom / Fan 3.1 These also are the generations of Aaron and Moses in the day that the Lord spake with Moses in mount Sinai. Ary izao no taranak' i Arona sy Mosesy tamin' ny andro nitenenan' i Jehovah tamin' i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay. Izao no taranak' i Aarona sy Moizy, tamin' ny andro nitenenan' ny Tompo tamin' i Moizy, teny an-tendrombohitra Sinaia. Voici la postérité d' Aaron et de Moïse, à l'époque où Yahvé parla à Moïse au mont Sinaï.
...............
Nom / Fan 3.5 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary Elezara sy Itamara nanao ny fisoronana teo anatrehan' i Aarona rainy. Yahvé parla à Moïse et dit :
Nom / Fan 3.6 Bring the tribe of Levi near, and present them before Aaron the priest, that they may minister unto him. Ento ny firenen' i Levy hanatona, ka ampitoero eo anatrehan' i Arona mpisorona mba hanompo azy. Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh ka nanao hoe: Ampanatony ny fokon' i Levì, ka apetraho eo anatrehan' i Aarona mpisorona mba hanao ny raharahany. " Fais avancer la tribu de Lévi et mets-la à la disposition d' Aaron le prêtre : ils seront à son service.
...............
Nom / Fan 3.11 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Nom / Fan 3.14 And the Lord spake unto Moses in the wilderness of Sinai, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy tany an-efitr' i Sinay ka nanao hoe: Tany an' efitra Sinaia, dia niteny tamin' i Moizy Iaveh ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse dans le désert du Sinaï, et dit :
...............
Nom / Fan 3.16 And Moses numbered them according to the word of the Lord, as he was commanded. Ary Mosesy nandamina azy araka ny tenin' i Jehovah, araka izay efa nandidiana azy. Dia nataon' i Moizy ny fanisana azy ireo, noho ny tenin' ny Tompo, araka ny nandidiany azy. Sur l' ordre de Yahvé, Moïse les recensa, comme Yahvé le lui avait ordonné.
...............
Nom / Fan 3.38 But those that encamp before the tabernacle toward the east, even before the tabernacle of the congregation eastward, shall be Moses, and Aaron and his sons, keeping the charge of the sanctuary for the charge of the children of Israel; and the stranger that cometh nigh shall be put to death. Ary ny mitoby eo anoloan' ny tabernakely atsinanany, dia eo anoloan' ny trano-lay fihaonana, tandrifin' ny fiposahan' ny masoandro, dia Mosesy sy Arona ary ny zanany, izay mpitandrina ny anjara-raharaha momba ny fitoerana masina, dia ny anjara-raharahan' ny Zanak' Isiraely; ary raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy. Moizy sy Aarona mbamin' ny zanany no nitoby eo anoloan' ny Fonenana, eo atsinanana, eo anatrehan' ny trano lay fihaonana, amin' ny lafiny iposahan' ny masoandro; izy ireo no niadidy ny fiambenana ny fitoerana masina, araka izay tokony hotandreman' ny zanak' Israely rehetra; fa raha olon-kafa no manakaiky eo, dia tsy maintsy hohelohin-ko faty. Enfin campaient à l' est devant la Demeure, devant la Tente du Rendez-vous à l' orient, Moïse, Aaron et ses fils, qui avaient la charge du sanctuaire au nom des Israélites. Tout profane qui s' approcherait devait être mis à mort.
Nom / Fan 3.39 All that were numbered of the Levites, which Moses and Aaron numbered at the commandment of the Lord, throughout their families, all the males from a month old and upward, were twenty and two thousand. Ny tontalin' izay nalamina avy tamin' ny Levita, dia izay nalamin' i Mosesy sy Arona araka ny didin' i Jehovah, avy tamin' ny fokony, ny lahy rehetra hatramin' ny iray volana no ho miakatra, dia roa arivo amby roa alina. Roa arivo sy roa alina no tontalin' ny Levita voaisa tamin' ny fanisana nataon' i Moizy, araka ny nandidian' ny Tompo azy, dia ny lehilahy rehetra hatramin' ny iray volana no ho miakatra, araka ny fianakaviany azy. Le total des Lévites recensés, que Moïse dénombra par clans sur l' ordre de Yahvé, le nombre des mâles depuis l'âge d' un mois et au-dessus, fut de vingt-deux mille.
Nom / Fan 3.40 And the Lord said unto Moses, Number all the firstborn of the males of the children of Israel from a month old and upward, and take the number of their names. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Alamino ny lahimatoa rehetra eo amin' ny Zanak' Isiraely hatramin' ny iray volana no ho miakatra, ka alao isa ny anarany. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Alao isa ny lahimatoa rehetra amin' ny zanak' Israely, hatramin' ny iray volana no ho miakatra, ka isao ny anarany. Yahvé dit à Moïse :" Fais le recensement de tous les premiers-nés mâles des Israélites, depuis l'âge d' un mois et au-dessus ; fais le compte de leurs noms.
...............
Nom / Fan 3.42 And Moses numbered, as the Lord commanded him, all the firstborn among the children of Israel. Dia nalamin' i Mosesy ny lahimatoa rehetra teo amin' ny Zanak' Isiraely, araka izay efa nandidian' i Jehovah azy. Dia nisain' i Moizy araka ny nandidian' ny Tompo azy, ny lahimatoa rehetra tamin' ny zanak' Israely, Comme Yahvé le lui avait ordonné, Moïse recensa tous les premiers-nés des Israélites.
...............
Nom / Fan 3.44 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh ka nanao hoe: Alors Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Nom / Fan 3.49 And Moses took the redemption money of them that were over and above them that were redeemed by the Levites: Ary Mosesy nandray ny vola izay avotry ny nihoatra isa noho ny voavotry ny Levita; Dia noraisin' i Moizy ny vola avotr' ireo nihoatra isa ka navotan' ny Levita; Moïse reçut cet argent pour le rachat de ceux que le nombre insuffisant des Lévites ne rachetait point.
...............
Nom / Fan 3.51 And Moses gave the money of them that were redeemed unto Aaron and to his sons, according to the word of the Lord, as the Lord commanded Moses. dia nomen' i Mosesy an' i Arona sy ny zanany izany vola avotra izany, araka ny tenin' i Jehovah, dia araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Nomen' i Moizy an' i Aarona sy ny zanany izany vola avy amin' ny fanavotana izany, araka ny tenin' ny Tompo, dia araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Moïse versa l' argent de cette rançon à Aaron et à ses fils, sur l' ordre de Yahvé, comme Yahvé l' avait commandé à Moïse.
Nom / Fan 4.1 And the Lord spake unto Moses and unto Aaron, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy sy Aarona Iaveh ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et à Aaron et dit :
...............
Nom / Fan 4.17 And the Lord spake unto Moses and unto Aaron saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy sy Aarona Iaveh ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et à Aaron. Il dit :
...............
Nom / Fan 4.21 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Nom / Fan 4.34 And Moses and Aaron and the chief of the congregation numbered the sons of the Kohathites after their families, and after the house of their fathers, Ary Mosesy sy Arona ary ny lohan' ny fiangonana nandamina ny taranaky ny Kehatita, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy, Ary Moizy sy Aarona mbamin' ny filohan' ny fiangonana nanisa ny taranaky ny Kaatita, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy, Moïse, Aaron et les princes de la communauté firent le recensement des fils de Qehat, par clans et par familles ;
...............
Nom / Fan 4.37 These were they that were numbered of the families of the Kohathites, all that might do service in the tabernacle of the congregation, which Moses and Aaron did number according to the commandment of the Lord by the hand of Moses. Ireo no nalamina tamin' ny fokon' ny Kehatita, dia izay rehetra manao fanompoana ao amin' ny trano-lay fihaonana, izay nalamin' i Mosesy sy Arona araka ny didin' i Jehovah nampitondrainy an' i Mosesy. Ireo no voaisa tamin' ny fianakavian' ny Kaatita, dia izay rehetra manao fanompoana ao amin' ny trano lay fihaonana. Araka ny didy nomen' ny Tompo tamin' ny alàlan' i Moizy no nanaovan' i Moizy sy Aarona izany fanisana izany. Tel fut le nombre des recensés des clans Qehatites, tous ceux qui devaient servir dans la Tente du Rendez-vous, et que recensèrent Moïse et Aaron, sur l' ordre de Yahvé transmis par Moïse.
...............
Nom / Fan 4.41 These are they that were numbered of the families of the sons of Gershon, of all that might do service in the tabernacle of the congregation, whom Moses and Aaron did number according to the commandment of the Lord. Ireo no nalamina tamin' ny fokon' ny taranak' i Gersona, izay rehetra manao fanompoana ao amin' ny trano-lay fihaonana, dia izay nalamin' i Mosesy sy Arona araka ny didin' i Jehovah. Ireo no voaisa tamin' ny fianakavian' ny taranak' i Gersona, dia izay rehetra nanao fanompoana ao amin' ny trano lay fihaonana. Didin' ny Tompo no nanaovan' i Moizy sy Aarona izany fanisana izany. Tel fut le nombre des recensés des clans Gershonites, tous ceux qui devaient servir dans la Tente du Rendez-vous, et que recensèrent Moïse et Aaron, sur l' ordre de Yahvé.
...............
Nom / Fan 4.45 These be those that were numbered of the families of the sons of Merari, whom Moses and Aaron numbered according to the word of the Lord by the hand of Moses. ireo no nalamina tamin' ny fokon' ny taranak' i Merary, izay nalamin' i Mosesy sy Arona araka ny didin' i Jehovah izay nampitondrainy an' i Mosesy. Ireo no voaisa tamin' ny fianakavian' ny taranak' i Merary. Didy nomen' ny Tompo tamin' ny alàlan' i Moizy no nanaovan' i Moizy sy Aarona izany fanisana izany. Tel fut le nombre des recensés des clans Merarites, que recensèrent Moïse et Aaron, sur l' ordre de Yahvé transmis par Moïse.
Nom / Fan 4.46 All those that were numbered of the Levites, whom Moses and Aaron and the chief of Israel numbered, after their families, and after the house of their fathers, Ny tontalin' ny taranak' i Levy izay nalamin' i Mosesy sy Arona mbamin' ny lohan' ny Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany Ny voaisa rehetra tamin' ny Levita, izay nisain' i Moizy sy Aarona mbamin' ny filohan' Israely, araka ny fianakaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy, Le nombre total des Lévites que Moïse, Aaron et les princes d' Israël recensèrent par clans et par familles -
...............
Nom / Fan 4.49 According to the commandment of the Lord they were numbered by the hand of Moses, every one according to his service, and according to his burden: thus were they numbered of him, as the Lord commanded Moses. Araka ny didin' i Jehovah izay nampitondrainy an' i Mosesy no nandaminany azy samy ho amin' ny fanompoany avy sy ny anjara-entany avy ary ny zavatra nalamina araka izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Noho ny didy nomen' ny Tompo tamin' ny alàlan' i Moizy no nanaovana izany fanisana izany sy nanomezana azy tsirairay ny fanompoana tsy maintsy hataony sy ny entana tsy maintsy hoentiny avy, ka dia voaisa araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy izy ireo. Sur l' ordre de Yahvé transmis par Moïse, on fit leur recensement en attribuant à chacun son service et son fardeau ; ils furent recensés comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
Nom / Fan 5.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Nom / Fan 5.4 And the children of Israel did so, and put them out without the camp: as the Lord spake unto Moses, so did the children of Israel. Dia nanao izany ny Zanak' Isiraely ka namoaka ireny ho any ivelan' ny toby; araka izay nolazain' i Jehovah tamin' i Mosesy no nataon' ny Zanak' Isiraely. Dia nataon' ny zanak' Israely izany, ka navoakany any ivelan' ny toby ireny: araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy no nataon' ny zanak' Israely. Ainsi firent les Israélites : ils les renvoyèrent du camp. Les Israélites agirent comme Yahvé l' avait dit à Moïse.
Nom / Fan 5.5 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Nom / Fan 5.11 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Nom / Fan 6.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Nom / Fan 6.22 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Nom / Fan 7.1 And it came to pass on the day that Moses had fully set up the tabernacle, and had anointed it, and sanctified it, and all the instruments thereof, both the altar and all the vessels thereof, and had anointed them, and sanctified them; Ary tamin' ny andro izay nahavitan' i Mosesy ny nananganana ny tabernakely dia nanosotra sy nanamasina azy izy mbamin' ny fanaka rehetra momba azy ary ny alitara sy ny fanaka rehetra momba azy; ary rehefa nanosotra sy nanamasina ireo izy, Tamin' ny andro nahavitan' i Moizy ny fananganana ny Fonenana ka nanosorany sy nanamasinany azy mbamin' ny fanaka rehetra momba azy, hatramin' ny otely mbamin' ny fanaka rehetra momba azy koa, rahefa nanosotra sy nanamasina an' ireo izy, Le jour où Moïse eut achevé d'ériger la Demeure, il l' oignit et la consacra avec tout son mobilier, ainsi que l' autel avec tous ses accessoires. Quand il eut oint et consacré tout cela,
...............
Nom / Fan 7.4 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Dia niteny tamin' i Moizy Iaveh ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Nom / Fan 7.6 And Moses took the wagons and the oxen, and gave them unto the Levites. Dia noraisin' i Mosesy ny sariety sy ny omby ka nomeny ny Levita. Dia noraisin' i Moizy ny sarety sy ny omby, ka napetrany amin' ny Levita. Moïse prit les chariots et les boeufs, il les donna aux Lévites.
...............
Nom / Fan 7.11 And the Lord said unto Moses, They shall offer their offering, each prince on his day, for the dedicating of the altar. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Aoka ny lohan' ny firenena samy hanatitra ny fanatiny amin' ny an' androny avy ho amin' ny fitokanana ny alitara. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Aoka hisy iray isan' andro ny filohany no tonga manolotra ny fanatiny, amin' ny fitokanana ny otely. et Yahvé dit à Moïse : " Que chaque jour l' un des princes apporte son offrande pour la dédicace de l' autel. "
...............
Nom / Fan 7.89 And when Moses was gone into the tabernacle of the congregation to speak with him, then he heard the voice of one speaking unto him from off the mercy seat that was upon the ark of testimony, from between the two cherubims: and he spake unto him. Ary rehefa niditra tao amin' ny trano-lay fihaonana Mosesy mba hiteny amin' Andriamanitra, dia nandre ny feo miresaka aminy izy avy tao amin' ny rakotra fanaovam-panavotana izay teo ambonin' ny fiaran' ny Vavolombelona, avy eo anelanelan' ny kerobima roa; dia niteny taminy Jehovah. Raha niditra tao amin' ny trano lay fihaonana i Moizy, mba hiteny tamin' ny Tompo, dia nandre feo niresaka taminy, avy ao amin' ny fanaovam-panavotana izay nipetraka teo ambonin' ny fiaran' ny vavolombelona, anelanelan' ny kerobima roa. Ary niteny taminy izy. Quand Moïse pénétrait dans la Tente du Rendez-vous pour s' adresser à Lui, il entendait la voix qui lui parlait du haut du propitiatoire que portait l' arche du Témoignage, entre les deux chérubins. Alors ils s' adressait à Lui.
Nom / Fan 8.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Nom / Fan 8.3 And Aaron did so; he lighted the lamps thereof over against the candlestick, as the Lord commanded Moses. Dia nataon' i Arona izany, fa nampirehetiny ny jiro mba hahazava ny eo anoloan' ny fanaovan-jiro, araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Dia nataon' i Aarona izany, napetrany eo amin' ny anoloan' ny fanaovan-jiro ny lalampy araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Ainsi fit Aaron. Ils disposa les lampes sur le devant du candélabre, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
Nom / Fan 8.4 And this work of the candlestick was of beaten gold, unto the shaft thereof, unto the flowers thereof, was beaten work: according unto the pattern which the Lord had shewed Moses, so he made the candlestick. Ary izao no toetry ny fanaovan-jiro; volamena novoasana izy; hatramin' ny faladiany sy ny voniny aza dia samy novoasana avokoa; araka ny endrika izay nasehon' i Jehovah an' i Mosesy no nanaovany ny fanaovan-jiro. Ny fanaovan-jiro, dia volamena tefy manta avokoa, hatramin' ny faladiany ka hatramin' ny voniny. Modely nasehon' ny Tompo an' i Moizy no nanaovany azy. Ce candélabre était un ouvrage d' or repoussé, y compris la tige et la corolle qui étaient aussi en or repoussé. Ce candélabre avait été fait conformément à la vision que Yahvé en avait donnée à Moïse.
Nom / Fan 8.5 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Nom / Fan 8.20 And Moses, and Aaron, and all the congregation of the children of Israel, did to the Levites according unto all that the Lord commanded Moses concerning the Levites, so did the children of Israel unto them. Dia nataon' i Mosesy sy Arona mbamin' ny fiangonana, dia ny Zanak' Isiraely rehetra, tamin' ny Levita izany; araka izay rehetra efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy ny amin' ny Levita no nataon' ny Zanak' Isiraely taminy. Dia nataon' i Moizy sy Aarona mbamin' ny fiangonan' ny zanak' Israely rehetra tamin' ny Levita, izay rehetra nandidian' ny Tompo an' i Moizy momba ny Levita; izany no nataon' ny zanak' Israely tamin' izy ireo. Moïse, Aaron et toute la communauté des Israélites agirent à l'égard des Lévites selon tout ce que Yahvé avait ordonné à Moïse à leur sujet ; ainsi agirent les Israélites à leur égard.
...............
Nom / Fan 8.22 And after that went the Levites in to do their service in the tabernacle of the congregation before Aaron, and before his sons: as the Lord had commanded Moses concerning the Levites, so did they unto them. Ary rehefa afaka izany, dia niditra ny Levita hanao ny fihaonana teo anatrehan' i Arona sy ny zanany; araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy ny amin' ny Levita no nataony taminy. rahefa izany, dia niditra ny Levita nanao ny fanompoany tao amin' ny trano lay fihaonana teo anatrehan' i Aarona sy ny zanany. Araka izay nandidian' ny Tompo an' i Moizy ny amin' ny Levita, dia araka izany no natao tamin' izy ireo. Les Lévites furent admis à faire leur service dans la Tente du Rendez-vous en présence d' Aaron et de ses fils. Selon ce que Yahvé avait prescrit à Moïse au sujet des Lévites, ainsi agit-on à leur égard.
Nom / Fan 8.23 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Nom / Fan 9.1 And the Lord spake unto Moses in the wilderness of Sinai, in the first month of the second year after they were come out of the land of Egypt, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy tany an-efitr' i Sinay tamin' ny volana voalohany tamin' ny taona faharoa taorian' ny nivoahany avy tany amin' ny tany Egypta ka nanao hoe: Tamin' ny volana voalohany amin' ny taona faharoa taorian' ny nivoahany tany amin' ny tany Ejipta, dia niteny tamin' i Moizy Iaveh tany an' efitra Sinaia, ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse, dans le désert du Sinaï, la seconde année après la sortie d'Égypte, au premier mois, et il dit :
...............
Nom / Fan 9.4 And Moses spake unto the children of Israel, that they should keep the passover. Ary Mosesy niteny tamin' ny Zanak' Isiraely mba hitandrina ny Paska. Dia niteny tamin' ny zanak' Israely Moizy mba hanaovan' izy ireo ny Paka. Moïse dit aux Israélites de célébrer la Pâque.
Nom / Fan 9.5 And they kept the passover on the fourteenth day of the first month at even in the wilderness of Sinai: according to all that the Lord commanded Moses, so did the children of Israel. Dia nitandrina ny Paska tany an-efitr' i Sinay izy tamin' ny harivan' ny andro fahefatra ambin' ny folo tamin' ny volana voalohany; araka izay rehetra efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy no nataon' ny Zanak' Isiraely. Ka tamin' ny andro fahefatra ambin' ny folon' ny volana voalohany, tamin' ny àty takariva dia nanao ny Paka tany an' efitra Sinaia izy ireo. Notanterahin' ny zanak' Israely avokoa izay rehetra nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Ils la célébrèrent, dans le désert du Sinaï, au premier mois, le quatorzième jour du mois, au crépuscule. Les Israélites firent tout ce que Yahvé avait ordonné à Moïse.
Nom / Fan 9.6 And there were certain men, who were defiled by the dead body of a man, that they could not keep the passover on that day: and they came before Moses and before Aaron on that day: Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin' izany andro izany; dia nankeo anatrehan' i Mosesy sy Arona izy tamin' izany andro izany Nisy olona sasany sendra voaloto tamim-paty ka tsy afa-nanao ny Paka tamin' izany andro izany. Nankeo anatrehan' i Moizy sy Aarona andron' izay ihany izy ireo, ka nanao tamin' i Moizy hoe: Or, il se trouva des hommes qui avaient contracté une impureté du fait d' un mort ; ils ne purent célébrer la Pâque ce jour-là. Ils vinrent le même jour trouver Moïse et Aaron
...............
Nom / Fan 9.8 And Moses said unto them, Stand still, and I will hear what the Lord will command concerning you. Fa hoy Mosesy taminy: Andraso aloha, fa hanontaniako izay handidian' i Jehovah ny aminareo. Hoy ny navalin' i Moizy azy: Andraso aloha handrenesako izay handidian' ny Tompo anareo. Moïse leur répondit : " Tenez-vous là, que j' entende ce que Yahvé ordonne pour vous. "
Nom / Fan 9.9 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Nom / Fan 9.23 At the commandment of the Lord they rested in the tents, and at the commandment of the Lord they journeyed: they kept the charge of the Lord, at the commandment of the Lord by the hand of Moses. Araka ny didin' i Jehovah no nitobiany, ary araka ny didin' i Jehovah no niaingany; nitandrina izay nasain' i Jehovah notandremany izy, araka ny tenin' i Jehovah izay nampitondrainy an' i Mosesy. Didin' ny Tompo no nitobiany, didin' ny Tompo no niaingany: nitandrina ny didin' ny Tompo izy ireo, araka ny tenin' ny Tompo izay nomeny tamin' ny alàlan' i Moizy. Sur l' ordre de Yahvé ils campaient, et sur l' ordre de Yahvé ils partaient. Ils rendaient leur culte à Yahvé, suivant les ordres de Yahvé transmis par Moïse.
Nom / Fan 10.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Nom / Fan 10.13 And they first took their journey according to the commandment of the Lord by the hand of Moses. Dia izany no niaingany voalohany araka ny didin' i Jehovah izay nampitondrainy an' i Mosesy. Izany no niaingany voalohany araka ny didin' ny Tompo tamin' ny alàlan' i Moizy. Voici ceux qui partirent en tête, sur l' ordre de Yahvé transmis par Moïse :
...............
Nom / Fan 10.29 And Moses said unto Hobab, the son of Raguel the Midianite, Moses' father in law, We are journeying unto the place of which the Lord said, I will give it you: come thou with us, and we will do thee good: for the Lord hath spoken good concerning Israel. Dia hoy Mosesy tamin' i Hobaba, zanak' i Regoela Midianita, rafozan' i Mosesy: Izahay izao dia mandeha hankany amin' ny tany izay nolazain' i Jehovah hoe: Homeko anareo izy; andeha hiaraka aminay ianao, dia hasianay soa; fa Jehovah efa nilaza soa ny amin' ny Isiraely. Ary hoy Moizy tamin' i Hobaba zana-dRagoela, Madianita, rafozan' i Moizy: Ny dianay izao, dia ho any amin' ny tany nolazain' ny Tompo hoe: Homeko anareo izy. Koa andeha hiaraka aminay, fa hasianay soa hianao, satria Iaveh efa nampanantena ny hanisy soa an' Israely. Moïse dit à Hobab, fils de Réuel le Madianite, son beau-père : " Nous partons pour le pays dont Yahvé a dit : Je vous le donnerai. Viens avec nous, et nous te ferons du bien, car Yahvé a promis du bonheur à Israël. " -
...............
Nom / Fan 10.31 And he said, Leave us not, I pray thee; forasmuch as thou knowest how we are to encamp in the wilderness, and thou mayest be to us instead of eyes. Dia hoy Mosesy: Aza dia ilaozanao izahay; fa fantatrao izay tokony hitobianay atý an-efitra, ka dia ho masonay ianao. Dia hoy Moizy: Masìna hianao, aza dia ilaozanao izahay, fa fantatrao izay toerana tokony hitobianay any an' efitra; ka dia hianao no ho masonay. " Ne nous abandonne pas, reprit Moïse. Car tu connais les lieux où nous devons camper dans le désert, et ainsi tu seras nos yeux.
...............
Nom / Fan 10.35 And it came to pass, when the ark set forward, that Moses said, Rise up, Lord, and let thine enemies be scattered; and let them that hate thee flee before thee. Ary raha niainga ny fiara, dia hoy Mosesy: Mitsangàna, Jehovah ô, ka aoka hiely ny fahavalonao; ary aoka handositra ny tavanao izay mankahala Anao. Nony niainga ny fiara, dia hoy Moizy: Mitsangàna, ry Iaveh, ka aoka hihahaka ny fahavalonao, aoka handositra ny tavanao izay mankahala anao. Quand l' arche partait, Moïse disait :" Lève-toi, Yahvé, que tes ennemis se dispersent, que ceux qui te haïssent fuient devant toi ! "
...............
Nom / Fan 11.2 And the people cried unto Moses; and when Moses prayed unto the Lord, the fire was quenched. Dia nitaraina tamin' i Mosesy ny olona; ary Mosesy nifona tamin' i Jehovah, dia maty ny afo. Dia nibabababa tamin' i Moizy ny vahoaka, ary Moizy nifona tamin' ny Tompo, ary maty ny afo. Le peuple fit appel à Moïse, qui intercéda auprès de Yahvé, et le feu tomba.
...............
Nom / Fan 11.10 Then Moses heard the people weep throughout their families, every man in the door of his tent: and the anger of the Lord was kindled greatly; Moses also was displeased. Ary Mosesy nandre ny olona nitomany tamin' ny isam-pianakaviany, samy teo amin' ny varavaran' ny lainy avy; dia nirehitra fatratra ny fahatezeran' i Jehovah; ary tsy sitrak' i Mosesy koa izany. Ren' i Moizy ny vahoaka samy nitomany isam-pianakaviany avy eo am-baravaran-dainy. Nirehitra mafy ny fahatezeran' ny Tompo. Moïse entendit pleurer le peuple, chaque famille à l' entrée de sa tente. La colère de Yahvé s' enflamma d' une grande ardeur. Moïse en fut très affecté,
Nom / Fan 11.11 And Moses said unto the Lord, Wherefore hast thou afflicted thy servant? and wherefore have I not found favour in thy sight, that thou layest the burden of all this people upon me? Dia hoy Mosesy tamin' i Jehovah: Nahoana no dia nasianao ratsy ny mpanomponao? ary nahoana no tsy nahita fitia eo imasonao aho, ka nampitondrainao enta-mavesatra, dia ity firenena rehetra ity? Dia nalahelo i Moizy ka nilaza tamin' ny Tompo hoe: Nahoana no dia nasianao izao ratsy izao ny mpanomponao, ary nahoana no dia tsy nahita fitia taminao aho, ka novesaranao ny fitondrana an' ity vahoaka ity? et il dit à Yahvé :" Pourquoi fais-tu du mal à ton serviteur ? Pourquoi n' ai-je pas trouvé grâce à tes yeux, que tu m' aies imposé la charge de tout ce peuple ?
...............
Nom / Fan 11.16 And the Lord said unto Moses, Gather unto me seventy men of the elders of Israel, whom thou knowest to be the elders of the people, and officers over them; and bring them unto the tabernacle of the congregation, that they may stand there with thee. Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Manangòna fito-polo lahy amin' ny loholon' ny Isiraely ho etý amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin' ny fireneny sy mpifehy azy; ary ento miaraka aminao ho ao amin' ny trano-lay fihaonana izy. Hoy Iaveh tamin' i Moizy: Anangony fitopolo lahy amin' ny loholon' Israely aho, dia izay fantatrao ho loholona amin' ny vahoaka sy mpitondra azy; ka ento ho ao amin' ny trano lay fihaonana izy, ary aoka hijanona ao miaraka aminao. Yahvé dit à Moïse : " Rassemble-moi soixante-dix des anciens d' Israël, que tu sais être des anciens et des scribes du peuple. Tu les amèneras à la Tente du Rendez-vous, où ils se tiendront avec toi.
...............
Nom / Fan 11.21 And Moses said, The people, among whom I am, are six hundred thousand footmen; and thou hast said, I will give them flesh, that they may eat a whole month. Dia hoy Mosesy: Ny olona izay itoerako dia lehilahy enina hetsy izay mahalia lalana; ary hoy ianao: Homeko hena izy mba hohaniny mandritra ny iray volana. Hoy Moizy: Ny vahoaka manodidina ahy, dia enina hetsy ny lehilahy mandeha tongotra, ka lazainao hoe: Homeko hena izy ireo, sady hihinana izany iray volana maninjitra. Moïse dit : " Le peuple où je suis compte six cent mille hommes de pied, et tu dis : Je leur donnerai de la viande à manger pendant tout un mois !
...............
Nom / Fan 11.23 And the Lord said unto Moses, Is the Lord' s hand waxed short? thou shalt see now whether my word shall come to pass unto thee or not. Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Nihafohy va ny tànan' i Jehovah? ankehitriny dia ho hitanao na ho tanteraka aminao ny teniko, na tsia. Dia hoy ny navalin' ny Tompo an' i Moizy: Fohy loatra va ny tànan' ny Tompo? Ho hitanao izao na ho tanteraka aminao na tsia izay voalazako. Yahvé répondit à Moïse : " Le bras de Yahvé serait-il si court ? Tu vas voir si la parole que je t' ai dite s' accomplit ou non.
Nom / Fan 11.24 And Moses went out, and told the people the words of the Lord, and gathered the seventy men of the elders of the people, and set them round about the tabernacle. Dia nivoaka Mosesy ka nilaza ny tenin' i Jehovah tamin' ny olona; dia nanangona fito-polo lahy tamin' ny loholon' ny firenena izy ka nampitoetra azy manodidina ny trano-lay. Dia nivoaka Moizy, ka nilaza ny tenin' ny Tompo tamin' ny vahoaka, ary nanangona fitopolo lahy tamin' ny loholon' ny vahoaka izy, sy nandahatra azy manodidina ny trano lay. Moïse sortit pour dire au peuple les paroles de Yahvé. Puis il réunit soixante-dix anciens du peuple et les plaça autour de la Tente.
Nom / Fan 11.25 And the Lord came down in a cloud, and spake unto him, and took of the spirit that was upon him, and gave it unto the seventy elders: and it came to pass, that, when the spirit rested upon them, they prophesied, and did not cease. Ary nidina teo amin' ny rahona Jehovah ka niteny taminy, dia nangalany ny Fanahy izay tao amin' i Mosesy ka napetrany tao amin' ny loholona fito-polo lahy; ary raha mbola nitoetra tao aminy ny Fanahy, dia naminany izy, nefa tsy nanao intsony. Nidina teo amin' ny rahona Iaveh dia niteny tamin' i Moizy; nangalany ny fanahy izay tao amin' i Moizy, ka nataony tao amin' ny loholona fitopolo lahy, naminany izy ireo raha vao tonga tao aminy ny fanahy, nefa tsy notohizany izany. Yahvé descendit dans la nuée. Il lui parla, et prit de l' Esprit qui reposait sur lui pour le mettre sur les soixante-dix anciens. Quand l' Esprit reposa sur eux ils prophétisèrent, mais ils ne recommencèrent pas.
...............
Nom / Fan 11.27 And there ran a young man, and told Moses, and said, Eldad and Medad do prophesy in the camp. Ary nisy zatovo nihazakazaka, dia nilaza tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Eldada sy Medada maminany etsy an-toby. Dia nihazakazaka nilaza izany tamin' i Moizy ny zazalahy anankiray, nanao hoe: Maminany atsy an-toby i Eldada sy Medada. Un jeune homme courut l' annoncer à Moïse : " Voici Eldad et Médad, dit-il, qui prophétisent dans le camp. "
Nom / Fan 11.28 And Joshua the son of Nun, the servant of Moses, one of his young men, answered and said, My lord Moses, forbid them. Dia namaly Josoa, zanak' i Nona, izay nanompo an' i Mosesy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: Ry Mosesy, tompoko, rarao izy roa lahy. Niteny niaraka tamin' izay Josoe, zanak' i Nona, mpanompon' i Moizy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: Ry Moizy tompoko ô, rarao izy roa lahy. Josué, fils de Nûn, qui depuis sa jeunesse servait Moïse, prit la parole et dit : " Moïse, Monseigneur, empêche-les ! "
Nom / Fan 11.29 And Moses said unto him, Enviest thou for my sake? would God that all the Lord' s people were prophets, and that the Lord would put his spirit upon them! Fa hoy Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon' i Jehovah rehetra, ka halatsak' i Jehovah aminy ny Fanahiny! Fa hoy ny navalin' i Moizy azy: Noho ny amiko va no ialonanao? Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny vahoakan' ny Tompo, ary hataon' ny Tompo ao aminy ny ny fanahiny. Moïse lui répondit : " Serais-tu jaloux pour moi ? Ah ! puisse tout le peuple de Yahvé être prophète, Yahvé leur donnant son Esprit ! "
Nom / Fan 11.30 And Moses gat him into the camp, he and the elders of Israel. Dia nankeo an-toby Mosesy sy ny loholon' ny Isiraely. Dia nihataka nankeo an-toby Moizy sy ny loholon' Israely. Puis Moïse regagna le camp, et avec lui les anciens d' Israël.
Nom / Fan 12.1 And Miriam and Aaron spake against Moses because of the Ethiopian woman whom he had married: for he had married an Ethiopian woman. Ary Miriama sy Arona niteny nanome tsiny an' i Mosesy noho ny vehivavy Kosita izay efa nampakariny; fa efa nampakatra vehivavy Kosita izy. Ary Maria mbamin' i Aarona nanome tsiny an' i Moizy noho ny amin' ny vehivavy Kosita izay efa nalainy ho vady, fa nanambady vehivavy kosita izy. Miryam, ainsi qu' Aaron, parla contre Moïse à cause de la femme kushite qu' il avait prise. Car il avait épousé une femme kushite.
Nom / Fan 12.2 And they said, Hath the Lord indeed spoken only by Moses? hath he not spoken also by us? And the Lord heard it. Dia hoy izy mianadahy: Moa Mosesy ihany va no efa nitenenan' i Jehovah? tsy izahay koa va no nitenenany? Dia ren' i Jehovah izany. Hoy izy ireo: Moa dia amin' ny alàlan' i Moizy ihany va no efa nitenenan' ny Tompo? Moa tsy efa niteny tamin' ny alàlanay va izy? Et ils dirent : " Yahvé ne parlerait-il donc qu'à Moïse ? N' a-t-il pas parlé à nous aussi ? " Yahvé entendit.
Nom / Fan 12.3 (Now the man Moses was very meek, above all the men which were upon the face of the earth.) Ary Mosesy dia lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atý ambonin' ny tany. Ren' ny Tompo izany. Moizy anefa dia lehilahy malemy fanahy indrindra, mihoatra noho ny olona rehetra ety ambonin' ny tany. Or Moïse était un homme très humble, l' homme le plus humble que la terre ait porté.
Nom / Fan 12.4 And the Lord spake suddenly unto Moses, and unto Aaron, and unto Miriam, Come out ye three unto the tabernacle of the congregation. And they three came out. Ary Jehovah dia niteny tampoka tamin' i Mosesy sy Arona ary Miriama hoe: Mivoaha ianareo telo mianadahy ho any amin' ny trano-lay fihaonana. Dia nivoaka izy telo mianadahy. Niteny tampoka tamin' i Moizy sy Aarona ary Maria Iaveh nanao hoe: Mivoaha hianareo telo mianadahy ho any an-trano lay fihaonana. Dia nivoaka daholo izy telo mianadahy. Soudain, Yahvé dit à Moïse, à Aaron et à Miryam : " Venez-vous-en tous les trois à la Tente du Rendez-vous. " Ils allèrent tous trois,
...............
Nom / Fan 12.7 My servant Moses is not so, who is faithful in all mine house. Fa tsy toy izany kosa Mosesy mpanompoko, izay mahatoky amin' ny tranoko rehetra. Tsy mba toy izany Moizy mpanompoko; ekena ho olo-mahatoky amin' ny tranoko rehetra izy. Il n' en est pas ainsi de mon serviteur Moïse, toute ma maison lui est confiée.
Nom / Fan 12.8 With him will I speak mouth to mouth, even apparently, and not in dark speeches; and the similitude of the Lord shall he behold: wherefore then were ye not afraid to speak against my servant Moses? Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin' ny fahitana, fa tsy amin' ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik' i Jehovah izy; ka nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an' i Mosesy mpanompoko? Miteny aminy mifanatrika ka miseho miharihary aminy aho, fa tsy aman' ohatra, dia mijery ny endrik' Iaveh izy. Ka nahoana àry hianareo no dia tsy natahotra ny hanome tsiny ny mpanompoko, dia Moizy? Je lui parle face à face dans l'évidence, non en énigmes, et il voit la forme de Yahvé. Pourquoi avez-vous osé parler contre mon serviteur Moïse ? "
...............
Nom / Fan 12.11 And Aaron said unto Moses, Alas, my lord, I beseech thee, lay not the sin upon us, wherein we have done foolishly, and wherein we have sinned. Ary hoy Arona tamin' i Mosesy: Indrisy, tompoko, masìna ianao, aza atao ho helokay ny nanaovanay adaladala sy ny nanotanay. Ary hoy Aarona tamin' i Moizy: Aoka re, tompoko, mba tsy hatsindrinao anay izany fahotana nataonay tamin-kadalana sy mahameloka anay izany. Aaron dit à Moïse :" A moi, Monseigneur ! Veuille ne pas nous infliger la peine du péché que nous avons eu la folie de commettre et dont nous sommes coupables.
...............
Nom / Fan 12.13 And Moses cried unto the Lord, saying, Heal her now, O God, I beseech thee. Ary Mosesy dia nitaraina tamin' i Jehovah ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mifona aminao aho, mba sitrano re izy! Dia nitaraina tamin' ny Tompo Moizy, ka nanao hoe: ry Andriamanitra, mihanta aminao aho, sitrano izy. Moïse implora Yahvé : " O Dieu, dit-il, daigne la guérir, je t' en prie ! ".
Nom / Fan 12.14 And the Lord said unto Moses, If her father had but spit in her face, should she not be ashamed seven days? let her be shut out from the camp seven days, and after that let her be received in again. Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Raha nandrora tamin' ny tavany rainy, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? koa atokàny any ivelan' ny toby hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia ampidiro indray. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Raha nororan-drainy ny tavany, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? Mitokàna any ivelan' ny toby izy hafitoana, fa rahefa afaka izany vao horaisina ao indray. Yahvé dit alors à Moïse : " Et si son père lui crachait au visage, ne serait-elle pas sept jours dans la honte ? Qu' elle soit pendant sept jours séquestrée hors du camp, et qu' elle y soit admise ensuite à nouveau. "
Nom / Fan 13.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy, ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Nom / Fan 13.3 And Moses by the commandment of the Lord sent them from the wilderness of Paran: all those men were heads of the children of Israel. Ary Mosesy dia naniraka azy hiala any an-efitra Parana, araka ny didin' i Jehovah; ary samy lohan' ny firenen' ny Zanak' Isiraely ireo lehilahy rehetra ireo. Dia nirahin' i Moizy avy ao amin' ny efitra Faràna, araka ny didin' ny Tompo, izy ireo; ary samy filohan' ny zanak' Israely avokoa ireo lehilahy rehetra ireo. Sur l' ordre de Yahvé, Moïse les envoya du désert de Parân. Ces hommes étaient tous chefs des Israélites.
...............
Nom / Fan 13.16 These are the names of the men which Moses sent to spy out the land. And Moses called Oshea the son of Nun Jehoshua. Ireo no anaran' ny lehilahy izay nirahin' i Mosesy hisafo ny tany. Ary Hosea, zanak' i Nona, dia nataon' i Mosesy hoe Josoa. Ireo no anaran' ny lehilahy nirahin' i Moizy hisafo ny tany. Ozea, zanak' i Nòna dia nomen' i Moizy anarana hoe Josoe. Tels sont les noms des hommes que Moïse envoya reconnaître le pays. Puis Moïse donna à Hoshéa, fils de Nûn, le nom de Josué.
Nom / Fan 13.17 And Moses sent them to spy out the land of Canaan, and said unto them, Get you up this way southward, and go up into the mountain: Ary Mosesy naniraka ireo hisafo ny tany Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara atý amin' ny tany atsimo ianareo, ka miakara ho any amin' ny tany havoana; Nirahin' i Moizy hisafo ny tany Kanaana izy ireo, nataony hoe: Miakara hianareo, mihazoa ny Negeba, dia miakara amin' ny tendrombohitra. Moïse les envoya reconnaître le pays de Canaan : " Montez au Négeb, montez ensuite dans la montagne.
...............
Nom / Fan 13.26 And they went and came to Moses, and to Aaron, and to all the congregation of the children of Israel, unto the wilderness of Paran, to Kadesh; and brought back word unto them, and unto all the congregation, and shewed them the fruit of the land. Dia nankeo amin' i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak' Isiraely rehetra, tany an-efitra Parana izy, dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany. Tonga izy, dia nanatona an' i Moizy sy Aarona, mbamin' ny fiangonan' ny zanak' Israely rehetra, tao Kadesy tany an' efitra Faràna. Nanao filazana taminy sy tamin' ny fiangonana rehetra izy ireo ary naneho ny vokatry ny tany taminy. Ils allèrent trouver Moïse, Aaron, et toute la communauté d' Israël, dans le désert de Parân, à Cadès. Ils leur firent leur rapport, ainsi qu'à toute la communauté, et leur montrèrent les produits du pays.
Nom / Fan 13.27 And they told him, and said, We came unto the land whither thou sentest us, and surely it floweth with milk and honey; and this is the fruit of it. Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Tonga tany amin' ny tany izay nanirahanao anay izahay, koa tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary itony no vokatra avy tany. Izao no filazana nataony tamin' i Moizy: Nankany amin' ny tany nanirahanao anay izahay. Tany tondra-dronono sy tantely tokoa izany, ary itony no vokatry ny tany avy any. Ils leur firent ce récit : " Nous sommes allés dans le pays où tu nous as envoyés. En vérité, il ruisselle de lait et de miel ; en voici les produits.
...............
Nom / Fan 13.30 And Caleb stilled the people before Moses, and said, Let us go up at once, and possess it; for we are well able to overcome it. Fa Kaleba dia nampangina ny olona teo anatrehan' i Mosesy ka nanao hoe: Andeha isika hiakatra mihitsy mba hahazoantsika azy, fa haharesy azy tokoa isika. Fa Kaleba nampangina ny vahoaka ny amin' i Moizy: Andeha isika, hoy izy, hiakatra haka ny tany fa mety ho lasantsika tokoa izy. Caleb harangua le peuple assemblé près de Moïse : " Il faut marcher, disait-il, et conquérir ce pays : nous en sommes capables. "
...............
Nom / Fan 14.2 And all the children of Israel murmured against Moses and against Aaron: and the whole congregation said unto them, Would God that we had died in the land of Egypt! or would God we had died in this wilderness! Dia nimonomonona tamin' i Mosesy sy Arona ny Zanak' Isiraely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra taminy; Inay anie isika mba maty tany amin' ny tany Egypta ihany; na inay anie isika mba maty tatý amin' ity efitra ity! Nimonomonona tamin' i Moizy sy Aarona ny zanak' Israely rehetra, ka hoy ny fiangonana rehetra tamin' izy ireo: Inay anie izahay maty tany an-tany Ejipta, na inay anie izahay maty aty amin' ity efitra ity. Tous les Israélites murmurèrent contre Moïse et Aaron, et la communauté tout entière leur dit : " Que ne sommes-nous morts au pays d'Égypte ! Que ne sommes-nous morts du moins en ce désert !
...............
Nom / Fan 14.5 Then Moses and Aaron fell on their faces before all the assembly of the congregation of the children of Israel. Ary Mosesy sy Arona dia niankohoka teo anatrehan' ny fivorian' ny fiangonana, dia ny Zanak' Isiraely rehetra. Nidaboka niankohoka teo anatrehan' ny fiangonan' ny zanak' Israely rehetra tafavory Moizy sy Aarona. Devant toute la communauté assemblée des Israélites, Moïse et Aaron tombèrent la face contre terre.
...............
Nom / Fan 14.11 And the Lord said unto Moses, How long will this people provoke me? and how long will it be ere they believe me, for all the signs which I have shewed among them? Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamotsifotsian' ity firenena ity Ahy? ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy? Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Mandra-pahoviana no haniratsiran' ity vahoaka ity ahy? Ary mandra-pahoviana no tsy hinoany ahy, na dia eo aza ny fahagagana rehetra nataoko teo afovoany? Et Yahvé dit à Moïse :" Jusques à quand ce peuple va-t-il me mépriser ? Jusques à quand refusera-t-il de croire en moi, malgré les signes que j' ai produits chez lui ?
...............
Nom / Fan 14.13 And Moses said unto the Lord, Then the Egyptians shall hear it, (for thou broughtest up this people in thy might from among them;) Dia hoy Mosesy tamin' i Jehovah: Dia ho ren' ny Egyptiana izany; fa ny herinao no nitondranao ity firenena ity nivoaka avy teo aminy, Fa hoy Moizy tamin' ny Tompo: Efa ren' ny Ejipsianina, fa ny herinao no nitondranao ity vahoaka ity niakatra avy tany afovoany; ary efa nolazainy tamin' ny mponina amin' ity tany ity izany. Moïse répondit à Yahvé :" Mais les Égyptiens ont appris que, par ta propre force, tu as fait sortir de chez eux ce peuple.
...............
Nom / Fan 14.26 And the Lord spake unto Moses and unto Aaron, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy sy Aarona Iaveh ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et à Aaron. Il dit :
...............
Nom / Fan 14.36 And the men, which Moses sent to search the land, who returned, and made all the congregation to murmur against him, by bringing up a slander upon the land, Ary ny lehilahy izay nirahin' 1 Mosesy hisafo ny tany, dia izay niverina ka nampimonomonona ny fiangonana rehetra tamin' i Mosesy, satria nanao laza ratsy ny tany izy, Ireo lehilahy nirahin' i Moizy hisafo ny tany, ka nampimonomonona ny fiangonana rehetra taminy nony tafaverina, fa nanao laza ratsy ny tany, Ces hommes que Moïse avait envoyés reconnaître le pays et qui, à leur retour, avaient excité toute la communauté d' Israël à murmurer contre lui en décriant le pays,
...............
Nom / Fan 14.39 And Moses told these sayings unto all the children of Israel: and the people mourned greatly. Dia nolazain' i Mosesy tamin' ny Zanak' Isiraely rehetra izany teny izany; ka dia nanjoretra terý ny olona. Dia nolazain' i Moizy tamin' ny zanak' Israely rehetra izany teny izany, ka safotr' alahelo mafy ny vahoaka. Moïse rapporta ces paroles à tous les Israélites et le peuple fit de grandes lamentations.
...............
Nom / Fan 14.41 And Moses said, Wherefore now do ye transgress the commandment of the Lord? but it shall not prosper. Dia hoy Mosesy: Nahoana no mandika ny didin' i Jehovah ianareo? fa tsy hambinina izany. Hoy Moizy: Nahoana hianareo no mandika ny didin' ny Tompo? Tsy hahomby hianareo amin' izany. Moïse répondit : " Pourquoi transgressez-vous l' ordre de Yahvé ? Cela ne réussira pas.
...............
Nom / Fan 14.44 But they presumed to go up unto the hill top: nevertheless the ark of the covenant of the Lord, and Moses, departed not out of the camp. Kanjo sahisahy foana izy ka niakatra teo an-tampon' ny tendrombohitra ihany; nefa Mosesy sy ny fiaran' ny faneken' i Jehovah tsy niala teo an-toby. Nanao ditra niakatra teo an-tampon' ny tendrombohitra ihany izy ireo, nefa ny fiaran' ny faneken' ny Tompo ary Moizy tsy niala teo afovoan' ny toby; Ils montèrent pourtant, dans leur présomption, au sommet de la montagne. Ni l' arche de l' alliance de Yahvé ni Moïse ne quittèrent le camp.
Nom / Fan 15.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Nom / Fan 15.17 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh, nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Nom / Fan 15.22 And if ye have erred, and not observed all these commandments, which the Lord hath spoken unto Moses, Ary raha manota tsy nahy ianareo ka tsy mankatò ireo didy rehetra ireo, izay nolazain' i Jehovah tamin' i Mosesy, Raha manota tsy nahy hianareo, fa tsy mitandrina ireo didy rehetra nolazain' ny Tompo tamin' i Moizy ireo, " Si vous manquez par inadvertance à quelqu' un de ces commandements que Yahvé a énoncés à Moïse
Nom / Fan 15.23 Even all that the Lord hath commanded you by the hand of Moses, from the day that the Lord commanded Moses, and henceforward among your generations; dia izay rehetra nasain' i Jehovah nandidian' i Mosesy anareo, hatramin' ny andro izay nanaovan' i Jehovah izany didy izany ka hatramin' ny taranakareo fara mandimby, dia izay rehetra nandidian' ny Tompo anareo tamin' ny alàlan' i Moizy, hatramin' ny andro namoahan' ny Tompo ny didy ka hatrany amin' ny taranaka mandimby anareo, tout ce que Yahvé vous a ordonné par l' intermédiaire de Moïse, depuis le jour où il a ordonné tout cela, et pour vos générations ,
...............
Nom / Fan 15.33 And they that found him gathering sticks brought him unto Moses and Aaron, and unto all the congregation. Ary izay nahita azy nanangona kitay dia nitondra azy teo amin' i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana rehetra. Nentin' ireo nahita azy nanangona kitay hazo teo amin' i Moizy sy Aarona ary ny fiangonana rehetra izy. Ceux qui l' avaient surpris à ramasser du bois l' amenèrent à Moïse, à Aaron et à toute la communauté.
...............
Nom / Fan 15.35 And the Lord said unto Moses, The man shall be surely put to death: all the congregation shall stone him with stones without the camp. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Hatao maty tokoa izany lehilahy izany; hitora-bato azy eny ivelan' ny toby ny fiangonana rehetra. Hoy Iaveh tamin' i Moizy: Hovonoin-ko faty izany lehilahy izany, ka ny fiangonana rehetra no hitora-bato azy any ivelan' ny toby. Yahvé dit à Moïse : " Cet homme doit être mis à mort. Que toute la communauté le lapide hors du camp. "
Nom / Fan 15.36 And all the congregation brought him without the camp, and stoned him with stones, and he died; as the Lord commanded Moses. Dia namoaka azy ho eny ivelan' ny toby ny fiangonana rehetra ka nitora-bato azy, ka maty izy, dia araka izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy ihany. Dia navoaky ny fiangonana rehetra tany ivelan' ny toby izy; ka notoraham-bato, dia maty, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Toute la communauté le fit sortir du camp et le lapida jusqu'à ce que mort s' ensuivît, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
Nom / Fan 15.37 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Hoy Iaveh tamin' i Moizy: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Nom / Fan 16.2 And they rose up before Moses, with certain of the children of Israel, two hundred and fifty princes of the assembly, famous in the congregation, men of renown: ka nitsangana teo anatrehan' i Mosesy izy ireo sy ny Zanak' Isiraely dimam-polo amby roan-jato, izay samy lohan' ny fiangonana avokoa, dia olona voafidin' ny fiangonana sady nanan-daza; ary nikomy teo anatrehan' i Moizy izy ireo, dia lehilahy dimam-polo sy roan-jato amin' ny zanak' Israely, filohan' ny fiangonana, sy voafidy hanatrika ny fivorian' ny mpanolo-tsaina ary olona manan-daza. ils se dressèrent contre Moïse, ainsi que deux cent cinquante des Israélites, princes de la communauté, considérés dans les solennités, hommes de renom.
Nom / Fan 16.3 And they gathered themselves together against Moses and against Aaron, and said unto them, Ye take too much upon you, seeing all the congregation are holy, every one of them, and the Lord is among them: wherefore then lift ye up yourselves above the congregation of the Lord? koa niangona hiodina amin' i Mosesy sy Arona ireo ka nanao taminy hoe: Aoka izay ianareo! fa masina avokoa ny fiangonana rehetra, sady Jehovah no eo aminy; koa nahoana no dia manandra-tena ho ambonin' ny fiangonan' i Jehovah ianareo? Nivory hiodina amin' i Moizy sy Aarona izy ireo, ka nanao taminy hoe: Aoka izay, fa masina avokoa ny fiangonana rehetra, ny olon-drehetra, ary eo afovoan' izy ireo Iaveh. Nahoana hianareo no manandra-tena ho ambonin' ny fiangonan' ny Tompo? Ils s' attroupèrent alors contre Moïse et Aaron en leur disant : " Vous passez la mesure ! C' est toute la communauté, ce sont tous ses membres qui sont consacrés, et Yahvé est au milieu d' eux. Pourquoi vous élevez-vous au-dessus de la communauté de Yahvé ? "
Nom / Fan 16.4 And when Moses heard it, he fell upon his face: Ary raha nandre izany Mosesy, dia niankohoka izy Nony nandre izany Moizy dia nidaboka niankohoka, Moïse, l' ayant entendu, tomba face contre terre.
...............
Nom / Fan 16.8 And Moses said unto Korah, Hear, I pray you, ye sons of Levi: Dia hoy koa Mosesy tamin' i Kora: Henoy, ry taranak' i Levy: Ary hoy Moizy tamin' i Kore: Henoy àry, ry zanak' i Levì: Moïse dit à Coré : " Écoutez donc, fils de Lévi !
...............
Nom / Fan 16.12 And Moses sent to call Dathan and Abiram, the sons of Eliab: which said, We will not come up: Ary Mosesy naniraka nampaka an' i Datana sy Abìrama, zanak' i Eliaba; fa hoy izy roa lahy: Tsy hiakatra izahay. Dia nampiantso an' i Datàna sy Abirona i Moizy, fa hoy ireo: Izahay tsy hiakatra. Moïse envoya appeler Datân et Abiram, fils d'Éliab. Ils répondirent : " Nous ne viendrons pas.
...............
Nom / Fan 16.15 And Moses was very wroth, and said unto the Lord, Respect not thou their offering: I have not taken one ass from them, neither have I hurt one of them. Dia tezitra indrindra Mosesy ka nanao tamin' i Jehovah hoe: Aza mijery ny fanatiny akory Hianao; tsy naka na dia boriky iray akory aza taminy aho, ary tsy nanisy ratsy na dia tamin' ny anankiray aminy akory aza. Tezitra indrindra Moizy, ka hoy izy tamin' ny Tompo: Aza asianao raharaha akory izay fanatitr' ireo, fa tsy mba naka tamin' ireo aho, na dia ampondra iray aza, ary tsy nisy nasiako ratsy ireo na dia iray aza. Moïse entra dans une violente colère, et il dit à Yahvé : " Ne prends pas garde à leur oblation. Je ne leur ai pas pris un âne, et je n' ai fait de tort à aucun d' eux.
Nom / Fan 16.16 And Moses said unto Korah, Be thou and all thy company before the Lord, thou, and they, and Aaron, to morrow: Dia hoy Mosesy tamin' i Kora: Aoka ianao sy ny namanao rehetra ho tonga eo anatrehan' i Jehovah rahampitso, dia ianao sy ireo ary Arona. Hoy Moizy tamin' i Kore: Rahampitso hianao sy ny tarikao rehetra mitoetra eo anatrehan' ny Tompo, dia izy ireo sy hianao mbamin' i Aarona. Moïse dit à Coré : " Toi et tout ton groupe, venez demain vous mettre en présence de Yahvé, toi et eux, ainsi qu' Aaron.
...............
Nom / Fan 16.18 And they took every man his censer, and put fire in them, and laid incense thereon, and stood in the door of the tabernacle of the congregation with Moses and Aaron. Ary samy naka ny fitondran' afony avy izy rehetra ka nanisy afo teo anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo anatiny; ary nijanona teo anoloan' ny varavaran' ny trano-lay fihaonana izy mbamin' i Mosesy sy Arona. Dia samy naka ny fanembohany avy izy rehetra, ka nasiany afo tao anatiny, sy norarahany zava-manitra koa; dia nijanona teo am-baravaran' ny trano lay fihaonana izy, mbamin' i Moizy sy Aarona. Chacun prit son encensoir, y mit du feu et déposa de l' encens par-dessus. Puis ils se tinrent à l' entrée de la Tente du Rendez-vous, ainsi que Moïse et Aaron.
Nom / Fan 16.19 And Korah gathered all the congregation against them unto the door of the tabernacle of the congregation: and the glory of the Lord appeared unto all the congregation. Ary Kora nanangona ny namany rehetra ho eo anoloan' ny varavaran' ny trano-lay fihaonana hanohitra azy roa lahy; dia niseho tamin' ny fiangonana rehetra ny voninahitr' i Jehovah. Nantsoin' i Kore ho eo am-baravaran' ny trano lay fihaonana ny fiangonana rehetra, hanohitra an' i Moizy sy Aarona. Dia niseho tamin' ny fiangonana rehetra ny voninahitry ny Tompo. Coré rassembla en face de ces derniers toute la communauté à l' entrée de la Tente du Rendez-vous, et la gloire de Yahvé apparut à toute la communauté.
Nom / Fan 16.20 And the Lord spake unto Moses and unto Aaron, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy sy Aarona Iaveh ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et à Aaron. Il dit :
...............
Nom / Fan 16.23 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Nom / Fan 16.25 And Moses rose up and went unto Dathan and Abiram; and the elders of Israel followed him. Dia nitsangana Mosesy ka nankeo amin' i Datana sy Abìrama; ary nanaraka azy ny loholon' ny Isiraely. nitsangana nankeo amin' i Datàna sy Abirona i Moizy ary nisy nanaraka azy ny loholon' Israely. Moïse se leva et s' en vint auprès de Datân et Abiram ; les anciens d' Israël le suivirent.
...............
Nom / Fan 16.28 And Moses said, Hereby ye shall know that the Lord hath sent me to do all these works; for I have not done them of mine own mind. Dia hoy Mosesy: Izao no hahafantaranareo fa Jehovah no naniraka ahy hanao ireny asa rehetra ireny, fa tsy avy tamin' ny saiko izany: Hoy Moizy: Izao no hahafantaranareo fa Iaveh no naniraka ahy mba hanao ireny zavatra rehetra ireny, fa tsy avy amiko izany. Moïse dit : " A ceci vous saurez que c' est Yahvé qui m' a envoyé pour accomplir toutes ces oeuvres, et que je ne les fais pas de mon propre chef :
Nom / Fan 17.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Nom / Fan 17.5 And it shall come to pass, that the man' s rod, whom I shall choose, shall blossom: and I will make to cease from me the murmurings of the children of Israel, whereby they murmur against you. ho fahatsiarovana ho an' ny Zanak' Isiraely mba tsy hisy olon-kafa afa-tsy ny taranak' i Arona ihany no hahazo manakaiky handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan' i Jehovah; fandrao ho tahaka an' i Kora sy ny namany izy, dia araka ny tenin' i Jehovah izay nampitondrainy an' i Mosesy. Fahatsiarovana ho an' ny zanak' Israely izany, mba tsy hisy olon-kafa, tsy anisan' ny taranak' i Aarona handroso hanatitra zava-manitra eo anatrehan' ny Tompo, ka dia ho tahaka an' i Kore sy ny tariny, araka izay nolazain' ny Tompo taminy, tamin' ny alalan' i Moizy. Elles rappellent aux Israélites qu' aucun profane, étranger à la descendance d' Aaron, ne doit s' approcher pour faire fumer l' encens devant Yahvé, sous peine de subir le sort de Coré et de son groupe, selon ce qu' avait dit Yahvé par l' intermédiaire de Moïse.
Nom / Fan 17.6 And Moses spake unto the children of Israel, and every one of their princes gave him a rod apiece, for each prince one, according to their fathers' houses, even twelve rods: and the rod of Aaron was among their rods. Ary nony ampitso dia nimonomonona tamin' i Mosey sy Arona ny fiangonana, dia ny Zanak' Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Hianareo efa nahafaty ny olon' i Jehovah. Nony ampitso dia nimonomonona tamin' i Moizy sy Aarona ny fiangonan' ny zanak' Israely rehetra nanao hoe: Hianareo efa nahafaty ny vahoakan' ny Tompo. Le lendemain, toute la communauté des Israélites murmura contre Moïse et Aaron, en disant : " Vous avez fait périr le peuple de Yahvé. "
Nom / Fan 17.7 And Moses laid up the rods before the Lord in the tabernacle of witness. Ary raha niangona hanome tsiny an' i Mosesy sy Arona ny fiangonana, dia nijery ny trano-lay fihaonana izy, ka, indro, nanarona azy ny rahona, ary niseho ny voninahitr' i Jehovah. Fa raha ilay nivory hanohitra an' i Moizy sy Aarona iny ny fiangonana, dia nitodika ny trano lay fihaonana Moizy sy Aarona, ka indro fa nanarona an' io ny rahona ary ny voninahitry ny Tompo niseho. Or, comme la communauté s' attroupait contre Moïse et Aaron, ceux-ci se tournèrent vers la Tente du Rendez-vous. Voici que la Nuée la recouvrit et que la gloire de Yahvé apparut.
Nom / Fan 17.8 And it came to pass, that on the morrow Moses went into the tabernacle of witness; and, behold, the rod of Aaron for the house of Levi was budded, and brought forth buds, and bloomed blossoms, and yielded almonds. Ary Mosesy sy Arona dia nankeo anoloan' ny trano-lay fihaonana. Nandroso teo anoloan' ny trano lay fihaonana Moizy sy Aarona, Moïse et Aaron se rendirent alors devant la Tente du Rendez-vous.
Nom / Fan 17.9 And Moses brought out all the rods from before the Lord unto all the children of Israel: and they looked, and took every man his rod. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: ka niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Nom / Fan 17.11 And Moses did so: as the Lord commanded him, so did he. Ary hoy Mosesy tamin' i Arona: Alao ny fitondran' afo, ka asio afo avy eo ambonin' ny alitara izy, dia asio ditin-kazo manitra, ka ento faingana eo amin' ny fiangonana, ka manaova fanavotana ho azy; fa efa mivoaka avy tamin' i Jehovah ny fahatezerana, ary efa miantomboka ny areti-mandringana. Ary hoy Moizy tamin' i Aarona: Alao ny fanembohana ary asio afo avy eo ambonin' ny otely, asio zava-manitra, ka mandehana faingana ho eo amin' ny fiangonana, dia manaova ny fanonerana ho azy ireo, fa efa nivoaka avy eo anatrehan' ny Tompo ny fahatezerana, ary efa manomboka ny loza. Puis Moïse dit à Aaron : " Prends l' encensoir, mets-y du feu pris sur l' autel, dépose dessus l' encens et hâte-toi d' aller près de la communauté pour faire sur elle le rite d' expiation. Car la Colère est sortie de devant Yahvé : la Plaie a commencé. "
Nom / Fan 17.12 And the children of Israel spake unto Moses, saying, Behold, we die, we perish, we all perish. Dia nalain' i Arona izany, araka izay nandidian' i Mosesy, ka nihazakazaka ho eo afovoan' ny fiangonana izy; ary, indro, efa niantomboka teo amin' ny olona ny areti-mandringana; ary nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an' ny olona. Nalain' i Aarona araka ny voalazan' i Moizy ny fanembohana, ka nihazakazaka nankeo afovoan' ny fiangonana izy; ary indro, efa nanomboka ny loza eo amin' ny vahoaka. Dia nasiany zava-manitra ny fanembohana, ka nataony ny fanonerana ho an' ny vahoaka. Aaron le prit, comme avait dit Moïse, et courut au milieu de l' assemblée ; mais la Plaie avait déjà commencé parmi le peuple. Il mit l' encens et fit le rite d' expiation sur le peuple.
Nom / Fan 17.13 Whosoever cometh any thing near unto the tabernacle of the Lord shall die: shall we be consumed with dying? Dia nijanona teo anelanelan' ny maty sy ny velona izy, ka dia nitsahatra ny areti-mandringana. Ary izay efa matin' ny areti-mandringana dia fiton-jato amby efatra arivo sy iray alina, afa-tsy izay efa maty noho ny amin' i Kora. Ary Arona niverina ho eo amin' i Mosesy teo anoloan' ny varavaran' ny trano-lay fihaonana; ary ny areti-mandringana dia nitsahatra. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin' ny Zanak' Isiraely, ka analao tehina iray avy araka ny fianakaviany izy, ka ny lohan' ny fireneny rehetra araka ny fianakaviany avy no hanalana azy, dia tehina roa ambin' ny folo; ary samy soraty eo amin' ny tehiny avy ny anaran' izy rehetra. Fa ny anaran' i Arona no hosoratanao amin' ny tehin' i Levy; fa tehina iray avy no ho an' ny lohan' ny fianakaviany. Dia hataonao ao amin' ny trano-lay fihaonana ireo, dia eo anoloan' ny Vavolombelona, izay ihaonako aminareo. Ary ny tehin' ny lehilahy izay hofidiko dia hitsimoka; ka dia hampanginiko ny fimonomononan' ny Zanak' Isiraely amiko, izay imonomononany aminareo. Ary Mosesy dia niteny tamin' ny Zanak' Isiraely, ka ny lohan' ny firenena dia samy nanatitra tehina iray avy teo aminy araka ny fianakaviany, dia tehina roa ambin' ny folo; ary ny tehin' i Arona dia teo afovoan' ireo tehiny ireo. Dia napetrak' i Mosesy teo anatrehan' i Jehovah, dia tao amin' ny trano lain' ny Vavolombelona ireo tehina ireo. Ary nony ampitso dia niditra tao amin' ny trano-lain' ny Vavolombelona Mosesy, ary indro fa nitsimoka ny tehin' i Arona, izay ho an' ny taranak' i Levy, dia nanaroka sy namony ka namoa amygdala. Dia nentin' i Mosesy nivoaka hiala eo anatrehan' i Jehovah ny tehina rehetra, ho eo amin' ny Zanak' Isiraely rehetra; dia nijery izy, ka samy nandray ny tehiny avy. Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Avereno ny tehin' i Arona ho eo anoloan' ny Vavolombelona, hotehirizina ho famantarana ho an' ny mpiodina, ka dia hatsahatrao hiala amiko ny fimonomononany, mba tsy ho faty izy. Dia nataon' i Mosesy izany; araka izay efa nandidian' i Jehovah azy no nataony. Dia niteny tamin' i Mosesy ny Zanak' Isiraely ka nanao hoe: Indro, maty izahay, ringana izahay, eny, ringana avokoa izahay rehetra. Ho faty izay rehetra manakaiky, dia izay manakaiky ny tabernakelin' i Jehovah; ho lany maty va izahay? Nijanona teo anelanelan' ny maty sy ny velona izy, dia nitsahatra ny loza. Puis il se tint entre les morts et les vivants ; la Plaie s' arrêta.
...............
Nom / Fan 17.15 Dia niverina nankeo amin' i Moizy teo anoloan' ny trano lay fihaonana Aarona ary efa nitsahatra ny loza. Puis Aaron revint auprès de Moïse à l' entrée de la Tente du Rendez-vous : la Plaie s'était arrêtée.
Nom / Fan 17.16 Niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Nom / Fan 17.21 Niteny tamin' ny zanak' Israely Moizy, ka nanatitra tehina iray taminy ny filohany rehetra, tehina iray isam-pilohany, araka ny fokom-pianakaviany avy, dia tehina roa ambin' ny folo izany, ary ny tehin' i Aarona dia teo afovoan' ny tehin' izy ireo. Moïse parla aux Israélites, et tous leurs princes lui remirent chacun un rameau, douze rameaux pour l' ensemble de leurs familles patriarcales ; parmi eux était le rameau d' Aaron.
Nom / Fan 17.22 Napetrak' i Moizy teo anatrehan' ny Tompo ny tehina, tao an-trano lay fihaonana. Moïse les déposa devant Yahvé dans la Tente du Témoignage.
Nom / Fan 17.23 Nony ampitso, niverina tao an-trano lain' ny vavolombelona Moizy, ka indro fa ny tehin' i Aarona, dia naniry vony ho an' ny fokon' i Levì, naniriam-bokony sy nivelaram-bony ary namoazana amandy. Le lendemain, quand Moïse vint à la Tente du Témoignage, le rameau d' Aaron, pour la maison de Lévi, avait bourgeonné : des bourgeons avaient éclos, des fleurs s'étaient épanouies et des amandes avaient mûri.
Nom / Fan 17.24 Nentin' i Moizy avy teo anatrehan' ny Tompo ny tehina rehetra ho eo amin' ny zanak' Israely rehetra, dia nahita izany izy ireo, ka samy naka ny tehiny avy. Moïse reprit tous les rameaux de devant Yahvé et les apporta à tous les Israélites ; ils constatèrent, et chacun reprit son rameau.
Nom / Fan 17.25 Hoy Iaveh tamin' i Moizy: Avereno ho eo anoloan' ny vavolombelona ny tehin' i Aarona, hotehirizina ho famantarana ho an' ny zanaky ny fikomiana, mba hampitsaharanao ny fimonomononan' izy ireo eo anatrehako, mba tsy ho faty izy. Yahvé dit alors à Moïse : " Remets le rameau d' Aaron devant le Témoignage où il aura sa place rituelle, comme un signe pour ces rebelles. Il réduira à néant leurs murmures qui ne monteront plus jusqu'à moi, et eux ne mourront pas. "
Nom / Fan 17.26 Dia nataon' i Moizy izany, nataony araka ny nandidian' ny Tompo azy. Moïse fit comme Yahvé le lui avait ordonné. Il fit ainsi.
Nom / Fan 17.27 Hoy ny zanak' Israely tamin' i Moizy: Indro fa maty izahay, ringana izahay, ringana avokoa izahay rehetra. Les Israélites dirent à Moïse : " Nous voici perdus ! Nous périssons ! Nous périssons tous !
...............
Nom / Fan 18.25 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh, nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Nom / Fan 19.1 And the Lord spake unto Moses and unto Aaron, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy sy Aarona Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et à Aaron. Il dit :
...............
Nom / Fan 20.2 And there was no water for the congregation: and they gathered themselves together against Moses and against Aaron. Ary tsy nisy rano ho an' ny fiangonana, ka dia niangona izy hiodina amin' i Mosesy sy Arona. Noho ny tsy fisian' ny rano ho an' ny fiangonana, dia nivory hiodina amin' i Moizy sy Aarona izy ireo. Il n' y avait pas d' eau pour la communauté ; alors ils s' ameutèrent contre Moïse et Aaron.
Nom / Fan 20.3 And the people chode with Moses, and spake, saying, Would God that we had died when our brethren died before the Lord! Dia nila ady tamin' i Mosesy ny olona ka niteny hoe: Inay anie izahay mba maty tamin' ny nahafatesan' ny rahalahinay teo anatrehan' i Jehovah! Nifanditra tamin' i Moizy ny vahoaka, ka nanao hoe: Inay anie izahay mba maty, tamin' ny nahafatesan' ny rahalahinay teo anatrehan' ny Tompo! Le peuple s' en prit à Moïse : " Que n' avons-nous péri, disaient-ils, comme nos frères ont péri devant Yahvé !
...............
Nom / Fan 20.6 And Moses and Aaron went from the presence of the assembly unto the door of the tabernacle of the congregation, and they fell upon their faces: and the glory of the Lord appeared unto them. Dia niala teo anatrehan' ny fiangonana Mosesy sy Arona ho eo anoloan' ny varavaran' ny trano-lay fihaonana ka niankohoka; dia niseho taminy ny voninahitr' i Jehovah. Dia niala teo amin' ny fiangonana Moizy sy Aarona, nankeo am-baravaran' ny trano lay fihaonana. Nidaboka niankohoka izy ireo, dia niseho taminy ny voninahitry ny Tompo. Quittant l' assemblée, Moïse et Aaron vinrent à l' entrée de la Tente du Rendez-vous. Ils tombèrent face contre terre, et la gloire de Yahvé leur apparut.
Nom / Fan 20.7 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh, nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Nom / Fan 20.9 And Moses took the rod from before the Lord, as he commanded him. Dia nalain' i Mosesy ny tehina avy teo anatrehan' i Jehovah, araka izay nandidiany azy. Dia nalain' i Moizy, araka ny nandidian' ny Tompo azy, ny tehina izay teo anatrehan' ny Tompo. Moïse prit le rameau de devant Yahvé, comme il le lui avait commandé.
Nom / Fan 20.10 And Moses and Aaron gathered the congregation together before the rock, and he said unto them, Hear now, ye rebels; must we fetch you water out of this rock? Dia novorin' i Mosesy sy Arona teo anoloan' ny vatolampy ny fiangonana; ka dia hoy izy: Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin' ity vatolampy ity va no hampivoahanay rano ho anareo? Manaraka izany novorin' i Moizy sy Aarona teo anoloan' ny vatolampy ny fiangonana, ka hoy Moizy tamin' izy ireo: Mihainoa, ry mpiodina: hampivoaka rano ho anareo amin' ity vatolampy ity va izahay? Moïse et Aaron convoquèrent l' assemblée devant le rocher, puis il leur dit : " Écoutez donc, rebelles. Ferons-nous jaillir pour vous de l' eau de ce rocher ? "
Nom / Fan 20.11 And Moses lifted up his hand, and with his rod he smote the rock twice: and the water came out abundantly, and the congregation drank, and their beasts also. Ary Mosesy dia nanainga ny tànany ka nikapoka ny vatolampy indroa tamin' ny tehiny; dia niboiboika be dia be ny rano, ka nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny. Dia naingain' i Moizy ny tànany, ary nokapohiny indroa tamin' ny tehina ny vatolampy, ka niboika be dia be ny rano, dia nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny. Moïse leva la main et, avec le rameau, frappa le rocher par deux fois : l' eau jaillit en abondance, la communauté et son bétail purent boire.
Nom / Fan 20.12 And the Lord spake unto Moses and Aaron, Because ye believed me not, to sanctify me in the eyes of the children of Israel, therefore ye shall not bring this congregation into the land which I have given them. Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy sy Arona hoe: Satria tsy nino Ahy ianareo hanamasina Ahy eo imason' ny Zanak' Isiraely, dia tsy hitondra izao fiangonana izao ho any amin' ny tany izay nomeko azy ianareo. Fa hoy Iaveh tamin' i Moizy sy Aarona: Noho hianareo tsy nino ahy, mba hanamasina ahy, eo imason' ny zanak' Israely, dia tsy hampiditra ity fiangonana ity any amin' ny tany izay omeko azy hianareo. Yahvé dit alors à Moïse et à Aaron : " Puisque vous ne m' avez pas cru capable de me sanctifier aux yeux des Israélites, vous ne ferez pas entrer cette assemblée dans le pays que je lui donne. "
...............
Nom / Fan 20.14 And Moses sent messengers from Kadesh unto the king of Edom, Thus saith thy brother Israel, Thou knowest all the travail that hath befallen us: Ary Mosesy dia naniraka olona avy tao Kadesy hankany amin' ny mpanjakan' i Edoma hanao hoe: Izao no lazain' i Isiraely rahalahinao: Hianao mahalala ny fahoriana rehetra izay nanjo anay: Avy ao Kadesy no nandefasan' i Moizy iraka tamin' ny mpanjakan' i Edoma, hilaza aminy hoe: Izao no lazain' Israely, rahalahinao: Fantatrao ny fahoriana rehetra niaretanay. Moïse envoya de Cadès des messagers : " Au roi d'Édom. Ainsi parle ton frère Israël. Tu sais, toi, quelles tribulations nous avons rencontrées.
...............
Nom / Fan 20.23 And the Lord spake unto Moses and Aaron in mount Hor, by the coast of the land of Edom, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy sy Arona tao an-tendrombohitra Hora, tao amin' ny fari-tanin' i Edoma, ka nanao hoe: Hoy Iaveh tamin' i Moizy sy Aarona tao an-tendrombohitra Hora, amin' ny faritry ny tanin' i Edoma: Yahvé parla à Moïse et à Aaron, à Hor-la-Montagne, sur la frontière du pays d'Édom. Il dit :
...............
Nom / Fan 20.27 And Moses did as the Lord commanded: and they went up into mount Hor in the sight of all the congregation. Ary Mosesy nanao araka izay nandidian' i Jehovah; dia niakatra tao an-tendrombohitra Hora teo imason' ny fiangonana rehetra izy telo mianaka. Nataon' i Moizy izay nandidian' ny Tompo: niakatra tany an-tendrombohitra Hora teo imason' ny fiangonana rehetra izy ireo; Moïse fit ce que Yahvé avait ordonné. Sous les yeux de toute la communauté, ils montèrent sur la montagne de Hor.
Nom / Fan 20.28 And Moses stripped Aaron of his garments, and put them upon Eleazar his son; and Aaron died there in the top of the mount: and Moses and Eleazar came down from the mount. Dia nesorin' i Mosesy ny fitafian' i Arona ka natafiny an' i Eleazara zanany; ary maty tao an-tampon' ny tendrombohitra Arona; dia nidina avy tao an-tendrombohitra Mosesy sy Eleazara. ka nony efa nalain' i Moizy ny fanamian' i Aarona, dia natafiny an' i Eleazara zanany. Moïse ôta à Aaron ses vêtements pour en revêtir Éléazar, son fils ; et Aaron mourut là, au sommet de la montagne. Puis Moïse et Éléazar redescendirent de la montagne.
...............
Nom / Fan 21.5 And the people spake against God, and against Moses, Wherefore have ye brought us up out of Egypt to die in the wilderness? for there is no bread, neither is there any water; and our soul loatheth this light bread. Ary niteny nanome tsiny an' Andriamanitra sy Mosesy ny olona ka nanao hoe: Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta amin' ny lalan' ny mpisafo-tany izahay ho faty atý an-efitra? fa tsy misy mofo na rano atý ary mahamonamonaina ny fanahinay itony mofomofo foana itony. ka niteny nanome tsiny an' Andriamanitra sy Moizy hoe: Nahoana no dia nentinao niakatra avy tany Ejipta izahay ho faty aty an' efitra? Ny mofo tsy misy, ny rano tsy misy, ary ny fanahinay efa monainan' itony hanina tsinontsinona itony. Il parla contre Dieu et contre Moïse : " Pourquoi nous avez-vous fait monter d'Égypte pour mourir en ce désert ? Car il n' y a ni pain ni eau ; nous sommes excédés de cette nourriture de famine. "
...............
Nom / Fan 21.7 Therefore the people came to Moses, and said, We have sinned, for we have spoken against the Lord, and against thee; pray unto the Lord, that he take away the serpents from us. And Moses prayed for the people. Dia nankeo amin' i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa niteny nanome tsiny an' i Jehovah sy ianao. Ifony amin' i Jehovah izahay mba hanesorany ny menarana aminay. Dia nifona ho an' ny olona Mosesy. Nankeo amin' i Moizy ny vahoaka ka nanao hoe: Efa nanota izahay fa niteny nanome tsiny an' ny Tompo sy hianao. Mivavaha amin' ny Tompo mba hoesoriny lavitra anay ireo bibilava ireo. Dia nivavaka ho an' ny vahoaka Moizy, Le peuple vint dire à Moïse : " Nous avons péché en parlant contre Yahvé et contre toi. Intercède auprès de Yahvé pour qu' il éloigne de nous ces serpents. " Moïse intercéda pour le peuple
Nom / Fan 21.8 And the Lord said unto Moses, Make thee a fiery serpent, and set it upon a pole: and it shall come to pass, that every one that is bitten, when he looketh upon it, shall live. Ary hoy Jehovah taminy: Manaova menaran' afo, ka ahantòny amin' ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany. ka hoy Iaveh tamin' i Moizy: Manaova hianao bibilava mahamay ka apetraho amin' ny tsato-kazo, fa ho velona aina izay rehetra voakaikitra ka mijery izany. et Yahvé lui répondit : " Façonne-toi un Brûlant que tu placeras sur un étendard. Quiconque aura été mordu et le regardera restera en vie. "
Nom / Fan 21.9 And Moses made a serpent of brass, and put it upon a pole, and it came to pass, that if a serpent had bitten any man, when he beheld the serpent of brass, he lived. Dia nanao menarana varahina Mosesy ka nanantona azy tamin' ny hazo lava; ary izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona. Dia nanao bibilava varahina Moizy, ka napetrany teo amin' ny tsato-kazo lava, dia nijery ny bibilava varahina izy dia velona. Moïse façonna donc un serpent d' airain qu' il plaça sur l'étendard, et si un homme était mordu par quelque serpent, il regardait le serpent d' airain et restait en vie.
...............
Nom / Fan 21.16 And from thence they went to Beer: that is the well whereof the Lord spake unto Moses, Gather the people together, and I will give them water. Ary niala tao izy hankany Bera, dia ilay lavaka fantsakana nilazan' i Jehovah tamin' i Mosesy hoe: Angony ny olona, fa homeko rano izy. Avy ao, dia nankany Beera izy. Io ilay fantsakana nilazan' ny Tompo tamin' i Moizy hoe: Angony ny vahoaka ka homeko rano izy ireo. Et de là ils allèrent à Béer -C' est au sujet de ce puits que Yahvé avait dit à Moïse : " Rassemble le peuple et je leur donnerai de l' eau. "
...............
Nom / Fan 21.32 And Moses sent to spy out Jaazer, and they took the villages thereof, and drove out the Amorites that were there. Ary Mosesy naniraka olona hisafo an' i Jazera; ary ny Isiraely dia nahafaka ny zana-bohiny ka nandroaka ny Amorita izay tany. Naniraka olona hisafo an' i Jazera Moizy; dia afak' izy ireo ny zana-bohiny, ka noroahiny ny Amoreana tamin' ireny. Moïse envoya espionner Yazèr, et Israël la prit ainsi que ses dépendances ; il déposséda les Amorites qui y habitaient.
...............
Nom / Fan 21.34 And the Lord said unto Moses, Fear him not: for I have delivered him into thy hand, and all his people, and his land; and thou shalt do to him as thou didst unto Sihon king of the Amorites, which dwelt at Heshbon. Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Aza matahotra azy ianao, fa efa natolotro eo an-tananao izy sy ny vahoakany rehetra ary ny taniny; ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin' i Sihona, mpanjakan' ny Amorita, izay nitoetra tao Hesbona. Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Aza matahotra azy, fa atolotro eo an-tànanao izy mbamin' ny vahoakany rehetra, ary ny taniny, ka ataovy toy ny nanaovanao an' i Sehona, mpanjakan' ny Amoreana izay nonina tao Hesebona. Yahvé dit à Moïse : " Ne crains pas, car je l' ai livré en ton pouvoir, lui, tout son peuple et son pays. Tu le traiteras comme tu as traité Sihôn, roi des Amorites, qui habitait à Heshbôn. "
...............
Nom / Fan 25.4 And the Lord said unto Moses, Take all the heads of the people, and hang them up before the Lord against the sun, that the fierce anger of the Lord may be turned away from Israel. Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Alao ny loholona rehetra, ary ahantòny tandrifin' ny masoandro eo anatrehan' i Jehovah ireo nijangajanga ireo, mba hitsaharan' ny firehetan' ny fahatezeran' i Jehovah amin' ny Isiraely. Hoy Iaveh tamin' i Moizy: Vorio daholo ny filohan' ny vahoaka rehetra, ka ahantony tandrifin' ny masoandro, eo anatrehan' ny Tompo, ireo ratsy, mba hitsaharan' ny firehetan' ny fahatezeran' ny Tompo amin' Israely. Yahvé dit à Moïse : " Prends tous les chefs du peuple. Empale-les à la face du soleil, pour Yahvé : alors l' ardente colère de Yahvé se détournera d' Israël. "
Nom / Fan 25.5 And Moses said unto the judges of Israel, Slay ye every one his men that were joined unto Baalpeor. Dia hoy Mosesy tamin' ny mpitsara ny Isiraely: Samia ianareo mamono ny olom-peheziny, izay niray tamin' i Bala-peora. Dia hoy Moizy tamin' ny mpitsaran' Israely: Samia hianareo mamono ny olom-peheziny izay niray tamin' i Beelfegora. Moïse dit aux juges d' Israël : " Que chacun mette à mort ceux de ses hommes qui se sont commis avec le Baal de Péor. "
Nom / Fan 25.6 And, behold, one of the children of Israel came and brought unto his brethren a Midianitish woman in the sight of Moses, and in the sight of all the congregation of the children of Israel, who were weeping before the door of the tabernacle of the congregation. Ary, indro, avy ny anankiray tamin' ny Zanak' Isiraely nitondra vehivavy Midianita teo amin' ny rahalahiny, teo imason' i Mosesy sy ny fiangonana, dia ny Zanak' Isiraely rehetra, izay nitomany teo amin' ny varavaran' ny trano-lay fihaonana. Ary inty nisy lehilahy anankiray amin' ny zanak' Israely tamy mitari-behivavy Madianita anankiray nankeo amin' ny rahalahiny, teo imason' i Moizy sy ny fiangonana' ny zanak' Israely rehetra, izay nitomany teo amin' ny varavaran' ny trano lay fihaonana. Survint un homme des Israélites, amenant auprès de ses frères cette Madianite, sous les yeux mêmes de Moïse et de toute la communauté des Israélites pleurant à l' entrée de la Tente du Rendez-vous.
...............
Nom / Fan 25.10 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh ka nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Nom / Fan 25.16 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Nom / Fan 26.1 And it came to pass after the plague, that the Lord spake unto Moses and unto Eleazar the son of Aaron the priest, saying, Ary rehefa afaka ny areti-mandringana, dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy sy Eleazara, zanak' i Arona mpisorona: Taorian' izany loza izany, dia niteny tamin' i Moizy sy Eleazara zanak' i Aarona mpisorona Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et à Éléazar, fils d' Aaron, le prêtre. Il dit :
...............
Nom / Fan 26.3 And Moses and Eleazar the priest spake with them in the plains of Moab by Jordan near Jericho, saying, Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona dia nilaza taminy teo Arbota-moaba, teo amoron' i Jordana tandrifin' i Jeriko, ka nanao hoe: Dia nilaza tamin' ny olona Moizy sy Eleazara mpisorona, tao amin' ny tany lemak' i Moaba, akaikin' i Jordany, tandrifin' i Jerikao, ka nanao hoe: Moïse et Éléazar le prêtre les recensèrent donc, dans les Steppes de Moab, près du Jourdain vers Jéricho.
Nom / Fan 26.4 Take the sum of the people, from twenty years old and upward; as the Lord commanded Moses and the children of Israel, which went forth out of the land of Egypt. Ny hatramin' ny roa-polo taona no ho miakatra no alao isa; araka izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy sy ny Zanak' Isiraely izay nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta. Hisaina ny hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy sy ny zanak' Israely, raha nivoaka avy tany amin' ny tany Ejipta izy ireo. Comme Yahvé l' a ordonné à Moïse et aux Israélites à leur sortie du pays d'Égypte. Hommes de vingt ans et au-dessus :
...............
Nom / Fan 26.9 And the sons of Eliab; Nemuel, and Dathan, and Abiram. This is that Dathan and Abiram, which were famous in the congregation, who strove against Moses and against Aaron in the company of Korah, when they strove against the Lord: Ary ny zanak' i Eliaba dia Nemoela sy Datana ary Abìrama. Ireo dia ilay Datana sy Abìrama, olom-boafidin' ny fiangonana, izay nila ady tamin' i Mosesy sy Arona, teo amin' ny antokon' i Kora, raha nila ady tamin' i Jehovah izy, Zanak' i Eliaba dia Namoela sy Datàna ary Abirona. Ireo ilay Datàna sy Abirona, isan' ny mpanolo-tsaina, nikomy tamin' i Moizy sy Aarona tanatin' ny tarik' i Kore, fony izy nikomy tamin' ny Tompo, Les fils d'Éliab : Nemuel, Datân et Abiram. Ce sont Datân et Abiram, hommes considérés dans la communauté, qui se soulevèrent contre Moïse et Aaron ; ils étaient de la bande de Coré quand elle se souleva contre Yahvé.
...............
Nom / Fan 26.52 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Nom / Fan 26.59 And the name of Amram' s wife was Jochebed, the daughter of Levi, whom her mother bare to Levi in Egypt: and she bare unto Amram Aaron and Moses, and Miriam their sister. Ary ny anaran' ny vadin' i Amrama dia Jokebeda, zanakavavin' i Levy, izay naterany tany Egypta; dia niteraka an' i Arona sy Mosesy ary Miriama anabaviny tamin' i Amrama izy. Kaata niteraka an' i Amrama, ary ny anaran' ny vadin' i Amrama dia Jokabeda, zanakavavin' i Levì, izay nateraky ny reniny tamin' i Levì tany Ejipta, ary izy niteraka an' i Aarona sy Moizy ary Maria anabavin' ireo, tamin' i Amrama. La femme d' Amram se nommait Yokébed, fille de Lévi, qui lui était née en Égypte. Elle donna à Amram Aaron, Moïse et Miryam leur soeur.
...............
Nom / Fan 26.63 These are they that were numbered by Moses and Eleazar the priest, who numbered the children of Israel in the plains of Moab by Jordan near Jericho. Ireo no voalamin' i Mosesy sy Eleazara mpisorona, izay nandamina ny Zanak' Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron' i Jordana tandrifin' i Jeriko. Ireo no lehilahy voaisan' i Moizy sy Eleazara mpisorona, izay nanisa ny zanak' Israely teo amin' ny tany lemak' i Moaba, akaikin' i Jordany, tandrifin' i Jerikao. Tels furent les hommes que recensèrent Moïse et Éléazar le prêtre, qui firent ce recensement des Israélites dans les Steppes de Moab, près du Jourdain vers Jéricho.
Nom / Fan 26.64 But among these there was not a man of them whom Moses and Aaron the priest numbered, when they numbered the children of Israel in the wilderness of Sinai. Ary tamin' ireo dia tsy nisy olona avy tamin' izay efa voalamin' i Mosesy sy Arona mpisorona tamin' izy nandamina ny Zanak' Isiraely tany an-efitr' i Sinay. Tamin' izy ireo, dia tsy nisy na dia iray aza anisan' ny zanak' Israely, izay efa nisain' i Moizy sy Aarona mpisorona tany an' efitra Sinaia. Aucun d' eux n'était de ceux que Moïse et Aaron le prêtre avaient recensés, en dénombrant les Israélites dans le désert du Sinaï ;
...............
Nom / Fan 27.2 And they stood before Moses, and before Eleazar the priest, and before the princes and all the congregation, by the door of the tabernacle of the congregation, saying, dia nitsangana teo anatrehan' i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan' ny fiangonana sy ny fiangonana rehetra, teo anoloan' ny varavaran' ny trano-lay fihaonana izy ka nanao hoe: Teo anatrehan' i Moizy sy Eleazara mpisorona, ary ny lohan' ny fiangonana rehetra izy ireo; teo am-baravaran' ny trano lay fihaonana, ka nanao hoe: Elles se présentèrent devant Moïse, devant Éléazar le prêtre, devant les princes et toute la communauté, à l' entrée de la Tente du Rendez-vous et elles dirent :
...............
Nom / Fan 27.5 And Moses brought their cause before the Lord. Ary nalahatr' i Mosesy teo anatrehan' i Jehovah ny tenin' ireo. Dia nentin' i Moizy teo anatrehan' ny Tompo ny fitarainan' izy ireo, Moïse porta leur cas devant Yahvé
Nom / Fan 27.6 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: ka hoy Iaveh tamin' i Moizy: et Yahvé parla à Moïse. Il dit :
...............
Nom / Fan 27.11 And if his father have no brethren, then ye shall give his inheritance unto his kinsman that is next to him of his family, and he shall possess it: and it shall be unto the children of Israel a statute of judgment, as the Lord commanded Moses. Ary raha tsy manan-drahalahy ny rainy, dia ny havany akaiky azy amin' ny fokony no homenareo ny zara-taniny, ka izy no handova azy: ho lalàna hitondrana ny Zanak' Isiraely izany araka izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Ary raha tsy manan-drahalahin-dray izy, dia izay havany akaiky indrindra ao amin' ny fokony no homenareo ny lovany, ka dia izay no tompony. Ho lalàna mametra ny rariny ho an' ny zanak' Israely izany, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Si son père n' a pas de frères, vous donnerez son héritage à celui de son clan qui est son plus proche parent : il en prendra possession. Ce sera là pour les Israélites une règle de droit, comme Yahvé l' a ordonné à Moïse.
Nom / Fan 27.12 And the Lord said unto Moses, Get thee up into this mount Abarim, and see the land which I have given unto the children of Israel. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Miakara amin' ity tendrombohitra Abarima ity, ka tazano ny tany izay omeko ny Zanak' Isiraely. Hoy Iaveh tamin' i Moizy: Miakara amin' io tendrombohitra Abarima io, ka tazano ny tany omeko ny zanak' Israely. Yahvé dit à Moïse : " Monte sur cette montagne de la chaîne des Abarim, et regarde le pays que j' ai donné aux Israélites.
...............
Nom / Fan 27.15 And Moses spake unto the Lord, saying, Ary Mosesy niteny tamin' i Jehovah hoe: Dia niteny tamin' ny Tompo Moizy, nanao hoe: Moïse parla à Yahvé et dit :
...............
Nom / Fan 27.18 And the Lord said unto Moses, Take thee Joshua the son of Nun, a man in whom is the spirit, and lay thine hand upon him; Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Alao ho anao Josoa, zanak' i Nona, lehilahy izay manam-panahy, ka ametraho ny tananao izy; Ary hoy Iaveh tamin' i Moizy: Alao Josoe zanak' i Nòna, lehilahy itoeran' ny Fanahy ka ametraho tànana izy. Yahvé répondit à Moïse : " Prends Josué, fils de Nûn, homme en qui demeure l' esprit. Tu lui imposeras la main.
...............
Nom / Fan 27.22 And Moses did as the Lord commanded him: and he took Joshua, and set him before Eleazar the priest, and before all the congregation: Ary nataon' i Mosesy araka izay efa nandidian' i Jehovah azy; dia naka an' i Josoa izy ka nampijoro azy teo anatrehan' i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra Dia nataon' i Moizy izay nandidian' ny Tompo azy: Naka an' i Josoe izy, nametraka azy teo anatrehan' i Eleazara mpisorona sy ny fiangonana rehetra, Moïse fit comme Yahvé l' avait ordonné. Il prit Josué, le fit venir devant Éléazar, le prêtre, et toute la communauté,
Nom / Fan 27.23 And he laid his hands upon him, and gave him a charge, as the Lord commanded by the hand of Moses. ka nametraka ny tànany taminy ary nandidy azy, araka ny tenin' i Jehovah izay nampitondrainy an' i Mosesy. ka nony efa nametra-tànana taminy izy, dia nanokana azy, araka ny voalazan' ny Tompo tamin' ny alàlan' i Moizy. il lui imposa la main et lui donna ses ordres, comme Yahvé l' avait dit par l' intermédiaire de Moïse.
Nom / Fan 28.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Nom / Fan 30.1 And Moses spake unto the heads of the tribes concerning the children of Israel, saying, This is the thing which the Lord hath commanded. Dia nolazain' i Mosesy tamin' ny Zanak' Isiraely izany, araka izay rehetra efa nandidian' i Jehovah azy. Niteny tamin' ny zanak' Israely Moizy araka izay rehetra nandidian' ny Tompo azy. Moïse parla aux Israélites conformément à tout ce que Yahvé lui avait ordonné.
Nom / Fan 30.2 If a man vow a vow unto the Lord, or swear an oath to bind his soul with a bond; he shall not break his word, he shall do according to all that proceedeth out of his mouth. Ary Mosesy niteny tamin' ireo lohan' ny firenen' ny Zanak' Isiraely ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian' i Jehovah: Niteny tamin' ny lohan' ny fokon' Israely Moizy nanao hoe: Moïse parla aux chefs de tribu des Israélites. Il dit : " Voici ce que Yahvé a ordonné.
...............
Nom / Fan 30.16 These are the statutes, which the Lord commanded Moses, between a man and his wife, between the father and his daughter, being yet in her youth in her father' s house. Fa raha manao izay hahafoana izany izy aorian' ny andrenesany azy, dia hitondra ny heloky ny vavy izy. Ireo no lalàna izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy ny amin' ny lehilahy sy ny vadiny, ary ny amin' ny ray sy ny zananivavy, raha mbola zaza ao an-tranon-drainy izy. Raha aty aorian' ny andro nandrenesany izany izy vao manafoana azy, dia izy no hitondra ny heloky ny vavy. Mais si, informé, il les annule plus tard, c' est lui qui portera le poids de la faute qui incomberait à sa femme. "
Nom / Fan 30.17 Izany no lalàna nandidian' ny Tompo an' i Moizy ny amin' ny lehilahy sy ny vadiny, ary ny amin' ny ray sy ny zanany vavy, raha mbola zaza an-trano ao amin-drainy izy. Telles sont les lois que Yahvé prescrivit à Moïse, en ce qui concerne la relation entre un homme et sa femme, et entre un père et sa fille lorsque, jeune encore, elle habite la maison de son père.
Nom / Fan 31.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Nom / Fan 31.3 And Moses spake unto the people, saying, Arm some of yourselves unto the war, and let them go against the Midianites, and avenge the Lord of Midian. Dia niteny tamin' ny olona Mosesy ka nanao hoe: Miomàna ho any an-tafika ny sasany aminareo, ary aoka izy hanafika ny Midianita, hahatanteraka ny famalian' i Jehovah azy. Dia niteny tamin' ny vahoaka Moizy nanao hoe: Omàny hiantafika ny lehilahy sasany aminareo, ka aoka handroso hanafika an' i Madiana izy, mba hahatanteraka ny famalian' ny Tompo an' i Madiana. Moïse parla ainsi au peuple : " Que certains d' entre vous s' arment pour la campagne de Yahvé contre Madiân, pour payer à Madiân le salaire de la vengeance de Yahvé.
...............
Nom / Fan 31.6 And Moses sent them to the war, a thousand of every tribe, them and Phinehas the son of Eleazar the priest, to the war, with the holy instruments, and the trumpets to blow in his hand. Ary nampandehanin' i Mosesy ho any an-tafika ireo arivo lahy isam-pirenena ireo sy Finehasa, zanak' i Eleazara mpisorona, izay nitondra ny fanaka masina teny an-tànany, dia ny trompetra avo feo. Dia nalefan' i Moizy ho any an-tafika izy arivo lahy isam-pokony ireo, dia izy ireo sy Finea, zanak' i Eleazara mpisorona, izay nitondra niaraka taminy ny fanaka masina sy ny trompetra mikarantsana. Moïse les mit en campagne, un millier par tribu, et leur joignit Pinhas, fils d'Éléazar le prêtre, porteur des objets sacrés et des trompettes pour les acclamations.
Nom / Fan 31.7 And they warred against the Midianites, as the Lord commanded Moses; and they slew all the males. Dia niady tamin' ny Midianita ireo, araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy; ary namono ny lehilahy rehetra izy Nandroso hamely an' i Madiana izy, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy, ka novonoiny avokoa ny lahy rehetra. Ils firent campagne contre Madiân, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse, et tuèrent tous les mâles.
...............
Nom / Fan 31.12 And they brought the captives, and the prey, and the spoil, unto Moses, and Eleazar the priest, and unto the congregation of the children of Israel, unto the camp at the plains of Moab, which are by Jordan near Jericho. dia nentiny tany amin' i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny fiangonan' ny Zanak' Isiraely teo an-toby, teo Arbota-moaba, izay eo amoron' i Jordana tandrifin' i Jeriko. dia nentiny ny sambotra, ny zavatra voaroba sy ny babo ho any amin' i Moizy sy Eleazara mpisorona ary ny fiangonan' Israely rehetra teo an-toby, teo an-dohasahan' i Moaba, akaikin' i Jordany tandrifin' i Jerikao. ils amenèrent captifs, prises et butin à Moïse, à Éléazar le prêtre et à toute la communauté des Israélites, jusqu' au camp, aux Steppes de Moab qui se trouvent près du Jourdain vers Jéricho.
Nom / Fan 31.13 And Moses, and Eleazar the priest, and all the princes of the congregation, went forth to meet them without the camp. Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan' ny fiangonana rehetra nivoaka hitsena azy teo ivelan' ny toby. Nivoaka hitsena azy ireo teo ivelan' ny toby Moizy sy Eleazara mpisorona ary ny lohany rehetra amin' ny fiangonana. Moïse, Éléazar le prêtre et tous les princes de la communauté sortirent du camp à leur rencontre.
Nom / Fan 31.14 And Moses was wroth with the officers of the host, with the captains over thousands, and captains over hundreds, which came from the battle. Ary tezitra tamin' ny mpifehy ny miaramila Mosesy, dia tamin' ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, izay avy tany an-tafika, Ary tezitra Moizy tamin' ny mpitari-tafika, dia ireo tompon' arivo sy tompon-jato, avy any amin' ny ady. Moïse s' emporta contre les commandants des forces, chefs de milliers et chefs de centaines, qui revenaient de cette expédition guerrière.
...............
Nom / Fan 31.21 And Eleazar the priest said unto the men of war which went to the battle, This is the ordinance of the law which the Lord commanded Moses; Ary hoy Eleazara mpisorona tamin' ny mpanafika, izay efa tany amin' ny ady: Izao no lalàna hotandremana, izay nandidian' i Jehovah' an i Mosesy: Hoy Eleazara mpisorona tamin' ny lehilahy mpiantafika rehetra izay nandeha tany an' ady: Izao no tapaky ny lalàna nandidian' ny Tompo an' i Moizy: Éléazar le prêtre dit aux combattants qui revenaient de cette campagne : " Voici un article de la Loi que Yahvé a prescrite à Moïse.
...............
Nom / Fan 31.25 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Nom / Fan 31.31 And Moses and Eleazar the priest did as the Lord commanded Moses. Dia nataon' i Mosesy sy Eleazara mpisorona izany, araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Dia nataon' i Moizy sy Eleazara mpisorona izany, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Moïse et Éléazar le prêtre firent comme Yahvé l' avait commandé à Moïse.
...............
Nom / Fan 31.41 And Moses gave the tribute, which was the Lord' s heave offering, unto Eleazar the priest, as the Lord commanded Moses. Dia nomen' i Mosesy an' i Eleazara mpisorona ny anjara izay nalaina ho an' i Jehovah, araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Dia nomen' i Moizy an' i Eleazara mpisorona ny anjara natokana ho an' ny Tompo, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Moïse donna à Éléazar le prêtre la redevance prélevée pour Yahvé, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
Nom / Fan 31.42 And of the children of Israel' s half, which Moses divided from the men that warred, Ary avy tamin' ny antsasany an' ny Zanak' Isiraely, izay nozarain' i Mosesy avy tamin' ny mpanafika Ny amin' ilay antsasany an' ny zanak' Israely kosa, izay navahan' i Moizy tamin' ny an' ny mpanafika, Quant à la moitié qui revenait aux Israélites, et que Moïse avait séparée de celle des combattants,
...............
Nom / Fan 31.47 Even of the children of Israel' s half, Moses took one portion of fifty, both of man and of beast, and gave them unto the Levites, which kept the charge of the tabernacle of the Lord; as the Lord commanded Moses. ny antsasany an' ny Zanak' Isiraely dia nanalan' i Mosesy iray isan-dimam-polo, na olona, na biby fiompy, ka nomeny ho an' ny Levita mpitandrina ny anjara-raharaha momha ny tabernakelin' i Jehovah izany, araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Nangalan' i Moizy iray isan-dimampolo io antsasany an' ny zanak' Israely io, ka nomeny ny Levita izay miambina ny Fonenan' ny Tompo araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Sur cette moitié, part des Israélites, Moïse prit un sur cinquante des gens et des bêtes et il les donna aux Lévites qui assumaient la charge de la Demeure de Yahvé, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
Nom / Fan 31.48 And the officers which were over thousands of the host, the captains of thousands, and captains of hundreds, came near unto Moses: Ary ny mpifehy, izay nifehy ny miaramila, dia ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia nanatona an' i Mosesy Dia nanatona an' i Moizy ny lehiben' ny arivo amin' ny tafika, ny tompon' arivo, sy tompon-jato, ka nanao taminy hoe: Les commandants des milliers qui avaient fait la campagne, chefs de milliers et chefs de centaines, vinrent trouver Moïse
...............
Nom / Fan 31.51 And Moses and Eleazar the priest took the gold of them, even all wrought jewels. Dia noraisin' i Mosesy sy Eleazara mpisorona taminy ny volamena, dia firavaka voatefy avokoa. Dia noraisin' i Moizy sy Eleazara mpisorona izany volamena izany, tamin' izy ireo, izany firavaka rehetra tsara tefy izany. Moïse et Éléazar le prêtre reçurent d' eux cet or, tous ces bijoux.
...............
Nom / Fan 31.54 And Moses and Eleazar the priest took the gold of the captains of thousands and of hundreds, and brought it into the tabernacle of the congregation, for a memorial for the children of Israel before the Lord. Dia noraisin' i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen' ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka nentiny tao amin' ny trano-lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an' ny Zanak' Isiraely eo anatrehan' i Jehovah. Nony voarain' i Moizy sy Eleazara mpisorona ny volamena tamin' ny tompon' arivo sy tompon-jato dia nentiny tao amin' ny trano lay fihaonana ho fahatsirovana ho an' ny zanak' Israely eo anatrehan' ny Tompo. Mais Moïse et Éléazar le prêtre reçurent l' or des chefs de milliers et de centaines, et l' apportèrent à la Tente du Rendez-vous pour faire mémoire des Israélites devant Yahvé.
...............
Nom / Fan 32.2 The children of Gad and the children of Reuben came and spake unto Moses, and to Eleazar the priest, and unto the princes of the congregation, saying, dia avy ny taranak' i Gada sy ny taranak' i Robena ka niteny tamin' i Mosesy sy Eleazara mpisorona sy tamin' ny lohan' ny fiangonana ka nanao hoe: dia nanatona an' i Moizy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan' ny fiangonana ny zana-dRobena sy ny zanak' i Gada ka nanao taminy hoe: Les fils de Gad et les fils de Ruben vinrent donc trouver Moïse, Éléazar le prêtre et les princes de la communauté, et leur dirent :
...............
Nom / Fan 32.6 And Moses said unto the children of Gad and to the children of Reuben, Shall your brethren go to war, and shall ye sit here? Dia hoy Mosesy tamin' ny taranak' i Gada sy ny taranak' i Robena: Ny rahalahinareo handeha hanafika, ka ianareo kosa hijanona eto va? Fa izao no navalin' i Moizy ny zanak' i Gada sy ny zana-dRobena: Ny rahalahinareo handeha hanafika, ka hianareo kosa ve hijanona eto? Moïse répondit aux fils de Gad et aux fils de Ruben : " Vos frères iraient au combat et vous resteriez ici ?
...............
Nom / Fan 32.16 And they came near unto him, and said, We will build sheepfolds here for our cattle, and cities for our little ones: Ary dia nanatona azy izy ireo ka nanao hoe: Hanao vala eto izahay ho an' ny omby aman' ondrinay sy tanàna koa ho an' ny zanakay madinika; Dia nanakaiky an' i Moizy izy ireo, ka nanao hoe: Hanao vala ho an' ny biby fiompinay eto izahay, sy tanàna ho an' ny zanakay madinika, Ils s' approchèrent de Moïse et lui dirent : " Nous voudrions construire ici des parcs à moutons pour nos troupeaux et des villes pour nos petits enfants.
...............
Nom / Fan 32.20 And Moses said unto them, If ye will do this thing, if ye will go armed before the Lord to war, Dia hoy Mosesy taminy: Raha hanao izany zavatra izany ianareo ka hiomana eo anatrehan' i Jehovah ho any an-tafika, Dia hoy Moizy tamin' izy ireo: Raha izany àry no ataonareo ka hioman-kiady eo anatrehan' ny Tompo hianareo, Moïse leur dit : " Si vous mettez ces paroles en pratique, si vous êtes prêts au combat devant Yahvé
...............
Nom / Fan 32.25 And the children of Gad and the children of Reuben spake unto Moses, saying, Thy servants will do as my lord commandeth. Dia niteny tamin' i Mosesy ny taranak' i Gada sy ny taranak' i Robena ka nanao hoe: Ny mpanomponao dia hanao araka izay andidianao, tompoko: Niteny tamin' i Moizy ny zanak' i Gada sy ny zana-dRobena nanao hoe: Izay nodidian' ny tompoko, dia hataon' ny mpanomponao. Les fils de Gad et les fils de Ruben dirent à Moïse : " Tes serviteurs feront ce que Monseigneur a prescrit.
...............
Nom / Fan 32.28 So concerning them Moses commanded Eleazar the priest, and Joshua the son of Nun, and the chief fathers of the tribes of the children of Israel: Ary Mosesy dia nandidy an' i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak' i Nona, ary ny lohan' ny fianakaviana tamin' ny firenen' ny Zanak' Isiraely ny amin' ireo Dia nomen' i Moizy didy ny amin' ireo, Eleazara mpisorona sy Josoe zanak' i Nòna ary ny filoham-pianakaviana amin' ny fokon' ny zanak' Israely. Alors Moïse donna des ordres à leur sujet à Éléazar le prêtre, à Josué, fils de Nûn, et aux chefs de familles des tribus d' Israël.
...............
Nom / Fan 32.33 And Moses gave unto them, even to the children of Gad, and to the children of Reuben, and unto half the tribe of Manasseh the son of Joseph, the kingdom of Sihon king of the Amorites, and the kingdom of Og king of Bashan, the land, with the cities thereof in the coasts, even the cities of the country round about. Dia nomen' i Mosesy ho an' ny taranak' i Gada sy ny taranak' i Robena ary ny an-tsasaky ny firenen' i Manase, zanak' i Josefa, ny fanjakan' i Sihona, mpanjakan' ny Amorka, sy ny fanjakan' i Oga, mpanjakan' i Basana dia ny tany mbamin' ny tanànany ao amin' ny fari-tany, dia ny tanàna eny amin' ny tany manodidina. Dia nomen' i Moizy ny zanak' i Gada sy ny zana-dRobena ary ny antsasaky ny fokon' i Manase, zanak' i Josefa, ny fanjakan' i Sehona, mpanjakan' ny Amoreana, sy ny fanjakan' i Oga, mpanjakan' i Basàna, dia ny tany mbamin' ny tanànany sy ny faritany momba azy, ary ny tanàna eny amin' ny tany manodidina. Moïse leur donna - aux fils de Gad, aux fils de Ruben et à la demi-tribu de Manassé, fils de Joseph - le royaume de Sihôn, roi des Amorites, le royaume d' Og, roi du Bashân, le pays avec les villes comprises dans son territoire, les villes-frontières du pays.
...............
Nom / Fan 32.40 And Moses gave Gilead unto Machir the son of Manasseh; and he dwelt therein. Ary Gileada dia nomen' i Mosesy an' i Makira, zanak' i Manase, ka nonina tao izy. Koa nomen' i Moizy an' i Makira, zanak' i Manase, Galaada, ary niorim-ponenana tao izy. Moïse donna Galaad à Makir, fils de Manassé, qui s' y établit.
Nom / Fan 33.1 These are the journeys of the children of Israel, which went forth out of the land of Egypt with their armies under the hand of Moses and Aaron. Ary izao no nandehan' ny Zanak' Isiraely, izay nentin' i Mosesy sy Arona nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta araka ny antokony. Izao no nitobian' ny zanak' Israely nony nivoaka avy tany amin' ny tany Ejipta, araka ny antokony avy, ambanin' ny fitondran' i Moizy sy Aarona. Voici les étapes que parcoururent les Israélites lorsqu' ils furent sortis du pays d'Égypte selon leurs unités, sous la conduite de Moïse et d' Aaron.
Nom / Fan 33.2 And Moses wrote their goings out according to their journeys by the commandment of the Lord: and these are their journeys according to their goings out. Dia nosoratan' i Mosesy ny nialany araka ny nandehanany, araka ny didin' i Jehovah; ary izao no nandehanany araka ny nialany: Nalatsak' i Moizy an-tsoratra ny toerana niaingany araka ny nitobiany manaraka ny didin' ny Tompo, ka izao avy no nitobiany araka ny niaingany. Moïse consignait par écrit leurs points de départ quand ils partaient sur l' ordre de Yahvé. Voici leurs étapes par points de départ.
...............
Nom / Fan 33.50 And the Lord spake unto Moses in the plains of Moab by Jordan near Jericho, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy teo Arbota-moaba, teo amoron' i Jordana tandrifin' i Jeriko, ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh, tao amin' ny tany lemak' i Moaba amoron' i Jordany tandrifin' i Jerikao nanao hoe: Yahvé parla à Moïse, dans les Steppes de Moab, près du Jourdain vers Jéricho. Il dit :
Nom / Fan 34.1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
...............
Nom / Fan 34.13 And Moses commanded the children of Israel, saying, This is the land which ye shall inherit by lot, which the Lord commanded to give unto the nine tribes, and to the half tribe: Ary Mosesy nandidy ny Zanak' Isiraely ka nanao hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny filokana, dia izay andidian' i Jehovah homena ny firenena sivy sy sasany; Izao no nandidian' i Moizy ny zanak' Israely nataony hoe: Izany no tany hozarainareo amin' ny filokana sy nodidian' ny Tompo homena ny foko sivy sy ny antsasa-poko. Moïse ordonna alors ceci aux Israélites :" Voici le pays que vous vous partagerez par le sort, et que Yahvé a prescrit de donner aux neuf tribus et à la demi-tribu.
...............
Nom / Fan 34.16 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Nom / Fan 35.1 And the Lord spake unto Moses in the plains of Moab by Jordan near Jericho, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy teo Arbota-moaba, amoron' i Jordana tandrifin' i Jeriko, ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh tao an-tany lemak' i Moaba amoron' i Jordany, tandrifin' i Jerikao, nanao hoe: Yahvé parla à Moïse, dans les Steppes de Moab, près du Jourdain vers Jéricho. Il dit :
...............
Nom / Fan 35.9 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Nom / Fan 36.1 And the chief fathers of the families of the children of Gilead, the son of Machir, the son of Manasseh, of the families of the sons of Joseph, came near, and spake before Moses, and before the princes, the chief fathers of the children of Israel: Dia nanatona ny lohan' ny fianakaviana tamin' ny fokon' ny taranak' i Gileada, zanak' i Makira, zanak' i Manase, avy tamin' ny fokon' ny taranak' i Josefa, ka niteny teo anatrehan' i Mosesy sy ny lehibe, lohan' ny fianakaviana tamin' ny Zanak' Isiraely, ka nanao hoe: Nanatona niteny teo anatrehan' i Moizy sy teo anatrehan' ny lehibe, lohan' ny fokom-pianakavian' ny zanak' Israely, ny loham-pianakavian' i Galaada, zanak' i Makira, zanak' i Manase, zanak' i Josefa. Hoy izy ireo hoe: Les chefs de famille du clan des fils de Galaad, fils de Makir, fils de Manassé, l' un des clans des fils de Joseph, se présentèrent. Ils prirent la parole en présence de Moïse et des princes, chefs de famille des Israélites,
...............
Nom / Fan 36.5 And Moses commanded the children of Israel according to the word of the Lord, saying, The tribe of the sons of Joseph hath said well. Ary Mosesy nandidy ny Zanak' Isiraely araka ny tenin' i Jehovah ka nanao hoe: Marina ny tenin' ny firenena taranak' i Josefa. Ary nanome izao didy izao Moizy ho an' ny zanak' Israely araka ny tenin' ny Tompo, nanao hoe: Marina ny tenin' ny fokon' ny zanak' i Josefa. Moïse, sur l' ordre de Yahvé, donna cet ordre aux Israélites. Il dit :" La tribu des fils de Joseph a parlé juste.
...............
Nom / Fan 36.10 Even as the Lord commanded Moses, so did the daughters of Zelophehad: Araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy no nataon' ny zanakavavin' i Zelofada, Dia nanao arak' izay nandidian' ny Tompo an' i Moizy ny zanakavavin' i Salfaada. Les filles de Çelophehad firent comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
...............
Nom / Fan 36.13 These are the commandments and the judgments, which the Lord commanded by the hand of Moses unto the children of Israel in the plains of Moab by Jordan near Jericho. Ireo no didy sy fitsipika izay nandidian' i Jehovah ka nampitondrainy an' i Mosesy ho amin' ny Zanak' Isiraely teo Arbota-moaba, teo amoron' i Jordana tandrifin' i Jeriko. Ireo no didy aman-dalàna nomen' ny Tompo ny zanak' Israely tamin' ny alàlan' i Moizy, teo an-tany lemak' i Moaba, amoron' i Jordany, tandrifin' i Jerikao. Tels sont les commandements et les lois que Yahvé prescrivit aux Israélites, par l' intermédiaire de Moïse, dans les Steppes de Moab, près du Jourdain, vers Jéricho.

