Index

Proverbes : lela

Proverbe 1Akoholahy mitelin-koto : raha mahay mitelina dia tohan' aina, raha tsy mahay dia singotry ny lela. [2.415 #3537]
Akoholahy mitelin-koto: raha mahay mitelina, dia tohan' aina; raha tsy mahay mitelina, dia singotry ny lela. [2.165]
Akoholahy nitelin-koto, ka ny natao hanin-kahavoky no tonga singotry ny aina. [2.415 #3537]
Akoholahy nitelin-koto : mahay mitelina, tohan' ny aina, tsy mahay, singotry ny lela. [2.558]
Akoholahy nitelin-koto: raha mahay mitelina, dia tohan’ ny aina ; raha tsy mahay, dia singotry ny lela. [2.653 #66]
Traduction françaiseCoq qui a mangé de l' étoupe, ce qu'il a pris pour lui servir de nourriture devient sa perte. [2.415 #3537]
Coq qui avale de l' étoupe : s' il parvient à l' avaler, c' est une nourriture ; s' il n'y parvient pas, sa langue s' y prend et il en crève. [2.415 #3537]
Un coq avalant de l' étoupe: s' il peut l' avaler, elle le nourrira; mais s' il ne peut l' avaler, elle lui embarrassera la langue. [2.165]
Interprétation françaiseSe disait de ceux qui portent la parole et qui s' y embarrassent. [2.415 #3537]

Proverbe 2Aza atao toy ny angady, ka ny lelany mitomboka tany, sasana amin' ny rano, fa ny zarany tsy mikasi-potaka, hosorana menaka. [2.558 #418]

Proverbe 3Aza manao lela-menarana ka feno ny ratsy rehetra. [2.558 #542]
Aza manao lela menarana ka feno ny ratsy samy hafa. [2.165 #571]
Manao lela menarana, ka vaky samihafa. [2.415 #4871, 2.653 #1548]
Traduction françaiseAvoir une langue de vipère : elle est fourchue. [2.415 #4871]
N' ayez pas une langue de serpent pleine de toute sorte de mal. [2.165 #571]
Interprétation françaiseSe disait des mauvaises langues disant blanc à l'un et noir à l'autre, et semant la discorde. [2.415 #4871]

Proverbe 4Aza manao lelan' omby : sady hitsabaka am-bava no hitsabaka an' orona. [2.415 #4978, 2.653 #479]
Aza manao lelan' omby : sady hitsabaka ny am-bava no hitsabaka ny an' orona. [2.558 #543]
Traduction françaiseNe faites pas comme la langue du boeuf : elle plonge et dans la bouche et dans le nez. [2.415 #4978]
Interprétation françaiseSe disait des gens qui jouent double jeu ou sont des deux partis à la fois. [2.415 #4978]

Proverbe 5Aza manao tantanan-droa lela. [2.974 #76, 2.165]
Aza manao tantanan-droa lela, ka mahay atsy, mahay aroa. [2.558 #585]
Traduction françaiseNe pas imiter le pic à double face ; pointu des deux côtés. [2.974 #76]
Ne soyez pas comme un marteau à deux têtes. [2.165]

Proverbe 6Aza manao toy ny rafozana jamba, ka aleo hateran-tsira kely toy izay homen-damba tsara. [2.415 #1438, 2.165]
Mamangy rafozana jamba, ka ny manome lamba tsy hitany, fa ny manome sira kely no ankasitrahany. [2.415 #1449]
Mamangy rafozana jamba, ka ny manome lamba tsy hitany fa ny manome sira tsaroan' ny lelany no ankasitrahany. [2.558 #130]
Mamangy rafozana jamba, ka ny manome lamba tsy hitany, fa ny nanome sira kely no ankasitrahany. [2.653 #1468]
Rafozana jamba, ka aleony sira ren' ny lelany toy izay lamba tsara. [2.558 #3540]
Rafozana jamba: ny manatitra lamba tsy hitany, fa ny manatitra sira kely no isaotsaorany. [1.3 #498]
Rafozana jamba: ny manatitra lamba tsy hitany, fa ny manatitra sira no isaotsaorany. [1.1]
Interprétation malgacheEnti-milaza ny olona mahatsiaro ny soa kely fa tsy mahatsiaro ny soa lehibe atao azy. [1.1]
Traduction françaiseBelle-mère aveugle: si on lui donne un lamba, elle ne voit pas, mais si on lui donne un peu de sel, elle remercie avec effusion [1.3 #498]
Ne faites pas comme une belle-mère aveugle, qui aime mieux qu' on lui donne un peu de sel plutôt qu' un beau lamba. [2.415 #1438]
Ne faites-pas comme une belle-mère aveugle, qui préfère qu' on lui donne un peu de sel plutôt qu' un beau "lamba" . [2.165]
Visitez votre belle-mère aveugle et donnez-lui un lamba, elle ne le voit pas ; donnez-lui un peu de sel, cela lui est agréable. [2.415 #1449]
Interprétation françaiseComme elle est aveugle, il lui importe peu quelle soit bien mise. [2.165]
Elle ne voit pas le lamba. [2.415 #1438]
Le tout n'est pas de donner, il faut savoir donner ; autre sens : oublier un grand service et se montrer reconnaissant d'un petit service. [2.415 #1449]
Sensible aux petits services, insensible aux grands [1.3 #498]

