Index

Proverbes : mahamay

Proverbe Aleo homam--boatavo mahamay sa aleo adala havana? [Veyrières 1913 #1050]
Traduction française Lequel est préférable : manger une citrouille brûlante ou avoir des parents insensés? [Veyrières 1913 #1050]
Interprétation française Se disait des parents qui créaient des ennuis par leur conduite. [Veyrières 1913 #1050]

Proverbe Antsontsany hoatry ny fihinanana fadin-kena : hanina mafana, mandoro ; hanina mangatsiaka, miraikitra amin' ny lanilany. [Veyrières 1913 #5644]
Antsontsany ohatra ny fihinana fadin-kena : hanina mafana, mandoro; hanina mangatsiaka, miraikitra amy ny lanilany. [Cousins 1871]
Antsontsany ohatra ny fihinanana fadin-kena : hanina mahamay mandoro, hanina mangatsiaka, miraikitra an-danilany. [Rinara 1974 #292]
Traduction française Chercher difficultés et querelles comme l' intérieur de boeuf, quand on le mange : chaud, il brûle ; froid, il s' attache au palais. [Veyrières 1913]
Interprétation française Il faut en tout un juste milieu ; ce proverbe se disait des gens trop hésitants. [Veyrières 1913 #1198]
Se disait des personnes difficiles de caractère. [Veyrières 1913 #5644]

Proverbe Fantaro ny toe-javatra, fa ao am--pon’ ny vilany, mahamay; ny ao am--pon’ ny siny, mangatsiaka. [Cousins 1871 #929]
Ny am--pon’ ny siny mangatsiaka, fa ny am--pon’ ny vilany mafana. [Cousins 1871 #2149]
Ny am--pon' ny siny mangatsiaka, fa ny am--pon' ny vilany mahamay. [Rinara 1974 #2864]
Ny ao am--pon' ny siny mangatsiaka, fa ny ao am--pon' ny vilany mahamay. [Houlder 1895]
Ny ao am--pon' ny siny mangatsiaka, ny ao ampon' ny vilany mahamay. [Rajemisa 1985]
Ny ao am--pon' ny vilany mahamay, ny ao ampon' ny siny mangatsiaka. [Rajemisa 1985]
Interprétation malgache Enti-milaza ny fahasamihafan' ny toetran' ny olona na ny toetran' ny zavatra. [Rajemisa 1985]
Enti-milaza ny fahasamihafan' ny zavatra na dia mitovitovy ety ivelany aza, arakaraka ny toetra nikendrena azy na ny asa iandraiketany avy. [Rajemisa 1985]
Traduction française Ce qui est dans la cruche est froid, mais ce qui est dans la marmite est chaud. [Houlder 1895]
Interprétation française Pourtant les deux sont en argile. [Houlder 1895]

Proverbe Fihinan' akotralahy : ny mahamay tsy tsofina, ny mangatsiaka tsy hafanaina. [Rinara 1974 #1157]
Fihinan’ ankotralahy : ny mafana tsy tsofina, ny mangatsiaka tsy afanaina. [Cousins 1871 #957]
Fihinan' ankotralahy : ny mafana tsy tsofina, ny mangatsiaka tsy hafanaina. [Veyrières 1913 #2077]
Traduction française Repas de simples soldats : ils ne soufflent pas sur ce qui est trop chaud pour le faire refroidir, et ils ne font pas chauffer ce qui n' est pas assez chaud. [Veyrières 1913 #2077]
Interprétation française Se disait des gens de peu de portée et de ceux qui ne voulaient se donner aucune peine. [Veyrières 1913 #2077]

Proverbe Isika izao dia toy ny tantanana sy riandriana, ka ela nahitana ny mahamay. [Rinara 1974 #1451]
Isika tahaka ny tantanana sy riandriana: ela nahita ny mahamay. [Cousins 1871 #1151]
Isika tahaky ny tantanana sy riandriana : ela nahita ny mahamay. [Veyrières 1913 #5179]
Traduction française Nous sommes comme le marteau et l' enclume : nous avons vu longtemps le feu brûlant. [Veyrières 1913 #5179]
Interprétation française Paroles dites par des compagnons ou amis : les malheurs que nous avons endurés n' ont pas altéré l' accord qui règne entre nous. [Veyrières 1913 #5179]