  Deuteronomy Fifanekena na Detoronomia Fifanekena na Detoronomy Le Deutéronome
Deo / Dt 1.1 These be the words which Moses spake unto all Israel on this side Jordan in the wilderness, in the plain over against the Red sea, between Paran, and Tophel, and Laban, and Hazeroth, and Dizahab. IZAO no teny izay nolazain' i Mosesy tamin' ny Isiraely rehetra tany an-dafin' i Jordana, tany an-efitra, dia tany amin' ny tani-hay tandrifin' i Sofa, tanelanelan' i Parana sy Tofela sy Labana sy Hazerota ary Dizahaba. Izao no teny nataon' i Moizy tamin' ny zanak' Israely rehetra tany an-dafin' i Jordany tany an' efitra, tany Arabaha, tandrifin' i Sofa, anelanelan' i Faràna, Tofela, Labana, Haserota sy Di-Zahaba. Voici les paroles que Moïse adressa à tout Israël au-delà du Jourdain, dans le désert, dans la Araba, en face de Suph, entre Parân et Tophel, Labân, Haçérot et Di-Zahab. -
...............
Deo / Dt 1.3 And it came to pass in the fortieth year, in the eleventh month, on the first day of the month, that Moses spake unto the children of Israel, according unto all that the Lord had given him in commandment unto them; Ary tamin' ny andro voalohany tamin' ny volana fahiraika ambin' ny folo tamin' ny taona fahefa-polo dia niteny tamin' ny Zanak' Isiraely Mosesy, araka izay rehetra efa nandidian' i Jehovah azy holazainy aminy, Tamin' ny taona fahefa-polo, volana faharaika ambin' ny folo, andro voalohan' ny volana dia niteny tamin' ny zanak' Israely Moizy, araka izay rehetra nodidian' ny Tompo holazainy amin' izy ireo, Ce fut la quarantième année, le premier jour du onzième mois, que Moïse parla aux Israélites selon tout ce que Yahvé lui avait ordonné à leur sujet.
...............
Deo / Dt 1.5 On this side Jordan, in the land of Moab, began Moses to declare this law, saying, Tany an-dafin' i Jordana, dia tany amin' ny tany Moaba, no nanombohan' i Mosesy nanazava izao lalàna izao hoe: Tany an-dafin' i Jordany, amin' ny tany Moaba, dia nanomboka nivaofy izao lalàna izao Moizy nanao hoe: C' est au-delà du Jourdain, au pays de Moab, que Moïse se décida à graver cette Loi. Il dit :
...............
Deo / Dt 4.41 Then Moses severed three cities on this side Jordan toward the sunrising; Ary tamin' izay Mosesy dia nanokana tanàna telo any an-dafy atsinanan' i Jordana, Tamin' izany Moizy dia nanokana tanàna telo any an-dafin' i Jordany any atsinanana, Moïse choisit alors trois villes au-delà du Jourdain, à l' orient,
...............
Deo / Dt 4.44 And this is the law which Moses set before the children of Israel: Ary izao no lalàna izay nalahatr' i Mosesy teo anatrehan' ny Zanak' Isiraely. Izao no lalàna nambaran' i Moizy teo anatrehan' ny zanak' Israely, Voici la Loi que Moïse présenta aux Israélites.
Deo / Dt 4.45 These are the testimonies, and the statutes, and the judgments, which Moses spake unto the children of Israel, after they came forth out of Egypt. Izao no teni-vavolombelona sy didy ary fitsipika, izay nambaran' i Mosesy tamin' ny Zanak' Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy, dia didy aman-dalàna sy fitsìpika nomen' i Moizy ny zanak' Israely tamin' ny nivoahany tany Ejipta, Voici les stipulations, les lois et les coutumes que Moïse donna aux Israélites à leur sortie d'Égypte,
Deo / Dt 4.46 On this side Jordan, in the valley over against Bethpeor, in the land of Sihon king of the Amorites, who dwelt at Heshbon, whom Moses and the children of Israel smote, after they were come forth out of Egypt: tany an-dafin' i Jordana, tao an-dohasaha tandrifin' i Beti-peora, tao amin' ny tanin' i Sihona, ilay mpanjakan' ny Amorita nonina tao Hesbona, dia ilay noresen' i Mosesy sy ny Zanak' Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy, tany an-dafin' i Jordany tao an-dohasaha tandrifin' i Bet-Fogora, amin' ny tanin' i Sehona, mpanjakan' ny Amoreana, nonina tao Hesebona, izay noresen' i Moizy sy ny zanak' Israely tamin' ny nivoahany tany Ejipta. au-delà du Jourdain, dans la vallée proche de Bet-Péor, au pays de Sihôn, roi amorite résidant à Heshbôn. Moïse et les Israélites l' avaient battu à leur sortie d'Égypte
Deo / Dt 5.1 And Moses called all Israel, and said unto them, Hear, O Israel, the statutes and judgments which I speak in your ears this day, that ye may learn them, and keep, and do them. Ary Mosesy niantso ny Isiraely rehetra ka nanao taminy hoe: Ry Isiraely ô, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay lazaiko eto anatrehanareo anio, ka ianaro ireo, sy mitandrema mba hankatò azy. Ary niantso an' Israely Moizy ka nanao taminy hoe: Henoy, ry Israely, ny didy amam-pitsipika ampandrenesiko anao anio; ianaro izany, ary araho amim-pitandremana tokoa. Moïse convoqua tout Israël et leur dit : Écoute, Israël, les lois et les coutumes que je prononce aujourd' hui à vos oreilles. Apprenez-les et gardez-les pour les mettre en pratique.
Deo / Dt 27.1 And Moses with the elders of Israel commanded the people, saying, Keep all the commandments which I command you this day. Ary Mosesy sy ny loholon' ny Isiraely dia nandidy ny vahoaka ka nanao hoe: Tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio. Ary Moizy sy ny loholon' Israely dia nanome izao didy izao tamin' ny vahoaka: Tandremo ny didy rehetra andidiako anareo anio. Moïse et les anciens d' Israël donnèrent cet ordre au peuple : " Gardez tous les commandements que je vous prescris aujourd' hui.
...............
Deo / Dt 27.9 And Moses and the priests the Levites spake unto all Israel, saying, Take heed, and hearken, O Israel; this day thou art become the people of the Lord thy God. Dia niteny tamin' ny Isiraely rehetra Mosesy sy ireo Levita mpisorona ka nanao hoe: Mangìna, ka mihainoa, ry Isiraely ô: androany no efa tonga firenen' i Jehovah Andriamanitrao ianao. Dia niteny tamin' Israely rehetra Moizy sy ireo mpisorona levitika ka nanao hoe: Mangìna ka mihainoa, ry Israely: Androany no efa tonga vahoakan' ny Tompo Andriamanitrao hianao. Puis Moïse et les prêtres lévites dirent à tout Israël : " Fais silence et écoute, Israël. Aujourd' hui tu es devenu un peuple pour Yahvé ton Dieu.
...............
Deo / Dt 27.11 And Moses charged the people the same day, saying, Dia nandidy ny vahoaka tamin' izany andro izany Mosesy ka nanao hoe: Nomen' i Moizy didy ny vahoaka androtrizay nataony hoe: Et Moïse, en ce jour, donna alors cet ordre au peuple :
...............
Deo / Dt 28.68 And the Lord shall bring thee into Egypt again with ships, by the way whereof I spake unto thee, Thou shalt see it no more again: and there ye shall be sold unto your enemies for bondmen and bondwomen, and no man shall buy you. Ary ianao ho entin' i Jehovah an-tsambo hiverina any Egypta amin' izay lalana efa nolazaiko taminao hoe: Tsy hahita izany intsony ianao; dia hivaro-tena ho andevolahy sy ho andevovavy any amin' ny fahavalonareo ianareo, nefa tsy hisy mpividy. IZAO no tenin' ny fanekena izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy hatao amin' ny Zanak' Isiraely tany amin' ny tany Moaba, afa-tsy ilay fanekena nataony taminy tao Horeba. Haverin' ny Tompo an-tsambo ho any Ejipta hianao, hihazo ny làlana voalazako taminao hoe: Tsy ho hitanao intsony izany, ary any hianareo hivaro-tena ho andevolahy sy andevovavy amin' ny fahavalonareo nefa tsy hisy mpividy. Yahvé te renverra en Égypte dans des vaisseaux ou par un chemin dont je t' avais dit : " Tu ne le verras plus ! " Et là vous irez vous vendre à tes ennemis comme serviteurs et servantes, sans trouver d' acheteur.
Deo / Dt 28.69 Izao no tenin' ny fanekena nandidian' ny Tompo an' i Moizy hatao amin' ny zanak' Israely, tany amin' ny tany Moaba, afa-tsy ilay fanekena nataony taminy tany Horeba. Voici les paroles de l' alliance que Yahvé ordonna à Moïse de conclure avec les Israélites au pays de Moab, outre l' alliance qu' il avait conclue avec eux à l' Horeb.
Deo / Dt 29.1 These are the words of the covenant, which the Lord commanded Moses to make with the children of Israel in the land of Moab, beside the covenant which he made with them in Horeb. Dia niantso ny Isiraely rehetra Mosesy ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nahita izay rehetra nataon' i Jehovah teo imasonareo tany amin' ny tany Egypta tamin' i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra, Niantso an' Israely rehetra Moizy, dia nilaza taminy hoe: Efa hitanareo izay nataon' ny Tompo teo imasonareo, tany amin' ny tany Ejipta, tamin' i Faraona sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra, Moïse convoqua tout Israël et leur dit : Vous avez vu tout ce que Yahvé a fait sous vos yeux au pays d'Égypte, tant à Pharaon et à tous ses serviteurs qu'à tout son pays :
Deo / Dt 31.1 And Moses went and spake these words unto all Israel. Ary Mosesy nandeha, dia nilaza izao teny izao tamin' ny Isiraely rehetra Ary nanao izao teny izao tamin' Israely rehetra koa Moizy ka nanao tamin' izy ireo hoe: Moïse vint adresser ces paroles à tout Israël :
...............
Deo / Dt 31.7 And Moses called unto Joshua, and said unto him in the sight of all Israel, Be strong and of a good courage: for thou must go with this people unto the land which the Lord hath sworn unto their fathers to give them; and thou shalt cause them to inherit it. Ary Mosesy niantso an' i Josoa ka niteny taminy teo imason' ny Isiraely rehetra hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao sy ity firenena ity dia hiara-miditra ao amin' ny tany izay nianianan' i Jehovah tamin' ny razany homena azy; ary ianao no hampandova azy izany. Dia nantsoin' i Moizy Josoe, ka hoy izy taminy, teo anatrehan' Israely rehetra: Mahereza ary matanjaha tsara, fa hianao no hiditra miaraka amin' ity vahoaka ity, any amin' ny tany efa nianianan' ny Tompo tamin' ny razany homena azy ireo; ary hianao no hampanana azy ireo izany. Puis Moïse appela Josué et il lui dit aux yeux de tout Israël : " Sois fort et tiens bon : tu entreras avec ce peuple au pays que Yahvé a juré à leurs pères de leur donner, et c' est toi qui les en mettras en possession.
...............
Deo / Dt 31.9 And Moses wrote this law, and delivered it unto the priests the sons of Levi, which bare the ark of the covenant of the Lord, and unto all the elders of Israel. Dia nosoratan' i Mosesy izany lalàna izany ka natolony ireo mpisorona, taranak' i Levy, izay mpitondra ny fiaran' ny faneken' i Jehovah, sy ny loholon' ny Isiraely rehetra. Nosoratan' i Moizy izany lalàna izany, dia natolony tamin' ny mpisorona, taranak' i Levì mpitondra ny fiaran' ny faneken' ny Tompo, mbamin' ny loholon' Israely rehetra. Moïse mit cette Loi par écrit et la donna aux prêtres, fils de Lévi, qui portaient l' arche de l' alliance de Yahvé, ainsi qu'à tous les anciens d' Israël.
Deo / Dt 31.10 And Moses commanded them, saying, At the end of every seven years, in the solemnity of the year of release, in the feast of tabernacles, Dia nandidy azy Mosesy ka nanao hoe: Isam-pito taona, dia amin' ny taom-panafahana, amin' ny andro firavoravoana fitoerana amin' ny trano rantsan-kazo, Ary nomeny izao didy izao izy: Aorian' ny isam-pito taona amin' ny fotoan' ny taom-panafahana, amin' ny fetin' ny Tabernakla, Moïse leur donna cet ordre : " Tous les sept ans, temps fixé pour l' année de Remise, lors de la fête des Tentes,
...............
Deo / Dt 31.14 And the Lord said unto Moses, Behold, thy days approach that thou must die: call Joshua, and present yourselves in the tabernacle of the congregation, that I may give him a charge. And Moses and Joshua went, and presented themselves in the tabernacle of the congregation. Dia hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Indro, antomotra ny andro hahafatesanao; koa miantsoa an' i Josoa, ary mitoera ao amin' ny trano-lay fihaonana ianareo mba handidiako azy. Dia nandeha Mosesy sy Josoa ka nitoetra tao amin' ny trano-lay fihaonana. Dia hoy Iaveh tamin' i Moizy: Indro, antomotra ny fotoana hahafatesanao; koa antsoy Josoe, ary tongava ao an-trano lay fihaonana hianareo, mba hanomezako azy ny didiko. Dia nandeha nankao an-trano lay fihaonana Moizy sy Josoe, Yahvé dit à Moïse : " Voici venir les jours de ta mort, appelle Josué. Tenez-vous à la Tente du Rendez-vous, pour que je lui donne mes ordres. " Moïse et Josué vinrent se tenir à la Tente du Rendez-vous.
...............
Deo / Dt 31.16 And the Lord said unto Moses, Behold, thou shalt sleep with thy fathers; and this people will rise up, and go a whoring after the gods of the strangers of the land, whither they go to be among them, and will forsake me, and break my covenant which I have made with them. Ary hoy Jehovah tamin' i Mosesy: Indro fa hodi-mandry any amin' ny razanao ianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamani-kafa any amin' ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekeko izay nataoko taminy. Dia hoy Iaveh tamin' i Moizy: Indro efa ho tafandriana any amin' ny razanao hianao, ary ity vahoaka ity hitsangana hitolo-tena amin' ny andriamani-kafa any amin' ny tany efa hidirany. Handao ahy izy ary hivadika ny fanekena nataoko taminy. Yahvé dit à Moïse : " Voici que tu vas te coucher avec tes pères, et ce peuple est sur le point de se prostituer en suivant des dieux du pays étranger où il va pénétrer. Il m' abandonnera et rompra l' alliance que j' ai conclue avec lui.
...............
Deo / Dt 31.22 Moses therefore wrote this song the same day, and taught it the children of Israel. Dia nosoratan' i Mosesy androtrizay ihany izao fihirana izao ka nampianariny ny Zanak' Isiraely. Dia nosoratan' i Moizy androtr' izay ihany izany tonon-kira izany, ka nampianariny ny zanak' Israely. Et Moïse écrivit en ce jour ce cantique et il l' enseigna aux Israélites.
...............
Deo / Dt 31.24 And it came to pass, when Moses had made an end of writing the words of this law in a book, until they were finished, Ary rehefa voasoratr' i Mosesy teo amin' ny boky avokoa ny tenin' ity lalàna ity, Nony efa tapitra voasoratr' i Moizy tamin' ny boky anankiray ny tenin' ity lalàna ity, Lorsqu' il eut achevé d'écrire sur un livre les paroles de cette Loi jusqu'à la fin,
...............
Deo / Dt 31.30 And Moses spake in the ears of all the congregation of Israel the words of this song, until they were ended. Dia nolazain' i Mosesy teo anatrehan' ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ny tenin' izao fihirana izao mandra-pahavitany. Dia nolazain' i Moizy hatramin' ny farany, teo an-tsofin' ny fiangonan' Israely rehetra, izao tonon-kira izao: Puis, aux oreilles de toute l' assemblée d' Israël, Moïse prononça jusqu'à la dernière les paroles de ce cantique :
...............
Deo / Dt 32.44 And Moses came and spake all the words of this song in the ears of the people, he, and Hoshea the son of Nun. Dia nandeha Mosesy ka nilaza ny teny rehetra amin' izany fihirana izany teo anatrehan' ny olona, dia izy sy Hosea, zanak' i Nona. Tonga Moizy ka nilaza ny teny rehetra amin' izany tonon-kira izany mba ho ren' ny vahoaka, ary nomba azy Josoe zanak' i Nòna. Moïse vint avec Josué fils de Nûn, et prononça aux oreilles du peuple toutes les paroles de ce cantique.
Deo / Dt 32.45 And Moses made an end of speaking all these words to all Israel: Ary nony efa tapitra voalazan' i Mosesy tamin' ny Isiraely rehetra izany teny rehetra izany, Nony tapitra voalazany tamin' Israely rehetra izany teny rehetra izany, Quand Moïse eut achevé de prononcer ces paroles à l' adresse de tout Israël,
...............
Deo / Dt 32.48 And the Lord spake unto Moses that selfsame day, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy androtrizay indrindra ka nanao hoe: Androtr' izay ihany dia niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse, ce même jour, et lui dit :
Deo / Dt 33.1 And this is the blessing, wherewith Moses the man of God blessed the children of Israel before his death. Ary izao no tso-drano nataon' i Mosesy, lehilahin' Andriamanitra, tamin' ny Zanak' Isiraely, rehefa nadiva ho faty izy. Izao no tso-drano nataon' i Moizy, olon' Andriamanitra, tamin' ny zanak' Israely, talohan' ny nahafatesany. Voici la bénédiction que Moïse, homme de Dieu, prononça sur les Israélites avant de mourir.
...............
Deo / Dt 33.4 Moses commanded us a law, even the inheritance of the congregation of Jacob. Lalàna no nandidian' i Mosesy antsika Ho lovan' ny fiangonan' i Jakoba. Nanome didy antsika Moizy; lovan' ny fiangonan' i Jakoba. Moïse nous a prescrit une loi. L' assemblée de Jacob entre dans son héritage ;
Deo / Dt 34.1 And Moses went up from the plains of Moab unto the mountain of Nebo, to the top of Pisgah, that is over against Jericho. And the Lord shewed him all the land of Gilead, unto Dan, Dia niakatra niala teo Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon' i Pisga, izay tandrifin' i Jeriko. Ary nasehon' i Jehovah azy ny tany Gileada rehetra hatrany Dana Niakatra avy eo an-tany lemak' i Moaba Moizy, nankany an-tendrombohitra Nebao, ao an-tampon' i Fasgà, tandrifin' i Jerikao. Alors, partant des Steppes de Moab, Moïse gravit le mont Nebo, sommet du Pisga en face de Jéricho, et Yahvé lui fit voir tout le pays : le Galaad jusqu'à Dan,
...............
Deo / Dt 34.5 So Moses the servant of the Lord died there in the land of Moab, according to the word of the Lord. Ary Mosesy, mpanompon' i Jehovah, dia maty teo amin' ny tany Moaba araka ny tenin' i Jehovah. Teo no nahafatesan' i Moizy, mpanompon' ny Tompo, dia teo amin' ny tanin' i Moaba, araka ny didin' ny Tompo. C' est là que mourut Moïse, serviteur de Yahvé, en terre de Moab, selon l' ordre de Yahvé ;
...............
Deo / Dt 34.7 And Moses was an hundred and twenty years old when he died: his eye was not dim, nor his natural force abated. Efa roa-polo amby zato taona Mosesy vao maty; ary tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny. Efa roapolo amby zato taona Moizy no maty, nefa ny fahiratany tsy nihena, ny tanjany tsy niala taminy. Moïse avait cent vingt ans quand il mourut ; son oeil n'était pas éteint, ni sa vigueur épuisée.
Deo / Dt 34.8 And the children of Israel wept for Moses in the plains of Moab thirty days: so the days of weeping and mourning for Moses were ended. Ary ny Zanak' Isiraely nisaona an' i Mosesy telo-polo andro teo Arbota-moaba; dia tapitra ny andro fitomaniana nisaonana an' i Mosesy. Nisaona an' i Moizy telopolo andro tao amin' ny tany lemak' i Moaba ny zanak' Israely ka tapitra ny andro fitomaniana tamin' ny fisaonana an' i Moizy. Les Israélites pleurèrent Moïse trente jours dans les Steppes de Moab. Les jours de pleurs pour le deuil de Moïse s' achevèrent.
Deo / Dt 34.9 And Joshua the son of Nun was full of the spirit of wisdom; for Moses had laid his hands upon him: and the children of Israel hearkened unto him, and did as the Lord commanded Moses. Ary Josoa, zanak' i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan' i Mosesy tanana izy; dia nihaino azy ny Zanak' Isiraely ka nanao araka izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Ary Josoe, zanak' i Nòna, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan' i Moizy tànana izy, ka nanoa azy ny zanak' Israely sy nanao araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Josué, fils de Nûn, était rempli de l' esprit de sagesse, car Moïse lui avait imposé les mains. C' est à lui qu' obéirent les Israélites agissant selon l' ordre que Yahvé avait donné à Moïse.
Deo / Dt 34.10 And there arose not a prophet since in Israel like unto Moses, whom the Lord knew face to face, Ary tsy nisy mpaminany intsony niseho teo amin' ny Isiraely tahaka an' i Mosesy, izay fantatr' i Jehovah nifanatrika Tsy nisy mpaminany nitsangana teo amin' Israely intsony sahala amin' i Moizy izay fantatry ny Tompo mifanatrika, Il ne s' est plus levé en Israël de prophète pareil à Moïse, lui que Yahvé connaissait face à face.
...............
Deo / Dt 34.12 And in all that mighty hand, and in all the great terror which Moses shewed in the sight of all Israel. ary tamin' ny herin-tanana rehetra sy ny fampahatahorana lehibe rehetra, izay nasehon' i Mosesy teo imason' ny Isiraely rehetra. na ny amin' ny tànany mahery rehetra aman-java-mahatahotra rehetra izay vitan' i Moizy teo imason' Israely rehetra. Quelle main puissante et quelle grande terreur Moïse avait mises en oeuvre aux yeux de tout Israël !