Proverbe 7Aza mialoha lelany ohatra ny angady. [2.558 #732]
Aza mialoha lelany, toy ny fangady. [2.653 #601, 2.974 #197]
Traduction françaiseNe marchez pas la langue la première, comme la bêche. [2.974 #197]

Proverbe 8Aza mivadibadika toy ny lela may. [2.165 #533, 2.415 #5330]
Mivadibadika ohatra ny lela may. [2.558]
Traduction françaiseNe tournez pas à tout vent, comme la langue qui se tourne et se retourne sans cesse lorsqu' elle se brûle. [2.415 #5330]
Ne vous retournez pas de tous les côtés comme une langue qui s' est brûlée. [2.165]

Proverbe 9Didian’ ny antsy no misy romoromo, fa ny didian’ ny vava tsy mba misy romoromo. [2.653 #840]
Didian' ny antsy no misy romoromo, fa ny didian' ny vava tsy misy romoromo. [2.558 #985]
Ny didian' ny antsy mbola misy romborombo, fa ny didian' ny lela tsy mba misy romborombo. [2.415 #3285]
Ny didian' ny antsy mbola misy romoromo, fa ny didian' ny lela tsy mba misy romoromo. [2.415 #3285]
Traduction françaiseCe que le couteau a coupé offre toujours quelques aspérités mais ce que la langue tranche et coupe n'en offre pas. [2.415 #3285]
Interprétation françaiseUne chose dont on convient est arrêtée et conclue. [2.415 #3285]

Proverbe 10Didio ihany fa aza ny lelany no adidy fa ny vohony. [2.558 #993]
Didio ihany, ka aza ny lelany no adidy, fa ny vohony. [2.165 #1093]
Didio ihany, ka aza ny lelany no adidy, fa ny vohony no adidio. [2.653]
Traduction françaiseCoupez seulement, mais pas avec le tranchant (de la lame), mais avec le dos. [2.165]
Interprétation françaisePunissez-moi, mais pas trop rudement. Ne me tuez pas. [2.165]

Proverbe 11Fatra-pitia rafozana, ka ny lela no atao jono. [2.415 #1444]
Traduction françaiseIls cherchent à plaire avec excès à leurs beaux-parents : ils font de leur langue un appât. [2.415 #1444]
Interprétation françaiseIls ne voient pas que tôt ou tard cela leur jouera un mauvais tour ; le proverbe tire sa comparaison de la pêche des poissons. [2.415 #1444]

Proverbe 12Fy ny toho, fy ny amalona fa ny lelako tsy ataoko jono. [2.165 #1147, 2.653 #975, 2.558, 1.1]
Fy ny toho, fy ny amalona, fa ny lela tsy ataoko jono. [2.415 #2181]
Fy ny toho, fy ny amalona, fa ny lela tsy azo atao jono. [2.415 #2181]
Na fy aza ny amalona, ny lelako tsy ataoko jono. [1.1 #57]
Na mamy aza ny amalona, ny lelako tsy ataoko jono? [2.558 #2725]
Na tiako aza hianao, ny lelako tsy hataoko jono. [2.415 #1111]
Interprétation malgacheEnti-milaza fahamalinana: na toy inona na toy inona hasoan' ny zavatra iray, tsy tokony hatakalo an' io na oviana ny aina. [1.1 #57]
Traduction françaiseJ' ai beau vous aimer, je ne sacrifierai pas ma langue à servir d' appât pour vous. [2.415 #1111]
Les poissons nommés toho sont bons, les anguilles sont délicieuses, cependant la langue n' est pas un appât qu' on puisse sacrifier pour les prendre. [2.415 #2181]
Le "toho" est excellent, l' anguille est délicieuse, mais je n' employerai quand même pas ma langue comme appât (pour les prendre). [2.165]
Interprétation françaiseIl y a une limite à tout, même aux sacrifices à faire pour les parents ; comparaison tirée de la pêche des poissons. [2.415 #1111]
Les richesses sont agréables mais il ne faut pas sacrifier sa vie pour les obtenir. [2.415 #2181]