Proverbe Ny fitia tsy fanao mody voky, na mody iavonana toa varin' amboa mahamay. [Rinara 1974 #3003]

Proverbe Ny manjaka toy ny afo : halavirina mangatsiaka, hatonina : mahamay. [Rinara 1974 #3121]
Ny manjaka toy ny afo ; ka raha halavirina mahamangatsiaka, ary raha hatonina akaiky mahamay. [Veyrières 1913 #231]
Ny manjaka toy ny afo : raha halavirina, mahangatsiaka ; ary raha akekena, mahamay. [Cousins 1871 #2329, Nicol 1935 #273]
Ny mpanjaka toy ny afo: raha halavirina mangatsiaka, ary raha akekezina mahamay. [Houlder 1895 #1398]
Traduction française Les grands sont comme le feu : loin d’eux, vous avez froid; près d’eux, vous prenez feu. [Nicol 1935 #273]
Le souverain est comme le feu : ceux qui sont loin de lui n' ont pas part à ses bienfaits, ils ont froid ; mais ceux qui sont auprès de lui obtiennent ses faveurs, ils ont chaud. [Veyrières 1913 #231]
Le souverain est comme le feu: si on s' en éloigne, on a froid; et si on s' en rapproche, on se brûle. [Houlder 1895]

Proverbe Odian-tsy tiana ohatra ny varin' amboa mahamay. [Rinara 1974]
Odian-tsy tiana, tahaka ny varin’ amboa mahamay. [Cousins 1871]
Odian-tsy tiana tahaky ny varin' amboa mahamay. [Veyrières 1913 #5127]
Traduction française Qu' on fait semblant de ne pas aimer, comme le chien a l' air de ne pas aimer son riz trop chaud. [Veyrières 1913 #5127]
Interprétation française Se disait du jeu de l'amour ; se disait aussi de ceux qui feignaient de ne pas vouloir acheter, ou faire un contrat. [Veyrières 1913 #5127]

Proverbe Rafara tsy tia mangatsiaka, ka aoka Rafotsiraivo no hanao izay marimaritra iraisana. [Rinara 1974 #3697]
Ramatoa tsy tia mahamay, Rafara tsy tia mangatsiaka, dia aoka Rafotsiraivo no hanao izay marimaritra hiraisana. [Veyrières 1913 #1782, Cousins 1871 #2735]
Traduction française L'aînée n' aime pas le chaud, la dernière n' aime pas le froid ; il faut donc que la cadette, pour les mettre d' accord, fasse une température moyenne. [Veyrières 1913 #1782]

Proverbe Ramatoa tsy tia mahamay. [Rinara 1974 #3696]

Proverbe Sola mitanina andro, ka any an-doha no mahatsiaro mahamay aloha. [Veyrières 1913 #5625]
Sola mitanina andro : ny loha efa mahamay, fa ny tena mbola mangatsiaka. [Veyrières 1913 #5626]
Sola mitanin' andro: ny loha efa mahamay, fa ny tena mbola mangatsiaka. [Cousins 1871 #2927]
Sola mitanin' andro : ny loha efa mahamay, nefa ny tena mbola manara. [Rinara 1974 #3938]
Traduction française Chauve qui se chauffe au soleil : c' est sa tête qui sent la première la chaleur. [Veyrières 1913 #5625]
Chauve qui se chauffe au soleil : sa tête est brûlante, et sa personne est froide. [Veyrières 1913 #5626]
Interprétation française Se disait des gens en colère. [Veyrières 1913 #5626]
Se disait des gens rouges de colère. [Veyrières 1913 #5625]

Proverbe Takatra mody hariva ka samy may amin' ny mahamay azy. [Rinara 1974 #4004]

Proverbe Tanana eo an-jorony efatra, ohatra ny fihinam-boatavo mahamay. [Cousins 1871]
Tanana eo an-jorony efatra toy ny fihinam-boatavo mahamay. [Rinara 1974]

Proverbe Voatavo mahamay ka tsy hanin-jaza sarotra an-kanina. [Rinara 1974 #4999]

Index