  Joshua Josoa Josoe Livre de Josué
Jos 1.1 Now after the death of Moses the servant of the Lord it came to pass, that the Lord spake unto Joshua the son of Nun, Moses' minister, saying, Ary rehefa maty Mosesy, mpanompon' i Jehovah, dia hoy Jehovah tamin' i Josoa, zanak' i Nona, mpanompon' i Mosesy: Rahefa maty Moizy, mpanompon' ny Tompo, dia niteny tamin' i Josoe zanak' i Nòna, mpanompon' i Moizy, Iaveh nanao hoe: Après la mort de Moïse, serviteur de Yahvé, Yahvé parla à Josué, fils de Nûn, l' auxiliaire de Moïse, et lui dit :
Jos 1.2 Moses my servant is dead; now therefore arise, go over this Jordan, thou, and all this people, unto the land which I do give to them, even to the children of Israel. Efa maty Mosesy mpanompoko; koa mitsangàna, mità ity Jordana ity ianao sy ireo olona rehetra ireo ho any amin' ny tany izay omeko azy, dia ny Zanak' Isiraely. Efa maty Moizy, mpanompoko, koa mitsangàna hianao ankehitriny, mità an' io Jordany io, hianao sy izao vahoaka rehetra izao, ho any amin' ny tany izay omeko ny zanak' Israely. " Moïse, mon serviteur, est mort; maintenant, debout! Passe le Jourdain que voici, toi et tout ce peuple, vers le pays que je leur donne aux Israélites .
Jos 1.3 Every place that the sole of your foot shall tread upon, that have I given unto you, as I said unto Moses. Ny tany rehetra izay hodiavin' ny faladianareo dia efa nomeko anareo, araka izay voalazako tamin' i Mosesy. Efa nomeko anareo avokoa, araka ny voalazako tamin' i Moizy, ny tany rehetra hodiavin' ny faladianareo. Tout lieu que foulera la plante de vos pieds, je vous le donne, comme je l' ai dit à Moïse.
...............
Jos 1.5 There shall not any man be able to stand before thee all the days of thy life: as I was with Moses, so I will be with thee: I will not fail thee, nor forsake thee. Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin' ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an' i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho. Tsy hisy olona hahatohitra anao amin' ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an' i Moizy no hombako anao koa; tsy hahafoy anao aho na handao anao. Personne, tout le temps de ta vie, ne pourra tenir devant toi : je serai avec toi comme j' ai été avec Moïse, je ne t' abandonnerai point ni ne te délaisserai.
...............
Jos 1.7 Only be thou strong and very courageous, that thou mayest observe to do according to all the law, which Moses my servant commanded thee: turn not from it to the right hand or to the left, that thou mayest prosper withersoever thou goest. Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalana rehetra, izay nandidian' i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin' ny ankavanana, na ho amin' ny ankavia, mba hambinina ianao amin' izay rehetra alehanao. Fa matanjaha kosa ary mahereza fo tokoa, sady mitandrema tsara mba hanaraka ny lalàna rehetra nandidian' i Moizy mpanompoko anao. Aza mivily amin' izany na ho amin' ny ankavanana na ho amin' ny ankavia, mba hahomby hianao amin' izay rehetra hataonao. Seulement, sois fort et tiens très bon pour veiller à agir selon toute la Loi que mon serviteur Moïse t' a prescrite. Ne t' en écarte ni à droite ni à gauche, afin de réussir dans toutes tes démarches.
...............
Jos 1.13 Remember the word which Moses the servant of the Lord commanded you, saying, The Lord your God hath given you rest, and hath given you this land. Tsarovy ny teny izay nandidian' i Mosesy, mpanompon' i Jehovah, anareo hoe: Jehovah Andriamanitrareo manome fitsaharana ho anareo, ary homeny ho anareo izao tany izao. Tsarovy ny nandidian' i Moizy, mpanompon' ny Tompo, anareo nanao hoe: Efa nomen' ny Tompo fitsaharana hianareo, sy nomeny ity tany ity. " Rappelez-vous ce que vous a ordonné Moïse, serviteur de Yahvé : Yahvé votre Dieu, en vous accordant le repos, vous a donné ce pays-ci.
Jos 1.14 Your wives, your little ones, and your cattle, shall remain in the land which Moses gave you on this side Jordan; but ye shall pass before your brethren armed, all the mighty men of valour, and help them; Ny vadinareo sy ny zanakareo madinika ary ny biby fiompinareo dia hitoetra eo amin' ny tany izay nomen' i Mosesy anareo etý an-dafin' i Jordana; fa ianareo lehilahy mahery rehetra dia samy ho voaomana hiady ka hita eo alohan' ny rahalahinareo hanampy azy, Koa ny vady aman-janakareo madinika, mbamin' ny biby ompianareo, dia hijanona amin' ny tany nomen' i Moizy anareo, ety an-dafin' i Jordany. Fa hianareo lehilahy matanjaka sy mahery fo rehetra kosa, dia hita mitondra fiadiana eo alohan' ny rahalahinareo, Vos femmes, vos petits enfants et vos troupeaux peuvent rester dans le pays que vous a donné Moïse au-delà du Jourdain. Quant à vous, tous les hommes de guerre, vous passerez en formation de combat en tête de vos frères, et vous leur viendrez en aide,
Jos 1.15 Until the Lord have given your brethren rest, as he hath given you, and they also have possessed the land which the Lord your God giveth them: then ye shall return unto the land of your possession, and enjoy it, which Moses the Lord' s servant gave you on this side Jordan toward the sunrising. mandra-panomen' i Jehovah fitsaharana ny rahalahinareo tahaka anareo, ka mba holovany kosa ny tany izay nomen' i Jehovah Andriamanitrareo azy; dia hiverina ho any amin' ny taninareo ianareo ka handova azy, dia ilay nomen' i Mosesy, mpanompon' i Jehovah, anareo etý an-dafy atsinanan' i Jordana. ary hanampy azy hianareo mandra-panomen' ny Tompo fitsaharana toa anareo koa amin' ny rahalahinareo, ka efa mahazo ny tany omen' ny Tompo Andriamanitrareo azy izy ireo; izay vao hiverina hianareo amin' ny tany izay anareo, aty an-dafin' i Jordany, fiposahan' ny masoandro. jusqu'à ce que Yahvé accorde le repos à vos frères comme à vous, et qu' ils prennent possession, eux aussi, du pays que Yahvé votre Dieu leur donne. Vous pourrez alors retourner au pays qui vous appartient, et vous en prendrez possession, celui que vous a donné Moïse, serviteur de Yahvé, au-delà du Jourdain, vers le soleil levant. "
...............
Jos 1.17 According as we hearkened unto Moses in all things, so will we hearken unto thee: only the Lord thy God be with thee, as he was with Moses. Araka ny nihainoanay an' i Mosesy tamin' ny zavatra rehetra no hihainoanay anao koa; homba anao anie Jehovah Andriamanitrao tahaka ny nombany an' i Mosesy. Toy ny nanekenay an' i Moizy tamin' ny zavatra rehetra, no hanekenay anao koa. Fa aoka kosa anie homba anao Iaveh Andriamanitrao tahaka ny nombany an' i Moizy. De même que nous avons obéi en toute chose à Moïse, de même nous t' obéirons. Puisse seulement Yahvé ton Dieu être avec toi comme il fut avec Moïse!
...............
Jos 3.7 And the Lord said unto Joshua, This day will I begin to magnify thee in the sight of all Israel, that they may know that, as I was with Moses, so I will be with thee. Ary hoy Jehovah tamin' i Josoa: Anio no hanandratako anao eo imason' ny Isiraely rehetra, hahafantarany fa tahaka ny nombako an' i Mosesy no hombako anao koa. Hoy Iaveh tamin' i Josoe: Indro aho hanomboka hanandratra anao eo imason' Israely rehetra mba ho fantany fa toy ny nombako an' i Moizy no ombàko anao koa. Yahvé dit à Josué : " Aujourd' hui même, je vais commencer à te grandir aux yeux de tout Israël, afin qu' il sache que, comme j' ai été avec Moïse, je serai avec toi.
...............
Jos 4.10 For the priests which bare the ark stood in the midst of Jordan, until everything was finished that the Lord commanded Joshua to speak unto the people, according to all that Moses commanded Joshua: and the people hasted and passed over. Fa ny mpisorona izay nitondra ny fiara nijanona teo afovoan' i Jordana mandra-pahavitan' ny zavatra rehetra izay nandidian' i Jehovah an' i Josoa holazaina amin' ny olona, araka izay rehetra nandidian' i Mosesy an' i Josoa; dia nita faingana ny olona. Nijanona teo afovoan' i Jordany ny mpisorona nitondra ny fiara, mandra-pahatanteraky ny zavatra nasain' ny Tompo nolazain' i Josoe tamin' ny vahoaka, araka izay rehetra nandidian' i Moizy an' i Josoe; dia nita faingana ny olona. Les prêtres porteurs de l' arche d' alliance se tenaient debout au milieu du Jourdain jusqu'à l' accomplissement de tout ce que Yahvé avait ordonné à Josué de dire au peuple selon tout ce que Moïse avait ordonné à Josué ; et le peuple se hâta de traverser.
...............
Jos 4.12 And the children of Reuben, and the children of Gad, and half the tribe of Manasseh, passed over armed before the children of Israel, as Moses spake unto them: Ary ny taranak' i Robena sy ny taranak' i Gada ary ny antsasaky ny firenen' i Manase dia samy efa voaomana hiady ka nita teo alohan' ny Zanak' Isiraely koa, araka izay efa nolazain' i Mosesy taminy. Ary nandroso samy nitam-piadiana teo alohan' ny zanak' Israely, araka ny tenin' i Moizy taminy, ny tarana-dRobena sy ny taranak' i Gada, ary ny antsasaky ny fokon' i Manase, Les fils de Ruben, les fils de Gad et la demi-tribu de Manassé passèrent en formation de combat à la tête des Israélites, comme Moïse le leur avait dit.
...............
Jos 4.14 On that day the Lord magnified Joshua in the sight of all Israel; and they feared him, as they feared Moses, all the days of his life. Tamin' izany andro izany no nanandratan' i Jehovah an' i Josoa teo imason' ny Isiraely rehetra; ka dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an' i Mosesy, tamin' ny andro rehetra niainany. Nasandratry ny Tompo teo imason' Israely rehetra Josoe, tamin' izany andro izany, ka toy ny natahoran' izy ireo an' i Moizy no natahorany azy koa, tamin' ny andro rehetra niainany. En ce jour-là, Yahvé grandit Josué aux yeux de tout Israël qui le craignit comme il avait craint Moïse sa vie durant.
...............
Jos 8.31 As Moses the servant of the Lord commanded the children of Israel, as it is written in the book of the law of Moses, an altar of whole stones, over which no man hath lift up any iron: and they offered thereon burnt offerings unto the Lord, and sacrificed peace offerings. araka izay nandidian' i Mosesy mpanompon' i Jehovah, ny Zanak' Isiraely, dia araka ny voasoratra eo amin' ny bokin' ny lalàn' i Mosesy dia alitara vato tsy voavoatra, izay tsy nopehim-by; ary dia nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an' i Jehovah izy sady namono zavatra hatao fanati-pihavanana. araka ny didy nomen' i Moizy mpanompon' ny Tompo ny zanak' Israely, araka izay voasoratra ao amin' ny bokin' ny lalàn' i Moizy, dia otely vato tsy voavoatra, izay tsy voavely vy. Ary nanolotra sorona dorana teo amboniny ho an' ny Tompo izy ireo sy nanao sorom-pihavanana koa. comme Moïse, serviteur de Yahvé, l' avait ordonné aux Israélites, selon qu' il est écrit dans la Loi de Moïse : un autel de pierres brutes que le fer n' aura pas travaillées. Ils y offrirent des holocaustes à Yahvé et immolèrent des sacrifices de communion.
Jos 8.32 And he wrote there upon the stones a copy of the law of Moses, which he wrote in the presence of the children of Israel. Dia nosoratany teo amin' ny vato ny dikan' ny lalàn' i Mosesy, izay efa nosoratany teo anatrehan' ny Zanak' Isiraely. Nosoratan' i Josoe tamin' ny vato teo koa, ny dikan' ny lalàna efa nosoratan' i Moizy teo anatrehan' ny zanak' Israely. Là, Josué écrivit sur les pierres une copie de la Loi de Moïse, que celui-ci avait écrite devant les Israélites.
Jos 8.33 And all Israel, and their elders, and officers, and their judges, stood on this side the ark and on that side before the priests the Levites, which bare the ark of the covenant of the Lord, as well the stranger, as he that was born among them; half of them over against mount Gerizim, and half of them over against mount Ebal; as Moses the servant of the Lord had commanded before, that they should bless the people of Israel. Ary ny Isiraely rehetra sy ny loholony sy ny mpifehy azy ary ny mpitsara azy dia nitsangana teo an-daniny roa amin' ny fiara, teo anatrehan' ny Levita mpisorona, izay nitondra ny fiaran' ny faneken' i Jehovah, na olona hafa firenena, na Isiraely: ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Gerizima, ary ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Ebala, araka izay efa nandidian' i Mosesy mpanompon' i Jehovah fahiny, mba hitso-drano ny olona Isiraely. Nitsangana teo an-daniny roa amin' ny fiaran' ny faneken' ny Tompo, Israely rehetra, ny loholony, ny manamboninahiny, ny mpitsarany, na ny vahiny na ny zanak' Israely, ny antsasany teo anilan' ny tendrombohitra Hebala, araka ny didy nomen' i Moizy mpanompon' ny Tompo fahiny, mba hitso-drano ny vahoakan' Israely. Tout Israël, avec ses anciens, ses scribes et ses juges, se tenait de part et d' autre de l' arche, en face des prêtres lévites qui portaient l' arche d' alliance de Yahvé, les étrangers comme les citoyens, moitié sur le front du mont Garizim et moitié sur le front du mont Ébal, comme Moïse, serviteur de Yahvé, l' avait ordonné pour donner en premier lieu la bénédiction au peuple d' Israël.
...............
Jos 8.35 There was not a word of all that Moses commanded, which Joshua read not before all the congregation of Israel, with the women, and the little ones, and the strangers that were conversant among them. Tsy nisy teny tamin' izay rehetra nandidian' i Mosesy, izay tsy novakin' i Josoa teo anatrehan' ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, mbamin' ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny izay teo aminy. Tamin' izay rehetra nandidian' i Moizy dia tsy nisy teny iray tsy novakin' i Josoe teo anatrehan' ny fiangonan' Israely rehetra, ny vehivavy sy ny zaza ary ny vahiny nitoetra teo afovoany. Il n' y eut pas un mot de tout ce que Moïse avait ordonné qui ne fût lu par Josué en présence de toute l' assemblée d' Israël, y compris les femmes, les enfants et les étrangers qui marchaient au milieu d' eux.
...............
Jos 9.24 And they answered Joshua, and said, Because it was certainly told thy servants, how that the Lord thy God commanded his servant Moses to give you all the land, and to destroy all the inhabitants of the land from before you, therefore we were sore afraid of our lives because of you, and have done this thing. Dia namaly an' i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Satria nambara tokoa taminay mpanomponao fa Jehovah Andriamanitrao efa nandidy an' i Mosesy mpanompony hanome anareo ny tany rehetra sy handringana ny mponina rehetra amin' ny tany eo anoloanareo, ary natahotra ny ho faty izahay noho ny aminareo, ka dia nanao izany zavatra izany; Dia izao no navalin' izy ireo an' i Josoe: Nambara tamin' ny mpanomponao ny didy nomen' ny Tompo Andriamanitrao an' i Moizy mpanompony mba hanolotra anareo avokoa ny tany rehetra ary mba handringananareo eo anoloanareo ny mponina rehetra amin' ny tany. Nony mby akaiky hianareo, dia natahotra mafy ny ho faty izahay, ka izany no nanaovanay toy izao. Ils répondirent à Josué : " C' est que l' on avait bien dit à tes serviteurs l' ordre donné par Yahvé ton Dieu à Moïse, son serviteur, de vous livrer tout ce pays et d' exterminer devant vous tous ses habitants. Aussi avons-nous été saisis à votre approche d' une grande crainte pour nos vies. Voilà pourquoi nous avons agi ainsi.
...............
Jos 11.12 And all the cities of those kings, and all the kings of them, did Joshua take, and smote them with the edge of the sword, and he utterly destroyed them, as Moses the servant of the Lord commanded. Ary ny tanàna rehetra izay an' ireny mpanjaka ireny sy ny mpanjakany rehetra dia azon' i Josoa ary nasiany tamin' ny lelan-tsabatra ka naringany, araka izay efa nandidian' i Mosesy, mpanompon' i Jehovah. Azon' i Josoe avokoa ny tanànan' ireny mpanjaka ireny, sy ny mpanjakany; nasiany tamin' ny lelan-tsabatra ireny, dia nataony anatema, araka ny didin' i Moizy, mpanompon' ny Tompo. Toutes les villes de ces rois, ainsi que tous leurs rois, Josué s' en empara et les passa au fil de l'épée en vertu de l' anathème, comme l' avait ordonné Moïse, serviteur de Yahvé.
...............
Jos 11.15 As the Lord commanded Moses his servant, so did Moses command Joshua, and so did Joshua; he left nothing undone of all that the Lord commanded Moses. Araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy mpanompony no nandidian' i Mosesy an' i Josoa; ka dia izany no nataon' i Josoa: tsy nisy namelany izay rehetra efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Izay nandidian' ny Tompo an' i Moizy mpanompony dia nandidian' i Moizy an' i Josoe koa, ka notanterahain' i Josoe, tsy nisy namelany izay nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Ce que Yahvé avait ordonné à son serviteur Moïse, Moïse l' avait ordonné à Josué, et Josué l' exécuta sans omettre un seul mot de ce que Yahvé avait ordonné à Moïse.
...............
Jos 11.20 For it was of the Lord to harden their hearts, that they should come against Israel in battle, that he might destroy them utterly, and that they might have no favour, but that he might destroy them, as the Lord commanded Moses. Fa avy tamin' i Jehovah no nanamafian' ireo ny fony hiady amin' ny Isiraely, mba hanaovany azy ho zavatra voaozona, ka tsy nisy famindram-po, handringanana azy araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Satria hevitra nokendren' ny Tompo no nanamafisan' ireo vahoaka ireo ny fony hiady amin' Israely mba hanaovan' ny Tompo azy ho anatema, ka tsy hanaovany famindram-po aminy fa handringanany azy, araka ny nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Car Yahvé avait décidé d' endurcir le coeur de ces gens pour combattre Israël, afin qu' ils soient anathèmes et qu' il n' y ait pas pour eux de rémission, mais qu' ils soient extirpés, comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse.
...............
Jos 11.23 So Joshua took the whole land, according to all that the Lord said unto Moses; and Joshua gave it for an inheritance unto Israel according to their divisions by their tribes. And the land rested from war. Dia lasan' i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain' i Jehovah tamin' i Mosesy; ary nomen' i Josoa ho lovan' ny Isiraely izany, araka ny fizaran' ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany. Azon' i Josoe avokoa ny tany rehetra araka ny voalazan' ny Tompo tamin' i Moizy, ka nomen' i Josoe ho lovan' Israely, natokany araka ny fokony avy. Dia nitsahatra tamin' ny ady ny tany. Josué s' empara de tout le pays, exactement comme Yahvé l' avait dit à Moïse, et il le donna en héritage à Israël, selon sa répartition en tribus. Et le pays se reposa de la guerre.
...............
Jos 12.6 Them did Moses the servant of the Lord and the children of Israel smite: and Moses the servant of the Lord gave it for a possession unto the Reubenites, and the Gadites, and the half tribe of Manasseh. Mosesy, mpanompon' i Jehovah, sy ny Zanak' Isiraely no nandresy ireo; ary ny taniny nomen' i Mosesy, mpanompon' i Jehovah, ho lovan' ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen' i Manase. Moizy mpanompon' ny Tompo sy ny zanak' Israely no nandresy an' ireo; ary ny Robenita sy ny Gadita, mbamin' ny antsasaky ny fokon' i Manase no nomen' i Moizy mpanompon' ny Tompo ny tanin' izy ireo mba ho fananany. Moïse, serviteur de Yahvé, et les Israélites les avaient vaincus, et Moïse, serviteur de Yahvé, en avait donné la possession aux Rubénites, aux Gadites et à la demi-tribu de Manassé.
...............
Jos 13.8 With whom the Reubenites and the Gadites have received their inheritance, which Moses gave them, beyond Jordan eastward, even as Moses the servant of the Lord gave them; Ary niaraka tamin' ireo koa no nahazoan' ny Robenita sy ny Gadita ny lovany, dia ilay nomen' i Mosesy azy any an-dafy atsinanan' i Jordana, araka izay nomen' i Mosesy, mpanompon' i Jehovah, azy, Fa ny antsasany efa niara-nahazo ny lova tamin' ny Robenita sy ny Gadita, izay nomen' i Moizy azy tany an-dafin' i Jordany any atsinanana, araka ny nomen' i Moizy mpanompon' ny Tompo azy; Quant à l' autre demi-tribu de Manassé, elle avait, avec les Rubénites et les Gadites, déjà reçu son héritage, celui que Moïse leur avait donné au-delà du Jourdain, à l' orient, comme Moïse, serviteur de Yahvé, le leur avait donné;
...............
Jos 13.12 All the kingdom of Og in Bashan, which reigned in Ashtaroth and in Edrei, who remained of the remnant of the giants: for these did Moses smite, and cast them out. dia ny fanjakana rehetra an' i Oga tany Basana, izay nanjaka tany Astarta sy Edrehy (izy ihany no sisa tamin' ny Refaita); fa resin' i Mosesy ireny ka noroahiny. ny fanjakana rehetra tany Basana an' i Oga, izay nanjaka tany Astarota sy tany Edraia; izy io no hany sisa tamin' ny Refaima: resin' i Moizy ireo mpanjaka ireo ka noroahiny. et dans le Bashân, tout le royaume de Og qui avait régné à Ashtarot et à Édréï, et fut le dernier survivant des Rephaïm. Moïse avait vaincu et dépossédé ces deux rois.
...............
Jos 13.14 Only unto the tribes of Levi he gave none inheritance; the sacrifices of the Lord God of Israel made by fire are their inheritance, as he said unto them. Ny firenen' i Levy ihany no tsy nomeny lova; ny fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany araka izay nolazainy taminy. Ny fokon' i Levì tokana no tsy mba nomen' i Moizy lova, fa ny sorona atao amin' ny afo ho an' ny Tompo Andriamanitr' Israely no lovany araka ny voalazany taminy. La tribu de Lévi fut la seule à laquelle on ne donna pas d' héritage : Yahvé, Dieu d' Israël, fut son héritage, comme il le lui avait dit.
Jos 13.15 And Moses gave unto the tribe of the children of Reuben inheritance according to their families. Ary nomen' i Mosesy lova ny firenena taranak' i Robena araka ny fokony Nomen' i Moizy lova ny fokon' ny tarana-dRobena, araka ny fianakaviany avy, Moïse avait donné à la tribu des fils de Ruben une part selon leurs clans.
...............
Jos 13.21 And all the cities of the plain, and all the kingdom of Sihon king of the Amorites, which reigned in Heshbon, whom Moses smote with the princes of Midian, Evi, and Rekem, and Zur, and Hur, and Reba, which were dukes of Sihon, dwelling in the country. ary ny tanàna rehetra any amin' ny tany lemaka sy ny fanjakana rehetra an' i Sihona, mpanjakan' ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona fa resin' i Mosesy izy sy ireo andrianan' ny Midianita, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba, andriana izay nanoa an' i Sihona ka nitoetra teo amin' ny tany. ny tanàna rehetra amin' ny tany lemaka sy ny fanjakana rehetra an' i Sehona mpanjakan' ny Amoreana, izay nanjaka tao Hesebona, fa resin' i Moizy izy sy ireo andrianan' i Madiana, dia Evì, Rekema, Sora, Hora, ary Rebe, mpandoa hetra amin' i Sehona, monina amin' ny tany. toutes les villes du plateau et tout le royaume de Sihôn, roi des Amorites, qui régna à Heshbôn; il avait été battu par Moïse ainsi que les princes de Madiân, Évi, Réqem, Çur, Hur, Réba, vassaux de Sihôn qui habitaient le pays.
...............
Jos 13.24 And Moses gave inheritance unto the tribe of Gad, even unto the children of Gad according to their families. Ary nomen' i Mosesy koa ny firenen' i Gada, dia ny taranak' i Gada araka ny fokony. Nomen' i Moizy anjara ny fokon' i Gada, ny taranak' i Gada, araka ny fianakaviany avy; Moïse avait donné à la tribu de Gad, aux fils de Gad, une part selon leurs clans.
...............
Jos 13.29 And Moses gave inheritance unto the half tribe of Manasseh: and this was the possession of the half tribe of the children of Manasseh by their families. Ary nomen' i Mosesy koa ny antsasaky ny firenen' i Manase; ary izao no an' ny antsasaky ny firenena taranak' i Manase araka ny fokony: Nomen' i Moizy anjara ny antsasaky ny fokon' i Manase, ny taranak' i Manase, araka ny fianakaviany, Moïse avait donné à la demi-tribu de Manassé une part selon leurs clans.
...............
Jos 13.32 These are the countries which Moses did distribute for inheritance in the plains of Moab, on the other side Jordan, by Jericho, eastward. Ireo no voazaran' i Mosesy ho lova tany Arbota-moaba an-dafy atsinanan' i Jordana tandrifin' i Jeriko. Izany no lova nozarain' i Moizy fony izy tany amin' ny tany lemak' i Moaba, any an-dafin' i Jordany tandrifin' i Jerikao any atsinanana. Voici ce que Moïse avait donné en héritage dans les Steppes de Moab, au-delà du Jourdain, en face de Jéricho à l' orient.
Jos 13.33 But unto the tribe of Levi Moses gave not any inheritance: the Lord God of Israel was their inheritance, as he said unto them. Ary ny firenen' i Levy tsy mba nomen' i Mosesy lova; fa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany, araka izay efa nolazainy taminy. Tsy mba nomen' i Moizy lova ny fokon' i Levì, fa Iaveh Andriamanitr' Israely no lovany, araka ny voalazany taminy. Mais à la tribu de Lévi, Moïse n' avait pas donné d' héritage : c' est Yahvé, le Dieu d' Israël, qui est son héritage, comme il le lui a dit.
...............
Jos 14.2 By lot was their inheritance, as the Lord commanded by the hand of Moses, for the nine tribes, and for the half tribe. tamin' ny filokana no nahazoany ny lovany, araka izay efa nandidian i Jehovah an' i Mosesy ny amin' ny firenena sivy sy sasany. Filokana no nahazoany ny lovany, araka ny nandidian' ny Tompo ho an' ny foko sivy sy ny antsasa-poko; C' est par le sort qu' ils reçurent leur héritage, comme Yahvé l' avait ordonné par l' intermédiaire de Moïse pour les neuf tribus et demie.
Jos 14.3 For Moses had given the inheritance of two tribes and an half tribe on the other side Jordan: but unto the Levites he gave none inheritance among them. Fa efa nomen' i Mosesy lova tany an-dafin' i Jordana ny firenena roa sy sasany; fa ny taranak' i Levy tsy mba nomeny lova teo aminy. fa ny foko roa sy ny antsasa-poko efa nomen' i Moizy lova tany an-dafin' i Jordany; fa tsy mba nomeny lova teo amin' izy ireo ny Levita. Car Moïse avait donné leur héritage aux deux tribus et demie de l' autre côté du Jourdain, mais aux Lévites, il n' avait pas donné d' héritage parmi elles.
...............
Jos 14.5 As the Lord commanded Moses, so the children of Israel did, and they divided the land. Araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy no nataon' ny Zanak' Isiraely, ka dia nizara ny tany izy. Nanatanteraka ny didy nomen' ny Tompo an' i Moizy ny zanak' Israely, ka nizara ny tany izy. Les Israélites firent comme Yahvé l' avait ordonné à Moïse, et ils partagèrent le pays.
Jos 14.6 Then the children of Judah came unto Joshua in Gilgal: and Caleb the son of Jephunneh the Kenezite said unto him, Thou knowest the thing that the Lord said unto Moses the man of God concerning me and thee in Kadeshbarnea. Dia nankany amin' i Josoa tany Gilgala ny taranak' i Joda; ary Kaleba, zanak' i Jefone, Kenizita, nanao taminy hoe: Fantatrao ny teny izay nolazain' i Jehovah tamin' i Mosesy, lehilahin' Andriamanitra, ny amiko sy ianao tany Kadesi-barnea. Nanatona an' i Josoe ny taranak' i Jodà tany Galgalà, ary Kaleba zanak' i Jefone, Kenezeana, nanao taminy hoe: Fantatrao izay nolazain' ny Tompo tamin' i Moizy olon' Andriamanitra ny amiko sy ny aminao tany Kadesa-Barne. Des fils de Juda vinrent trouver Josué à Gilgal, et Caleb, fils de Yephunné, le Qenizzite, lui dit : " Tu sais bien ce que Yahvé a dit à Moïse, l' homme de Dieu, à mon sujet et au tien à Cadès Barné.
Jos 14.7 Forty years old was I when Moses the servant of the Lord sent me from Kadeshbarnea to espy out the land; and I brought him word again as it was in mine heart. Efa-polo taona no andro niainako, fony aho nirahin' i Mosesy, mpanompon' i Jehovah, niala tany Kadesi-barnea hisafo ny tany; dia niverina aho nitondra teny taminy araka izay tao am-poko. Efapolo taona aho, no nirahin' i Moizy, mpanompon' ny Tompo, avy tao Kadesa-Barne, hisafo ny tany; ary araka izay tao am-poko tokoa no nanaovako filazana taminy. J' avais quarante ans lorsque Moïse, serviteur de Yahvé, m' envoya de Cadès Barné pour espionner ce pays, et je lui fis un rapport sincère.
...............
Jos 14.9 And Moses sware on that day, saying, Surely the land whereon thy feet have trodden shall be thine inheritance, and thy children' s for ever, because thou hast wholly followed the Lord my God. Dia nianiana tamin' izany andro izany Mosesy ka nanao hoe: Ny tany izay nodiavin' ny tongotrao dia ho lovanao sy ny taranakao tokoa mandrakizay, satria tanteraka tamin' ny fanarahana an' i Jehovah Andriamanitro ianao. ka nianiana Moizy tamin' izany andro izany, nanao hoe: Ho lovanao sy ny taranakao mandrakizay ny tany izay nohitsahin' ny tongotrao, fa nanaraka an-tsakany sy an-davany an' ny Tompo Andriamanitro hianao. Ce jour-là, Moïse fit ce serment : "Sois-en sûr, le pays qu' a foulé ton pied t' appartiendra en héritage, à toi et à tes descendants pour toujours, parce que tu as obéi parfaitement à Yahvé mon Dieu. "
Jos 14.10 And now, behold, the Lord hath kept me alive, as he said, these forty and five years, even since the Lord spake this word unto Moses, while the children of Israel wandered in the wilderness: and now, lo, I am this day fourscore and five years old. Ary ankehitriny indro, efa namelona ahy Jehovah, araka izay nolazainy hatramin' ny dimy amby efa-polo taona lasa izay, dia hatramin' ny nilazan' i Jehovah izany teny izany tamin' i Mosesy no ho mankaty, raha mbola nandehandeha tany an-efitra ny Isiraely; ary ankehitriny, indro, efa dimy amby valo-polo taona aho izao. Koa ankehitriny, efa nitahiry ny aiko araka ny voalazany Iaveh hatramin' ny dimy amby efapolo taona nilazany izany teny izany tamin' i Moizy, fony Israely nandeha tany an' efitra, ary dimy amby valopolo taona aho izao. Depuis lors, Yahvé m' a gardé en vie selon sa promesse. Il y a quarante-cinq ans que Yahvé a fait cette déclaration à Moïse, Israël allait alors par le désert, et voici qu'à présent je compte quatre-vingt-cinq ans.
Jos 14.11 As yet I am as strong this day as I was in the day that Moses sent me: as my strength was then, even so is my strength now, for war, both to go out, and to come in. Nefa mbola matanjaka ihany aho izao tahaka ny tamin' ny andro nanirahan' i Mosesy ahy: tahaka ny tanjako tamin' izany ihany no mbola tanjako ankehitriny mba hiady, na hivoaka, na hiditra.Jos 14: Mbola matanjaka aho anio toy ny fony nirahin' i Moizy, ny heriko ankehitriny sahala amin' ny fahizàny, na hiady, na hivoaka sy hiditra. Je suis aussi robuste aujourd' hui que le jour où Moïse me confia cette mission, ma force d' aujourd' hui vaut ma force d' alors pour combattre et pour aller et venir.
...............
Jos 17.4 And they came near before Eleazar the priest, and before Joshua the son of Nun, and before the princes, saying, The Lord commanded Moses to give us an inheritance among our brethren. Therefore according to the commandment of the Lord he gave them an inheritance among the brethren of their father. Dia nanatona teo anatrehan' i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak' i Nona, ary ny loholona izy ireo ka nanao hoe: Jehovah efa nandidy an' i Mosesy hanome anay zara-tany eo amin' ny anadahinay. Ary dia nomeny lova teo amin' ny rahalahin-drainy izy araka ny didin' i Jehovah. Nankeo anatrehan' i Eleazara mpisorona sy teo anatrehan' i Josoe zanak' i Nòna, sy teo anatrehan' ny filohany izy ireo, ka nanao hoe: Nandidy an' i Moizy Iaveh hanome zara tany anay eo amin' ny anadahinay. Dia nomena zara tany teo amin' ny rahalahin-drainy izy ireo, araka ny didin' ny Tompo. Elles se présentèrent devant le prêtre Éléazar, devant Josué, fils de Nûn, et devant les notables en disant : " Yahvé a ordonné à Moïse de nous donner un héritage au milieu de nos frères. " On leur donna donc, selon l' ordre de Yahvé, un héritage parmi les frères de leur père.
...............
Jos 18.7 But the Levites have no part among you; for the priesthood of the Lord is their inheritance: and Gad, and Reuben, and half the tribe of Manasseh, have received their inheritance beyond Jordan on the east, which Moses the servant of the Lord gave them. Fa tsy mba manana anjara eo aminareo ny Levita; fa ny fisoronana amin' i Jehovah no lovany; ary Gada sy Robena sy ny antsasaky ny firenen' i Manase efa nahazo ny lovany any an-dafy atsinanan' i Jordana, izay nomen' i Mosesy, mpanompon' i Jehovah, azy. Fa ny Levita, dia tsy mba hanana anjara, ary Gada sy Robena mbamin' ny antsasaky ny fokon' i Manase dia efa nahazo ny lovany tany an-dafin' i Jordany any atsinanana, izay nomen' i Moizy mpanompon' ny Tompo azy. Mais pour ce qui est des Lévites, ils n' auront point de part au milieu de vous : le sacerdoce de Yahvé sera leur héritage. Quant à Gad, à Ruben et à la demi-tribu de Manassé, ils ont reçu leur héritage au-delà du Jourdain, à l' orient, celui que leur a donné Moïse, serviteur de Yahvé.
...............
Jos 20.2 Speak to the children of Israel, saying, Appoint out for you cities of refuge, whereof I spake unto you by the hand of Moses: Lazao amin' ny Zanak' Isiraely hoe: Fidio ny tanàna fandosirana izay nasaiko nolazain' i Mosesy taminareo, Anendreo tanàna fialofana hianareo araka izay nandidiako anareo tamin' ny alàlan' i Moizy, " Parle aux Israélites et dis-leur : Donnez-vous les villes de refuge dont je vous ai parlé par l' intermédiaire de Moïse,
...............
Jos 21.2 And they spake unto them at Shiloh in the land of Canaan, saying, The Lord commanded by the hand of Moses to give us cities to dwell in, with the suburbs thereof for our cattle. ka niteny taminy tao Silo tao amin' ny tany Kanana hoe: Jehovah efa nampandidy an' i Mosesy mba homena tanàna hitoerana izahay sy tany manodidina azy ho an' ny biby fiompinay. ka niteny tamin' izy ireo, tao Silao, amin' ny tany Kanaana, nanao hoe: Didy noomen' ny Tompo an' i Moizy ny hanomezana tanàna honenanay sy ny tany manodidina azy ho an' ny bibinay. alors qu' on se trouvait à Silo, au pays de Canaan, et leur dirent : " Yahvé, par l' intermédiaire de Moïse, a ordonné qu' on nous donne des villes pour y demeurer, et leurs pâturages pour notre bétail. "
...............
Jos 21.8 And the children of Israel gave by lot unto the Levites these cities with their suburbs, as the Lord commanded by the hand of Moses. Dia nomen' ny Zanak' Isiraely ny Levita tamin' ny filokana ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy avy, araka izay nasain' i Jehovah nandidian' i Mosesy. Ireo sy ny tany manodidina azy no nomen' ny zanak' Israely tamin' ny olka, ho an' ny taranak' i Levì, araka ny didy nomen' ny Tompo tamin' ny alàlan' i Moizy. Les Israélites assignèrent par le sort ces villes et leurs pâturages aux Lévites, comme l' avait ordonné Yahvé par l' intermédiaire de Moïse.
...............
Jos 22.2 And said unto them, Ye have kept all that Moses the servant of the Lord commanded you, and have obeyed my voice in all that I commanded you: ka hoy izy taminy: Hianareo efa nitandrina izay rehetra nandidian' i Mosesy mpanompon' i Jehovah anareo sady efa nihaino ny feoko koa tamin izay rehetra nandidiako anareo; ka hoy izy tamin' izy ireo: Efa notoavinareo ny zavatra rehetra nandidian' i Moizy mpanompon' ny Tompo anareo ary efa nohenoinareo tamin' izay rehetra nandidiako anareo ny feoko. et leur dit : " Vous avez observé tout ce que Moïse, serviteur de Yahvé, vous a ordonné, et vous avez écouté ma voix chaque fois que je vous ai donné un ordre.
...............
Jos 22.4 And now the Lord your God hath given rest unto your brethren, as he promised them: therefore now return ye, and get you unto your tents, and unto the land of your possession, which Moses the servant of the Lord gave you on the other side Jordan. Ary ankehitriny dia efa nomen' i Jehovah Andriamanitrareo fitsaharana ny rahalahinareo, araka izay nolazainy taminy; koa modia ankehitriny, ka mankanesa any amin' ny lainareo avy, ho any amin' ny taninareo, izay nomen' i Mosesy, mpanompon' i Jehovah, anareo any an-dafin' i Jordana. Ary ankehitriny, efa nomen' ny Tompo Andriamanitrareo fitsaharana ny rahalahinareo, araka ny efa nolazainy taminy; koa modia ary mankanesa any amin' ny lainareo, any amin' ny tany izay anareo, izay nomen' i Moizy mpanompon' ny Tompo anareo any an-dafin' i Jordany. Maintenant Yahvé votre Dieu a procuré à vos frères le repos qu' il leur avait promis. Retournez donc à vos tentes, au pays où vous vous êtes fixés et que Moïse, serviteur de Yahvé, vous a donné au-delà du Jourdain.
Jos 22.5 But take diligent heed to do the commandment and the law, which Moses the servant of the Lord charged you, to love the Lord your God, and to walk in all his ways, and to keep his commandments, and to cleave unto him, and to serve him with all your heart and with all your soul. Kanefa mitandrema tsara mba hanaraka ny didy sy ny lalàna izay nandidian' i Mosesy, mpanompon' i Jehovah, anareo, hitiavanareo an' i Jehovah Andriamanitrareo sy handehananareo amin' ny lalany rehetra sy hitandremanareo ny didiny sy hifikiranareo aminy ary hanompoanareo Azy amin' ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra. Kanefa tandremo tsara ny hanaraka ny fitsipika aman-dalàna nandidian' i Moizy mpanompon' ny Tompo anareo, ka tiava an' ny Tompo Andriamanitrareo, mandehana amin' ny làlany rehetra, mitandrema ny didiny, miraiketa fo aminy, ary manompoa azy ami' ny fonareo rehetra sy amin' ny fanahinareo rehetra. Seulement, prenez bien soin de mettre en pratique le commandement et la Loi que Moïse, serviteur de Yahvé, vous a prescrits : d' aimer Yahvé votre Dieu, de suivre toujours ses voies, d' observer ses commandements, de vous attacher à lui et de le servir de tout votre coeur et de toute votre âme. "
...............
Jos 22.7 Now to the one half of the tribe of Manasseh Moses had given possession in Bashan: but unto the other half thereof gave Joshua among their brethren on this side Jordan westward. And when Joshua sent them away also unto their tents, then he blessed them, Ary ny antsasaky ny firenen' i Manase efa nomen' i Mosesy lova tany Basana; fa ny antsasany kosa efa nomen' i Josoa teo amin' ny rahalahiny etý an-dafy andrefan' i Jordana. Ary raha nampodin' i Josoa ho any amin' ny lainy koa ireo, dia notsofiny rano izy Moizy no nanoma faritany, any amin' i Basàna, ho an' ny antsasaky ny fokon' i Manase, ary Josoe kosa no nanome faritany ny antsasany sisa amin' ny rahalahiny aty an-dafin' i Jordany aty andrefana. Nony nampody azy ireo ho any an-dainy Josoe dia nitso-drano azy, Moïse avait donné à une moitié de la tribu de Manassé un territoire en Bashân; à la seconde moitié, Josué en donna un autre au milieu de ses frères, sur la rive occidentale du Jourdain. Comme il les renvoyait à leurs tentes, Josué les bénit
...............
Jos 22.9 And the children of Reuben and the children of Gad and the half tribe of Manasseh returned, and departed from the children of Israel out of Shiloh, which is in the land of Canaan, to go unto the country of Gilead, to the land of their possession, whereof they were possessed, according to the word of the Lord by the hand of Moses. Dia nody ny taranak' i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen' i Manase ka nandao ny Zanak' Isiraely tao Silo, izay ao amin' ny tany Kanana, hankany amin' ny tany Gileada ho any amin' ny zara-taniny, izay azony araka ny tenin' i Jehovah nasainy nolazain' i Mosesy. Dia nandao ny zank' Israely tao Silao amin' ny tany Kanaana ny fokon-dRobena sy ny fokon' i Gada, ary ny antsasaky ny fokon' i Manase dia nody nankany amin' ny tany Galaada izay efa noraisiny ho zara taniny araka ny nandidian' ny Tompo tamin' ny alàlan' i Moizy. Les fils de Ruben et les fils de Gad s' en retournèrent avec la demi-tribu de Manassé et quittèrent les Israélites à Silo, dans le pays de Canaan, pour s' en aller au pays de Galaad où ils s'étaient fixés, suivant l' ordre de Yahvé transmis par Moïse.
...............
Jos 23.6 Be ye therefore very courageous to keep and to do all that is written in the book of the law of Moses, that ye turn not aside therefrom to the right hand or to the left; Dia mahereza tsara ianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin' ny bokin' ny lalàn' i Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy na ho amin' ny ankavanana, na ho amin' ny ankavia, Koa misehoa ho be herim-po amin' ny fitandremana amam-panarahana izay rehetra eo amin' ny bokin' ny lalàn' i Moizy, fa aza mivily na ho amin' ny ankavanana na ho amin' ny ankavia; " Montrez-vous donc très forts pour garder et accomplir tout ce qui est écrit dans le livre de la Loi de Moïse sans vous en écarter ni à droite ni à gauche,
...............
Jos 24.5 I sent Moses also and Aaron, and I plagued Egypt, according to that which I did among them: and afterward I brought you out. Dia naniraka an' i Mosesy sy Arona Aho ka namely an' i Egypta, araka izay nataoko teo aminy; ary rehefa afaka izany, dia nitondra anareo nivoaka Aho. Taorian' izany dia nirahiko Moizy sy Aarona ary nasiko Ejipta araka izay nataoko teo afovoany; ary rahefa izany dia nentiko nivoaka hianareo. J' envoyai ensuite Moïse et Aaron et frappai l'Égypte par les prodiges que j' opérai au milieu d' elle; ensuite je vous en fis sortir.