Proverbe 13Ingahy banga nihinana atodiakoho : ny filemodemoky ny vavany leoko ihany, fa ny fifalihavanjan' ny lelany no tsy tantiko. [2.558 #1437]
Ingahy banga nihinana atodiakoho : ny filemodemoky ny vavany leoko ihany, fa ny fifalihavanjan' ny lelany no tsy tohako. [2.415 #1816, 2.653]
Traduction françaiseVieillard édenté qui mange des oeufs : quand sa bouche se serre, je peux encore me tenir de rire ; mais quand sa langue frétille, je ne peux plus. [2.415]
Interprétation françaiseSe disait, en manière de plaisanterie, des vieux qui n' ont plus de dents. [2.415 #1816]

Proverbe 14Ka manao sajoa roe lela. [1.68]
Manao sajoa roe lela : mampilitse ro mampiboake. [1.68]
Traduction françaiseFaire comme un cruche à deux becs : faire entrer puis faire sortir. [1.68]
Ne soyez pas comme une cruche à deux têtes. [1.68]
Interprétation françaiseBien parler avec quelqu'un, puis dire du mal dans son dos. [1.68]

Proverbe 15Lelan’ omby, ka miraoka ahitra ho any ny trafony. [2.653 #1364]
Lelan' omby : miraoka ahitra ho an' ny trafony. [2.558 #1785]
Lel' omby, ka miraoka ahitra ho an' ny trafony. [2.165]
Traduction françaiseLa langue du bœuf (zébu): c' est pour la bosse quelle broute l' herbe. [2.165]

Proverbe 16Lelan' omby: mankao am-bava, mahay; mankao an' orona, mahay. [1.1]
Interprétation malgacheEnti-milaza ny olona mahay milaza tsara sy mahay milaza ratsy ny hafa. [1.1]

Proverbe 17Lelan' omby : milelaka ny trafo, mahay; milelaka ny tongotra, mahay ihany koa. [2.558 #1784]

Proverbe 18Lena an-trano toa lela. [2.165 #2215]
Traduction françaiseÊtre mouillé chez soi comme la langue, qui est toujours humide dans la bouche. [2.165]

Proverbe 19Lohan' omby notanehina tamin' ny afon-tain' omby, ka mba masaky ny nalain' ny vavany ihany. [2.415]
Loha-omby notanehin-taikomby : masaky ny noraofin' ny lelany. [2.415]
Loha omby notenehin-taikomby: masaky ny noraofin’ ny lelany. [2.558 #125, 2.653 #1370]
Traduction françaiseTête de boeuf cuite sur un feu de bouse de boeuf : elle cuit avec ce que sa bouche a pris elle-même à terre. [2.415]
Interprétation françaiseOn est puni par où on a péché. [2.415 #2704]

Proverbe 20Mahay roa hoatry ny lelan' omby : sady ho ao am-bavany no ho ao an' orony. [2.415 #5001]
Mahay roa ohatra ny lelan’ omby, sady ho ao am-bavany no ho ao an-orony. [2.653]
Mahay roa ohatra ny lelan' omby : sady ho ao am-bava no ho ao an' orona. [2.558]
Traduction françaiseCelui qui est double et sait se faufiler dans les deux partis est comme la langue du boeuf qui sert pour la bouche et pour le nez. [2.415]

Proverbe 21Na dia mamy aza ny trondro, ny lela tsy azo atao hanin-jono. [2.415 #6237]
Traduction françaiseLe poisson trondro a beau être excellent, on ne consentirait pas pour l' attraper, à mettre sa langue au bout de l' hameçon. [2.415 #6237]
Interprétation françaiseLes richesses sont agréables, mais il faut être prévoyant et ne pas leur sacrifier l'honneur ou la vie. [2.415 #6237]

Proverbe 22Ny alain' ny vavany maningotra ny tenany, ary ny alain' ny lelany maningotra ny lohany. [2.653 #2142, 2.558]

Proverbe 23Ny tratrany anivon’ ny sandriny ; ary ny lelany anivon’ ny nifiny. [2.415 #1689, 2.653]
Ny tratrany anivon' ny sandriny ary ny tendany anivon' ny lelany. [2.558 #3324]
Traduction françaiseLa poitrine est entre les bras, et la langue au milieu des dents. [2.415 #1689]
Interprétation françaiseLe sens est qu' on a besoin de protection. [2.415 #1689]