  Judges Mpitsara Mpitsara Livre des Juges
...............
Mts / Mpits 1.16 And the children of the Kenite, Moses' father in law, went up out of the city of palm trees with the children of Judah into the wilderness of Judah, which lieth in the south of Arad; and they went and dwelt among the people. Ary ny taranak' ilay Kenita, zaodahin' i Mosesy dia niara-niakatra tamin' ny taranak' i Joda niala tao amin' ny tanàna be rofia hankany an-efitr' i Joda, atsimon' i Arada nandeha ireo ka nonina teo amin' ny Isiraely. Niara-niakatra tamin' ny taranak' i Jodà, avy any amin' ny tanànan-drofia, ny taranak' ilay Kineana zaodahin' i Moizy, nankany amin' ny efitr' i Jodà, atsimon' i Arada: ka tonga niara-nonina tamin' ny vahoaka izy. Les fils de Hobab, le Qénite, beau-père de Moïse, montèrent de la ville des Palmiers avec les fils de Juda jusqu' au désert de Juda qui est dans le Négeb d' Arad, et ils vinrent habiter avec le peuple.
...............
Mts / Mpits 1.20 And they gave Hebron unto Caleb, as Moses said: and he expelled thence the three sons of Anak. Ary Hebrona dia nomeny an' i Kaleba, araka izay efa nolazain' i Mosesy, ka noroahin' i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita. Nomena an' i Kaleba Hebrona araka ny voalazan' i Moizy, ka noroahiny hiala tao ny zanak' i Enàka telo lahy. Comme Moïse l' avait recommandé, on donna Hébron à Caleb, lequel en chassa les trois fils d' Anaq.
...............
Mts / Mpits 3.4 And they were to prove Israel by them, to know whether they would hearken unto the commandments of the Lord, which he commanded their fathers by the hand of Moses. Ary nentina hizaha toetra ny Isiraely ireo mba hahalalana na hihaino ny didin' i Jehovah, izay nasainy nandidian' i Mosesy ny razany, izy, na tsia. Ireo no nokendrena hizahan-toetra an' Israely mba hahitàna na hitandrina ny didy izay nandidian' ny Tompo ny razany tamin' ny alàlan' i Moizy izy ireo na tsia. Ils servirent à éprouver Israël, pour savoir s' ils garderaient les commandements que Yahvé avait donnés à leurs pères par l' intermédiaire de Moïse.
...............
Mts / Mpits 4.11 Now Heber the Kenite, which was of the children of Hobab the father in law of Moses, had severed himself from the Kenites, and pitched his tent unto the plain of Zaanaim, which is by Kedesh. Ary Hebera Kenita efa nisaraka tamin' ny Kenita izay avy amin' ny taranak' i Hobaba, zaodahin' i Mosesy, ary nilasy ambara-pahatongany teo amin' ny hazo terebinta ao Zananima, izay eo anilan' i Kadesy. Hebera ilay Kineana, dia nisaraka tamin' ny Kineana tarakan' i Hobaba, zaodahin' i Moizy ka nilasy hatrany amin' ny aoka any Senima, akaikin' i Kedesy. Héber, le Qénite, s'était séparé de la tribu de Qayîn et du clan des fils de Hobab, beau-père de Moïse; il avait planté sa tente près du chêne de Çaanannim, non loin de Qédesh.
...............
Mts / Mpits 18.30 And the children of Dan set up the graven image: and Jonathan, the son of Gershom, the son of Manasseh, he and his sons were priests to the tribe of Dan until the day of the captivity of the land. Dia natsangan' ny taranak' i Dana ilay sarin-javatra voasokitra; ary Jonatana, zanak' i Gersoma, zanak' i Mosesy, sy ny zanany, no mpisorona ho an' ny firenen' i Dana hatramin' ny andro namaboana ny tany. Natsangan' ny taranak' i Dana ho azy ireo ilay sarin-javatra voasokitra; ary Jonatàna, zanak' i Gersama zanak' i Moizy, dia izy sy ny zanany no mpisoron' ny fokon' i Dana, mandra-pahatongan' ny andro namaboana ny tany. Les Danites dressèrent pour eux l' image taillée. Yehonatân, fils de Gershom, fils de Moïse, et ensuite ses fils, ont été prêtres de la tribu de Dan jusqu' au jour où la population du pays fut emmenée en exil.

  1st Samuel 1 Samoela Samoela I 1er Livre de Samuel
...............
1Sm / 1Sam 12.6 And Samuel said unto the people, It is the Lord that advanced Moses and Aaron, and that brought your fathers up out of the land of Egypt. Ary hoy Samoela tamin' ny olona: Jehovah no nanendry an' i Mosesy sy Arona, ary nitondra ny razanareo niakatra avy tany amin' ny tany Egypta. Dia hoy Samoela tamin' ny vahoaka: Eny, vavolombelona Iaveh izay nanangana an' i Moizy sy Aarona, ary nitondra ny razanareo niakatra avy tany an-tany Ejipta. Alors Samuel dit au peuple : " Il est témoin, Yahvé qui a suscité Moïse et Aaron et qui a fait monter vos pères du pays d'Égypte.
...............
1Sm / 1Sam 12.8 When Jacob was come into Egypt, and your fathers cried unto the Lord, then the Lord sent Moses and Aaron, which brought forth your fathers out of Egypt, and made them dwell in this place. Rehefa tonga tany Egypta Jakoba, ka nitaraina tamin' i Jehovah ny razanareo, Jehovah dia naniraka an' i Mosesy sy Arona, ka ireo no nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta ary namponina azy teto amin' ity tany ity. Taorian' ny nahatongavan' i Jakoba tany Ejipta, dia nitaraina tamin' ny Tompo ny razanareo, ka naniraka an' i Moizy sy Aarona Iaveh, ary izy ireo nitondra ny razanareo hivoaka avy tany Ejipta, sy namponina azy amin' ity tany ity. quand Jacob fut venu en Égypte, les Égyptiens les opprimèrent et vos pères crièrent vers Yahvé. Celui-ci envoya Moïse et Aaron qui firent sortir vos pères d'Égypte, et il les installa en ce lieu.