Proverbe 24Raha ambaka samy lela, avelao hikipaka. [2.165 #344, 2.558 #3548, 2.653 #2635]
Traduction françaiseSi c' est une lutte avec la langue (c. à. d. en paroles), qu' elle soit écorchée (plutôt que de s' avouer vaincu). [2.165]
Interprétation françaiseMontre combien les gens tiennent au dernier mot. [2.165]

Proverbe 25Raha tany misy hotsaka, dia misy sahona; ary raha tany misy loha, dia misy lela; ary raha tany misy lela, dia misy havitra. [2.165]
Raha tany misy hotsaka, dia misy sahona ; ary raha tany misy loha, dia misy lela ; ary raha tany misy lela, dia misy hevitra. [2.415 #307]
Raha tany misy hotsaka, dia misy sahona; ary raha tany misy loha, dia misy lela; ary raha tany misy olona, dia misy havitra. [2.165]
Traduction françaiseSi dans un pays il y a des mares, il y a des grenouilles ; s' il y a des têtes, il y a des langues ; et s' il y a des langues, il y a des pensées. [2.415 #307]
Si un pays contient des mares, il y a des grenouilles; et si un pays contient des têtes, il y a des langues; et si un pays contient des langues (ou: des gens), il s' y trouve des idées. [2.165]

Proverbe 26Reniny va no vakivaky nono sa ny zanany no maraorao lela? [2.165 #1892, 2.415 #997, 2.653 #2788]
Reniny ve no vakivaky nono, sa ny zanany no maraorao lela? [2.558 #3751]
Traduction françaiseEst-ce la vache qui a toujours eu des crevasses aux pis, ou est-ce le veau qui a la langue rugueuse, (et a ainsi causé les crevasses)? [2.165]
Est-ce sa mère qui a les mamelles gercées, ou bien l' enfant qui a la langue rugueuse? [2.415 #997]
Interprétation françaiseA Madagascar on laisse les veaux téter leurs mères. [2.165]
Se disait des enfants qui étaient ingrats envers leurs parents. [2.415 #997]

Proverbe 27Singam-bolo : am-bava singotry ny lela, voatelina singotry ny tsinay. [2.558 #3891]

Proverbe 28Tain' omby nahandroana ny lelany, ka masaky ny firaokan' ny vavany. [2.558 #3996]
Tain’ omby nandrahoana ny lelany, ka masaky ny finaokan’ ny vavany. [2.653 #2976]
Tain' omby nandrahoana ny lelany, ka masaky ny firaokan' ny vavany. [2.415]
Traduction françaiseLangue de boeuf qu' on fait cuire avec un feu de bouse : ce qu' a pris sa bouche, sert à la faire cuire. [2.415]
Interprétation françaiseSe disait des gens pris par leurs propres paroles. [2.415 #6250]

Proverbe 29Tanora nolatsain-kavana ka ny angady no atao lava lela. [2.558 #4061]

Proverbe 30Te-hilaza ka tsy mahay; te-hiteny ka bada lela. [2.165 #1658, 2.653 #3058]
Traduction françaiseVouloir dire, et ne pas savoir; vouloir parler, et avoir la langue embarrassée. [2.165]

Proverbe 31Tsy mba ny rambony hanamavo aho, fa ny lelany hanamandina ny trafony. [2.558 #4559]
Tsy mba ny rambony hanamavo ny vodiny aho, fa ny lelany hanamandina ny trafony. [2.165]
Traduction françaiseJe ne suis pas la queue qui salit le postérieur (du bœuf), mais la langue qui lisse la bosse. [2.165]
Interprétation françaiseEt une belle bosse fait connaître un bon bœuf. [2.165]

Proverbe 32Tsy ny rambo izay mikapoka hanavazina ny tena, fa ny lela izay milelaka hanamandina ny trafo. [2.653 #3568]
Tsy ny rambo mikapoka hanavazina ny tena, fa ny lela izay milelaka ny trafo. [2.558 #308]

Proverbe 33Vilian-Jafimamy : sady tongony no lelany. [2.558 #4951]
Vilian-Jafimamy: tongony dia lelany. [2.653 #3678, 2.165]
Traduction françaiseLes plats des Zafimamy: le dessous (litt. le pied) peut servir de dessus. [2.165]
Interprétation françaiseIls sont, pour ainsi dire, réversibles, les deux côtés offrant une concavité. Se dit de ce qui sert à deux fins. [2.165]

Proverbe 34Volo vaky : lelany aby. [1.147 #V92]

Index