  1st Book of Kings 1 Mpanjaka Mpanjaka I 1er Livre des Rois
...............
1Mp 2.3 And keep the charge of the Lord thy God, to walk in his ways, to keep his statutes, and his commandments, and his judgments, and his testimonies, as it is written in the law of Moses, that thou mayest prosper in all that thou doest, and whithersoever thou turnest thyself: Ary tandremo izay asain' i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin' ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin' ny lalan' i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao, Tandremo ny fanompoana an' ny Tompo Andriamanitrao, fa araho ny làlany, tandremo ny didy aman-dalàny, ny fitsìpika amam-pandaharany, araka ny voasoratra ao amin' ny lalàn' i Moizy, mba hahomby hianao amin' izay hataonao rehetra sy izay rehetra hoherehinao, Tu suivras les observances de Yahvé ton Dieu, en marchant selon ses voies, en gardant ses lois, ses commandements, ses ordonnances et ses instructions, selon qu' il est écrit dans la loi de Moïse, afin de réussir en toutes tes oeuvres et tous tes projets,
...............
1Mp 8.9 There was nothing in the ark save the two tables of stone, which Moses put there at Horeb, when the Lord made a covenant with the children of Israel, when they came out of the land of Egypt. Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin' ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa, izay nataon' i Mosesy tao anatiny tany Horeba, fony Jehovah nanao fanekena tamin' ny Zanak' Isiraely tamin' ny nivoahany avy tany amin' ny tany Egypta. Tao anatin' ny fiara tsy nisy afa-tsy ny takela-bato roa, napetrak' i Moizy tao, tany an-tendrombohitra Horeba, fony Iaveh nanao fanekena tamin' ny zanak' Israely, tamin' ny nivoahany avy tany amin' ny tany Ejipta. Il n' y avait rien dans l' arche, sauf les deux tables de pierre que Moïse y déposa à l' Horeb, les tables de l' alliance que Yahvé avait conclue avec les Israélites à leur sortie de la terre d'Égypte ;
...............
1Mp 8.53 For thou didst separate them from among all the people of the earth, to be thine inheritance, as thou spakest by the hand of Moses thy servant, when thou broughtest our fathers out of Egypt, O Lord God. Fa Hianao, Jehovah, Tompo ô no nanavaka azy tamin' ny firenena rehetra ambonin' ny tany ho lovanao, araka izay nampilazainao an' i Mosesy mpanomponao tamin' ny nitondranao ny razanay nivoaka avy tany Egypta. Fa navahanao tamin' ny vahoaka rehetra eto an-tany izy mba ho anao, mba ho lovanao, araka ny voalazanao tamin' i Moizy mpanomponao, fony hianao nitondra ny razanay nivoaka avy tany Ejipta, ry Iaveh Tompo ô! Car c' est toi qui les as mis à part comme ton héritage, parmi tous les peuples de la terre, ainsi que tu l' as déclaré par le ministère de ton serviteur Moïse, quand tu as fait sortir nos pères d'Égypte, Seigneur Yahvé ! "
...............
1Mp 8.56 Blessed be the Lord, that hath given rest unto his people Israel, according to all that he promised: there hath not failed one word of all his good promise, which he promised by the hand of Moses his servant. Isaorana anie Jehovah, izay nanome fitsaharana ho an' ny Isiraely olony araka izay rehetra nolazainy; tsy misy latsaka na dia teny iray aza tamin' izay teny soa rehetra nampilazainy an' i Mosesy mpanompony. Hankalazaina anie Iaveh, izay nanome fitsaharana an' Israely vahoakany araka izay rehetra voalazany. Fa amin' ny teny soa rehetra nampandrenesiny tamin' ny alàlan' i Moizy mpanompony dia tsy misy teny tsy tanteraka na iray aza. " Béni soit Yahvé, dit-il, qui a accordé le repos à son peuple Israël, selon toutes ses promesses ; de toutes les bonnes paroles qu' il a dites par le ministère de son serviteur Moïse, aucune n' a failli.

  2nd Book of Kings 2 Mpanjaka Mpanjaka II 2ème Livre des Rois
...............
2Mp 14.6 But the children of the murderers he slew not: according unto that which is written in the book of the law of Moses, wherein the Lord commanded, saying, The fathers shall not be put to death for the children, nor the children be put to death for the fathers; but every man shall be put to death for his own sin. Fa ny zanak' ireo namono kosa dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin' ny bokin' ny lalàn' i Mosesy, izay nandidian' i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin' ny ataon' ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin' ny ataon' ny rainy; fa samy hatao maty amin' ny fahotany avy ny olona. Fa tsy novonoiny ny zanak' ireo mpamono, araka izay voasoratra ao amin' ny bokin' ny lalàn' i Moizy, izay misy izao didy nomen' ny Tompo izao: Ny ray tsy ho faty ho solon-janany, ny zanaka tsy ho faty ho solon-drainy, fa samy vonoina noho ny fahotany ihany avy. Mais il ne mit pas à mort les fils des meurtriers, selon ce qui est écrit dans le livre de la Loi de Moïse, où Yahvé a ordonné : Les pères ne seront pas mis à mort pour les fils, ni les fils pour les pères, mais chacun sera mis à mort pour son propre crime.
...............
2Mp 18.4 He removed the high places, and brake the images, and cut down the groves, and brake in pieces the brasen serpent that Moses had made: for unto those days the children of Israel did burn incense to it: and he called it Nehushtan. Izy no nandrava ny fitoerana avo sy namakivaky ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aserahany ary nanorotoro ny menarana varahina izay nataon' i Mosesy; fa ny Zanak' Isiraely efa nandoro ditin-kazo manitra tamin' iny hatramin' izany andro izany aza; ary ny anarany nataony hoe Nehostana. Nofoanany ny fitoerana avo, nomontsaniny ny tsangam-bato, nokapainy ny aseraha, notorotoroiny ny menarana varahina nataon' i Moizy; fa hatramin' izay mbola nandoroan' ny zanak' Israely zava-manitra teo anatrehany sy nantsoiny hoe Nohestàna. C' est lui qui supprima les hauts lieux, brisa les stèles, coupa les pieux sacrés et mit en pièces le serpent d' airain que Moïse avait fabriqué. Jusqu'à ce temps-là, en effet, les Israélites lui offraient des sacrifices; on l' appelait Nehushtân.
...............
2Mp 18.6 For he clave to the Lord, and departed not from following him, but kept his commandments, which the Lord commanded Moses. Fa nifikitra tamin' i Jehovah izy ka tsy niala tamin' ny fanarahana Azy, fa nitandrina ny didy izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Nifikitra tamin' ny Tompo izy, ka tsy mba nivily niala taminy, fa nitandrina ny didy nandidian' ny Tompo an' i Moizy. Il resta attaché à Yahvé, sans jamais se détourner de lui, et il observa les commandements que Yahvé avait prescrits à Moïse.
...............
2Mp 18.12 Because they obeyed not the voice of the Lord their God, but transgressed his covenant, and all that Moses the servant of the Lord commanded, and would not hear them, nor do them. Satria tsy nihaino ny feon' i Jehovah Andriamaniny izy, fa nivadika ny fanekeny, dia izay rehetra nandidian' i Mosesy, mpanompon' i Jehovah, ka tsy nihaino na nankato izany izy. satria tsy nihaino ny feon' ny Tompo Andriamaniny izy, fa nivadika ny fanekeny, ary tsy misy nohenoiny na narahiny izay rehetra nodidian' i Moizy mpanompon' ny Tompo. C'était parce qu' ils n' avaient pas obéi à la parole de Yahvé, leur Dieu, et qu' ils avaient transgressé son alliance, tout ce qu' avait prescrit Moïse, le serviteur de Yahvé. Ils n' avaient rien écouté ni rien pratiqué.
...............
2Mp 21.8 Neither will I make the feet of Israel move any more out of the land which I gave their fathers; only if they will observe to do according to all that I have commanded them, and according to all the law that my servant Moses commanded them. Ary tsy hampandeha ny tongotry ny Isiraely intsony hiala amin' ny tany izay nomeko ny razany Aho, raha mba hitandrina ka hanao araka izay rehetra nandidiako azy sy araka ny lalàna rehetra izay nandidian' i Mosesy mpanompoko azy ihany izy. Tsy hampandehandeha ny tongotr' Israely hiala amin' ity tany nomeko ny razany ity intsony aho, raha tahiny mba mikely aina ihany izy hanaraka izay rehetra nandidiako azy, sy ny lalàna rehetra nandidian' i Moizy mpanompoko azy. Je ne ferai plus errer les pas des Israélites loin de la terre que j' ai donnée à leurs pères, pourvu qu' ils veillent à pratiquer tout ce que je leur ai commandé, selon toute la Loi qu' a prescrit pour eux mon serviteur Moïse."
...............
2Mp 23.25 And like unto him was there no king before him, that turned to the Lord with all his heart, and with all his soul, and with all his might, according to all the law of Moses; neither after him arose there any like him. Ary tsy nisy mpanjaka tahaka azy teo alohany, izay niverina ho amin' i Jehovah tamin' ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra sy ny heriny rehetra araka ny lalàn' i Mosesy rehetra; sady tsy nisy tahaka azy intsony niseho tao aoriany. Tsy nisy mpanjaka talohany nitodika tahaka azy amin' ny Tompo amin' ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra ary ny heriny rehetra, araka ny lalan' i Moizy rehetra, ary tatý aoriana tsy nisy nitovy taminy. Il n' y eut avant lui aucun roi qui se fût, comme lui, tourné vers Yahvé de tout son coeur, de toute son âme et de toute sa force, en toute fidélité à la Loi de Moïse, et après lui il ne s' en leva pas qui lui fût comparable.

  1st Book of Chronicles 1 Tantara Tantara I 1er Livre des Chroniques
...............
1Tt / 1Tan 5.29 Ary ny zanak' i Amrama dia Arona sy Mosesy ary Miriama. Ny zanakalahin' i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara. Zanak' i Amrama: Aarona, Moizy, ary Maria. Zanakalahin' i Aarona: Nadaba, Abiò, Eleazara ary Itamara. Fils d' Amram : Aaron, Moïse et Miryam. Fils d' Aaron : Nadab et Abihu, Éléazar et Itamar.
...............
1Tt / 1Tan 6.34 The son of Elkanah, the son of Jeroham, the son of Eliel, the son of Toah, Fa Arona sy ny zananilahy no nanatitra teo ambonin' ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy teo ambonin' ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra, mba hanao ny raharaha rehetra ao amin' ny fitoerana masina indrindra sy hanao fanavotana ho an' ny Isiraely, araka izay rehetra nandidian' i Mosesy, mpanompon' Andriamanitra. Aarona sy ny zanany anefa no nandoro ny sorona, teo ambonin' ny otelin' ny sorona dorana, sy ny emboka, teo ambonin' ny otelin' ny zava-manitra; izy ireo no tsy maintsy nanantanteraka ny raharaha ao amin' ny fitoerana masina indrindra, sy nanao fanonerana ho an' Israely, araka izay rehetra nandidian' i Moizy, mpanompon' Andriamanitra. Aaron et ses fils faisaient fumer les offrandes sur l' autel des holocaustes et sur l' autel des parfums; ils s' occupaient exclusivement des choses très saintes et du rite d' expiation sur Israël; ils se conformaient à tout ce qu' avait ordonné Moïse, serviteur de Dieu.
...............
1Tt / 1Tan 15.15 And the children of the Levites bare the ark of God upon their shoulders with the staves thereon, as Moses commanded according to the word of the Lord. Ary ny taranak' i Levì, dia nilanja ny fiaran' Andriamanitra tamin' ny baony, araka ny nandidian' i Moizy, araka ny tenin' ny Tompo. et les lévites transportèrent l' arche de Dieu, les barres sur leurs épaules, comme l' avait prescrit Moïse, selon la parole de Yahvé.
...............
1Tt / 1Tan 21.29 For the tabernacle of the Lord, which Moses made in the wilderness, and the altar of the burnt offering, were at that season in the high place at Gibeon. Fa ny tabernakelin' i Jehovah izay nataon' i Mosesy tany an-efitra sy ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana kosa dia teo amin' ny fitoerana avo tao Gibeona fahizay; Ilay tabernaklan' ny Tompo nataon' i Moizy tany an' efitra sy ny otelin' ny sorona dorana, dia teo amin' ny fitoerana avo tany Gabaona fahizay. La Demeure de Yahvé que Moïse avait faite dans le désert et l' autel des holocaustes se trouvaient à cette époque sur le haut lieu de Gabaôn,
...............
1Tt / 1Tan 22.13 Then shalt thou prosper, if thou takest heed to fulfil the statutes and judgments which the Lord charged Moses with concerning Israel: be strong, and of good courage; dread not, nor be dismayed. Ary amin' izany dia hambinina ianao, raha mitandrina hankatò ny lalàna sy ny fitsipika izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy ho an' ny Isiraely; mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po. hankatò ny lalàna sy ny fitsipika izay nandidian' i Jehovah an' i Mosesy ho an' ny Isiraely; mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po. Hoambinina hianao amin' izay, raha manampo tokoa ny hanaraka ny lalàna amam-pitsipika nandidian' ny Tompo an' i Moizy ho an' Israely. Mahereza ary matokia fa aza matahotra na manam-badi-po. Tu ne réussiras que si tu observes et mets en pratique les lois et les coutumes que Yahvé a prescrites à Moïse pour Israël. Sois fort et tiens bon! Ne crains pas, ne tremble pas!
...............
1Tt / 1Tan 23.13 The sons of Amram; Aaron and Moses: and Aaron was separated, that he should sanctify the most holy things, he and his sons for ever, to burn incense before the Lord, to minister unto him, and to bless in his name for ever. Ny zanakalahin' i Amrama dia Arona sy Mosesy. Ary Arona natokana ka nohamasinina ho masina indrindra, dia izy sy ny taranany mandrakizay, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan' i Jehovah sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitso-drano amin' ny anarany mandrakizay. Zanakalahin' i Amrama: Aarona sy Moizy. Ary Aarona natokana hohamasinina indrindra, izy mbamin' ny taranany mandrakizay, mba hanolotra zava-manitra hanetona eo anatrehan' ny Tompo, hanao ny fanompoany ary hitso-drano ny olona amin' ny anarany mandrakizay. Fils d' Amram : Aaron et Moïse. Aaron fut mis à part pour consacrer les choses très saintes, lui et ses fils à jamais, faire fumer l' encens devant Yahvé, le servir et bénir en son nom à jamais.
1Tt / 1Tan 23.14 Now concerning Moses the man of God, his sons were named of the tribe of Levi. Nefa ny amin' i Mosesy, lehilahin' Andriamanitra, dia nisaina tamin' ny firenen' i Levy ihany ny zanany. Ny amin' i Moizy, mpanompon' Andriamanitra kosa, dia nisaina anatin' ny fokon' i Levì ihany ny zanany. Moïse fut un homme de Dieu dont les fils reçurent le nom de la tribu de Lévi.
1Tt / 1Tan 23.15 The sons of Moses were, Gershom, and Eliezer. Ny zanakalahin' i Mosesy dia Gersona sy Eliezera. Zanakalahin' i Moizy: Gersoma sy Eleazara. Fils de Moïse : Gershom et Éliézer.
...............
1Tt / 1Tan 26.24 And Shebuel the son of Gershom, the son of Moses, was ruler of the treasures. dia Seboela, avy tamin' ny taranak' i Gersona, zanak' i Mosesy, no tonian' ny rakitra. dia Soboela zanak' i Gersona, zanak' i Moizy, no toniany ambony indrindra amin' ny rakitra. Shebuel, fils de Gershom, fils de Moïse, était chef responsable des trésors.

  2nd Book of Chronicles 2 Tantara Tantara II 2ème Livre des Chroniques
...............
2Tt / 2Tan 1.3 So Solomon, and all the congregation with him, went to the high place that was at Gibeon; for there was the tabernacle of the congregation of God, which Moses the servant of the Lord had made in the wilderness. ka dia niara-niakatra ho any amin' ny fitoerana avo tao Gibeona Solomona sy fiangonana rehetra; fa tao trano-lay fihaonana izay an' Andriamanitra, ilay nataon' i Mosesy, mpanompon' i Jehovah, tany an-efitra. Ka niara-niakatra tamin' ny fiangonana rehetra Salomona ho any amin' ny fitoerana avo any Gabaona. Fa tao ny trano lay fihaonan' Andriamanitra nataon' i Moizy, mpanompon' ny Tompo, tany an' efitra; Puis, avec toute l' assemblée, Salomon se rendit au haut lieu de Gabaôn où se trouvait en effet la Tente du Rendez-vous de Dieu, faite dans le désert par Moïse, serviteur de Yahvé;
...............
2Tt / 2Tan 5.10 There was nothing in the ark save the two tables which Moses put therein at Horeb, when the Lord made a covenant with the children of Israel, when they came out of Egypt. Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin' ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa ihany izay nataon' i Mosesy tao anatiny fony tany Horeba, tamin' i Jehovah nanao fanekena tamin' ny Zanak' isiraely, tamin' ny nivoahany avy tany Egypta. Tao anatin' ny fiara, dia tsy nisy afatsy ny takelaka roa napetrak' i Moizy tao, tany Horeba, fony Iaveh nanao fanekena tamin' ny Zanak' Israely, tamin' ny nivoahany avy tany Ejipta. Il n' y avait rien dans l' arche, sauf les deux tables que Moïse y déposa à l' Horeb, lorsque Yahvé avait conclu une alliance avec les Israélites à leur sortie d'Égypte.
...............
2Tt / 2Tan 8.13 Even after a certain rate every day, offering according to the commandment of Moses, on the sabbaths, and on the new moons, and on the solemn feasts, three times in the year, even in the feast of unleavened bread, and in the feast of weeks, and in the feast of tabernacles. eny, nanatitra izay fanao isanandro izy araka ny didin' i Mosesy dia tamin' ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin' ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin' ny trano rantsan-kazo. Ka izay voadidin' ny lalàn' i Moizy dia nateriny isan' andro sy isan-tsabata; ary amin' ny voalohan' ny volana, sy amin' ny fety, intelo isan-taona, dia ny fetin' ny azima, ny fetin' ny herinandro, ary ny fetin' ny tabernakla. Selon le rituel quotidien des holocaustes, conformément à l' ordre de Moïse sur les sabbats, les néoménies et les trois solennités annuelles : la fête des Azymes, la fête des Semaines et la fête des Tentes,
...............
2Tt / 2Tan 23.18 Also Jehoiada appointed the offices of the house of the Lord by the hand of the priests the Levites, whom David had distributed in the house of the Lord, to offer the burnt offerings of the Lord, as it is written in the law of Moses, with rejoicing and with singing, as it was ordained by David. Ary Joiada nanendry olona hitandrina ny tranon' i Jehovah hofehezin' ny Levita mpisorona izay nozarazarain' i Davida ho ao an-tranon' i Jehovah, hanatitra ny fanatitra dorana ho an' i Jehovah, araka ny voasoratra ao amin' ny lalàn' i Mosesy, amin' ny fifaliana sy ny fihirana, dia araka ny nasain' i Davida natao. Ary nametrahan' i Joiadà mpitandrina ny tranon' ny Tompo eo ambany fifehezan' ny mpisorona sy ny Levita, izay notokotokoin' i Davida tao an-tranon' ny Tompo, hanatitra sorona dorana amin' ny Tompo, araka ny voasoratra ao amin' ny lalàn' i Moizy, amim-pifaliana sy fihirana, araka ny nasain' i Davida hatao. Yehoyada établit des postes de surveillance du Temple de Yahvé, confiés aux prêtres lévites. C' est à eux que David avait donné pour part le Temple de Yahvé afin d' offrir les holocaustes de Yahvé, comme il est écrit dans la Loi de Moïse, dans la joie et avec des chants, selon les ordres de David.
...............
2Tt / 2Tan 24.6 And the king called for Jehoiada the chief, and said unto him, Why hast thou not required of the Levites to bring in out of Judah and out of Jerusalem the collection, according to the commandment of Moses the servant of the Lord, and of the congregation of Israel, for the tabernacle of witness? Ary ny mpanjaka dia nampaka an' i Joiada, lohany tamin' ireo, ka nanao taminy hoe: Nahoana no tsy nasainao nitondra ny hetra avy tany Joda sy Jerosalema ny Levita, araka ny didin' i Mosesy, mpanompon' i Jehovah sy ny fiangonan' ny Isiraely ho ao amin' ny tabernakelin' ny vavolombelona? ka nantsoin' ny mpanjaka Joiadà mpisorona lehibe, nilazany hoe: Ahoana no tsy nikarakaranao izay hitondran' ny Levita avy amin' i Jodà sy Jerosalema ny hetra nasain' i Moizy mpanompon' ny Tompo sy ny fiangonana, haloan' Israely ho an' ny trano lain' ny vavolombelona? Alors le roi appela Yehoyada, le premier d' entre eux, et lui dit : " Pourquoi n' as-tu pas exigé des lévites qu' ils fassent rentrer de Juda et de Jérusalem le tribut de Moïse, serviteur de Yahvé, et de l' assemblée d' Israël, pour la Tente du Témoignage ?
...............
2Tt / 2Tan 24.9 And they made a proclamation through Judah and Jerusalem, to bring in to the Lord the collection that Moses the servant of God laid upon Israel in the wilderness. Ary nandefa teny eran' i Joda sy Jerosalema izy mba haterina ho an' i Jehovah ny hetra izay nasain' i Mosesy, mpanompon' Andriamanitra, haloan' ny Isiraely, fony izy tany an-efitra. Ary naely eran' i Jodà sy Jerosalema fa isan' olona dia tsy maintsy mitondra ho an' ny Tompo ny hetra nodidian' i Moizy mpanompon' ny Tompo haloan' Israely, tany an' efitra. On proclama en Juda et à Jérusalem qu' il fallait apporter à Yahvé le tribut que Moïse, le serviteur de Dieu, avait imposé à Israël dans le désert.
...............
2Tt / 2Tan 25.4 But he slew not their children, but did as it is written in the law in the book of Moses, where the Lord commanded, saying, The fathers shall not die for the children, neither shall the children die for the fathers, but every man shall die for his own sin. Nefa ny zanak' ireo namono dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin' ny bokin' ny lalàna. dia ao amin' ny bokin' i Mosesy, izay nandidian' i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin' ny ataon' ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin' ny ataon' ny rainy, fa samy ho faty amin' ny fahotany avy ny olona. nefa ny zanak' izy ireo tsy mba novonoiny, fa araka ny voasoratra ao amin' ny lalàna, amin' ny bokin' i Moizy izay nandidian' ny Tompo hoe: Ny ray tsy ho faty ho solon-janany, ny zanaka tsy ho faty ho solon-drainy, fa isan' olona samy ho fatin' ny fahotana nataony avy. Mais il ne fit pas mourir leurs fils, car il est écrit dans la Loi, dans le livre de Moïse, que Yahvé a prescrit : Les pères ne seront pas mis à mort pour les fils et les fils ne seront pas mis à mort pour les pères, mais chacun sera mis à mort pour son propre crime.
...............
2Tt / 2Tan 30.16 And they stood in their place after their manner, according to the law of Moses the man of God: the priests sprinkled the blood, which they received of the hand of the Levites. Ary nitsangana teo amin' ny fitoerany tahaka ny fanao izy, araka ny lalàn' i Mosesy, lehilahin' Andriamanitra; ary ny mpisorona nanopy ny rà izay teny an-tànan' ny Levita. Nipetraka teo amin' ny fitoerana fipetrahany araka ny fandaharana, araka ny lalàn' i Moizy, ilay olon' Andriamanitra, izy ireo; ary ny mpisorona nandraraka ny ra, noraisiny avy any an-tanan' ny Levita. Puis ils se tinrent à leur poste, conformément à leurs statuts selon la loi de Moïse, homme de Dieu. Les prêtres versaient le sang qu' ils prenaient de la main des lévites,
...............
2Tt / 2Tan 33.8 Neither will I any more remove the foot of Israel from out of the land which I have appointed for your fathers; so that they will take heed to do all that I have commanded them, according to the whole law and the statutes and the ordinances by the hand of Moses. ary tsy hampandeha ny tongotry ny Isiraely intsony hiala amin' ny tany izay efa notendreko ho an' ny razanareo Aho, raha mba hitandrina koa izy hanao araka izay rehetra nandidiako azy, dia araka ny lalana rehetra sy ny didy ary ny fitsipika izay nampilazaina an' i Mosesy. Tsy havoakako hiala amin' ny tany notendreko ho an' ny razanareo ny tongotr' Israely, raha mbola tandremany ihany ny manaraka izay rehetra nandidiako azy koa izy, dia araka ny didy aman-dalàna ary fitsipika nomena tamin' ny alalan' i Moizy. Je ne détournerai plus les pas des Israélites de la terre où j' ai établi vos pères, pourvu qu' ils veillent à pratiquer tout ce que je leur ai commandé selon toute la Loi, les prescriptions et les coutumes transmises par Moïse. "
...............
2Tt / 2Tan 34.14 And when they brought out the money that was brought into the house of the Lord, Hilkiah the priest found a book of the law of the Lord given by Moses. Ary raha namoaka ny vola izay nampidirina tao an-tranon' i Jehovah izy, Hilkia mpisorona dia nahita ny bokin' ny lalàn' i Jehovah, ilay nampilazaina an' i Mosesy. Tamin' ny fotoana namoahana ny vola voahatitra tao an-tranon' ny Tompo, dia hitan' i Helkiasa mpisorona, ny bokin' ny lalàn' ny Tompo nomena tamin' ny alalan' i Moizy. Quand on retira l' argent déposé au Temple de Yahvé, le prêtre Hilqiyyahu trouva le livre de la Loi de Yahvé transmise par Moïse.
...............
2Tt / 2Tan 35.6 So kill the passover, and sanctify yourselves, and prepare your brethren, that they may do according to the word of the Lord by the hand of Moses. Dia vonoy ny Paska, sady hamasino ny tenanareo, ka manamboara ho an' ny rahalahinareo, hanaovana araka ny tenin' i Jehovah izay nampilazainy an' i Mosesy. Dia vonoy ny Paka, hamasino ny tenanareo, ary amboary izy ho an' ny rahalahinareo, hanarahan' ny olona ny tenin' ny Tompo voalaza tamin' i Moizy. Immolez la Pâque, sanctifiez-vous, et soyez à la disposition de vos frères en agissant selon la parole de Yahvé transmise par Moïse. "
...............
2Tt / 2Tan 35.12 And they removed the burnt offerings, that they might give according to the divisions of the families of the people, to offer unto the Lord, as it is written in the book of Moses. And so did they with the oxen. Dia natokany ny fanatitra dorana homen' ny olona araka ny fizaran' ny fianakaviany, mba hateriny ho an' i Jehovah araka izay voasoratra ao amin' ny bokin' i Mosesy. Ary toy izany koa tamin' ny omby. Natokany ny hatao sorona dorana, nozarainy amin' ny ankapobem-bahoaka araka ny fizaram-pianakaviany avy, hanaterany izany ho an' ny Tompo, araka ny voasoratra ao amin' ny bokin' i Moizy: torak' izany koa ny tamin' ny omby. Ils mirent à part l' holocauste pour le donner aux fractions des familles du peuple qui devaient faire une offrande à Yahvé, comme il est écrit dans le livre de Moïse; il en fut de même pour le gros bétail.

  Book of Ezra Ezra Esdrasa Livre d'Esdras
...............
Ezr / Esd 3.2 Then stood up Jeshua the son of Jozadak, and his brethren the priests, and Zerubbabel the son of Shealtiel, and his brethren, and builded the altar of the God of Israel, to offer burnt offerings thereon, as it is written in the law of Moses the man of God. Dia nitsangana Jesoa, zanak' i Jozadaka, sy ny mpisorona rahalahiny ary Zerobabela, zanak' i Sealtiela, sy ny rahalahiny ka nanorina ny alitaran' Andriamanitry ny Isiraely hanaterana fanatitra dorana eo amboniny, araka izay voasoratra ao amin' ny lalàn' i Mosesy, lehilahin' Andriamanitra. Ary nitsangana Josoe, zanak' i Josedeka, mbamin' ny mpisorona rahalahiny sy Zorobabela, zanak' i Salatiela, mbamin' ny rahalahiny, ka nanorina ny otelin' Andriamanitr' Israely, hanaterana sorona, araka ny voasoratra ao amin' ny lalàn' i Moizy, olon' Andriamanitra. Josué, fils de Yoçadaq, avec ses frères les prêtres, et Zorobabel, fils de Shéaltiel, avec ses frères, se mirent à rebâtir l' autel du Dieu d' Israël, pour y offrir des holocaustes, comme il est écrit dans la Loi de Moïse, l' homme de Dieu.
...............
Ezr / Esd 6.18 And they set the priests in their divisions, and the Levites in their courses, for the service of God, which is at Jerusalem; as it is written in the book of Moses. Dia nanendry ny mpisorona ho amin' ny firazanany avy sy ny Levita ho amin' ny antokony avy izy, hanao ny fanompoana an' Andriamanitra izay any Jerosalema, araka izay voasoratra ao amin' ny bokin' i Mosesy. Dia notendreny ny mpisorona, araka ny antokony avy, sy ny levita araka ny fizarany avy, hanao ny fanompoana an' ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema, araka ny voasoratra ao amin' ny bokin' i Moizy. Puis ils installèrent les prêtres selon leurs catégories et les lévites selon leurs classes au service du Temple de Dieu, à Jérusalem, comme il est écrit dans le livre de Moïse.
...............
Ezr / Esd 7.6 This Ezra went up from Babylon; and he was a ready scribe in the law of Moses, which the Lord God of Israel had given: and the king granted him all his request, according to the hand of the Lord his God upon him. io Ezra io dia niakatra avy tany Babylona (mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn' i Mosesy, izay efa nomen' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely); ary nomen' ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban' ny tànan' i Jehovah Andriamaniny azy. niakatra avy any Babilona io Esdrasa io. Ary satria nomba azy ny tànan' ny Tompo Andriamaniny, dia nomen' ny mpanjaka azy avokoa izay rehetra nangatahiny. cet Esdras monta de Babylone. C'était un scribe versé dans la Loi de Moïse, qu' avait donnée Yahvé, le Dieu d' Israël. Comme la main de Yahvé, son Dieu, était sur lui, le roi lui accorda tout ce qu' il demandait.

  Book of Nehemiah Nehemia Nehemia Livre de Néhémie
...............
Neh / Ne 1.7 We have dealt very corruptly against thee, and have not kept the commandments, nor the statutes, nor the judgments, which thou commandedst thy servant Moses. Efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay ka tsy nitandrina ny didy, na ny lalàna, na ny fitsipika, izay nandidianao an' i Mosesy mpanomponao. Efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay, fa tsy nitandrina ny didy, ny lalàna amam-pitsipìka nandidianao an' i Moizy mpanomponao. Nous avons très mal agi envers toi, n' observant pas les commandements, lois et coutumes que tu avais prescrits à Moïse, ton serviteur.
Neh / Ne 1.8 Remember, I beseech thee, the word that thou commandedst thy servant Moses, saying, If ye transgress, I will scatter you abroad among the nations: Hotsarovanao anie ilay teny nandidianao an' i Mosesy mpanomponao hoe: Raha manao izay mahadiso ianareo, dia hampiely anareo any amin' ny firenena maro Aho; Tsarovy ilay teny nasainao nolazain' i Moizy mpanomponao nataonao hoe: Raha mandika ny didiko hianareo, dia haeliko any amin' ny firenena; Souviens-toi cependant de la parole que tu prescrivis à Moïse ton serviteur : Si vous êtes infidèles, je vous disperserai parmi les peuples;
Neh / Ne 8.1 And all the people gathered themselves together as one man into the street that was before the water gate; and they spake unto Ezra the scribe to bring the book of the law of Moses, which the Lord had commanded to Israel. Ary rehefa tonga ny volana fahafito, dia samy tany an-tanànany avy ny Zanak' Isiraely. Dia nivory tahaka ny olona iray izy rehetra ho eo an-kalalahana teo anoloan' ny vavahadin-drano; ary niteny tamin' i Ezra mpanora-dalàna izy mba ho entiny ny bokin' ny lalan' i Mosesy izay nandidian' i Jehovah ny Isiraely. Nony tonga ny volana fahafito, ka efa tafapetraka amin' ny tanànany avy ny zanak' Israely, dia nivory toy ny olona iray ihany ny vahoaka rehetra, teo amin' ny kianja anoloan' ny vavahadin' ny Rano. Ary efa nilazan' izy ireo Esdrasa mpanora-dalàna, mba hitondra ny bokin' ny lalàn' i Moizy, izay nandidian' ny Tompo an' Israely. Tout le peuple se rassembla comme un seul homme sur la place située devant la porte des Eaux. Ils dirent au scribe Esdras d' apporter le livre de la Loi de Moïse, que Yahvé avait prescrite à Israël.
...............
Neh / Ne 8.14 And they found written in the law which the Lord had commanded by Moses, that the children of Israel should dwell in booths in the feast of the seventh month: Dia hitany voasoratra teo amin' ny lalàna, izay nampandidian' i Jehovah an' i Mosesy, fa tokony hitoetra ao amin' ny trano rantsan-kazo ny Zanak' Isiraely amin' ny andro firavoravoana amin' ny volana fahafito, Ka hitan' izy ireo voasoratra ao amin' ny lalàna izay nandidian' ny Tompo tamin' ny alàlan' i Moizy, fa tsy maintsy mitoetra an-trano lay ny zanak' Israely, mandritra ny fety amin' ny volana fahafito, Ils trouvèrent écrit, dans la Loi que Yahvé avait prescrite par le ministère de Moïse, que les Israélites habiteront sous des huttes durant la fête du septième mois
...............
Neh / Ne 9.14 And madest known unto them thy holy sabbath, and commandedst them precepts, statutes, and laws, by the hand of Moses thy servant: Ary nampahalala azy ny Sabatanao masina Hianao, ary Mosesy mpanomponao nampilazainao didy sy fomba ary lalàna taminy; Nampahalalainao ny sabatanao masina izy, ary nomenao didy, fitsipika aman-dalàna hotandremany izy, tamin' ny alalan' i Moizy mpanomponao. tu leur fis connaître ton saint sabbat; tu leur prescrivis commandements, préceptes et Loi par le ministère de Moïse, ton serviteur.
...............
Neh / Ne 10.30 And that we would not give our daughters unto the people of the land, not take their daughters for our sons: dia samy nikambana tsara tamin' ny andriandahy rahalahiny ka niozona sy nianiana hanaraka ny lalan' Andriamanitra, izay nampilazaina an' i Mosesy, mpanompon' Andriamanitra, ary hitandrina sy hankatò ny didy rehetra izay nataon' i Jehovah Tompontsika mbamin' ny fitsipika sy ny lalàny; izay afa-nahalala sy manan-tsaina rehetra, dia samy nikambana tamin' ireo rahalahiny, dia ny andriandahiny, avokoa, nanome toky tamim-piozonana amam-pianianana fa hanaraka ny lalàn' Andriamanitra, izay nomena tamin' ny alalan' i Moizy, mpanompon' Andriamanitra, hitandrina sy hankatò ny didin' ny Tompo Tompontsika, mbamin' ny fitsipiny aman-dalàny. se joignent à leurs frères et chefs et s' engagent, par imprécation et serment, à marcher selon la Loi de Dieu, donnée par le ministère de Moïse, le serviteur de Dieu, à garder et observer tous les commandements de Yahvé notre Dieu, ses coutumes et ses lois.
Neh / Ne 13.1 On that day they read in the book of Moses in the audience of the people; and therein was found written, that the Ammonite and the Moabite should not come into the congregation of God for ever; Tamin' izany andro izany dia novakiana teo anatrehan' ny olona ny teny tao amin' ny bokin' i Mosesy, ka hita voasoratra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin' ny fiangonan' Andriamanitra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin' ny fiangonan' Andriamanitra mandrakizay, Tamin' izany andro izany, dia nisy namaky teny tao amin' ny bokin' i Moizy mba ho ren' ny vahoaka; ka hita voasoratra ao fa tsy mahazo miditra amin' ny fiangonan' Andriamanitra, na oviana na oviana, ny Amonita sy ny Moabita, En ce temps-là, on lut au peuple dans le livre de Moïse et l' on y trouva écrit : "L' Ammonite et le Moabite ne seront pas admis à l' assemblée de Dieu, et cela pour toujours,

      Tobia Livre de Tobie
...............
Tb 7.14 ary mino aho fa izy no naniraka anareo ho aty amiko, mba hanambadian' ny zanako vavy ny havany, araka ny lalàn' i Moizy. Koa dia aza misalasala intsony fa dia omeko anao izy. Après quoi, on se mit à manger et à boire.

      Jodita Livre de Judith
...............
Jdt 4.13 Tsarovinareo Moizy mpanompon' ny Tompo. Amaleka niantehitra tamin' ny heriny amam-pahefany, ny miaramilany aman' ampingany, ny kalesiny amam-pitaingin-tsoavaliny; Moizy kosa nandresy azy, tsy tamin' ny ady amim-by, fa tamin' ny vavaka masina nataony tamin' Andriamanitra. Attentif à leur voix, le Seigneur prit en considération leur détresse. Dans toute la Judée et à Jérusalem devant le sanctuaire du Seigneur Tout-Puissant le peuple jeûnait de longs jours.
...............
Jdt 8.23 Toy izany koa Isaaka, toy izany Jakoba, toy izany Moizy mbamin' izay rehetra nankasitrahan' Andriamanitra, dia niharam-pahoriana be izy ireo, nefa naharitra tsy nivadika. car notre servitude n' aboutira pas à un retour en grâce, mais le Seigneur notre Dieu en fera une punition infamante.

      Makabeo II 2ème Livre des Maccabées
...............
2M 1.29 Aoreno eo amin' ny fitoerana masina, araka ny voalazan' i Moizy, ny vahoakanao. implante ton peuple dans ton lieu saint, comme l' a dit Moïse."
...............
2M 2.4 Hita tao anatin' izany taratasy izany koa, ny nampitondran' ny mpaminany niaraka taminy, ny tabernakla, sy ny fiara, araka ny didy azony tamin' Andriamanitra, sy ny nankanesany amin' ny tendrombohitra nanihin' i Moizy sy nitazanany ny lovan' Andriamanitra. Il y avait dans cet écrit qu' averti par un oracle, le prophète se fit accompagner par la tente et l' arche, lorsqu' il se rendit à la montagne où Moïse, étant monté, contempla l' héritage de Dieu.
...............
2M 2.8 Amin' izay vao hambaran' ny Tompo ireo zava-masina ireo, sady hiseho ny voninahitry ny Tompo, mbamin' ny rahona, toy ny nisehoany tamin' ny andron' i Moizy, sy fony Salomona nanao fivavahana mba ho voahasina amim-boninahitra ny tempoly. Alors le Seigneur manifestera de nouveau ces objets, la gloire du Seigneur apparaîtra ainsi que la Nuée, comme elle se montra au temps de Moïse et quand Salomon pria pour que le saint lieu fût glorieusement consacré."
...............
2M 2.10 Ary toy ny nivavahan' i Moizy tamin' ny Tompo, ka nilatsaka avy any an-danitra ny afo sy nandevona ny sorona; toy izany koa nivavaka Salomona, dia nilatsaka ny afo avy any an-danitra nandevona ny sorona. De même que Moïse avait prié le Seigneur et fait descendre le feu du ciel qui consuma le sacrifice, ainsi Salomon pria et le feu venu d' en haut dévora les holocaustes.
2M 2.11 Hoy Moizy: Satria tsy mba nohanina ny sorona noho ny ota, dia nolevonin' ny afo. Moïse avait dit : "Parce qu' il n' a pas été mangé, le sacrifice pour le péché a été consumé."
...............
2M 7.6 Marhiratra ny Tompo Andriamanitra, hoy izy ireo, ary mangoraka antsika marina tokoa izy, araka ny voalazan' i Moizy, ao amin' ny tonon-kira milaza an-kitsiloha mananatra an' Israely hoe: Hamindra fo amin' ny mpanompony izy. "Le Seigneur Dieu voit, disaient-ils, et il a en vérité cette compassion de nous selon que Moïse l' a annoncé par le cantique qui proteste ouvertement en ces termes : Et il aura pitié de ses serviteurs."
...............
2M 7.30 Mbola miteny eo izy, dia hoy razazalahy: Fa inona no andrasanareo? Tsy ekeko ny didin' ny mpanjaka, ny didin' ny lalàna nomen' i Moizy ny razanay no ekeko. A peine achevait-elle de parler que le jeune homme dit "Qu' attendez-vous? Je n' obéis pas aux ordres du roi, j' obéis aux ordres de la Loi qui a été donnée à nos pères par Moïse.

  The Psalms Salamo Salamo Les Psaumes
...............
Sal 77.20 Thou leddest thy people like a flock by the hand of Moses and Aaron. Ny tanan' i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry. Làlana nalehanao ny ranomasina, sakeli-dàlana nombanao ny ranobe, ka tsy nisy nahafantarana ny dianao. Sur la mer fut ton chemin, ton sentier sur les eaux innombrables. Et tes traces, nul ne les connut.
Sal 77.21 Nitondra ny vahoakanao, toy ny biby fiompy, hianao tamin' ny tànan' i Moizy sy Aarona. Tu guidas comme un troupeau ton peuple par la main de Moïse et d' Aaron.
Sal 90.1 Lord, thou hast been our dwelling place in all generations. Fivavak' i Mosesy, lehilahin' Andriamanitra. Tompo ô, efa fonenanay hatramin' ny taranaka rehetra Hianao. Vavak' i Moizy, olon' Andriamanitra. Tompo ô, hianao no aronay amin' ny taona rehetra mifandimby. Prière. De Moïse, homme de Dieu. Seigneur, tu as été pour nous un refuge d'âge en âge.
...............
Sal 99.6 Moses and Aaron among his priests, and Samuel among them that call upon his name; they called upon the Lord, and he answered them. Mosesy sy Arona tamin' ny mpisorony, Ary Samoela tamin' izay mpiantso ny anarany, Niantso an' i Jehovah ireo, ary namaly: azy Izy. Moizy sy Aarona dia anisan' ireo mpisorony, ary Samoela isan' ireo miantso ny anarany, dia niantso an' ny Tompo, ka novaliany. Moïse, Aaron parmi ses prêtres, et Samuel, appelant son nom, en appelaient à Yahvé et lui, il leur répondait.
...............
Sal 103.7 He made known his ways unto Moses, his acts unto the children of Israel. Efa nampahafantatra an' i Mosesy ny lalan-kalehany Izy; Ny Zanak' Isiraely nampahafantariny ny asany. Nampiseho ny làlany tamin' i Moizy izy, ary ny asany lehibe, tamin' ny zanak' Israely. révéla ses desseins à Moïse, aux enfants d' Israël ses hauts faits.
...............
Sal 105.26 He sent Moses his servant; and Aaron whom he had chosen. Naniraka an' i Mosesy mpanompony Sy Arona izay nofidiny Izy. Dia nirahiny Moizy mpanompony, sy Aarona olom-boafidiny. Il envoya son serviteur Moïse, Aaron qu' il s'était choisi;
...............
Sal 106.16 They envied Moses also in the camp, and Aaron the saint of the Lord. Dia nialona an' i Mosesy tany an-toby Izy ireo Sady nialona an' i Arona, olo-masin' i Jehovah. Tao an-toby indray izy ireo nialona an' i Moizy, sy Aarona ilay olo-masin' ny Tompo. ils jalousèrent Moïse dans le camp, Aaron le saint de Yahvé.
...............
Sal 106.23 Therefore he said that he would destroy them, had not Moses his chosen stood before him in the breach, to turn away his wrath, lest he should destroy them. Ary nikasa handringana azy Izy, Raha tsy Mosesy voafidiny no nandroso hijoro tamin' ny banga teo anatrehany hampiala ny fahatezerany mba tsy handringanany azy. Efa nolazainy haringana izy ireo; raha tsy Moizy olom-boafidiny, no nitsangana teo anatrehany hisakana ny hatezerany tsy handringana azy. Il parlait de les supprimer, si ce n' est que Moïse son élu se tint sur la brèche devant lui pour détourner son courroux de détruire.
...............
Sal 106.32 They angered him also at the waters of strife, so that it went ill with Moses for their sakes: Nampahatezitra an' i Jehovah teo anilan' ny ranon' i Meriba ireo, Ka nisy nanjo an' i Mosesy noho ny nataon' ireo; Nampahatezitra an' ny Tompo izy ireo tao amin' ny ranon' i Meriba, ary nozoim-pahoriana noho ny nataon' izy ireo Moizy; Ils le fâchèrent aux eaux de Meriba; mal en prit à Moïse par leur faute,
Sal 106.33 Because they provoked his spirit, so that he spake unadvisedly with his lips. Fa niodina tamin' ny Fanahin' i Jehovah ireo, ka dia nihoa-bava Mosesy. fa nampahasosotra ny fanahiny izy ireo, ka nahavoaka teny tsy voahevitra izy. car ils aigrirent son esprit et ses lèvres parlèrent trop vite.

      Eklesiastika L'Ecclésiastique
...............
Si 24.22 Izany rehetra izany dia ny bokin' ny faneken' Andriamanitra Avo Indrindra, lalana nomen' i Moizy, ho lovan' ny fiangonan' i Jakoba. Celui qui m' obéit n' aura pas à en rougir et ceux qui font mes oeuvres ne pécheront pas."
Si 45.1 Napoitrany avy amin' i Jakoba olona anankiray tia vavaka, izay nahita fitia tamin' ny nofo rehetra, olona tian' Andriamanitra sy ny olombelona, dia Moizy: Hombam-pitahiana anie ny fahatsiarovana azy! Il fit sortir de lui un homme de bien qui trouva faveur aux yeux de tout le monde, bien-aimé de Dieu et des hommes, Moïse, dont la mémoire est en bénédiction.
...............
Si 45.15 Moizy no nameno ny tananay, ary nanosotra azy amin' ny diloilo masina. Fanekena mandrakizay izany ho azy, sy ho an' ny taranany, raha mbola maharitra koa ny andron' ny lanitra, mba hanompoany ny Tompo, sy hanefany ny raharahan' ny fisoronana, ary hitsofany rano ny vahoakany, amin' ny anarany. C' est Moïse qui le consacra et l' oignit de l' huile sainte. Et ce fut pour lui une alliance éternelle ainsi que pour sa race tant que dureront les cieux, pour qu' il préside au culte, exerce le sacerdoce et bénisse le peuple au nom du Seigneur.
Si 46.1 Nahery an' ady Josoe, zanak' i Nona, izay nandimby an' i Moizy amin' ny fiambonian' ny mpaminany, ka nanamarina ny anarany, dia niseho ho lehibe tamin' ny fanafahana ny voafidin' ny Tompo; nanafay ireo fahavalo nanohitra, mba hampahazo an' Israely ny tany. Vaillant à la guerre, tel fut Josué fils de Nûn, successeur de Moïse dans l' office prophétique, lui qui, méritant bien son nom, se montra grand pour sauver les élus, pour châtier les ennemis révoltés et installer Israël dans son territoire.
...............
Si 46.7 Tamin' ny andron' i Moizy no efa naneho sahady ny fitiavany vavaka izy, dia izy sy Kaleba, zanak' i Jefone, tamin' izy nanoha mafy ny fahavalo, nisakana ny vahoaka tsy hanota, ary nampangina ny fimonomononan' ny ratsy fanahy. Car il s' attacha au Tout-Puissant, au temps de Moïse il manifesta sa piété, ainsi que Caleb, fils de Yephunné, en s' opposant à la multitude, en empêchant le peuple de pécher, en faisant taire les murmures mauvais.

  Book of Isaiah Isaia Izaia Livre d'Isaïe
...............
Isa / Iz 63.11 Then he remembered the days of old, Moses, and his people, saying, Where is he that brought them up out of the sea with the shepherd of his flock? where is he that put his holy Spirit within him? Ary ny olony dia nahatsiaro ny andro taloha ela, dia ny tamin' i Mosesy. Aiza Ilay nitondra azy mbamin' ny mpiandry ondriny niakatra avy tamin' ny ranomasina? Aiza Ilay nametraka ny Fanahy Masiny tao aminy, Dia nahatsiaro ny andro fahiny, ny andron' i Moizy, ny vahoakany! Aiza ilay nitondra niakatra avy tamin' ny ranomasina, ny mpiandry ny andian' ondriny? Aiza ilay nametraka teo amin' izy ireo, ny Fanahiny Masina, Mais il s' est souvenu des jours d' autrefois, de Moïse, son serviteur. Où est-il, celui qui les sauva de la mer, le pasteur de son troupeau ? Où est celui qui mettait au milieu d' eux son Esprit saint ?
Isa / Iz 63.12 That led them by the right hand of Moses with his glorious arm, dividing the water before them, to make himself an everlasting name? Dia Ilay nampandeha ny sandriny be voninahitra teo ankavanan' i Mosesy ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloany, mba hanaovany anarana mandrakizay ho Azy, izay nampandeha, teo an-kavanan' i Moizy, ny sandriny be voninahitra, izay nampisaraka ny rano teo anoloany, hahazoany anarana mandrakizay; Celui qui accompagna la droite de Moïse de son bras glorieux, qui fendit les eaux devant eux pour se faire un renom éternel;

  Book of Jeremiah Jeremia Jeremia Livre de Jérémie
Jer / Jr 15.1 Then said the Lord unto me, Though Moses and Samuel stood before me, yet my mind could not be toward this people: cast them out of my sight, and let them go forth. Ary hoy Jehovah tamiko: Na dia Mosesy sy Samoela aza no mitsangana eto anatrehako, dia tsy hankasitraka ity firenena ity ny fanahiko; roahy tsy ho eo anatrehako izy, eny, aoka hiala izy. Fa izao no navalin' ny Tompo ahy: Na Moizy sy Samoela aza no hitsangana eto anatrehako, dia tsy hitodika ity firenena ity ny fanahiko; roahy hiala eo anatrehan' ny tavako izy, ka aoka handeha! Yahvé me dit : Même si Moïse et Samuel se tenaient devant moi, je n' aurais pas pitié de ce peuple-là! Chasse-les loin de moi qu' ils s' en aillent!

      Baroka Livre de Baruch
...............
Bar 1.20 Koa araka izay hita anio izao, dia zoin-doza lehibe isika sy azon' izay ozona notononin' ny Tompo, tamin' ny alalan' i Moizy mpanompony izay nitondra ny razantsika nivoaka ny tany Ejipta, mba hanomezany antsika tany tondra-dronono aman-tantely. Alors se sont attachés à nous les malheurs et la malédiction que le Seigneur dicta à son serviteur Moïse, le jour où il tira nos pères d' Egypte pour nous donner une terre qui ruisselle de lait et de miel, comme aujourd' hui encore.
...............
Bar 2.2 Nandrahonany antsika, fa hahatonga loza lehibe amintsika izy, dia loza tsy mbola nisy toa azy taty ambanin' ny lanitra rehetra; araka ny voasoratra ao amin' ny lalàn' i Moizy, araka izay efa niseho tokoa tany Jerosalema, sous l' immensité du ciel ne se produisit jamais rien de semblable à ce qu' il fit à Jérusalem, selon ce qui était écrit dans la Loi de Moïse
...............
Bar 2.28 araka ny nambaranao tamin' ny vavan' i Moizy mpanomponao, tamin' ny andro nandidianao azy hanoratra ny lalànao teo anatrehan' ny zanak' Israely, comme tu l' avais déclaré par le ministère de ton serviteur Moïse, le jour où tu lui commandas d'écrire ta Loi en présence des Israélites, en ces termes

  Book of Daniel Daniela Daniely Livre de Daniel
...............
Dan / Da 9.11 Yea, all Israel have transgressed thy law, even by departing, that they might not obey thy voice; therefore the curse is poured upon us, and the oath that is written in the law of Moses the servant of God, because we have sinned against him. Eny, ny Isiraely rehetra efa nandika ny lalànao ka niala, fa tsy nihaino ny feonao, ka dia naidina taminay ny ozona sy ny fianianana izay voasoratra ao amin' ny lalàn' i Mosesy, mpanompon' Andriamanitra, satria efa nanota taminy izahay. Nandika ny didinao avokoa Israely, sady nihodina tsy nihaino ny feonao, ka dia nianjera taminay ny ozona aman-tsahato voasoratra ao amin' ny lalàn' i Moizy, mpanompon' Andriamanitra, satria nanota taminy izahay. Tout Israël a transgressé ta loi, a déserté sans écouter ta voix, et se sont répandues sur nous la malédiction et l' imprécation inscrites dans la loi de Moïse, le serviteur de Dieu car nous avons péché contre lui.
...............
Dan / Da 9.13 As it is written in the law of Moses, all this evil is come upon us: yet made we not our prayer before the Lord our God, that we might turn from our iniquities, and understand thy truth. Araka ny voasoratra ao amin' ny lalàn' i Mosesy no nahatongavan' izao loza rehetra izao taminay; nefa tsy nifona teo anatrehan' i Jehovah Andriamanitray izahay hialanay amin' ny helokay sy hahafantaranay ny fahamarinanao. Nidona taminay avokoa izao loza izao, araka ny voasoratra ao amin' ny lalàn' Andriamanitra; kanefa izahay tsy nanao izay hampitony an' ny Tompo Andriamanitray, tamin' ny fialanay amin' ny helokay sy amin' ny fieritreretanay amim-pitandremana ny fahamarinanao. Ainsi qu' il est écrit dans la loi de Moïse, toute cette calamité est venue sur nous, mais nous n' avons pas rasséréné la face de Yahvé, notre Dieu, en revenant de nos iniquités, en apprenant à connaître ta vérité.
...............
Dan / Da 13.3 satria olo-marina rainy aman-dreniny, ka nampianatra ireo zanany, araka ny lalàn' i Moizy.
...............
Dan / Da 13.62 mba hahatanteraka ny lalàn' i Moizy; dia novonoiny ho faty izy ireo ary ny rà tsy manan-tsiny dia voavonjy tamin' izany andro izany. Nidera an' Andriamanitra noho ny amin' i Sozana zanany vavy.

  Book of Micah Mika Mikea Livre de Michée
...............
Mik / Mi 6.4 For I brought thee up out of the land of Egypt, and redeemed thee out of the house of servants; and I sent before thee Moses, Aaron, and Miriam. Fa nentiko niakatra avy tany amin' ny tany Egypta ianao Sady navotako avy tao amin' ny trano nahandevozana: Dia nirahiko hitarika anao Mosesy sy Arona ary Miriama. Fa nitondra anao niakatra avy any amin' ny tany Ejipta aho, ary nanavotra anao tamin' ny andro nahandevozana; ary naniraka teo anoloanao, an' i Moizy sy Aarona ary Maria. Car je t' ai fait monter du pays d'Égypte, je t' ai racheté de la maison de servitude; j' ai envoyé devant toi Moïse, Aaron et Miryam.

  Book of Malachi Malakia Malakia Livre de Malachie
...............
Mal / Ma 3.18 Then shall ye return, and discern between the righteous and the wicked, between him that serveth God and him that serveth him not. Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian' ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an' Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy. Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy na fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon' ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany. Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron' ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin' ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak' omby mifahy; ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin' ny faladianareo izay amin' ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon' ny maro. Tsarovinareo ny lelan' i Mosesy mpanompoko, izay nandidiako azy tao Horeba ny amin' ny Isiraely rehetra, dia ny didy sy ny fitsipika. Indro, Izaho haniraka an' i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron' i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra; ary izay hampody ny fon' ny ray ho amin' ny zanaka, ary ny fon' ny zanaka ho amin' ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin' ny fandringanana. Ka dia ho hitanareo indray, ny tsy fitovian' ny marina sy ny ratsy fanahy, ny manompo an' Andriamanitra sy ny tsy manompo azy. Alors vous verrez la différence entre un juste et un méchant, entre qui sert Dieu et qui ne le sert pas
...............
Mal / Ma 3.22 Tsarovinareo ny làlan' i Moizy, mpanompoko, izay nomeko didy amam-pitsipika, ho an' Israely rehetra, tao Horeba. Rappelez-vous la Loi de Moïse, mon serviteur à qui j' ai prescrit, à l' Horeb, pour tout Israël, des lois et des coutumes

  The Gospel according to Matthew Matio Matio L'Évangile selon Saint Matthieu
...............
Mat / Mt 8.4 And Jesus saith unto him, See thou tell no man; but go thy way, shew thyself to the priest, and offer the gift that Moses commanded, for a testimony unto them. Ary hoy Jesosy taminy: Tandremo mba tsy hilaza amin' olona na dia iray akory aza ianao; fa mandehana, misehoa amin' ny mpisorona, ka mitondrà ny fanatitra izay nandidian' i Mosesy ho vavolombelona amin' ireo. Ary hoy Jeso taminy: Tandremo, aza milaza na amin' iza na amin' iza, fa mandehana miseho amin' ny mpisorona, ary atolory ny fanatitra didian' i Moizy haterina mba ho vavolombelon' ny fahasitrananao. Et Jésus lui dit : " Garde-toi d' en parler à personne, mais va te montrer au prêtre et offre le don qu' a prescrit Moïse : ce leur sera une attestation. "
...............
Mat / Mt 17.3 And, behold, there appeared unto them Moses and Elias talking with him. Ary, indreo, niseho tamin' ny mpianatra Mosesy sy Elia, niresaka tamin' i Jesosy. Ary indreo niseho tamin' izy ireo Moizy sy Elia niresaka tamin' i Jeso. Et voici que leur apparurent Moïse et Élie, qui s' entretenaient avec lui.
Mat / Mt 17.4 Then answered Peter, and said unto Jesus, Lord, it is good for us to be here: if thou wilt, let us make here three tabernacles; one for thee, and one for Moses, and one for Elias. Dia niteny Petera ka nanao tamin' i Jesosy hoe: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; koa raha sitrakao, aoka aho hanao lay telo eto: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an' i Mosesy, ary ny anankiray ho an' i Elia. Dia niteny Piera nilaza tamin' i Jeso hoe: Tompo, mahafinaritra ny mitoetra atý; ka raha sitrakao, andeha hanao lay telo atý, ny iray ho anao, ny iray ho an' i Moizy, ary ny iray ho an' i Elia. Pierre alors, prenant la parole, dit à Jésus : " Seigneur, il est heureux que nous soyons ici ; si tu le veux, je vais faire ici trois tentes, une pour toi, une pour Moïse et une pour Élie. "
...............
Mat / Mt 19.7 They say unto him, Why did Moses then command to give a writing of divorcement, and to put her away? Hoy ireo taminy: Nahoana ary Mosesy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy? (Deo. 24. 1). Ka nahoana Moizy, hoy ireo taminy, no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy? " Pourquoi donc, lui disent-ils, Moïse a-t-il prescrit de donner un acte de divorce quand on répudie ? " -
Mat / Mt 19.8 He saith unto them, Moses because of the hardness of your hearts suffered you to put away your wives: but from the beginning it was not so. Ary hoy Jesosy taminy: Ny hamafin' ny fonareo no namelan' i Mosesy anareo hisao-bady; fa tamin' ny voalohany dia tsy mba toy izany. Dia hoy izy taminy: Ny hamafin' ny fonareo no nanomezan' i Moizy lalàna anareo hisao-bady; fa hatramin' ny voalohany dia tsy mba toy izany. " C' est, leur dit-il, en raison de votre dureté de coeur que Moïse vous a permis de répudier vos femmes ; mais dès l' origine il n' en fut pas ainsi.
...............
Mat / Mt 22.24 Saying, Master, Moses said, If a man die, having no children, his brother shall marry his wife, and raise up seed unto his brother. Mpampianatra ô, Mosesy nilaza hoe: Raha misy maty momba, aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5). Ry Mpampianatra ô, Moizy nilaza hoe: Raha misy lehilahy maty momba, aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny, mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny. " Maître, Moïse a dit : Si quelqu' un meurt sans avoir d' enfants, son frère épousera la femme, sa belle-soeur, et suscitera une postérité à son frère.
...............
Mat / Mt 23.2 Saying The scribes and the Pharisees sit in Moses' seat: Eo amin' ny fipetrahan' i Mosesy no ipetrahan' ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo; nanao hoe: Efa mipetraka eo amin' ny fipetrahan' i Moizy ny mpanora-dalàna sy ny Farisiana; " Sur la chaire de Moïse se sont assis les scribes et les Pharisiens :

  The Gospel according to Mark Marka Marka L'Évangile selon Saint Marc
...............
Mar / Mk 1.44 And saith unto him, See thou say nothing to any man: but go thy way, shew thyself to the priest, and offer for thy cleansing those things which Moses commanded, for a testimony unto them. ka nanao taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin' iza na amin' iza; fa mandehana, misehoa amin' ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian' i Mosesy, ho vavolombelona amin' ireo. nanao hoe: Tandremo, aza milaza izany na amin' iza na amin' iza hianao, fa mandehana misehoa amin' ny mpisorona, ary noho ny nanadiovana anao dia manatera ny fanatitra nodidian' i Moizy, mba ho vavolombelona amin' ny vahoaka. et lui dit : " Garde-toi de rien dire à personne ; mais va te montrer au prêtre et offre pour ta purification ce qu' a prescrit Moïse : ce leur sera une attestation. "
...............
Mar / Mk 7.10 For Moses said, Honour thy father and thy mother; and, Whoso curseth father or mother, let him die the death: Fa hoy Mosesy: Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12), ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa (Eks. 21. 17). Fa hoy Moizy: Manajà ny rainao sy ny reninao, ary koa: Izay hanozona ny rainy na ny reniny dia hohelohina ho faty. En effet, Moïse a dit : Honore ton père et ta mère, et : Que celui qui maudit son père ou sa mère soit puni de mort.
...............
Mar / Mk 9.3 And his raiment became shining, exceeding white as snow; so as no fuller on earth can white them. ary ny fitafiany niova nanelatrelatra sady fotsy indrindra, ka tsy misy mpamotsy lamba ambonin' ny tany mahafotsy toy izany. Ary niseho tamin' izy ireo Elia sy Moizy, sady niresaka tamin' i Jeso. et ses vêtements devinrent resplendissants, d' une telle blancheur qu' aucun foulon sur terre ne peut blanchir de la sorte.
Mar / Mk 9.4 And there appeared unto them Elias with Moses: and they were talking with Jesus. Ary Elia sy Mosesy niseho taminy ka niresaka tamin' i Jesosy. Dia niteny Piera ka nanao tamin' i Jeso hoe: Raby ô, mahafinaritra ny mitoetra atý; aoka hanao lay telo izahay, ny iray ho anao, ny iray ho an' i Moizy, ary ny iray ho an' i Elia. Élie leur apparut avec Moïse et ils s' entretenaient avec Jésus.
Mar / Mk 9.5 And Peter answered and said to Jesus, Master, it is good for us to be here: and let us make three tabernacles; one for thee, and one for Moses, and one for Elias. Ary niteny Petera ka nanao tamin' i Jesosy hoe: Raby ô, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka hanao lay telo izahay: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an' i Mosesy, ary ny anankiray ho an' i Elia. Fa tsy fantany izay nolazainy, satria raiki-tahotra loatra izy ireo. Alors Pierre, prenant la parole, dit à Jésus : " Rabbi, il est heureux que nous soyons ici ; faisons donc trois tentes, une pour toi, une pour Moïse et une pour Élie. "
...............
Mar / Mk 10.3 And he answered and said unto them, What did Moses command you? Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Ahoana no nandidian' i Mosesy anareo? Ary izao no navaliny azy ireo: Ahoana no nandidian' i Moizy anareo? Il leur répondit : " Qu' est-ce que Moïse vous a prescrit ? " -
Mar / Mk 10.4 And they said, Moses suffered to write a bill of divorcement, and to put her away. Ary hoy izy: Navelan' i Mosesy hanoratra taratasy fisaoram-bady ny lehilahy ka hisao-bady (Deo. 24.1). Dia hoy izy: Nomen' i Moizy làlana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy. " Moïse, dirent-ils, a permis de rédiger un acte de divorce et de répudier. "
...............
Mar / Mk 12.19 Master, Moses wrote unto us, If a man' s brother die, and leave his wife behind him, and leave no children, that his brother should take his wife, and raise up seed unto his brother. Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin' ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra azy hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5). Ry Mpampianatra ô, izao no nosoratan' i Moizy ho antsika: Raha misy lehilahy maty momba ka mbola velona ny vadiny, dia aoka ny rahalahiny no hampakatra ny vadiny mba hiteraka hamelo-maso azy. " Maître, Moïse a écrit pour nous : "Si quelqu' un a un frère qui meurt en laissant une femme sans enfant, que ce frère prenne la femme et suscite une postérité à son frère. "
...............
Mar / Mk 12.26 And as touching the dead, that they rise: have ye not read in the book of Moses, how in the bush God spake unto him, saying, I am the God of Abraham, and the God of Isaac, and the God of Jacob? Ka ny amin' ny hananganana ny maty, tsy mbola novakinareo va ny eo amin' ny bokin' i Mosesy, eo amin' ilay teny milaza ny Voaroy, dia ny nanaovan' Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr' i Abrahama sy Andriamanitr' isaka ary Andriamanitr' i Jakoba? (Eks. 3. 6.) Ary raha ny amin' ny fitsanganan' ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ao amin' ny bokin' i Moizy, amin' ilay misy ny voaroy, izay nolazain' Andriamanitra taminy hoe: Izaho no Andriamanitr' i Abrahama, sy Andriamanitr' Isaaka, ary Andriamanitr' i Jakoba? Quant au fait que les morts ressuscitent, n' avez-vous pas lu dans le Livre de Moïse, au passage du Buisson, comment Dieu lui a dit : Je suis le Dieu d' Abraham, le Dieu d' Isaac et le Dieu de Jacob ?

  The Gospel according to Luke Lioka Lioka L'Évangile selon Saint Luc
...............
Lio / Lk 2.22 And when the days of her purification according to the law of Moses were accomplished, they brought him to Jerusalem, to present him to the Lord; Ary rehefa tapitra ny andro fidiovany, araka ny lalàn' i Mosesy, dia nitondra Azy niakatra tany Jerosalema izy mba hatolotra ho an' ny Tompo Ary rahefa tapitra ny andro fidiovany araka ny lalàn' i Moizy, dia nentiny ho any Jerosalema izy mba hatolotra amin' ny Tompo, Et lorsque furent accomplis les jours pour leur purification, selon la Loi de Moïse, ils l' emmenèrent à Jérusalem pour le présenter au Seigneur,
...............
Lio / Lk 5.14 And he charged him to tell no man: but go, and shew thyself to the priest, and offer for thy cleansing, according as Moses commanded, for a testimony unto them. Ary Jesosy nandrara azy tsy hilaza amin' olona na dia iray akory aza; fa mandehana, hoy Izy, misehoa amin' ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao araka ny nandidian' i Mosesy, ho vavolombelona amin' ireo. Noraran' i Jeso tsy hilaza izany na amin' iza na amin' iza izy; fa mandehana misehoa amin' ny mpisorona, hoy izy, ary manatera ny fanatitra noho ny fahasitrananao, araka ny voadidin' i Moizy, mba ho vavolombelona amin' ny olona. Et il lui enjoignit de n' en parler à personne : " Mais va-t' en te montrer au prêtre, et offre pour ta purification selon ce qu' a prescrit Moïse : ce leur sera une attestation. "
...............
Lio / Lk 9.30 And, behold, there talked with him two men, which were Moses and Elias: Ary, indreo, nisy roa lahy niresaka taminy, dia Mosesy sy Elia, Ary indro nisy roa lahy niresaka taminy, dia Moizy sy Elia, Et voici que deux hommes s' entretenaient avec lui : c'étaient Moïse et Élie
...............
Lio / Lk 9.33 And it came to pass, as they departed from him, Peter said unto Jesus, Master, it is good for us to be here: and let us make three tabernacles; one for thee, and one for Moses, and one for Elias: not knowing what he said. Ary tamin' ny nisarahan' izy roa lahy taminy dia hoy Petera tamin' i Jesosy: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka izahay hanao tranolay telo: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an' i Mosesy, ary ny anankiray ho an' i Elia; nefa tsy fantany izay nolazainy. Ary tamin' izy roa lahy nihataka, dia hoy Piera tamin' i Jeso: Ry Mpampianatra ô, mahafinaritra ny mitoetra atý, ka andeha hanangana lay telo eto, ny iray ho anao, ny iray ho an' i Moizy, ary ny iray ho an' i Elia; tsy fantany anefa izay nolazainy. Et il advint, comme ceux-ci se séparaient de lui, que Pierre dit à Jésus : " Maître, il est heureux que nous soyons ici ; faisons donc trois tentes, une pour toi, une pour Moïse et une pour Élie " : il ne savait ce qu' il disait.
...............
Lio / Lk 16.29 Abraham saith unto him, They have Moses and the prophets; let them hear them. Fa hoy Abrahama taminy: Manana an' i Mosesy sy ny mpaminany izy; aoka hihaino ireo izy. Fa hoy Abrahama taminy: Manana an' i Moizy sy ny Mpaminany izy ireo, ka aoka hihaino an' ireo izy. Et Abraham de dire : "Ils ont Moïse et les Prophètes ; qu' ils les écoutent. " -
...............
Lio / Lk 16.31 And he said unto him, If they hear not Moses and the prophets, neither will they be persuaded, though one rose from the dead. Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an' i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin' ny maty aza. Fa hoy Abrahama taminy: Raha tsy mihaino an' i Moizy sy ny Mpaminany izy, dia tsy hino na dia misy mitsangana amin' ny maty aza. Mais il lui dit : "Du moment qu' ils n'écoutent pas Moïse et les Prophètes, même si quelqu' un ressuscite d' entre les morts, ils ne seront pas convaincus. " "
...............
Lio / Lk 20.28 Saying, Master, Moses wrote unto us, If any man' s brother die, having a wife, and he die without children, that his brother should take his wife, and raise up seed unto his brother. Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin' ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dravehivavy ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo. 25. 5). Ry Mpampianatra ô, Moizy nanome lalàna ho antsika hoe: Raha misy lehilahy manambady ka maty momba, dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny. en disant : " Maître, Moïse a écrit pour nous : Si quelqu' un a un frère marié qui meurt sans avoir d' enfant, que son frère prenne la femme et suscite une postérité à son frère.
...............
Lio / Lk 20.37 Now that the dead are raised, even Moses shewed at the bush, when he calleth the Lord the God of Abraham, and the God of Isaac, and the God of Jacob. Ary Mosesy aza nanambara teo amin' ilay teny milaza ny Voaroy fa hatsangana ny maty, raha nilaza an' i Jehovah hoe Andriamanitr' i Abrahama sy Andriamanitr' isaka ary Andriamanitr' i Jakoba (Eks. 3. 6). Ary raha ny hoe hitsangana ny maty, dia zavatra efa nambaran' i Moizy teo amin' ilay nilazany ny Voaroy izany, fa tamin' io izy dia niantso ny Tompo hoe: Andriamanitr' i Abrahama sy Andriamanitr' Isaaka ary Andriamanitr' i Jakoba. Et que les morts ressuscitent, Moïse aussi l' a donné à entendre dans le passage du Buisson quand il appelle le Seigneur le Dieu d' Abraham, le Dieu d' Isaac et le Dieu de Jacob.
...............
Lio / Lk 24.27 And beginning at Moses and all the prophets, he expounded unto them in all the scriptures the things concerning himself. Dia nanomboka hatramin' i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin' ny Soratra Masina rehetra. Dia novoasany tamin' izy ireo ny tenin' i Moizy sy ny mpaminany rehetra manambara azy ao amin' ny Soratra Masina. Et, commençant par Moïse et parcourant tous les Prophètes, il leur interpréta dans toutes les Écritures ce qui le concernait.
...............
Lio / Lk 24.44 And he said unto them, These are the words which I spake unto you, while I was yet with you, that all things must be fulfilled, which were written in the law of Moses, and in the prophets, and in the psalms, concerning me. Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin' ny lalàn' i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo. Dia hoy izy tamin' izy ireo: Izao no voalazako taminareo fony mbola teo aminareo aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra voasoratra momba ahy ao amin' ny Lalàn' i Moizy sy ny mpaminany ary ny Salamo. Puis il leur dit : " Telles sont bien les paroles que je vous ai dites quand j'étais encore avec vous : il faut que s' accomplisse tout ce qui est écrit de moi dans la Loi de Moïse, les Prophètes et les Psaumes. "

  The Gospel according to John Jaona Joany L'Évangile selon Saint Jean
...............
Jao / Jo 1.17 For the law was given by Moses, but grace and truth came by Jesus Christ. Fa ny lalàna dia nomena tamin' ny alalan' i Mosesy; [fa] ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin' ny alalan' i Jesosy Kristy. satria ny Lalàna moa nomena tamin' ny alàlan' i Moizy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia avy amin' ny alàlan' i Jeso-Kristy. Car la Loi fut donnée par Moïse ; la grâce et la vérité sont venues par Jésus Christ.
...............
Jao / Jo 1.45 Philip findeth Nathanael, and saith unto him, We have found him, of whom Moses in the law, and the prophets, did write, Jesus of Nazareth, the son of Joseph. Filipo kosa nahita an' i Natanaela ka nanao taminy hoe: Efa hitanay Ilay nosoratan' i Mosesy tao amin' ny lalàna, sy nosoratan' ny mpaminany, dia Jesosy, zanak' i Josefa, avy any Nazareta. Filipo kosa nifanena tamin' i Natanaely ka nanao taminy hoe: Efa hitanay ilay voalazan' i Moizy tao amin' ny Lalàna, sy nambaran' ny mpaminany, dia Jeso zanak' i Josefa avy any Nazareta. Philippe rencontre Nathanaèl et lui dit : " Celui dont Moïse a écrit dans la Loi, ainsi que les prophètes, nous l' avons trouvé : Jésus, le fils de Joseph, de Nazareth. "
...............
Jao / Jo 3.14 And as Moses lifted up the serpent in the wilderness, even so must the Son of man be lifted up: Ary tahaka ny nanandratan' i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak' olona, Tahaka ny nanandratan' i Moizy ny bibilava tany an' efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak' olona koa, Comme Moïse éleva le serpent dans le désert, ainsi faut-il que soit élevé le Fils de l' homme,
...............
Jao / Jo 5.45 Do not think that I will accuse you to the Father: there is one that accuseth you, even Moses, in whom ye trust. Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin' ny Ray; misy ny mpiampanga anareo, dia Mosesy izay itokianareo. Aza ataonareo fa izaho no hiampanga anareo amin' ny Ray; ao no hiampanga anareo, dia Moizy, izay itokianareo. Ne pensez pas que je vous accuserai auprès du Père. Votre accusateur, c' est Moïse, en qui vous avez mis votre espoir.
Jao / Jo 5.46 For had ye believed Moses, ye would have believed me; for he wrote of me. Fa raha mba nino an' i Mosesy ianareo, dia hino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy. Fa raha mba nino an' i Moizy hianareo, dia hino ahy koa; satria nanoratra nanambara ahy izy. Car si vous croyiez Moïse, vous me croiriez aussi, car c' est de moi qu' il a écrit.
...............
Jao / Jo 6.32 Then Jesus said unto them, Verily, verily, I say unto you, Moses gave you not that bread from heaven; but my Father giveth you the true bread from heaven. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Tsy Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra; fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra. Dia hoy Jeso taminy: Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy Moizy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra, fa ny Raiko no manome anareo ny mofo avy any an-danitra izay tena izy tokoa; Jésus leur répondit : " En vérité, en vérité, je vous le dis, non, ce n' est pas Moïse qui vous a donné le pain qui vient du ciel ; mais c' est mon Père qui vous le donne, le pain qui vient du ciel, le vrai ;
...............
Jao / Jo 7.19 Did not Moses give you the law, and yet none of you keepeth the law? Why go ye about to kill me? Tsy Mosesy va no nanome anareo ny lalàna? nefa tsy misy eo aminareo mankatò ny lalàna. Nahoana ianareo no mitady hamono Ahy? Moa tsy nomen' i Moizy ny Lalàna va hianareo? nefa tsy misy aminareo mahatanteraka ny Lalàna. Moïse ne vous a-t-il pas donné la Loi ? Et aucun de vous ne la pratique, la Loi ! Pourquoi cherchez-vous à me tuer ? "
...............
Jao / Jo 7.22 Moses therefore gave unto you circumcision; (not because it is of Moses, but of the fathers;) and ye on the sabbath day circumcise a man. Izao no nanomezan' i Mosesy anareo ny famorana: tsy noho izy avy tamin' i Mosesy, fa noho izy avy tamin' ny razana, ka na dia amin' ny Sabata aza dia mamora olona ihany ianareo. Nefa ny famorana nomen' i Moizy anareo (na tsy Moizy, fa ny razana no nihaviany), dia ataonareo na amin' ny sabata aza. Moïse vous a donné la circoncision - non qu' elle vienne de Moïse mais des patriarches - et, le jour du sabbat, vous la pratiquez sur un homme.
Jao / Jo 7.23 If a man on the sabbath day receive circumcision, that the law of Moses should not be broken; are ye angry at me, because I have made a man every whit whole on the sabbath day? Raha amin' ny Sabata aza no amorana olona, mba tsy hahafoana ny lalàn' i Mosesy, dia tezitra amiko va ianareo, satria nisy olona anankiray nataoko sitrana avokoa ny tenany rehetra tamin' ny Sabata. Ka raha forana ny olona na dia amin' ny sabata aza, mba tsy hofoanana ny Lalàn' i Moizy, nahoana no dia tezitra amiko hianareo, raha lehilahy anankiray no mba nositraniko tamin' ny sabata ny tenany manontolo? Alors, un homme reçoit la circoncision, le jour du sabbat, pour que ne soit pas enfreinte la Loi de Moïse, et vous vous indignez contre moi parce que j' ai guéri un homme tout entier le jour du Sabbat ?
...............
Jao / Jo 8.5 Now Moses in the law commanded us, that such should be stoned: but what sayest thou? Ary ao amin' ny lalàna Mosesy dia nandidy antsika fa hotoraham-bato izay vehivavy manao toy izany (Deo. 22. 22-24); fa ahoana kosa hoy Hianao? Ary Moizy ao amin' ny Lalàna dia nandidy antsika hitora-bato ny olona toy izany, fa hianao kosa mba ahoana, hoy hianao? Or, dans la Loi, Moïse nous a prescrit de lapider ces femmes-là. Toi donc, que dis-tu ? "
...............
Jao / Jo 9.28 Then they reviled him, and said, Thou art his disciple; but we are Moses' disciples. Dia nanevateva azy izy ka nanao hoe: Ialahy no mpianany; fa izahay mpianatr' i Mosesy. Dia notevatevain' ireo izy sy nataony hoe: Ialahy no mpianany, fa raha izahay kosa dia mpianatr' i Moizy. Ils l' injurièrent et lui dirent : " C' est toi qui es son disciple ; mais nous, c' est de Moïse que nous sommes disciples.
Jao / Jo 9.29 We know that God spake unto Moses: as for this fellow, we know not from whence he is. Izahay mahalala fa Mosesy no nitenenan' Andriamanitra; fa ny amin' izany Lehilahy izany, dia tsy fantatray izay nihaviany. Moizy fantatray fa nitenenan' Andriamanitra, fa iny kosa tsy fantatray akory izay nihaviany. Nous savons, nous, que Dieu a parlé à Moïse ; mais celui-là, nous ne savons pas d' où il est. "

  The Acts of the Apostles Asa Asa Les Actes des Apôtres
...............
Asa 3.22 For Moses truly said unto the fathers, A prophet shall the Lord your God raise up unto you of your brethren, like unto me; him shall ye hear in all things whatsoever he shall say unto you. Fa Mosesy nilaza hoe: Mpaminany no hatsangan' i Jehovah Andriamanitra ho anareo avy amin' ny rahalahinareo, tahaka ahy; izy no hohenoinareo amin' izay rehetra holazainy aminareo. Fa hoy Moizy hoe: Ny Tompo Andriamanitrareo hanangana ho anareo Mpaminany tahaka ahy avy amin' ny rahalahinareo; izy no hohenoinareo amin' izay rehetra holazainy aminareo, Moïse, d' abord, a dit : Le Seigneur Dieu vous suscitera d' entre vos frères un prophète semblable à moi ; vous l'écouterez en tout ce qu' il vous dira.
...............
Asa 6.11 Then they suborned men, which said, We have heard him speak blasphemous words against Moses, and against God. dia nisy olona nomeny vava hanao hoe: Efa renay niteny ratsy an' i Mosesy sy Andriamanitra ity. dia namoky olona hilaza hoe: Renay nandefa teny fitenenan-dratsy an' i Moizy sy Andriamanitra izy io. Ils soudoyèrent alors des hommes pour dire : " Nous l' avons entendu prononcer des paroles blasphématoires contre Moïse et contre Dieu. "
...............
Asa 6.14 For we have heard him say, that this Jesus of Nazareth shall destroy this place, and shall change the customs which Moses delivered us. Fa efa renay izy nilaza fa ilay Jesosy avy any Nazareta dia handrava ity fitoerana ity sy hanova ny fomba izay natolotr' i Mosesy antsika. Efa renay nilaza izy fa ilay Jeso avy any Nazareta, hono, dia handrava ity fitoerana ity, sy hanova ny fanao nomen' i Moizy antsika. Nous l' avons entendu dire que Jésus, ce Nazaréen, détruira ce Lieu-ci et changera les usages que Moïse nous a légués. "
...............
Asa 7.20 In which time Moses was born, and was exceeding fair, and nourished up in his father' s house three months: Tamin' izany andro izany no nahaterahan' i Mosesy, ary tsara teo anatrehan' Andriamanitra izy ka notezaina telo volana tao an-tranon' ny rainy. Tamin' izany andro izany no nahaterahan' i Moizy, izay tsara tarehy teo imason' Andriamanitra ka notezaina telo volana teo an-tranon-drainy aloha. C' est à ce moment que naquit Moïse, qui était beau devant Dieu. Il fut nourri trois mois dans la maison de son père ;
...............
Asa 7.22 And Moses was learned in all the wisdom of the Egyptians, and was mighty in words and in deeds. Ary Mosesy nampianarina ny fahendrena rehetra nananan' ny Egyptiana, ary nahery tamin' ny teniny sy ny asany izy. ka nampianarina ny fahendrena rehetra nananan' ny mponina any Ejipta, sy nahery tamin' ny teniny aman' asany. Ainsi Moïse fut-il instruit dans toute la sagesse des Égyptiens, et il était puissant en paroles et en oeuvres.
...............
Asa 7.26 And the next day he shewed himself unto them as they strove, and would have set them at one again, saying, Sirs, ye are brethren; why do ye wrong one to another? Ary nony ampitson' iny dia niseho tamin' ireo izay niady Mosesy ary nanao izay hampihavana azy ka nanao hoe: Raondriana, mirahalahy ianareo, koa nahoana ianareo no miady? Ny ampitson' iny, dia tojo roa lahy niady izy, ka nanao izay hihavanany sy nilaza hoe: Ry sakaiza, mpirahalahy hianareo, ka nahoana no dia mifamely? Le lendemain, il en aperçut qui se battaient, et il voulut les remettre d' accord. "Mes amis, leur dit-il, vous êtes frères : pourquoi vous maltraiter l' un l' autre ?"
...............
Asa 7.29 Then fled Moses at this saying, and was a stranger in the land of Madian, where he begat two sons. Ary tamin' izany teny izany dia nandositra Mosesy ka nivahiny tany amin' ny tany Midiana, ary tany no niterahany zanaka roa lahy. Dia nandositra Moizy nony nahare izany teny izany, ka nivahiny tany amin' ny tany Madiana, ary niteraka zanaka roa lahy tany. A ces mots, Moïse s' enfuit et alla se réfugier au pays de Madian, où il eut deux fils.
...............
Asa 7.31 When Moses saw it, he wondered at the sight: and as he drew near to behold it, the voice of the Lord came unto him, Ary Mosesy, nony nahita, dia gaga noho ny fahitana; nefa nony nanatona handinika izy, dia tonga ny feon' ny Tompo nanao hoe: Gaga Moizy nahita izany; ary nony nanatona handinika izy, dia nandre ny feon' ny Tompo nanao hoe: Moïse était étonné à la vue de cette apparition. Comme il s' avançait pour mieux voir, la voix du Seigneur se fit entendre :
Asa 7.32 Saying, I am the God of thy fathers, the God of Abraham, and the God of Isaac, and the God of Jacob. Then Moses trembled, and durst not behold. Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr' i Abrahama sy Isaka ary Jakoba (Eks. 3. 6). Dia tora-kovitra Mosesy ka tsy sahy nandinika. Izaho no Andriamanitry ny razanao, Andriamanitr' i Abrahama, Andriamanitr' Isaaka, ary Andriamanitr' i Jakoba. Tera-kovitra tery Moizy ka tsy sahy nijery akory. "Je suis le Dieu de tes pères, le Dieu d' Abraham, d' Isaac et de Jacob. " Tout tremblant, Moïse n' osait regarder.
...............
Asa 7.35 This Moses whom they refused, saying, Who made thee a ruler and a judge? the same did God send to be a ruler and a deliverer by the hand of the angel which appeared to him in the bush. Izany Mosesy izany dia nolaviny ka nataony hoe: Iza no nanendry an' ialahy ho mpanapaka sy mpitsara? (Eks. 2. 14) kanjo izy ihany no nirahin' Andriamanitra ho mpanapaka sy mpanavotra nomban' ny tanan' ny Anjely, Ilay niseho taminy teo amin' ny voaroy. Io ilay Moizy nolaviny sy nataony hoe: Iza moa no nanendry an' ialahy ho mpifehy sy mpitsara? Kanjo izy ihany no nirahin' Andriamanitra ho mpifehy sy mpanavotra, nomban' ilay anjely niseho taminy tao amin' ny hazo kely milobolobo. " Ce Moïse qu' ils avaient renié en disant : Qui t' a établi chef et juge ? voici que Dieu le leur envoyait comme chef et rédempteur, par l' entremise de l' ange qui lui était apparu dans le buisson.
...............
Asa 7.37 This is that Moses, which said unto the children of Israel, A prophet shall the Lord your God raise up unto you of your brethren, like unto me; him shall ye hear. Izany no Mosesy izay nilaza tamin' ny Zanak' isiraely hoe: Mpaminany no hatsangan' Andriamanitra ho anareo avy amin' ny rahalahinareo, tahaka ahy (Deo. 18. 15). Io Moizy io ihany koa no nilaza tamin' ny zanak' Israely hoe: Andriamanitra hanangana Mpaminany anankiray tahaka ahy ho anareo avy amin' ny rahalahinareo, dia hihaino azy hianareo. C' est lui, Moïse, qui dit aux Israélites : Dieu vous suscitera d' entre vos frères un prophète comme moi.
...............
Asa 7.40 Saying unto Aaron, Make us gods to go before us: for as for this Moses, which brought us out of the land of Egypt, we wot not what is become of him. ka hoy izy tamin' i Arona: Anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay nitondra antsika nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy (Eks. 32. 1). ka nanao tamin' i Aarona hoe: Anaovy andriamanitra izahay hitari-dàlana anay, fa tsy fantatray izay nanjò an' ilay Moizy nitondra anay avy tany Ejipta iny. ils dirent à Aaron : "Fais-nous des dieux qui marchent devant nous ; car ce Moïse qui nous a fait sortir du pays d'Égypte, nous ne savons ce qui lui est arrivé. "
...............
Asa 7.44 Our fathers had the tabernacle of witness in the wilderness, as he had appointed, speaking unto Moses, that he should make it according to the fashion that he had seen. Ny trano-lain' ny Vavolombelona dia teo amin' ny razantsika tany an-efitra, tahaka ny voatendrin' izay niteny tamin' i Mosesy mba hanaovany azy araka ny endrika izay efa hitany. Ny tranolain' ny fanekena dia tao amin' ny razantsika tany an' efitra, araka ny didin' ilay nilaza tamin' i Moizy hanao azy araka ny marika efa hitany. " Nos pères au désert avaient la Tente du Témoignage, ainsi qu' en avait disposé Celui qui parlait à Moïse, lui enjoignant de la faire suivant le modèle qu' il avait vu.
...............
Asa 13.38 Be it known unto you therefore, men and brethren, that through this man is preached unto you the forgiveness of sins: Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo; Aoka ho fantatrareo àry, ry rahalahy, fa izy ihany no itoriana famelan-keloka aminareo, ary ny ota rehetra tsy nahazoanareo fanamarinana tamin' ny Lalàn' i Moizy, " Sachez-le donc, frères, c' est par lui que la rémission des péchés vous est annoncée. L' entière justification que vous n' avez pu obtenir par la Loi de Moïse,
Asa 13.39 And by him all that believe are justified from all things, from which ye could not be justified by the law of Moses. ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin' ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin' ny lalàn' i Mosesy. dia ao aminy no anamarinana an' izay rehetra mino mba ho afaka amin' izany. c' est par lui que quiconque croit l' obtient.
Asa 15.1 And certain men which came down from Judaea taught the brethren, and said, Except ye be circumcised after the manner of Moses, ye cannot be saved. Ary ny olona sasany izay nidina avy tany Jodia nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy forana araka ny fanaon' i Mosesy ianareo, dia tsy azo vonjena. Ary nisy olona avy tany Jodea nampianatra ny rahalahy hoe: Raha tsy foràna araka ny Lalàn' i Moizy hianareo, dia tsy ho voavonjy. Cependant certaines gens descendus de Judée enseignaient aux frères : " Si vous ne vous faites pas circoncire suivant l' usage qui vient de Moïse, vous ne pouvez être sauvés. "
...............
Asa 15.5 But there rose up certain of the sect of the Pharisees which believed, saying, That it was needful to circumcise them, and to command them to keep the law of Moses. Fa ny mino sasany, izay isan' ny antokon' ny Fariseo kosa, dia nitsangana ka nanao hoe: Tsy maintsy forana ireny ka asaina mitandrina ny lalàn' i Mosesy. Fa mba nitsangana kosa ny mpino sasany tariky ny Farisiana, ka nanao hoe: Tsy maintsy hoforana ny jentily, sy didiana hanaraka ny Lalàn' i Moizy. Mais certaines gens du parti des Pharisiens qui étaient devenus croyants intervinrent pour déclarer qu' il fallait circoncire les païens et leur enjoindre d' observer la Loi de Moïse.
...............
Asa 15.21 For Moses of old time hath in every city them that preach him, being read in the synagogues every sabbath day. Fa hatramin' ny razana fahiny dia manana izay mitory azy ao amin' ny isan-tanàna Mosesy, fa vakina ao amin' ny synagoga rehetra isan-tSabata ny teniny. Fa hatramin' ny taranaka mifanesy hatry ny ela dia manana izay mitory azy isan-tanàna rehetra Moizy, satria vakina ao amin' ny sinagoga isan-tsabata ny teniny. Car depuis les temps anciens Moïse a dans chaque ville ses prédicateurs, qui le lisent dans les synagogues tous les jours de sabbat. "
...............
Asa 21.21 And they are informed of thee, that thou teachest all the Jews which are among the Gentiles to forsake Moses, saying that they ought not to circumcise their children, neither to walk after the customs. sady efa novokisan' olona ny aminao, fa ianao, hono, mampianatra ny Jiosy rehetra izay any amin' ny jentilisa hahafoy an' i Mosesy ka mandrara azy tsy hamora ny zaza na hanaraka ny fanaon-drazana. Ren' izy ireo fa hoe: hianao, hono, mampianatra ny Jody niely any amin' ny jentily hiala amin' ny Lalàn' i Moizy, sy tsy hamora ny zanany, ary tsy hanaraka ny fanaon-drazana. Or à ton sujet ils ont entendu dire que, dans ton enseignement, tu pousses les Juifs qui vivent au milieu des païens à la défection vis-à-vis de Moïse, leur disant de ne plus circoncire leurs enfants et de ne plus suivre les coutumes.
...............
Asa 26.22 Having therefore obtained help of God, I continue unto this day, witnessing both to small and great, saying none other things than those which the prophets and Moses did say should come: Ary noho ny fitahian' Andriamanitra ahy dia mbola maharitra mandraka androany aho ka manambara na amin' ny kely na amin' ny lehibe, ary tsy milaza na inona na inona afa-tsy izay nolazain' ny mpaminany sy Mosesy fa ho avy, Noho ny fitahian' Andriamanitra àry no mbola velona aho mandraka ankehitriny mitory amin' ny kely sy ny lehibe, ary tsy manambara afa-tsy ny zavatra voalazan' i Moizy sy ny mpaminany rahateo hahatanterahany, Soutenu par la protection de Dieu, j' ai continué jusqu'à ce jour à rendre mon témoignage devant petits et grands, sans jamais rien dire en dehors de ce que les Prophètes et Moïse avaient déclaré devoir arriver :
...............
Asa 28.23 And when they had appointed him a day, there came many to him into his lodging; to whom he expounded and testified the kingdom of God, persuading them concerning Jesus, both out of the law of Moses, and out of the prophets, from morning till evening. Ary rehefa nanao fotoana taminy ireo, dia maro no nankeo aminy tao an-trano nitoerany; ary izy nilaza sy nanambara taminy ny fanjakan' Andriamanitra hatramin' ny maraina ka hatramin' ny hariva, ary ny teny eo amin' ny lalàn' i Mosesy sy ny mpaminany no nitaomany azy hino an' i Jesosy. Dia nanao fotoana taminy izy ireo, ka maro no tonga tao an-trano nitoerany. Teny manetsiketsika no nanehoan' i Paoly ny fanjakan' Andriamanitra tamin' izy ireo, hatramin' ny maraina ka hatramin' ny hariva; sady ny teny ao amin' ny Lalàn' i Moizy sy ny mpaminany manambara an' i Jeso ihany no nentiny nitaona azy ireo hino azy. Ils prirent donc jour avec lui et vinrent en plus grand nombre le trouver en son logis. Dans l' exposé qu' il leur fit, il rendait témoignage du Royaume de Dieu et cherchait à les persuader au sujet de Jésus, en partant de la Loi de Moïse et des Prophètes. Cela dura depuis le matin jusqu' au soir.

  Letter to the Romans Romanina Romana Épître de Saint Paul aux Romains
...............
Rom / Rm 5.14 Nevertheless death reigned from Adam to Moses, even over them that had not sinned after the similitude of Adam' s transgression, who is the figure of him that was to come. fa ny fahafatesana nanjaka hatramin' i Adama ka hatramin' i Mosesy, na dia tamin' izay tsy nanota tahaka ny nanotan' i Adama aza, izay tandindon' ilay ho avy. Nanjaka ihany anefa ny fahafatesana hatramin' i Adama ka hatramin' i Moizy, na dia tamin' izay tsy nanao fahotana toraka ny fandikana nataon' i Adama aza; ary Adama dia tandindon' ilay Adama ho avy. cependant la mort a régné d' Adam à Moïse même sur ceux qui n' avaient point péché d' une transgression semblable à celle d' Adam, figure de celui qui devait venir...
...............
Rom / Rm 9.15 For he saith to Moses, I will have mercy on whom I will have mercy, and I will have compassion on whom I will have compassion. Fa hoy Izy tamin' i Mosesy: Izaho hiantra izay hiantrako, ary hamindra fo amin' izay hamindrako fo (Eks. 33. 19). Fa hoy izy tamin' i Moizy: Hamindra fo amin' izay tiako hamindram-po aho, ary hiantra izay tiako hiantrana. Car il dit à Moïse : Je fais miséricorde à qui je fais miséricorde et j' ai pitié de qui j' ai pitié.
...............
Rom / Rm 10.5 For Moses describeth the righteousness which is of the law, That the man which doeth those things shall live by them. Fa Mosesy nanoratra milaza fa izay olona manao ny fahamarinana avy amin' ny lalàna no ho velona amin' izany (Lev. 18. 5). Izany no nilazan' i Moizy fa ny olona manatanteraka ny fahamarinana avy amin' ny Lalàna no ho velona amin' izany; Moïse écrit en effet de la justice née de la Loi qu' en l' accomplissant l' homme vivra par elle,
...............
Rom / Rm 10.19 But I say, Did not Israel know? First Moses saith, I will provoke you to jealousy by them that are no people, and by a foolish nation I will anger you. Fa hoy izaho: Sao tsy nahalala ny Isiraely? Voalohany, Mosesy manao hoe: Izaho hampialona anareo amin' izay tsy firenena, Dia amin' ny firenena adala no hampahasosorako anareo (Deo. 32. 21). Fa hoy indray aho: Sao tsy nahalala kosa Israely? Ehe, i Moizy ihany no voalohany nanoratra hoe: Hataoko velom-pialonana an' izay tsy firenena akory hianareo; ary hataoko entin-katezerana amin' ny firenena tsy misy saina. Mais je demande : Israël n' aurait-il pas compris ? Déjà Moïse dit : Je vous rendrai jaloux de ce qui n' est pas une nation, contre une nation sans intelligence j' exciterai votre dépit.

  1st Letter to the Corinthians 1 Korintianina Korintiana I 1ère Épître de Saint Paul aux Corinthiens
...............
1Kr / 1Kor 9.9 For it is written in the law of Moses, Thou shalt not muzzle the mouth of the ox that treadeth out the corn. Doth God take care for oxen? Fa voasoratra eo amin' ny lalàn' i Mosesy hoe: Aza manakombona ny vavan' ny omby mively vary (Deo. 25. 4). Ny omby va no ahin' Andriamanitra? Fa izao no voasoratra amin' ny Lalàn' i Moizy: Aza mamatotra ny vavan' ny omby mively vary. Ny omby ve no ahoan' Andriamanitra, C' est bien dans la Loi de Moïse qu' il est écrit : Tu ne muselleras pas le boeuf qui foule le grain. Dieu se mettrait-il en peine des boeufs ?
...............
1Kr / 1Kor 10.2 And were all baptized unto Moses in the cloud and in the sea; ary izy rehetra dia natao batisa ho amin' i Mosesy tao amin' ny rahona sy ny ranomasina, ary natao batemy tamin' i Moizy tao amin' ny rahona sy ny ranomasina izy rehetra; tous ont été baptisés en Moïse dans la nuée et dans la mer,

  2nd Letter to the Corinthians 2 Korintianina Korintiana II 2ème Épître de Saint Paul aux Corinthiens
...............
2Kr / 2Kor 3.7 But if the ministration of death, written and engraven in stones, was glorious, so that the children of Israel could not stedfastly behold the face of Moses for the glory of his countenance; which glory was to be done away: Fa raha ny fanompoana nitondra fahafatesana aza, izay voasoratra teo amin' ny vato, no nisy voninahitra, ka ny Zanak' Isiraely tsy nahabanjina ny tavan' i Mosesy noho ny voninahitry ny tavany izay nihalevona, Ary raha ny fandraharaham-pahafatesana voasoratra tamin' ny vato aza nohodidinim-boninahitra, ka tsy nahabanjina ny tavan' i Moizy ny zanak' Israely, noho ny famirapiratry ny voninahiny mandalo foana, Or, si le ministère de la mort, gravé en lettres sur des pierres, a été entouré d' une telle gloire que les fils d' Israël ne pouvaient fixer les yeux sur le visage de Moïse à cause de la gloire de son visage, pourtant passagère,
...............
2Kr / 2Kor 3.13 And not as Moses, which put a vail over his face, that the children of Israel could not stedfastly look to the end of that which is abolished: ary tsy tahaka an' i Mosesy, izay nanarona ny tavany tamin' ny fisalobonana, mba tsy hibanjinan' ny Zanak' Isiraely ny faran' izay nihalevona; ka tsy mba manao tahaka an' i Moizy izay nanarona ny tavany mba tsy hahitan' ny zanak' Israely tao aminy ny hahataperan' ny fandraharahana mandalo. et non comme Moïse, qui mettait un voile sur son visage pour empêcher les fils d' Israël de voir la fin de ce qui est passager...
...............
2Kr / 2Kor 3.15 But even unto this day, when Moses is read, the vail is upon their heart. Fa misy fisalobonana manarona ny fony ambaraka androany, raha vakina ny tenin' i Mosesy. Mandraka ankehitriny, isaky ny vakina ny tenin' i Moizy, dia toa misy sarona manarona ny fon' izy ireo; Oui, jusqu'à ce jour, toutes les fois qu' on lit Moïse, un voile est posé sur leur coeur.

  2nd Letter to Timothy 2 Timoty Timote II 2ème Épître de Saint Paul à Timothée
...............
2Tm 3.8 Now as Jannes and Jambres withstood Moses, so do these also resist the truth: men of corrupt minds, reprobate concerning the faith. Ary tahaka ny nanoheran' i Jana sy Jambra an' i Mosesy no anoheran' ireo koa ny fahamarinana, dia olona maloto saina sady tsy manam-pinoana marina. Tahaka ny nanoheran' i Janesy sy Jambresy an' i Moizy no anoheran' ireo koa ny fahamarinana, dia olona ratsy fanahy sy melo-pinoana, A l' exemple de Jannès et de Jambrès qui se dressèrent contre Moïse, ils se dressent, eux aussi, contre la vérité, hommes à l' esprit corrompu, sans garantie en matière de foi.

  Letter to the Hebrews Hebreo Hebrio Épître de Saint Paul aux Hébreux
...............
Heb 3.2 Who was faithful to him that appointed him, as also Moses was faithful in all his house. Izay mahatoky ny nanendry Ary, tahaka an' i Mosesy koa tao amin' ny tranon' Andriamanitra rehetra. izay nahatoky an' ilay nanendry azy, tahaka an' i Moizy "tao amin' ny tranony rehetra" koa. il est fidèle à celui qui l' a institué, comme Moïse le fut aussi dans toute sa maison.
Heb 3.3 For this man was counted worthy of more glory than Moses, inasmuch as he who hath builded the house hath more honour than the house. Fa Izy dia natao miendrika hanam-boninahitra noho Mosesy, araka ny ananan' ny mpanao trano voninahitra bebe kokoa noho ny trano nataony. Fa tahaka ny mahabe voninahitra ny mpanao trano noho ny trano nataony no nanaovana azy mendri-boninahitra fa tsy tahaka an' i Moizy. Car il a été jugé digne d' une gloire supérieure à celle de Moïse, dans la mesure même où la dignité du constructeur d' une maison est plus grande que celle de la maison elle-même.
...............
Heb 3.5 And Moses verily was faithful in all his house, as a servant, for a testimony of those things which were to be spoken after; Ary Mosesy dia mpanompo nahatoky tao amin' ny tranon' Andriamanitra rehetra, ho fanambarana izay zavatra mbola holazaina; Ary Moizy dia nahatoky tao amin' ny tranony rehetra toa ny mpanompo fotsiny, mba hanambara ny zavatra tsy maintsy holazaina; Moïse, à la vérité, a été fidèle dans toute sa maison, en qualité de serviteur, pour témoigner de ce qui devait être dit ;
...............
Heb 3.16 For some, when they had heard, did provoke: howbeit not all that came out of Egypt by Moses. Fa iza moa no nahatezitra Azy, rehefa nandre? Tsy izay rehetra nentin' i Mosesy niala tany Egypta va? Fa iza moa ireny nahasosotra azy nony efa nandre ny feony? Moa tsy ireo rehetra nentin' i Moizy niala tany Ejipta va? quels sont donc ceux qui, après avoir entendu, ont querellé ? Mais n'étaient-ce pas tous ceux qui sont sortis d'Égypte grâce à Moïse ?
...............
Heb 7.14 For it is evident that our Lord sprang out of Juda; of which tribe Moses spake nothing concerning priesthood. Fa hita marimarina fa avy tamin' ny Joda no nisehoan' ny Tompontsika, ary izany firenena izany dia tsy nisy nolazain' i Mosesy akory ny amin' izay ho mpisorona. satria fantatra miharihary fa avy amin' i Jodà foko tsy mba voalazan' i Moizy ho nisy mpisorona akory ny Tompontsika. Il est notoire, en effet, que notre Seigneur est issu de Juda, tribu dont Moïse n' a rien dit quand il traite des prêtres.
...............
Heb 8.5 Who serve unto the example and shadow of heavenly things, as Moses was admonished of God when he was about to make the tabernacle: for, See, saith he, that thou make all things according to the pattern shewed to thee in the mount. dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin' izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron' Andriamanitra an' i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: "Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra" (Eks. 25.40). ireo dia sary sy tandindon' ny any an-danitra fotsiny no fanompoana ataony araka ny natoron' Andriamanitra an' i Moizy ilay efa hanao ny tranolay iny izy hoe: Tandremo mba ho vita araka ny ohatra naseho anao tany an-tendrombohitra ny zavatra rehetra. ceux-là assurent le service d' une copie et d' une ombre des réalités célestes, ainsi que Moïse, quand il eut à construire la Tente, en fut divinement averti : Vois, est-il dit en effet, tu feras tout d' après le modèle qui t' a été montré sur la montagne.
...............
Heb 9.19 For when Moses had spoken every precept to all the people according to the law, he took the blood of calves and of goats, with water, and scarlet wool, and hyssop, and sprinkled both the book, and all the people, Fa rehefa voalazan' i Mosesy tamin' ny vahoaka rehetra ny didy rehetra araka ny lalàna, dia nalainy ny ran-janak' omby sy ny ran' osilahy mbamin' ny rano sy ny volon' ondry jaky sy ny hysopa ka nafafiny tamin' ny boky sy ny vahoaka rehetra; Fa rahefa voavakin' i Moizy tamin' ny vahoaka rehetra ny didy rehetra tao amin' ny Lalàna, dia nalainy ny ran-janak' omby sy ny ran' osilahy, mbamin' ny rano sy ny volon' ondry mena ary ny hisopy, ka nafafiny tamin' ny boky sy ny vahoaka rehetra, Effectivement, lorsque Moïse eut promulgué au peuple entier chaque prescription selon la teneur de la Loi, il prit le sang des jeunes taureaux et des boucs, avec de l' eau, de la laine écarlate et de l' hysope, et il aspergea le livre lui-même et tout le peuple
...............
Heb 10.28 He that despised Moses' law died without mercy under two or three witnesses: Izay manohitra ny lalàn' i Mosesy dia maty amin' ny tenin' ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindram-po; novonoina tsy nasiana famindram-po akory izay nandika ny Lalàn' i Moizy, notondroin' ny vavolombelona roa na telo/ Quelqu' un rejette-t-il la Loi de Moïse ? Impitoyablement il est mis à mort sur la déposition de deux ou trois témoins.
...............
Heb 11.23 By faith Moses, when he was born, was hid three months of his parents, because they saw he was a proper child; and they were not afraid of the king' s commandment. Finoana no nanafenan' ny ray aman-drenin' i Mosesy azy telo volana, raha vao teraka izy, satria hitany fa zaza tsara izy, ary tsy natahorany ny didin' ny mpanjaka. Ny finoana no nanafenan-drainy aman-drenin' i Moizy azy telo volana, nony efa teraka izy, satria hitany fa zaza tsara tarehy izy, ary tsy natahorany ny didin' ny mpanjaka. Par la foi, Moïse, à sa naissance fut caché par ses parents pendant trois mois, parce qu' ils virent que le petit enfant était joli, et ils ne craignirent pas l'édit du roi.
Heb 11.24 By faith Moses, when he was come to years, refused to be called the son of Pharaoh' s daughter; Finoana no nandavan' i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin' i Farao, rehefa lehibe izy,- Ny finoana no namoizan' i Moizy ny anarana hoe zanaky ny zanakavavin' i Faraona, nony efa lehibe izy, Par la foi, Moïse, devenu grand, refusa d'être appelé fils d' une fille d' un Pharaon,
...............
Heb 12.21 And so terrible was the sight, that Moses said, I exceedingly fear and quake:) ary satria loza indrindra ny fahitana, dia hoy Mosesy: "Matahotra loatra sy mangovitra indrindra aho" (Deo. 9.19). Loza loatra no niseho tamin' izay, ka Moizy avy no vaky hoe: Tsiravina sy rano an-dravina aho! Si terrible était le spectacle que Moïse dit : Je suis effrayé et tout tremblant.

  Letter of Jude Joda Joda Épître de Saint Jude
...............
Jod / Jd 1.9 Yet Michael the archangel, when contending with the devil he disputed about the body of Moses, durst not bring against him a railing accusation, but said, The Lord rebuke thee. Kanefa na i Misely Arkanjely aza, raha niady tamin' ny demony, nifanditra taminy ny amin' ny fatin' i Moizy, dia tsy sahy nanameloka azy tamin' ny teny fanozonana, fa izao fotsiny no nataony: Hofaizin' ny Tompo anie hianao. Ce sont eux qui murmurent, se plaignent, marchent selon leurs convoitises, leur bouche dit des choses orgueilleuses, ils flattent par intérêt.

  The Revelation Apokalypsy Fanambaràna L'Apocalypse
...............
Apo / Ap 15.3 And they sing the song of Moses the servant of God, and the song of the Lamb, saying, Great and marvellous are thy works, Lord God Almighty; just and true are thy ways, thou King of saints. Ary mihira ny fihiran' i Mosesy, mpanompon' Andriamanitra, sy ny fihiran' ny Zanak' ondry izy manao hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo Ô, Andriamanitra Tsitoha; Mahitsy sy marina ny lalanao, Ry Mpanjaka mandrakizay. Ny hiran' i Moizy mpanompon' Andriamanitra sy ny hiran' ny Zanak' ondry no nohirain' izy ireo, ka hoy izy: Lehibe sy mahagaga ny asanao, ry Tompo, Andriamanitra tsitoha! Marina sy mahitsy ny lalànao, ry Mpanjakan' ny taona mandrakizay! ils chantent le cantique de Moïse, le serviteur de Dieu, et le cantique de l' Agneau : " Grandes et merveilleuses sont tes oeuvres, Seigneur, Dieu Maître-de-tout ; justes et droites sont tes voies, ô Roi des nations.